T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 [Fahitana ny amin'ny vilany fahandroana, ary ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesan'ny vadin'i Ezekiela] Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, soratinao ny anaran'ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan'i Babylona miantomboka mamely an'i Jerosalema amin'izao andro anio izao.

3 Ary milazà fanoharana amin'ny taranaka maditra, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana, ka asio rano ao anatiny;

4 ary arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izy.

5 Alao ny ondry voafantina, ka tohofy kitay betsaka ao ambaniny koa hahandroana ny taolana*, dia ampangotrahy tsara izy, ka andrahoy ao ny taolany.[Na: ka angòny eo ambaniny ny taolana]

6 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany, fa aza anaovana filokana.

7 Fa ny ràny dia ao aminy; teo ambonin'ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka izy.

8 Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.

9 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.

10 Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]

11 Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.

12 Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.

13 Ny fahalotoanao dia misy fahavetavetana; satria nanadio anao Aho, nefa tsy nadio ianao, dia tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoana intsony ianao ambara-pialako fo aminao.

14 Izaho Jehovah no niteny, ka ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina; araka ny fanaonao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy Jehovah Tompo.

15 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

16 Ry zanak'olona, indro, efa hesoriko amin'ny loza indray mamely monja ilay tian'ny masonao; nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.

17 Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.

18 Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.

19 Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao ataonao izao?

20 Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

21 Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.

22 Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;

23 ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.

24 Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

25 Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,

26 eny, amin'izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;

27 amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 24

24:1 Again, in the ninth year, in the tenth month, in the tenth day of the month, the word of Yahweh came to me, saying, 24:2 Son of man, write the name of the day, even of this same day: the king of Babylon drew close to Jerusalem this same day. 24:3 Utter a parable to the rebellious house, and tell them, Thus says the Lord Yahweh, Set on the caldron, set it on, and also pour water into it: 24:4 gather its pieces into it, even every good piece, the thigh, and the shoulder; fill it with the choice bones. 24:5 Take the choice of the flock, and also a pile of wood for the bones under the caldron; make it boil well; yes, let its bones be boiled in its midst. 24:6 Therefore thus says the Lord Yahweh: Woe to the bloody city, to the caldron whose rust is therein, and whose rust is not gone out of it! take out of it piece after piece; No lot is fallen on it. 24:7 For her blood is in the midst of her; she set it on the bare rock; she didn’t pour it on the ground, to cover it with dust. 24:8 That it may cause wrath to come up to take vengeance, I have set her blood on the bare rock, that it should not be covered. 24:9 Therefore thus says the Lord Yahweh: Woe to the bloody city! I also will make the pile great. 24:10 Heap on the wood, make the fire hot, boil well the flesh, and make thick the broth, and let the bones be burned. 24:11 Then set it empty on its coals, that it may be hot, and its brass may burn, and that its filthiness may be molten in it, that its rust may be consumed. 24:12 She has wearied herself with toil; yet her great rust doesn’t go forth out of her; her rust doesn’t go forth by fire. 24:13 In your filthiness is lewdness: because I have cleansed you and you weren’t cleansed, you shall not be cleansed from your filthiness any more, until I have caused my wrath toward you to rest. 24:14 I, Yahweh, have spoken it: it shall happen, and I will do it: I will not go back, neither will I spare, neither will I repent; according to your ways, and according to your doings, shall they judge you, says the Lord Yahweh. 24:15 Also the word of Yahweh came to me, saying, 24:16 Son of man, behold, I will take away from you the desire of your eyes with a stroke: yet you shall neither mourn nor weep, neither shall your tears run down. 24:17 Sigh, but not aloud, make no mourning for the dead; bind your headdress on you, and put your shoes on your feet, and don’t cover your lips, and don’t eat men’s bread. 24:18 So I spoke to the people in the morning; and at even my wife died; and I did in the morning as I was commanded. 24:19 The people said to me, Won’t you tell us what these things are to us, that you do so? 24:20 Then I said to them, The word of Yahweh came to me, saying, 24:21 Speak to the house of Israel, Thus says the Lord Yahweh: Behold, I will profane my sanctuary, the pride of your power, the desire of your eyes, and that which your soul pities; and your sons and your daughters whom you have left behind shall fall by the sword. 24:22 You shall do as I have done: you shall not cover your lips, nor eat the bread of men. 24:23 Your tires shall be on your heads, and your shoes on your feet: you shall not mourn nor weep; but you shall pine away in your iniquities, and moan one toward another. 24:24 Thus Ezekiel shall be a sign to you; according to all that he has done, you will do. When this comes, then you will know that I am the Lord Yahweh. 24:25 You, son of man, shall it not be in the day when I take from them their strength, the joy of their glory, the desire of their eyes, and that whereupon they set their heart, their sons and their daughters, 24:26 that in that day he who escapes shall come to you, to cause you to hear it with your ears? 24:27 In that day your mouth will be opened to him who has escaped, and you shall speak, and be no more mute: so you will be a sign to them; and they shall know that I am Yahweh.

 

Chapitre 24
1 La neuvième année, le dixième jour du dixième mois, la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, mets par écrit la date de ce jour, de ce jour-ci! Le roi de Babylone s'approche de Jérusalem en ce jour même. 3 Propose une parabole à la famille de rebelles, et dis-leur: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Place, place la chaudière, et verses-y de l'eau. 4 Mets-y les morceaux, tous les bons morceaux, la cuisse, l'épaule; remplis-la des meilleurs os. 5 Choisis dans le troupeau, et entasse du bois sous la chaudière; fais bouillir à gros bouillons, et que les os qui sont dedans cuisent aussi. 6 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Malheur à la ville sanguinaire, chaudière pleine de rouille, et dont la rouille ne se détache pas! Tires-en les morceaux les uns après les autres, sans recourir au sort. 7 Car le sang qu'elle a versé est au milieu d'elle; elle l'a mis sur le roc nu, elle ne l'a pas répandu sur la terre pour le couvrir de poussière. 8 Afin de montrer ma fureur, afin de me venger, j'ai répandu son sang sur le roc nu, pour qu'il ne fût pas couvert. 9 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Malheur à la ville sanguinaire! Moi aussi je veux faire un grand bûcher. 10 Entasse le bois, allume le feu, cuis bien la chair, assaisonne-la, et que les os soient brûlés. 11 Puis mets la chaudière vide sur les charbons, afin qu'elle s'échauffe, que son airain devienne brûlant, que sa souillure se fonde au dedans, et que sa rouille se consume. 12 Les efforts sont inutiles, la rouille dont elle est pleine ne se détache pas; la rouille ne s'en ira que par le feu. 13 Le crime est dans ta souillure; parce que j'ai voulu te purifier et que tu n'es pas devenue pure, tu ne seras plus purifiée de ta souillure jusqu'à ce que j'aie assouvi sur toi ma fureur. 14 Moi, l'Éternel, j'ai parlé; cela arrivera, et je l'exécuterai; je ne reculerai pas, et je n'aurai ni pitié ni repentir. On te jugera selon ta conduite et selon tes actions, dit le Seigneur, l'Éternel. 15 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 16 Fils de l'homme, voici, je t'enlève par une mort soudaine ce qui fait les délices de tes yeux. Tu ne te lamenteras point, tu ne pleureras point, et tes larmes ne couleront pas. 17 Soupire en silence, ne prends pas le deuil des morts, attache ton turban, mets ta chaussure à tes pieds, ne te couvre pas la barbe, et ne mange pas le pain des autres. 18 J'avais parlé au peuple le matin, et ma femme mourut le soir. Le lendemain matin, je fis ce qui m'avait été ordonné. 19 Le peuple me dit: Ne nous expliqueras-tu pas ce que signifie pour nous ce que tu fais? 20 Je leur répondis: La parole de l'Éternel m'a été adressée, en ces mots: 21 Dis à la maison d'Israël: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, je vais profaner mon sanctuaire, l'orgueil de votre force, les délices de vos yeux, l'objet de votre amour; et vos fils et vos filles que vous avez laissés tomberont par l'épée. 22 Vous ferez alors comme j'ai fait. Vous ne vous couvrirez pas la barbe, vous ne mangerez pas le pain des autres, 23 vous aurez vos turbans sur la tête et vos chaussures aux pieds, vous ne vous lamenterez pas et vous ne pleurerez pas; mais vous serez frappés de langueur pour vos iniquités, et vous gémirez entre vous. 24 (24:23) Ézéchiel sera pour vous un signe. (24:24) Vous ferez entièrement comme il a fait. Et quand ces choses arriveront, vous saurez que je suis le Seigneur, l'Éternel. 25 Et toi, fils de l'homme, le jour où je leur enlèverai ce qui fait leur force, leur joie et leur gloire, les délices de leurs yeux et l'objet de leur amour, leurs fils et leurs filles, 26 ce jour-là un fuyard viendra vers toi pour l'annoncer à tes oreilles. 27 En ce jour, ta bouche s'ouvrira avec le fuyard, et tu parleras, tu ne seras plus muet; tu seras pour eux un signe, et ils sauront que je suis l'Éternel.