T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 [Fanoharana ny amin'Ohola sy Oholiba hampiseho ny nijangajangan'i Samaria sy Jerosalema] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;

3 ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.

4 Ny anaran'ny zokiny dia Ohola*, ary ny rahavaviny dia Oholiba**; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.[*Ohola = lainy][**Oholiba = Ny laiko no ao aminy]

5 Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,

6 izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.

7 Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.

8 Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.

9 Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.

10 Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.

11 Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,

12 Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.

13 Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;

14 ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.

15 samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.

16 Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.

17 Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.

18 Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.

19 Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.

20 Fa izy dia maimay tamin'ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin'ny soavaly.

21 Nitady ny fijangajangan'ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan'ny Egyptiana ny nononao, satria nonon'ny fahavirijinanao ireo.

22 Koa izao, ry Oholiba, no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao, izay efa niombotan'ny fanahinao, ka ho entiko avy amin'ny tany manodidina izy mba hamely anao,

23 dia ireny zanakalahin'i Babylona mbamin'ny Kaldeana rehetra, mpanapaka sy manan-jo sy andrian-dahy*, ary ny Asyriana rehetra koa miaraka aminy; tovolahy bikàna izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak'andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.[Na: Pekoda sy Soa ary Koa]

24 Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin'ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.

25 Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin'ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon'ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin'ny afo.

26 Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.

27 Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin'ny tany Egypta, fa tsy ihandrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy; hotsarovanao intsony Egypta.

28 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hatolotro eo an-tànan'izay halanao ianao, dia eo an-tanan'izay efa niombotan'ny fanahinao;

29 ary hamely anao amin'ny fankahalana izy, ka hesoriny ny vokatry ny asanao, dia hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan'ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.

30 Havo aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin'ny sampiny.

31 Tamin'ny nalehan'ny rahavavinao no nalehanao koa, ka dia hataoko eo an-tananao ny kapoakany.

32 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'ny kapoaky ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina àty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.

33 Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahatalanjonana sy fandringanana ny kapoak'i Samaria rahavavinao.

34 Hosotroinao sy hotrohinao izy, ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

35 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.

36 Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,

37 fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.

38 Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.

39 Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.

40 Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao*; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.[Heb. ianareo]

41 ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.

42 Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.

43 Dia hoy Izaho ny amin'ilay efa tontan'ny fijangajangana ela: Amin'izao dia mbola hisy hijangajanga amin'io ihany va?

44 Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona toy ny ankanesany ao amin'ny vehivavy janga, dia toy ny efa nankanesany tao amin'i Ohola sy Oholiba, vehivavy janga.

45 Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-drà, satria mijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany.

46 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho entiko hamely azy ny olona maro, ka natolotro ho mpanjenjena* sy ho babo izy.[Na: ho fampangovitana]

47 Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.

48 Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.

49 Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

 

23:1 The word of Yahweh came again to me, saying, 23:2 Son of man, there were two women, the daughters of one mother: 23:3 and they played the prostitute in Egypt; they played the prostitute in their youth; there were their breasts pressed, and there was handled the bosom of their virginity. 23:4 Their names were Oholah the elder, and Oholibah her sister: and they became mine, and they bore sons and daughters. As for their names, Samaria is Oholah, and Jerusalem Oholibah. 23:5 Oholah played the prostitute when she was mine; and she doted on her lovers, on the Assyrians her neighbors, 23:6 who were clothed with blue, governors and rulers, all of them desirable young men, horsemen riding on horses. 23:7 She bestowed her prostitution on them, the choicest men of Assyria all of them; and on whoever she doted, with all their idols she defiled herself. 23:8 Neither has she left her prostitution since the days of Egypt; for in her youth they lay with her, and they handled the bosom of her virginity; and they poured out their prostitution on her. 23:9 Therefore I delivered her into the hand of her lovers, into the hand of the Assyrians, on whom she doted. 23:10 These uncovered her nakedness; they took her sons and her daughters; and her they killed with the sword: and she became a byword among women; for they executed judgments on her. 23:11 Her sister Oholibah saw this, yet was she more corrupt in her doting than she, and in her prostitution which were more than the prostitution of her sister. 23:12 She doted on the Assyrians, governors and rulers, her neighbors, clothed most gorgeously, horsemen riding on horses, all of them desirable young men. 23:13 I saw that she was defiled; they both took one way. 23:14 She increased her prostitution; for she saw men portrayed on the wall, the images of the Chaldeans portrayed with vermilion, 23:15 dressed with girdles on their waists, with flowing turbans on their heads, all of them princes to look on, after the likeness of the Babylonians in Chaldea, the land of their birth. 23:16 As soon as she saw them she doted on them, and sent messengers to them into Chaldea. 23:17 The Babylonians came to her into the bed of love, and they defiled her with their prostitution, and she was polluted with them, and her soul was alienated from them. 23:18 So she uncovered her prostitution, and uncovered her nakedness: then my soul was alienated from her, like as my soul was alienated from her sister. 23:19 Yet she multiplied her prostitution, remembering the days of her youth, in which she had played the prostitute in the land of Egypt. 23:20 She doted on their paramours, whose flesh is as the flesh of donkeys, and whose issue is like the issue of horses. 23:21 Thus you called to memory the lewdness of your youth, in the handling of your bosom by the Egyptians for the breasts of your youth. 23:22 Therefore, Oholibah, thus says the Lord Yahweh: Behold, I will raise up your lovers against you, from whom your soul is alienated, and I will bring them against you on every side: 23:23 the Babylonians and all the Chaldeans, Pekod and Shoa and Koa, and all the Assyrians with them; desirable young men, governors and rulers all of them, princes and men of renown, all of them riding on horses. 23:24 They shall come against you with weapons, chariots, and wagons, and with a company of peoples; they shall set themselves against you with buckler and shield and helmet all around; and I will commit the judgment to them, and they shall judge you according to their judgments. 23:25 I will set my jealousy against you, and they shall deal with you in fury; they shall take away your nose and your ears; and your residue shall fall by the sword: they shall take your sons and your daughters; and your residue shall be devoured by the fire. 23:26 They shall also strip you of your clothes, and take away your beautiful jewels. 23:27 Thus will I make your lewdness to cease from you, and your prostitution brought from the land of Egypt; so that you shall not lift up your eyes to them, nor remember Egypt any more. 23:28 For thus says the Lord Yahweh: Behold, I will deliver you into the hand of them whom you hate, into the hand of them from whom your soul is alienated; 23:29 and they shall deal with you in hatred, and shall take away all your labor, and shall leave you naked and bare; and the nakedness of your prostitution shall be uncovered, both your lewdness and your prostitution. 23:30 These things shall be done to you, because you have played the prostitute after the nations, and because you are polluted with their idols. 23:31 You have walked in the way of your sister; therefore will I give her cup into your hand. 23:32 Thus says the Lord Yahweh: You will drink of your sister’s cup, which is deep and large; you will be ridiculed and held in derision; it contains much. 23:33 You shall be filled with drunkenness and sorrow, with the cup of astonishment and desolation, with the cup of your sister Samaria. 23:34 You shall even drink it and drain it out, and you shall gnaw the broken pieces of it, and shall tear your breasts; for I have spoken it, says the Lord Yahweh. 23:35 Therefore thus says the Lord Yahweh: Because you have forgotten me, and cast me behind your back, therefore you also bear your lewdness and your prostitution. 23:36 Yahweh said moreover to me: Son of man, will you judge Oholah and Oholibah? then declare to them their abominations. 23:37 For they have committed adultery, and blood is in their hands; and with their idols have they committed adultery; and they have also caused their sons, whom they bore to me, to pass through the fire to them to be devoured. 23:38 Moreover this they have done to me: they have defiled my sanctuary in the same day, and have profaned my Sabbaths. 23:39 For when they had slain their children to their idols, then they came the same day into my sanctuary to profane it; and behold, thus have they done in the midst of my house. 23:40 Furthermore you have sent for men who come from far, to whom a messenger was sent, and behold, they came; for whom you did wash yourself, paint your eyes, and decorate yourself with ornaments, 23:41 and sit on a stately bed, with a table prepared before it, whereupon you set my incense and my oil. 23:42 The voice of a multitude being at ease was with her: and with men of the common sort were brought drunkards from the wilderness; and they put bracelets on their hands twain, and beautiful crowns on their heads. 23:43 Then I said of her who was old in adulteries, Now will they play the prostitute with her, and she with them. 23:44 They went in to her, as they go in to a prostitute: so went they in to Oholah and to Oholibah, the lewd women. 23:45 Righteous men, they shall judge them with the judgment of adulteresses, and with the judgment of women who shed blood; because they are adulteresses, and blood is in their hands. 23:46 For thus says the Lord Yahweh: I will bring up a company against them, and will give them to be tossed back and forth and robbed. 23:47 The company shall stone them with stones, and dispatch them with their swords; they shall kill their sons and their daughters, and burn up their houses with fire. 23:48 Thus will I cause lewdness to cease out of the land, that all women may be taught not to do after your lewdness. 23:49 They shall recompense your lewdness on you, and you shall bear the sins of your idols; and you shall know that I am the Lord Yahweh.

Chapitre 23
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, il y avait deux femmes, Filles d'une même mère. 3 Elles se sont prostituées en Égypte, Elles se sont prostituées dans leur jeunesse; Là leurs mamelles ont été pressées, Là leur sein virginal a été touché. 4 L'aînée s'appelait Ohola, Et sa soeur Oholiba; Elles étaient à moi, Et elles ont enfanté des fils et des filles. Ohola, c'est Samarie; Oholiba, c'est Jérusalem. 5 Ohola me fut infidèle; Elle s'enflamma pour ses amants, Les Assyriens ses voisins, 6 Vêtus d'étoffes teintes en bleu, Gouverneurs et chefs, Tous jeunes et charmants, Cavaliers montés sur des chevaux. 7 Elle s'est prostituée à eux, A toute l'élite des enfants de l'Assyrie; Elle s'est souillée avec tous ceux pour lesquels elle s'était enflammée, Elle s'est souillée avec toutes leurs idoles. 8 Elle n'a pas renoncé à ses prostitutions d'Égypte: Car ils avaient couché avec elle dans sa jeunesse, Ils avaient touché son sein virginal, Et ils avaient répandu sur elle leurs prostitutions. 9 C'est pourquoi je l'ai livrée entre les mains de ses amants, Entre les mains des enfants de l'Assyrie, Pour lesquels elle s'était enflammée. 10 Ils ont découvert sa nudité, Ils ont pris ses fils et ses filles, Ils l'ont fait périr elle-même avec l'épée; Elle a été en renom parmi les femmes, Après les jugements exercés sur elle. 11 Sa soeur Oholiba vit cela, Et fut plus déréglée qu'elle dans sa passion; Ses prostitutions dépassèrent celles de sa soeur. 12 Elle s'enflamma pour les enfants de l'Assyrie, Gouverneurs et chefs, ses voisins, Vêtus magnifiquement, Cavaliers montés sur des chevaux, Tous jeunes et charmants. 13 Je vis qu'elle s'était souillée, Que l'une et l'autre avaient suivi la même voie. 14 Elle alla même plus loin dans ses prostitutions. Elle aperçut contre les murailles des peintures d'hommes, Des images de Chaldéens peints en couleur rouge, 15 Avec des ceintures autour des reins, Avec des turbans de couleurs variées flottant sur la tête, Tous ayant l'apparence de chefs, Et figurant des enfants de Babylone, De la Chaldée, leur patrie; 16 Elle s'enflamma pour eux, au premier regard, Et leur envoya des messagers en Chaldée. 17 Et les enfants de Babylone se rendirent auprès d'elle, Pour partager le lit des amours, Et ils la souillèrent par leurs prostitutions. Elle s'est souillée avec eux, Puis son coeur s'est détaché d'eux. 18 Elle a mis à nu son impudicité, Elle a découvert sa nudité; Et mon coeur s'est détaché d'elle, Comme mon coeur s'était détaché de sa soeur. 19 Elle a multiplié ses prostitutions, En pensant aux jours de sa jeunesse, Lorsqu'elle se prostituait au pays d'Égypte. 20 Elle s'est enflammée pour des impudiques, Dont la chair était comme celle des ânes, Et l'approche comme celle des chevaux. 21 Tu t'es souvenue des crimes de ta jeunesse, Lorsque les Égyptiens pressaient tes mamelles, A cause de ton sein virginal. 22 C'est pourquoi, Oholiba, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'excite contre toi tes amants, Ceux dont ton coeur s'est détaché, Et je les amène de toutes parts contre toi; 23 Les enfants de Babylone et tous les Chaldéens, Nobles, princes et seigneurs, Et tous les enfants de l'Assyrie avec eux, Jeunes et charmants, Tous gouverneurs et chefs, Chefs illustres, Tous montés sur des chevaux. 24 Ils marchent contre toi avec des armes, des chars et des roues, Et une multitude de peuples; Avec le grand bouclier et le petit bouclier, avec les casques, Ils s'avancent de toutes parts contre toi. Je leur remets le jugement, Et ils te jugeront selon leurs lois. 25 Je répands ma colère sur toi, Et ils te traiteront avec fureur. Ils te couperont le nez et les oreilles, Et ce qui reste de toi tombera par l'épée; Ils prendront tes fils et tes filles, Et ce qui reste de toi sera dévoré par le feu. 26 Ils te dépouilleront de tes vêtements, Et ils enlèveront les ornements dont tu te pares. 27 Je mettrai fin à tes crimes Et à tes prostitutions du pays d'Égypte; Tu ne porteras plus tes regards vers eux, Tu ne penseras plus à l'Égypte. 28 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, je te livre entre les mains de ceux que tu hais, Entre les mains de ceux dont ton coeur s'est détaché. 29 Ils te traiteront avec haine; Ils enlèveront toutes tes richesses, Et te laisseront nue, entièrement nue; La honte de tes impudicités sera découverte, De tes crimes et de tes prostitutions. 30 Ces choses t'arriveront, Parce que tu t'es prostituée aux nations, Parce que tu t'es souillée par leurs idoles. 31 Tu as marché dans la voie de ta soeur, Et je mets sa coupe dans ta main. 32 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Tu boiras la coupe de ta soeur, Tu la boiras large et profonde; Elle te rendra un objet de risée et de moquerie; Elle contient beaucoup. 33 Tu seras remplie d'ivresse et de douleur; C'est la coupe de désolation et de destruction, La coupe de ta soeur Samarie. 34 Tu la boiras, tu la videras, Tu la briseras en morceaux, Et tu te déchireras le sein. Car j'ai parlé, Dit le Seigneur, l'Éternel. 35 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que tu m'as oublié, Parce que tu m'as rejeté derrière ton dos, Porte donc aussi la peine de tes crimes et de tes prostitutions. 36 L'Éternel me dit: Fils de l'homme, jugeras-tu Ohola et Oholiba? Déclare-leur leurs abominations! 37 Elles se sont livrées à l'adultère, et il y a du sang à leurs mains: Elles ont commis adultère avec leurs idoles; Et les enfants qu'elles m'avaient enfantés, Elles les ont fait passer par le feu Pour qu'ils leur servent d'aliment. 38 Voici encore ce qu'elles m'ont fait: Elles ont souillé mon sanctuaire dans le même jour, Et elles ont profané mes sabbats. 39 Elles ont immolé leurs enfants à leurs idoles, Et elles sont allées le même jour dans mon sanctuaire, Pour le profaner. C'est là ce qu'elles ont fait dans ma maison. 40 Et même elles ont fait chercher des hommes venant de loin, Elles leur ont envoyé des messagers, et voici, ils sont venus. Pour eux tu t'es lavée, tu as mis du fard à tes yeux, Tu t'es parée de tes ornements; 41 Tu t'es assise sur un lit magnifique, Devant lequel une table était dressée, Et tu as placé sur cette table mon encens et mon huile. 42 On entendait les cris d'une multitude joyeuse; Et parmi cette foule d'hommes On a fait venir du désert des Sabéens, Qui ont mis des bracelets aux mains des deux soeurs Et de superbes couronnes sur leurs têtes. 43 Je dis alors au sujet de celle qui a vieilli dans l'adultère: Continuera-t-elle maintenant ses prostitutions, et viendra-t-on à elle? 44 Et l'on est venu vers elle comme l'on va chez une prostituée; C'est ainsi qu'on est allé vers Ohola et Oholiba, Ces femmes criminelles. 45 Mais des hommes justes les jugeront, Comme on juge les femmes adultères, Comme on juge celles qui répandent le sang; Car elles sont adultères, et il y a du sang à leurs mains. 46 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je ferai monter contre elles une multitude, Et je les livrerai à la terreur et au pillage. 47 Cette multitude les lapidera, Et les abattra à coups d'épée; On tuera leurs fils et leurs filles, On brûlera leurs maisons par le feu. 48 Je ferai cesser ainsi le crime dans le pays; Toutes les femmes recevront instruction, Et ne commettront pas de crime comme le vôtre. 49 On fera retomber votre crime sur vous, Et vous porterez les péchés de vos idoles. Et vous saurez que je suis le Seigneur, l'Éternel.