| Chapitre 22 1 [Ny fahotan'i Jerosalema sy ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, moa tsy hitsara va ianao ? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao ? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra, 3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy. 4 Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin'ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan'ny jentilisa sy ho fanakoran'ny tany rehetra, 5 ka na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba. 6 Indreo ny lehiben'ny Isiraely efa samy ao aminao araka ny heriny* avy mba handatsa-drà.[Heb sandriny] 7 Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ary ao aminao no anaovana izay sarotra amin'ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena. 8 Hamavoinao ny zavatra masina. ary lotoinao ny Sabatako. 9 Ao aminao misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-drà; ary ao aminao misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao misy manao fahavetavetana. 10 Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin'ny fadim-bolana. 11 Misy manao fahavetavetana amin'ny vadin'ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy. 12 Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an'ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo. 13 Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin'ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao. 14 Hahatoha va ny fonao, na hahazaka va ny tananao, amin'ny andro izay hisehoaka* aminao? Izaho Jehovah no nilaza sady hahatanteraka izany.[Heb. hanaovako] 15 Ary haeliko ho any amin'ny jentilisa sy hahahako ho any amin'ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao. 16 Ary dia ho hitan'ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. 17 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah anao hoe: 18 Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin'ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy. 19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nahatongavanareo rehetra ho tain-drendrika, dia, indro, hangoniko ho ao Jerosalema ianareo. 20 Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin'ny memy ka misy mifofotra azy amin'ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika; 21 eny, nangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho, ka ho voarendrika ao anatiny ianareo. 22 Toy ny andrendrika volafotsy ao anatin'ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no nampidina ny fahatezerako aminareo. 23 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 24 Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro* sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.[Na: tsy voadio] 25 Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy. 26 Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho. 27 Toy ny amboa-dia* mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.[Na: lopa] 28 Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona. 29 Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny. 30 Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita; 31 koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon'ny fahatezerako no handaniako azy; ary hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny fanaony*, hoy Jehovah Tompo.[Heb lalana] | | Chapitre 22 22:1 Moreover the word of Yahweh came to me, saying, 22:2 You, son of man, will you judge, will you judge the bloody city? then cause her to know all her abominations. 22:3 You shall say, Thus says the Lord Yahweh: A city that sheds blood in the midst of her, that her time may come, and that makes idols against herself to defile her! 22:4 You have become guilty in your blood that you have shed, and are defiled in your idols which you have made; and you have caused your days to draw near, and have come even to your years: therefore have I made you a reproach to the nations, and a mocking to all the countries. 22:5 Those who are near, and those who are far from you, shall mock you, you infamous one and full of tumult. 22:6 Behold, the princes of Israel, everyone according to his power, have been in you to shed blood. 22:7 In you have they set light by father and mother; in the midst of you have they dealt by oppression with the foreigner; in you have they wronged the fatherless and the widow. 22:8 You have despised my holy things, and have profaned my Sabbaths. 22:9 Slanderous men have been in you to shed blood; and in you they have eaten on the mountains: in the midst of you they have committed lewdness. 22:10 In you have they uncovered their fathers’ nakedness; in you have they humbled her who was unclean in her impurity. 22:11 One has committed abomination with his neighbor’s wife; and another has lewdly defiled his daughter-in-law; and another in you has humbled his sister, his father’s daughter. 22:12 In you have they taken bribes to shed blood; you have taken interest and increase, and you have greedily gained of your neighbors by oppression, and have forgotten me, says the Lord Yahweh. 22:13 Behold, therefore, I have struck my hand at your dishonest gain which you have made, and at your blood which has been in the midst of you. 22:14 Can your heart endure, or can your hands be strong, in the days that I shall deal with you? I, Yahweh, have spoken it, and will do it. 22:15 I will scatter you among the nations, and disperse you through the countries; and I will consume your filthiness out of you. 22:16 You shall be profaned in yourself, in the sight of the nations; and you shall know that I am Yahweh. 22:17 The word of Yahweh came to me, saying, 22:18 Son of man, the house of Israel has become dross to me: all of them are brass and tin and iron and lead, in the midst of the furnace; they are the dross of silver. 22:19 Therefore thus says the Lord Yahweh: Because you have all become dross, therefore, behold, I will gather you into the midst of Jerusalem. 22:20 As they gather silver and brass and iron and lead and tin into the midst of the furnace, to blow the fire on it, to melt it; so will I gather you in my anger and in my wrath, and I will lay you there, and melt you. 22:21 Yes, I will gather you, and blow on you with the fire of my wrath, and you shall be melted in its midst. 22:22 As silver is melted in the midst of the furnace, so you will be melted in its midst; and you will know that I, Yahweh, have poured out my wrath on you. 22:23 The word of Yahweh came to me, saying, 22:24 Son of man, tell her, You are a land that is not cleansed, nor rained on in the day of indignation. 22:25 There is a conspiracy of her prophets in its midst, like a roaring lion ravening the prey: they have devoured souls; they take treasure and precious things; they have made her widows many in its midst. 22:26 Her priests have done violence to my law, and have profaned my holy things: they have made no distinction between the holy and the common, neither have they caused men to discern between the unclean and the clean, and have hidden their eyes from my Sabbaths, and I am profaned among them. 22:27 Her princes in its midst are like wolves ravening the prey, to shed blood, and to destroy souls, that they may get dishonest gain. 22:28 Her prophets have plastered for them with whitewash, seeing false visions, and divining lies to them, saying, Thus says the Lord Yahweh, when Yahweh has not spoken. 22:29 The people of the land have used oppression, and exercised robbery; yes, they have troubled the poor and needy, and have oppressed the foreigner wrongfully. 22:30 I sought for a man among them, who should build up the wall, and stand in the gap before me for the land, that I should not destroy it; but I found none. 22:31 Therefore have I poured out my indignation on them; I have consumed them with the fire of my wrath: their own way have I brought on their heads, says the Lord Yahweh. | | Chapitre 22 1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Et toi, fils de l'homme, jugeras-tu, jugeras-tu la ville sanguinaire? Fais-lui connaître toutes ses abominations! 3 Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Ville qui répands le sang au milieu de toi, pour que ton jour arrive, et qui te fais des idoles pour te souiller! 4 Tu es coupable à cause du sang que tu as répandu, et tu t'es souillée par les idoles que tu as faites. Tu as ainsi avancé tes jours, et tu es parvenue au terme de tes années. C'est pourquoi je te rends un objet d'opprobre pour les nations et de moquerie pour tous les pays. 5 Ceux qui sont près et ceux qui sont au loin se moqueront de toi, qui es souillée de réputation et pleine de trouble. 6 Voici, au dedans de toi, tous les princes d'Israël usent de leur force pour répandre le sang; 7 au dedans de toi, l'on méprise père et mère, on maltraite l'étranger, on opprime l'orphelin et la veuve. 8 Tu dédaignes mes sanctuaires, tu profanes mes sabbats. 9 Il y a chez toi des calomniateurs pour répandre le sang; chez toi, l'on mange sur les montagnes; on commet le crime dans ton sein. 10 Au milieu de toi, on découvre la nudité du père; au milieu de toi, on fait violence à la femme pendant son impureté. 11 Au milieu de toi, chacun se livre à des abominations avec la femme de son prochain, chacun se souille par l'inceste avec sa belle-fille, chacun déshonore sa soeur, fille de son père. 12 Chez toi, l'on reçoit des présents pour répandre le sang: tu exiges un intérêt et une usure, tu dépouilles ton prochain par la violence, et moi, tu m'oublies, dit le Seigneur, l'Éternel. 13 Voici, je frappe des mains à cause de la cupidité que tu as eue, et du sang qui a été répandu au milieu de toi. 14 Ton coeur sera-t-il ferme, tes mains auront-elles de la force dans les jours où j'agirai contre toi? Moi, l'Éternel, j'ai parlé, et j'agirai. 15 Je te disperserai parmi les nations, je te répandrai en divers pays, et je ferai disparaître ton impureté du milieu de toi. 16 Tu seras souillée par toi-même aux yeux des nations, et tu sauras que je suis l'Éternel. 17 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 18 Fils de l'homme, la maison d'Israël est devenue pour moi comme des scories; ils sont tous de l'airain, de l'étain, du fer, du plomb, dans le creuset; ce sont des scories d'argent. 19 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que vous êtes tous devenus comme des scories, voici, je vous rassemblerai au milieu de Jérusalem. 20 Comme on rassemble l'argent, l'airain, le fer, le plomb et l'étain, dans le creuset, et qu'on souffle le feu pour les fondre, ainsi je vous rassemblerai dans ma colère et dans ma fureur, et je vous mettrai au creuset pour vous fondre. 21 Je vous rassemblerai, et je soufflerai contre vous avec le feu de ma fureur; et vous serez fondus au milieu de Jérusalem. 22 Comme l'argent fond dans le creuset, ainsi vous serez fondus au milieu d'elle. Et vous saurez que moi, l'Éternel, j'ai répandu ma fureur sur vous. 23 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 24 Fils de l'homme, dis à Jérusalem: Tu es une terre qui n'est pas purifiée, qui n'est pas arrosée de pluie au jour de la colère. 25 Ses prophètes conspirent dans son sein; comme des lions rugissants qui déchirent leur proie, ils dévorent les âmes, ils s'emparent des richesses et des choses précieuses, ils multiplient les veuves au milieu d'elle. 26 Ses sacrificateurs violent ma loi et profanent mes sanctuaires, ils ne distinguent pas ce qui est saint de ce qui est profane, ils ne font pas connaître la différence entre ce qui est impur et ce qui est pur, ils détournent les yeux de mes sabbats, et je suis profané au milieu d'eux. 27 Ses chefs sont dans son sein comme des loups qui déchirent leur proie; ils répandent le sang, perdent les âmes, pour assouvir leur cupidité. 28 Et ses prophètes ont pour eux des enduits de plâtre, de vaines visions, des oracles menteurs; ils disent: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel! Et l'Éternel ne leur a point parlé. 29 Le peuple du pays se livre à la violence, commet des rapines, opprime le malheureux et l'indigent, foule l'étranger contre toute justice. 30 Je cherche parmi eux un homme qui élève un mur, qui se tienne à la brèche devant moi en faveur du pays, afin que je ne le détruise pas; mais je n'en trouve point. 31 Je répandrai sur eux ma fureur, je les consumerai par le feu de ma colère, je ferai retomber leurs oeuvres sur leur tête, dit le Seigneur, l'Éternel. | |