| Chapitre 26 1 [Faminaniana ny amin'ny handravana an'i Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny volana tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'Jehovah nanao hoe: zananivavy. 2 Ry zanak'olona, noho ny nandatsan'i Tyro an'i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin'ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana, 3 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany. 4 Ary horavan'ireo ny mandan'i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy. 5 Ho famelarana harato eo amin'ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon'ny-firenena izy. 6 Ary ny zana-bohiny* eny an-tanety dia hovonoina amin'ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.[Heb. zananivavy] 7 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, andrianan'ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka. 8 Ny zana-bohitrao* any an-tanety dia hovonoiny amin'ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.[Heb zanakao-vavy] 9 Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny mandanao izy, sady horavany amin'ny fiadiany* ny tilikambonao.[Heb. sabany] 10 Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan'ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin'ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin'ny tanàna izay voabanga izy. 11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin'ny tany. 12 Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin'ny rano. 13 Ary hatsahatro ny feon'ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon'ny lokanganao. 14 Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo. 15 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao? 16 Dia hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrianan'ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin'ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao. 17 Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan'ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin'ny ranomasina, dia izy mbamin'ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy! 18 Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin'ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao. 19 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan'ny rano be ianao, 20 Dia hampidiniko hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin'ny razana, ka hamponeniko any ambanin'ny tany ianao, dia any amin'ny fonenana efa lao hatramin'ny ela, hiaraka amin'izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin'ny velona; 21 Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo. | | Chapitre 26 26:1 It happened in the eleventh year, in the first day of the month, that the word of Yahweh came to me, saying, 26:2 Son of man, because Tyre has said against Jerusalem, Aha, she is broken: the gate of the peoples; she is turned to me; I shall be replenished, now that she is laid waste: 26:3 therefore thus says the Lord Yahweh, Behold, I am against you, Tyre, and will cause many nations to come up against you, as the sea causes its waves to come up. 26:4 They shall destroy the walls of Tyre, and break down her towers: I will also scrape her dust from her, and make her a bare rock. 26:5 She shall be a place for the spreading of nets in the midst of the sea; for I have spoken it, says the Lord Yahweh; and she shall become a spoil to the nations. 26:6 Her daughters who are in the field shall be slain with the sword: and they shall know that I am Yahweh. 26:7 For thus says the Lord Yahweh: Behold, I will bring on Tyre Nebuchadnezzar king of Babylon, king of kings, from the north, with horses, and with chariots, and with horsemen, and a company, and many people. 26:8 He shall kill your daughters in the field with the sword; and he shall make forts against you, and cast up a mound against you, and raise up the buckler against you. 26:9 He shall set his battering engines against your walls, and with his axes he shall break down your towers. 26:10 By reason of the abundance of his horses their dust shall cover you: your walls shall shake at the noise of the horsemen, and of the wagons, and of the chariots, when he shall enter into your gates, as men enter into a city in which is made a breach. 26:11 With the hoofs of his horses shall he tread down all your streets; he shall kill your people with the sword; and the pillars of your strength shall go down to the ground. 26:12 They shall make a spoil of your riches, and make a prey of your merchandise; and they shall break down your walls, and destroy your pleasant houses; and they shall lay your stones and your timber and your dust in the midst of the waters. 26:13 I will cause the noise of your songs to cease; and the sound of your harps shall be no more heard. 26:14 I will make you a bare rock; you shall be a place for the spreading of nets; you shall be built no more: for I Yahweh have spoken it, says the Lord Yahweh. 26:15 Thus says the Lord Yahweh to Tyre: shall not the islands shake at the sound of your fall, when the wounded groan, when the slaughter is made in the midst of you? 26:16 Then all the princes of the sea shall come down from their thrones, and lay aside their robes, and strip off their embroidered garments: they shall clothe themselves with trembling; they shall sit on the ground, and shall tremble every moment, and be astonished at you. 26:17 They shall take up a lamentation over you, and tell you, How you are destroyed, who were inhabited by seafaring men, the renowned city, who was strong in the sea, she and her inhabitants, who caused their terror to be on all who lived there! 26:18 Now shall the islands tremble in the day of your fall; yes, the islands that are in the sea shall be dismayed at your departure. 26:19 For thus says the Lord Yahweh: When I shall make you a desolate city, like the cities that are not inhabited; when I shall bring up the deep on you, and the great waters shall cover you; 26:20 then will I bring you down with those who descend into the pit, to the people of old time, and will make you to dwell in the lower parts of the earth, in the places that are desolate of old, with those who go down to the pit, that you be not inhabited; and I will set glory in the land of the living: 26:21 I will make you a terror, and you shall no more have any being; though you are sought for, yet you will never be found again, says the Lord Yahweh. | | Chapitre 26 1 La onzième année, le premier jour du mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, parce que Tyr a dit sur Jérusalem: Ah! ah! Elle est brisée, la porte des peuples! On se tourne vers moi, Je me remplirai, elle est déserte! 3 A cause de cela, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à toi, Tyr! Je ferai monter contre toi des nations nombreuses, Comme la mer fait monter ses flots. 4 Elles détruiront les murs de Tyr, Elles abattront ses tours, Et j'en raclerai la poussière; Je ferai d'elle un rocher nu; 5 Elle sera dans la mer un lieu où l'on étendra les filets; Car j'ai parlé, dit le Seigneur, l'Éternel. Elle sera la proie des nations. 6 Ses filles sur son territoire Seront tuées par l'épée. Et ils sauront que je suis l'Éternel. 7 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'amène du septentrion contre Tyr Nebucadnetsar, roi de Babylone, le roi des rois, avec des chevaux, des chars, des cavaliers, et une grande multitude de peuples. 8 Il tuera par l'épée tes filles sur ton territoire; il fera contre toi des retranchements, il élèvera contre toi des terrasses, et il dressera contre toi le bouclier. 9 Il dirigera les coups de son bélier contre tes murs, et il renversera tes tours avec ses machines. 10 La multitude de ses chevaux te couvrira de poussière; tes murs trembleront au bruit des cavaliers, des roues et des chars, lorsqu'il entrera dans tes portes comme on entre dans une ville conquise. 11 Il foulera toutes tes rues avec les sabots de ses chevaux, il tuera ton peuple par l'épée, et les monuments de ton orgueil tomberont à terre. 12 On enlèvera tes richesses, on pillera tes marchandises, on abattra tes murs, on renversera tes maisons de plaisance, et l'on jettera au milieu des eaux tes pierres, ton bois, et ta poussière. 13 Je ferai cesser le bruit de tes chants, et l'on n'entendra plus le son de tes harpes. 14 Je ferai de toi un rocher nu; tu seras un lieu où l'on étendra les filets; tu ne seras plus rebâtie. Car moi, l'Éternel, j'ai parlé, dit le Seigneur, l'Éternel. 15 Ainsi parle à Tyr le Seigneur, l'Éternel: Au bruit de ta chute, Quand les mourants gémissent, Quand le carnage est dans ton sein, Les îles tremblent. 16 Tous les princes de la mer descendent de leurs trônes, Ils ôtent leurs manteaux, Et quittent leurs vêtements brodés; Ils s'enveloppent de frayeur, et s'asseyent sur la terre; A chaque instant l'épouvante les saisit, Et ils sont consternés à cause de toi. 17 Ils prononcent sur toi une complainte, et te disent: Eh quoi! tu es détruite, Toi que peuplaient ceux qui parcourent les mers, Ville célèbre, qui étais puissante sur la mer! Elle est détruite avec ses habitants, Qui inspiraient la terreur à tous ceux d'alentour! 18 Maintenant les îles tremblent au jour de ta chute, Les îles de la mer sont épouvantées de ta fin. 19 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Quand je ferai de toi une ville déserte, Comme les villes qui n'ont point d'habitants, Quand je ferai monter contre toi l'abîme, Et que les grandes eaux te couvriront, 20 Je te précipiterai avec ceux qui sont descendus dans la fosse, Vers le peuple d'autrefois, Je te placerai dans les profondeurs de la terre, Dans les solitudes éternelles, Près de ceux qui sont descendus dans la fosse, Afin que tu ne sois plus habitée; Et je réserverai la gloire pour le pays des vivants. 21 Je te réduirai au néant, et tu ne seras plus; On te cherchera, et l'on ne te trouvera plus jamais, Dit le Seigneur, l'Éternel. | |