T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 [Ny nivadihan'i Jerosalema, sy ny nahafoizany an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy amin'izany] Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,

3 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.

4 Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.

5 Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.

 

6 Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.

7 Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany

8 Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.

9 Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rànao, dia nohosorako diloilo.

10 Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy*, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.[Hoditra voasoka ho menamena. na hodi-biby tsy fantatra]

11 Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao

12 Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,

13 ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana

14 Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.

15 kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao* sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]

16 Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.

17 Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;

18 nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany

19 Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.

20 Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?

21 Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.

22 Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rànao.

23 Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),

24 dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.

25 Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.

26 Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.

27 Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.

28 Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.

29 Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto*. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao. [Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]

30 Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!

31 Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.

32 Ny vadin'olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny!

33 Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.

34 Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao

35 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah. ry kala janga:

36 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe* sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb. nanidinanao varahina]

37 dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;

38 ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.

39 Dia hatolotro ho eny an-tànan'ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.

40 Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin'ny sabany ianao.

41 Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.

42 Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.

43 Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao* ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao**?[*Heb. lalanao][**Na: Fa raha tsy izany, dia Izao indray no hanao ratsy miohatra noho ny fahavetavetanao rehetra]

44 Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.

45 Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.

46 Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.

47 Nefa tsy araka ny alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.

48 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.

49 Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.

50 Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.

51 Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.

52 Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.

53 Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin'izay olonao voababo,

54 mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy*.[Na: tamin'ny nampiononanao azy]

55 Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.

56 Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,

57 fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.

58 Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.

59 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.

60 Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.

61 Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.

62 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,

63 mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.

 

Chapitre 16

16:1 Again the word of Yahweh came to me, saying, 16:2 Son of man, cause Jerusalem to know her abominations; 16:3 and say, Thus says the Lord Yahweh to Jerusalem: Your birth and your birth is of the land of the Canaanite; the Amorite was your father, and your mother was a Hittite. 16:4 As for your birth, in the day you were born your navel was not cut, neither were you washed in water to cleanse you; you weren’t salted at all, nor swaddled at all. 16:5 No eye pitied you, to do any of these things to you, to have compassion on you; but you were cast out in the open field, for that your person was abhorred, in the day that you were born. 16:6 When I passed by you, and saw you wallowing in your blood, I said to you, Though you are in your blood, live; yes, I said to you, Though you are in your blood, live. 16:7 I caused you to multiply as that which grows in the field, and you increased and grew great, and you attained to excellent ornament; your breasts were fashioned, and your hair was grown; yet you were naked and bare. 16:8 Now when I passed by you, and looked at you, behold, your time was the time of love; and I spread my skirt over you, and covered your nakedness: yes, I swore to you, and entered into a covenant with you, says the Lord Yahweh, and you became mine. 16:9 Then washed I you with water; yes, I thoroughly washed away your blood from you, and I anointed you with oil. 16:10 I clothed you also with embroidered work, and shod you with sealskin, and I dressed you about with fine linen, and covered you with silk. 16:11 I decked you with ornaments, and I put bracelets on your hands, and a chain on your neck. 16:12 I put a ring on your nose, and earrings in your ears, and a beautiful crown on your head. 16:13 Thus you were decked with gold and silver; and your clothing was of fine linen, and silk, and embroidered work; you ate fine flour, and honey, and oil; and you were exceeding beautiful, and you prospered to royal estate. 16:14 Your renown went forth among the nations for your beauty; for it was perfect, through my majesty which I had put on you, says the Lord Yahweh. 16:15 But you trusted in your beauty, and played the prostitute because of your renown, and poured out your prostitution on everyone who passed by; his it was. 16:16 You took of your garments, and made for yourselves high places decked with various colors, and played the prostitute on them: the like things shall not come, neither shall it be so. 16:17 You also took your beautiful jewels of my gold and of my silver, which I had given you, and made for yourself images of men, and played the prostitute with them; 16:18 and you took your embroidered garments, and covered them, and set my oil and my incense before them. 16:19 My bread also which I gave you, fine flour, and oil, and honey, with which I fed you, you even set it before them for a pleasant aroma; and thus it was, says the Lord Yahweh. 16:20 Moreover you have taken your sons and your daughters, whom you have borne to me, and you have sacrificed these to them to be devoured. Was your prostitution a small matter, 16:21 that you have slain my children, and delivered them up, in causing them to pass through the fire to them? 16:22 In all your abominations and your prostitution you have not remembered the days of your youth, when you were naked and bare, and were wallowing in your blood. 16:23 It has happened after all your wickedness, (woe, woe to you! says the Lord Yahweh), 16:24 that you have built for yourselves a vaulted place, and have made yourselves a lofty place in every street. 16:25 You have built your lofty place at the head of every way, and have made your beauty an abomination, and have opened your feet to everyone who passed by, and multiplied your prostitution. 16:26 You have also committed sexual immorality with the Egyptians, your neighbors, great of flesh; and have multiplied your prostitution, to provoke me to anger. 16:27 See therefore, I have stretched out my hand over you, and have diminished your ordinary food, and delivered you to the will of those who hate you, the daughters of the Philistines, who are ashamed of your lewd way. 16:28 You have played the prostitute also with the Assyrians, because you were insatiable; yes, you have played the prostitute with them, and yet you weren’t satisfied. 16:29 You have moreover multiplied your prostitution to the land of merchants, to Chaldea; and yet you weren’t satisfied with this. 16:30 How weak is your heart, says the Lord Yahweh, since you do all these things, the work of an impudent prostitute; 16:31 in that you build your vaulted place at the head of every way, and make your lofty place in every street, and have not been as a prostitute, in that you scorn pay. 16:32 A wife who commits adultery! who takes strangers instead of her husband! 16:33 They give gifts to all prostitutes; but you give your gifts to all your lovers, and bribe them, that they may come to you on every side for your prostitution. 16:34 You are different from other women in your prostitution, in that no one follows you to play the prostitute; and whereas you give hire, and no hire is given to you, therefore you are different. 16:35 Therefore, prostitute, hear the word of Yahweh: 16:36 Thus says the Lord Yahweh, Because your filthiness was poured out, and your nakedness uncovered through your prostitution with your lovers; and because of all the idols of your abominations, and for the blood of your children, that you gave to them; 16:37 therefore see, I will gather all your lovers, with whom you have taken pleasure, and all those who you have loved, with all those who you have hated; I will even gather them against you on every side, and will uncover your nakedness to them, that they may see all your nakedness. 16:38 I will judge you, as women who break wedlock and shed blood are judged; and I will bring on you the blood of wrath and jealousy. 16:39 I will also give you into their hand, and they shall throw down your vaulted place, and break down your lofty places; and they shall strip you of your clothes, and take your beautiful jewels; and they shall leave you naked and bare. 16:40 They shall also bring up a company against you, and they shall stone you with stones, and thrust you through with their swords. 16:41 They shall burn your houses with fire, and execute judgments on you in the sight of many women; and I will cause you to cease from playing the prostitute, and you shall also give no hire any more. 16:42 So will I cause my wrath toward you to rest, and my jealousy shall depart from you, and I will be quiet, and will be no more angry. 16:43 Because you have not remembered the days of your youth, but have raged against me in all these things; therefore, behold, I also will bring your way on your head, says the Lord Yahweh: and you shall not commit this lewdness with all your abominations. 16:44 Behold, everyone who uses proverbs shall use this proverb against you, saying, As is the mother, so is her daughter. 16:45 You are the daughter of your mother, who loathes her husband and her children; and you are the sister of your sisters, who loathed their husbands and their children: your mother was a Hittite, and your father an Amorite. 16:46 Your elder sister is Samaria, who dwells at your left hand, she and her daughters; and your younger sister, who dwells at your right hand, is Sodom and her daughters. 16:47 Yet have you not walked in their ways, nor done after their abominations; but, as if that were a very little thing, you were more corrupt than they in all your ways. 16:48 As I live, says the Lord Yahweh, Sodom your sister has not done, she nor her daughters, as you have done, you and your daughters. 16:49 Behold, this was the iniquity of your sister Sodom: pride, fullness of bread, and prosperous ease was in her and in her daughters; neither did she strengthen the hand of the poor and needy. 16:50 They were haughty, and committed abomination before me: therefore I took them away as I saw good. 16:51 Neither has Samaria committed half of your sins; but you have multiplied your abominations more than they, and have justified your sisters by all your abominations which you have done. 16:52 You also, bear you your own shame, in that you have given judgment for your sisters; through your sins that you have committed more abominable than they, they are more righteous that you: yes, be also confounded, and bear your shame, in that you have justified your sisters. 16:53 I will turn again their captivity, the captivity of Sodom and her daughters, and the captivity of Samaria and her daughters, and the captivity of your captives in their midst; 16:54 that you may bear your own shame, and may be ashamed because of all that you have done, in that you are a comfort to them. 16:55 Your sisters, Sodom and her daughters, shall return to their former estate; and Samaria and her daughters shall return to their former estate; and you and your daughters shall return to your former estate. 16:56 For your sister Sodom was not mentioned by your mouth in the day of your pride, 16:57 before your wickedness was uncovered, as at the time of the reproach of the daughters of Syria, and of all who are around her, the daughters of the Philistines, who do despite to you all around. 16:58 You have borne your lewdness and your abominations, says Yahweh. 16:59 For thus says the Lord Yahweh: I will also deal with you as you have done, who have despised the oath in breaking the covenant. 16:60 Nevertheless I will remember my covenant with you in the days of your youth, and I will establish to you an everlasting covenant. 16:61 Then you shall remember your ways, and be ashamed, when you shall receive your sisters, your elder sisters and your younger; and I will give them to you for daughters, but not by your covenant. 16:62 I will establish my covenant with you; and you shall know that I am Yahweh; 16:63 that you may remember, and be confounded, and never open your mouth any more, because of your shame, when I have forgiven you all that you have done, says the Lord Yahweh.

 

Chapitre 16
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, fais connaître à Jérusalem ses abominations! 3 Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel, à Jérusalem: Par ton origine et ta naissance tu es du pays de Canaan; ton père était un Amoréen, et ta mère une Héthienne. 4 A ta naissance, au jour où tu naquis, ton nombril n'a pas été coupé, tu n'as pas été lavée dans l'eau pour être purifiée, tu n'as pas été frottée avec du sel, tu n'as pas été enveloppée dans des langes. 5 Nul n'a porté sur toi un regard de pitié pour te faire une seule de ces choses, par compassion pour toi; mais tu as été jetée dans les champs, le jour de ta naissance, parce qu'on avait horreur de toi. 6 Je passai près de toi, je t'aperçus baignée dans ton sang, et je te dis: Vis dans ton sang! je te dis: Vis dans ton sang! 7 Je t'ai multipliée par dix milliers, comme les herbes des champs. Et tu pris de l'accroissement, tu grandis, tu devins d'une beauté parfaite; tes seins se formèrent, ta chevelure se développa. Mais tu étais nue, entièrement nue. 8 Je passai près de toi, je te regardai, et voici, ton temps était là, le temps des amours. J'étendis sur toi le pan de ma robe, je couvris ta nudité, je te jurai fidélité, je fis alliance avec toi, dit le Seigneur, l'Éternel, et tu fus à moi. 9 Je te lavai dans l'eau, je fis disparaître le sang qui était sur toi, et je t'oignis avec de l'huile. 10 Je te donnai des vêtements brodés, et une chaussure de peaux teintes en bleu; je te ceignis de fin lin, et je te couvris de soie. 11 Je te parai d'ornements: je mis des bracelets à tes mains, un collier à ton cou, 12 je mis un anneau à ton nez, des pendants à tes oreilles, et une couronne magnifique sur ta tête. 13 Ainsi tu fus parée d'or et d'argent, et tu fus vêtue de fin lin, de soie et d'étoffes brodées. La fleur de farine, le miel et l'huile, furent ta nourriture. Tu étais d'une beauté accomplie, digne de la royauté. 14 Et ta renommée se répandit parmi les nations, à cause de ta beauté; car elle était parfaite, grâce à l'éclat dont je t'avais ornée, dit le Seigneur, l'Éternel. 15 Mais tu t'es confiée dans ta beauté, et tu t'es prostituée, à la faveur de ton nom; tu as prodigué tes prostitutions à tous les passants, tu t'es livrée à eux. 16 Tu as pris de tes vêtements, tu t'es fait des hauts lieux que tu as garnis d'étoffes de toutes couleurs, et tu t'y es prostituée: rien de semblable n'était arrivé et n'arrivera jamais. 17 Tu as pris ta magnifique parure d'or et d'argent, que je t'avais donnée, et tu en as fait des simulacres d'hommes, auxquels tu t'es prostituée. 18 Tu as pris tes vêtements brodés, tu les en as couverts, et tu as offert à ces simulacres mon huile et mon encens. 19 Le pain que je t'avais donné, la fleur de farine, l'huile et le miel, dont je te nourrissais, tu leur as offert ces choses comme des parfums d'une odeur agréable. Voilà ce qui est arrivé, dit le Seigneur, l'Éternel. 20 Tu as pris tes fils et tes filles, que tu m'avais enfantés, et tu les leur as sacrifiés pour qu'ils leur servent d'aliment: n'était-ce pas assez de tes prostitutions? 21 Tu as égorgé mes fils, et tu les as donnés, en les faisant passer par le feu en leur honneur. 22 Au milieu de toutes tes abominations et de tes prostitutions, tu ne t'es pas souvenue du temps de ta jeunesse, lorsque tu étais nue, entièrement nue, et baignée dans ton sang. 23 Après toutes tes méchantes actions, -malheur, malheur à toi! dit le Seigneur, l'Éternel, - 24 tu t'es bâti des maisons de prostitution, tu t'es fait des hauts lieux dans toutes les places; 25 à l'entrée de chaque chemin tu as construit tes hauts lieux, tu as déshonoré ta beauté, tu t'es livrée à tous les passants, tu as multiplié tes prostitutions. 26 Tu t'es prostituée aux Égyptiens, tes voisins au corps vigoureux, et tu as multiplié tes prostitutions pour m'irriter. 27 Et voici, j'ai étendu ma main contre toi, j'ai diminué la part que je t'avais assignée, je t'ai livrée à la volonté de tes ennemies, les filles des Philistins, qui ont rougi de ta conduite criminelle. 28 Tu t'es prostituée aux Assyriens, parce que tu n'étais pas rassasiée; tu t'es prostituée à eux, et tu n'as pas encore été rassasiée. 29 Tu as multiplié tes prostitutions avec le pays de Canaan et jusqu'en Chaldée, et avec cela tu n'as pas encore été rassasiée. 30 Quelle faiblesse de coeur tu as eue, dit le Seigneur, l'Éternel, en faisant toutes ces choses, qui sont l'oeuvre d'une maîtresse prostituée! 31 Lorsque tu bâtissais tes maisons de prostitution à l'entrée de chaque chemin, lorsque tu faisais tes hauts lieux dans toutes les places, tu n'as pas même été comme la prostituée qui réclame un salaire; 32 tu as été la femme adultère, qui reçoit des étrangers au lieu de son mari. 33 A toutes les prostituées on paie un salaire; mais toi, tu as fait des dons à tous tes amants, tu les as gagnés par des présents, afin de les attirer à toi de toutes parts dans tes prostitutions. 34 Tu as été le contraire des autres prostituées, parce qu'on ne te recherchait pas; et en donnant un salaire au lieu d'en recevoir un, tu as été le contraire des autres. 35 C'est pourquoi, prostituée, écoute la parole de l'Éternel! 36 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que tes trésors ont été dissipés, et que ta nudité a été découverte dans tes prostitutions avec tes amants et avec toutes tes abominables idoles, et à cause du sang de tes enfants que tu leur as donnés, 37 voici, je rassemblerai tous tes amants avec lesquels tu te plaisais, tous ceux que tu as aimés et tous ceux que tu as haïs, je les rassemblerai de toutes parts contre toi, je leur découvrirai ta nudité, et ils verront toute ta nudité. 38 Je te jugerai comme on juge les femmes adultères et celles qui répandent le sang, et je ferai de toi une victime sanglante de la fureur et de la jalousie. 39 Je te livrerai entre leurs mains; ils abattront tes maisons de prostitution et détruiront tes hauts lieux; ils te dépouilleront de tes vêtements, prendront ta magnifique parure, et te laisseront nue, entièrement nue. 40 Ils amèneront la foule contre toi, ils te lapideront et te perceront à coups d'épée; 41 ils brûleront tes maisons par le feu, et ils feront justice de toi, aux yeux d'une multitude de femmes. Je ferai cesser ainsi ton impudicité et tu ne donneras plus de salaire. 42 J'assouvirai ma colère contre toi, et tu ne seras plus l'objet de ma jalousie; je m'apaiserai, je ne serai plus irrité. 43 Parce que tu ne t'es pas souvenue du temps de ta jeunesse, parce que tu m'as provoqué par toutes ces choses, voici, je ferai retomber ta conduite sur ta tête, dit le Seigneur, l'Éternel, et tu ne commettras plus le crime avec toutes tes abominations. 44 Voici, tous ceux qui disent des proverbes, t'appliqueront ce proverbe: Telle mère, telle fille! 45 Tu es la fille de ta mère, qui a repoussé son mari et ses enfants; tu es la soeur de tes soeurs, qui ont repoussé leurs maris et leurs enfants. Votre mère était une Héthienne, et votre père un Amoréen. 46 Ta grande soeur, qui demeure à ta gauche, c'est Samarie avec ses filles; et ta petite soeur, qui demeure à ta droite, c'est Sodome avec ses filles. 47 Tu n'as pas seulement marché dans leurs voies, commis les mêmes abominations, c'était trop peu; tu as été plus corrompue qu'elles dans toutes tes voies. 48 Je suis vivant! dit le Seigneur, l'Éternel, Sodome, ta soeur, et ses filles n'ont pas fait ce que vous avez fait, toi et tes filles. 49 Voici quel a été le crime de Sodome, ta soeur. Elle avait de l'orgueil, elle vivait dans l'abondance et dans une insouciante sécurité, elle et ses filles, et elle ne soutenait pas la main du malheureux et de l'indigent. 50 Elles sont devenues hautaines, et elles ont commis des abominations devant moi. Je les ai fait disparaître, quand j'ai vu cela. 51 Samarie n'a pas commis la moitié de tes péchés; tes abominations ont été plus nombreuses que les siennes, et tu as justifié tes soeurs par toutes les abominations que tu as faites. 52 Toi qui condamnais tes soeurs, supporte ton opprobre, à cause de tes péchés par lesquels tu t'es rendue plus abominable qu'elles, et qui les font paraître plus justes que toi; sois confuse, et supporte ton opprobre, puisque tu as justifié tes soeurs. 53 Je ramènerai leurs captifs, les captifs de Sodome et de ses filles, les captifs de Samarie et de ses filles, et tes captifs au milieu des leurs, 54 afin que tu subisses ton opprobre, et que tu rougisses de tout ce que tu as fait, en étant pour elles un sujet de consolation. 55 Tes soeurs, Sodome et ses filles, reviendront à leur premier état, Samarie et ses filles reviendront à leur premier état; et toi et tes filles, vous reviendrez à votre premier état. 56 Ne discourais-tu pas sur ta soeur Sodome, dans le temps de ton orgueil, 57 avant que ta méchanceté soit mise à nu, lorsque tu as reçu les outrages des filles de la Syrie et de tous ses alentours, des filles des Philistins, qui te méprisaient de tous côtés! 58 Tu portes tes crimes et tes abominations, dit l'Éternel. 59 Car ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: J'agirai envers toi comme tu as agi, toi qui as méprisé le serment en rompant l'alliance. 60 Mais je me souviendrai de mon alliance avec toi au temps de ta jeunesse, et j'établirai avec toi une alliance éternelle. 61 Tu te souviendras de ta conduite, et tu en auras honte, quand tu recevras tes soeurs, les grandes et les petites; je te les donnerai pour filles, mais non en vertu de ton alliance. 62 J'établirai mon alliance avec toi, et tu sauras que je suis l'Éternel, 63 Afin que tu te souviennes du passé et que tu rougisses, afin que tu n'ouvres plus la bouche et que tu sois confuse, quand je te pardonnerai tout ce que tu as fait, dit le Seigneur, l'Éternel.