T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 17

1 [Ny amin'ny nanetrena ny taranak'i Dasida, sy ny mbola hanandratana azy indray] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,

3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;

4 ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana*; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]

5 Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.

6 Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.

7 Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.

8 Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.

9 Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony*.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy amin'ny fakany aza]

10 Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.

11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12 Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.

13 Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,

14 mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.

15 Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?

16 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.

17 Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.

18 Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.

19 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.

20 Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.

21 Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.

22 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.

23 Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.

24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.

 

Chapitre 17

17:1 The word of Yahweh came to me, saying, 17:2 Son of man, put forth a riddle, and speak a parable to the house of Israel; 17:3 and say, Thus says the Lord Yahweh: A great eagle with great wings and long feathers, full of feathers, which had various colors, came to Lebanon, and took the top of the cedar: 17:4 he cropped off the topmost of the young twigs of it, and carried it to a land of traffic; he set it in a city of merchants. 17:5 He took also of the seed of the land, and planted it in a fruitful soil; he placed it beside many waters; he set it as a willow tree. 17:6 It grew, and became a spreading vine of low stature, whose branches turned toward him, and its roots were under him: so it became a vine, and brought forth branches, and shot forth sprigs. 17:7 There was also another great eagle with great wings and many feathers: and behold, this vine bent its roots toward him, and shot forth its branches toward him, from the beds of its plantation, that he might water it. 17:8 It was planted in a good soil by many waters, that it might bring forth branches, and that it might bear fruit, that it might be a goodly vine. 17:9 Say, Thus says the Lord Yahweh: Shall it prosper? shall he not pull up its roots, and cut off its fruit, that it may wither; that all its fresh springing leaves may wither? and not by a strong arm or many people can it be raised from its roots. 17:10 Yes, behold, being planted, shall it prosper? shall it not utterly wither, when the east wind touches it? it shall wither in the beds where it grew. 17:11 Moreover the word of Yahweh came to me, saying, 17:12 Say now to the rebellious house, Don’t you know what these things mean? tell them, Behold, the king of Babylon came to Jerusalem, and took its king, and its princes, and brought them to him to Babylon: 17:13 and he took of the seed royal, and made a covenant with him; he also brought him under an oath, and took away the mighty of the land; 17:14 that the kingdom might be base, that it might not lift itself up, but that by keeping his covenant it might stand. 17:15 But he rebelled against him in sending his ambassadors into Egypt, that they might give him horses and many people. Shall he prosper? shall he escape who does such things? shall he break the covenant, and yet escape? 17:16 As I live, says the Lord Yahweh, surely in the place where the king dwells who made him king, whose oath he despised, and whose covenant he broke, even with him in the midst of Babylon he shall die. 17:17 Neither shall Pharaoh with his mighty army and great company help him in the war, when they cast up mounds and build forts, to cut off many persons. 17:18 For he has despised the oath by breaking the covenant; and behold, he had given his hand, and yet has done all these things; he shall not escape. 17:19 Therefore thus says the Lord Yahweh: As I live, surely my oath that he has despised, and my covenant that he has broken, I will even bring it on his own head. 17:20 I will spread my net on him, and he shall be taken in my snare, and I will bring him to Babylon, and will enter into judgment with him there for his trespass that he has trespassed against me. 17:21 All his fugitives in all his bands shall fall by the sword, and those who remain shall be scattered toward every wind: and you shall know that I, Yahweh, have spoken it. 17:22 Thus says the Lord Yahweh: I will also take of the lofty top of the cedar, and will set it; I will crop off from the topmost of its young twigs a tender one, and I will plant it on a high and lofty mountain: 17:23 in the mountain of the height of Israel will I plant it; and it shall bring forth boughs, and bear fruit, and be a goodly cedar: and under it shall dwell all birds of every wing; in the shade of its branches shall they dwell. 17:24 All the trees of the field shall know that I, Yahweh, have brought down the high tree, have exalted the low tree, have dried up the green tree, and have made the dry tree to flourish; I, Yahweh, have spoken and have done it.

 

Chapitre 17
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, propose une énigme, dis une parabole à la maison d'Israël! 3 Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Un grand aigle, aux longues ailes, aux ailes déployées, couvert de plumes de toutes couleurs, vint sur le Liban, et enleva la cime d'un cèdre. 4 Il arracha le plus élevé de ses rameaux, l'emporta dans un pays de commerce, et le déposa dans une ville de marchands. 5 Et il prit un rejeton du pays, et le plaça dans un sol fertile; il le mit près d'une eau abondante, et le planta comme un saule. 6 Ce rejeton poussa, et devint un cep de vigne étendu, mais de peu d'élévation; ses rameaux étaient tournés vers l'aigle, et ses racines étaient sous lui; il devint un cep de vigne, donna des jets, et produisit des branches. 7 Il y avait un autre aigle, grand, aux longues ailes, au plumage épais. Et voici, du parterre où elle était plantée, cette vigne étendit avec avidité ses racines de son côté et dirigea ses rameaux vers lui, afin qu'il l'arrosât. 8 Elle était plantée dans un bon terrain, près d'une eau abondante, de manière à produire des branches et à porter du fruit, à devenir une vigne magnifique. 9 Dis: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Prospérera-t-elle? Le premier aigle n'arrachera-t-il pas ses racines, n'enlèvera-t-il pas son fruit, afin qu'elle se dessèche, afin que toutes les feuilles qu'elle a poussées se dessèchent? Et il ne faudra ni beaucoup de force ni un peuple nombreux pour la séparer de ses racines. 10 Voici, elle est plantée: prospérera-t-elle? Si le vent d'orient la touche, ne séchera-t-elle pas? Elle séchera sur le parterre où elle a poussé. 11 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 12 Dis à la maison rebelle: Ne savez-vous pas ce que cela signifie? Dis: Voici, le roi de Babylone est allé à Jérusalem, il en a pris le roi et les chefs, et les a emmenés avec lui à Babylone. 13 Il a choisi un membre de la race royale, a traité alliance avec lui, et lui a fait prêter serment, et il a emmené les grands du pays, 14 afin que le royaume fût tenu dans l'abaissement, sans pouvoir s'élever, et qu'il gardât son alliance en y demeurant fidèle. 15 Mais il s'est révolté contre lui, en envoyant ses messagers en Égypte, pour qu'elle lui donnât des chevaux et un grand nombre d'hommes. Celui qui a fait de telles choses réussira-t-il, échappera-t-il? Il a rompu l'alliance, et il échapperait! 16 Je suis vivant! dit le Seigneur, l'Éternel, c'est dans le pays du roi qui l'a fait régner, envers qui il a violé son serment et dont il a rompu l'alliance, c'est près de lui, au milieu de Babylone, qu'il mourra. 17 Pharaon n'ira pas avec une grande armée et un peuple nombreux le secourir pendant la guerre, lorsqu'on élèvera des terrasses et qu'on fera des retranchements pour exterminer une multitude d'âmes. 18 Il a méprisé le serment, il a rompu l'alliance; il avait donné sa main, et il a fait tout cela; il n'échappera pas! 19 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je suis vivant! c'est le serment fait en mon nom qu'il a méprisé, c'est mon alliance qu'il a rompue. Je ferai retomber cela sur sa tête. 20 J'étendrai mon rets sur lui, et il sera pris dans mon filet; je l'emmènerai à Babylone, et là je plaiderai avec lui sur sa perfidie à mon égard. 21 Tous les fuyards de toutes ses troupes tomberont par l'épée, et ceux qui resteront seront dispersés à tous les vents. Et vous saurez que moi, l'Éternel, j'ai parlé. 22 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: J'enlèverai, moi, la cime d'un grand cèdre, et je la placerai; j'arracherai du sommet de ses branches un tendre rameau, et je le planterai sur une montagne haute et élevée. 23 Je le planterai sur une haute montagne d'Israël; il produira des branches et portera du fruit, il deviendra un cèdre magnifique. Les oiseaux de toute espèce reposeront sous lui, tout ce qui a des ailes reposera sous l'ombre de ses rameaux. 24 Et tous les arbres des champs sauront que moi, l'Éternel, j'ai abaissé l'arbre qui s'élevait et élevé l'arbre qui était abaissé, que j'ai desséché l'arbre vert et fait verdir l'arbre sec. Moi, l'Éternel, j'ai parlé, et j'agirai.