T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Fanoharana ny amin'ny ala may sy ny sabatra voatsoaka] Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny ala amin'ny tany atsimo.

3 Ary lazao amin'ny ala amin'ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin'i Jehovah: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main'ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;

4 Ka dia ho hitan'ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.

5 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin'ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?

6 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

7 Ry zanak'olona, manandrifia an'i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, ka maminania ny amin'ny hamelezana ny tanin'ny Isiraely.

8 Ary ataovy amin'ny tanin'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin'ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.

9 Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan'ny sabatro amin'ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,

10 Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.

11 Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.

12 Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;

13 Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:

14 Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.

15 Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)

16 Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.

17 Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;

18 Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.

19 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana* no manemitra azy.[Heb. lehibe]

20 Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra* hamono.[Na: voatsoaka]

21 Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.

22 Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.

23 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:

24 Hianao, ry zanak'olona, manaova lalana roa ho anao hihavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona; avy amin'ny tany iray no hihavian'izy roa; ka manaova sarin'ny famantaran-dalana*, eo an-tsampanan-dalana mankany amin'ny tanàna no anaovinao azy.[Heb: voatsoaka]

25 Manaova lalana hihavian'ny sabatra ho any Raban'ny taranak'i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.

26 Fa ny mpanjakan'i Babylona mijanona eo amin'ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan'ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin'ny sampy* sy mizaha amin'ny atin-kena.[Heb. terafima]

27 Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an'i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin'ny akoran'ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin'ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.

28 Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason'ireny izay efa nianiana mafy*, nefa Jehovah** no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.[*Na: izay efa nianianana mafy][**Heb. Izy]

29 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin'ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin'izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.

30 Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan'ny Isiraely, izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty,

31 izao no lazain'i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.

32 Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan'izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.

33 Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny taranak'i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izy

34 (Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany* anao ao amin'ny vozon'ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin'ny fotoan'ny heloka mahafaty.[Heb. Hametrahana]

35 Ampidiro amin'ny tranony izy. Any amin'ny tany namoronana anao, dia any amin'ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.

36 Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon'ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan'ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,

37 Dia ho kitain'ny afo ianao; Ho eny amin'ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.

 

Chapitre 21

21:1 The word of Yahweh came to me, saying, 21:2 Son of man, set your face toward Jerusalem, and drop your word toward the sanctuaries, and prophesy against the land of Israel; 21:3 and tell the land of Israel, Thus says Yahweh: Behold, I am against you, and will draw forth my sword out of its sheath, and will cut off from you the righteous and the wicked. 21:4 Seeing then that I will cut off from you the righteous and the wicked, therefore shall my sword go forth out of its sheath against all flesh from the south to the north: 21:5 and all flesh shall know that I, Yahweh, have drawn forth my sword out of its sheath; it shall not return any more. 21:6 Sigh therefore, you son of man; with the breaking of your thighs and with bitterness you will sigh before their eyes. 21:7 It shall be, when they tell you, Why do you sigh? that you shall say, Because of the news, for it comes; and every heart shall melt, and all hands shall be feeble, and every spirit shall faint, and all knees shall be weak as water: behold, it comes, and it shall be done, says the Lord Yahweh. 21:8 The word of Yahweh came to me, saying, 21:9 Son of man, prophesy, and say, Thus says Yahweh: Say, A sword, a sword, it is sharpened, and also furbished; 21:10 it is sharpened that it may make a slaughter; it is furbished that it may be as lightning: shall we then make mirth? the rod of my son, it condemns every tree. 21:11 It is given to be furbished, that it may be handled: the sword, it is sharpened, yes, it is furbished, to give it into the hand of the killer. 21:12 Cry and wail, son of man; for it is on my people, it is on all the princes of Israel: they are delivered over to the sword with my people; strike therefore on your thigh. 21:13 For there is a trial; and what if even the rod that condemns shall be no more? says the Lord Yahweh. 21:14 You therefore, son of man, prophesy, and strike your hands together; and let the sword be doubled the third time, the sword of the deadly wounded: it is the sword of the great one who is deadly wounded, which enters into their rooms. 21:15 I have set the threatening sword against all their gates, that their heart may melt, and their stumblings be multiplied: ah! it is made as lightning, it is pointed for slaughter. 21:16 Gather yourselves together, go to the right, set yourselves in array, go to the left, wherever your face is set. 21:17 I will also strike my hands together, and I will cause my wrath to rest: I, Yahweh, have spoken it. 21:18 The word of Yahweh came to me again, saying, 21:19 Also, you son of man, appoint two ways, that the sword of the king of Babylon may come; they both shall come forth out of one land: and mark out a place, mark it out at the head of the way to the city. 21:20 You shall appoint a way for the sword to come to Rabbah of the children of Ammon, and to Judah in Jerusalem the fortified. 21:21 For the king of Babylon stood at the parting of the way, at the head of the two ways, to use divination: he shook the arrows back and forth, he consulted the teraphim, he looked in the liver. 21:22 In his right hand was the divination for Jerusalem, to set battering rams, to open the mouth in the slaughter, to lift up the voice with shouting, to set battering rams against the gates, to cast up mounds, to build forts. 21:23 It shall be to them as a false divination in their sight, who have sworn oaths to them; but he brings iniquity to memory, that they may be taken. 21:24 Therefore thus says the Lord Yahweh: Because you have made your iniquity to be remembered, in that your transgressions are uncovered, so that in all your doings your sins appear; because you have come to memory, you shall be taken with the hand. 21:25 You, deadly wounded wicked one, the prince of Israel, whose day has come, in the time of the iniquity of the end, 21:26 thus says the Lord Yahweh: Remove the turban, and take off the crown; this shall be no more the same; exalt that which is low, and abase that which is high. 21:27 I will overturn, overturn, overturn it: this also shall be no more, until he come whose right it is; and I will give it him. 21:28 You, son of man, prophesy, and say, Thus says the Lord Yahweh concerning the children of Ammon, and concerning their reproach; and say, A sword, a sword is drawn, for the slaughter it is furbished, to cause it to devour, that it may be as lightning; 21:29 while they see for you false visions, while they divine lies to you, to lay you on the necks of the wicked who are deadly wounded, whose day has come in the time of the iniquity of the end. 21:30 Cause it to return into its sheath. In the place where you were created, in the land of your birth, will I judge you. 21:31 I will pour out my indignation on you; I will blow on you with the fire of my wrath; and I will deliver you into the hand of brutish men, skillful to destroy. 21:32 You shall be for fuel to the fire; your blood shall be in the midst of the land; you shall be remembered no more: for I, Yahweh, have spoken it.

 

Chapitre 21
1 (21:6) Et la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 (21:7) Fils de l'homme, tourne ta face vers Jérusalem, Et parle contre les lieux saints! Prophétise contre le pays d'Israël! 3 (21:8) Tu diras au pays d'Israël: Ainsi parle l'Éternel: Voici, j'en veux à toi, Je tirerai mon épée de son fourreau, Et j'exterminerai du milieu de toi le juste et le méchant. 4 (21:9) Parce que je veux exterminer du milieu de toi le juste et le méchant, Mon épée sortira de son fourreau, Pour frapper toute chair, Du midi au septentrion. 5 (21:10) Et toute chair saura Que moi, l'Éternel, j'ai tiré mon épée de son fourreau. Elle n'y rentrera plus. 6 (21:11) Et toi, fils de l'homme, gémis! Les reins brisés et l'amertume dans l'âme, Gémis sous leurs regards! 7 (21:12) Et s'ils te disent: Pourquoi gémis-tu? Tu répondras: Parce qu'il arrive une nouvelle... Tous les coeurs s'alarmeront, Toutes les mains deviendront faibles, Tous les esprits seront abattus, Tous les genoux se fondront en eau... Voici, elle arrive, elle est là! Dit le Seigneur, l'Éternel. 8 (21:13) La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 9 (21:14) Fils de l'homme, prophétise, et dis: Ainsi parle l'Éternel. Dis: L'épée! l'épée! Elle est aiguisée, elle est polie. 10 (21:15) C'est pour massacrer qu'elle est aiguisée, C'est pour étinceler qu'elle est polie... Nous réjouirons-nous? Le sceptre de mon fils méprise tout bois... 11 (21:16) On l'a donnée à polir, Pour que la main la saisisse; Elle est aiguisée, l'épée, elle est polie, Pour armer la main de celui qui massacre. 12 (21:17) Crie et gémis, fils de l'homme! Car elle est tirée contre mon peuple, Contre tous les princes d'Israël; Ils sont livrés à l'épée avec mon peuple. Frappe donc sur ta cuisse! 13 (21:18) Oui, l'épreuve sera faite; Et que sera-ce, si ce sceptre qui méprise tout est anéanti? Dit le Seigneur, l'Éternel. 14 (21:19) Et toi, fils de l'homme, prophétise, Et frappe des mains! Et que les coups de l'épée soient doublés, soient triplés! C'est l'épée du carnage, l'épée du grand carnage, L'épée qui doit les poursuivre. 15 (21:20) Pour jeter l'effroi dans les coeurs, Pour multiplier les victimes, A toutes leurs portes je les menacerai de l'épée. Ah! elle est faite pour étinceler, Elle est aiguisée pour massacrer. 16 (21:21) Rassemble tes forces, tourne-toi à droite! Place-toi, tourne-toi à gauche! Dirige de tous côtés ton tranchant! 17 (21:22) Et moi aussi, je frapperai des mains, Et j'assouvirai ma fureur. C'est moi, l'Éternel, qui parle. 18 (21:23) La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 19 (21:24) Fils de l'homme, trace deux chemins pour servir de passage à l'épée du roi de Babylone; tous les deux doivent sortir du même pays; marque un signe, marque-le à l'entrée du chemin qui conduit à une ville. 20 (21:25) Tu traceras l'un des chemins pour que l'épée arrive à Rabbath, ville des enfants d'Ammon, et l'autre pour qu'elle arrive en Juda, à Jérusalem, ville fortifiée. 21 (21:26) Car le roi de Babylone se tient au carrefour, à l'entrée des deux chemins, pour tirer des présages; il secoue les flèches, il interroge les théraphim, il examine le foie. 22 (21:27) Le sort, qui est dans sa droite, désigne Jérusalem, où l'on devra dresser des béliers, commander le carnage, et pousser des cris de guerre; on dressera des béliers contre les portes, on élèvera des terrasses, on formera des retranchements. 23 (21:28) Ils ne voient là que de vaines divinations, eux qui ont fait des serments. Mais lui, il se souvient de leur iniquité, en sorte qu'ils seront pris. 24 (21:29) C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que vous rappelez le souvenir de votre iniquité, en mettant à nu vos transgressions, en manifestant vos péchés dans toutes vos actions; parce que vous en rappelez le souvenir, vous serez saisis par sa main. 25 (21:30) Et toi, profane, méchant, prince d'Israël, dont le jour arrive au temps où l'iniquité est à son terme! 26 (21:31) Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: La tiare sera ôtée, le diadème sera enlevé. Les choses vont changer. Ce qui est abaissé sera élevé, et ce qui est élevé sera abaissé. 27 (21:32) J'en ferai une ruine, une ruine, une ruine. Mais cela n'aura lieu qu'à la venue de celui à qui appartient le jugement et à qui je le remettrai. 28 (21:33) Et toi, fils de l'homme, prophétise, et dis: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel, sur les enfants d'Ammon et sur leur opprobre. Dis: L'épée, l'épée est tirée, elle est polie, pour massacrer, pour dévorer, pour étinceler! 29 (21:34) Au milieu de tes visions vaines et de tes oracles menteurs, elle te fera tomber parmi les cadavres des méchants, dont le jour arrive au temps où l'iniquité est à son terme. 30 (21:35) Remets ton épée dans le fourreau. Je te jugerai dans le lieu où tu as été créé, dans le pays de ta naissance. 31 (21:36) Je répandrai sur toi ma colère, je soufflerai contre toi avec le feu de ma fureur, et je te livrerai entre les mains d'hommes qui dévorent, qui ne travaillent qu'à détruire. 32 (21:37) Tu seras consumé par le feu; ton sang coulera au milieu du pays; on ne se souviendra plus de toi. Car moi, l'Éternel, j'ai parlé.