T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny amin'ireo mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.

3 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.

4 Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.

5 Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.

6 Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny

7 Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?

8 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.

9 Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

10 Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,

11 koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.

12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?

13 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.

14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

15 Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,

16 dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.

17 Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,

18 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana* rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]

19 Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.

20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.

21 Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

22 Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,

23 dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

 

Chapitre 13

13:1 The word of Yahweh came to me, saying, 13:2 Son of man, prophesy against the prophets of Israel who prophesy, and say to those who prophesy out of their own heart, Hear the word of Yahweh: 13:3 Thus says the Lord Yahweh, Woe to the foolish prophets, who follow their own spirit, and have seen nothing! 13:4 Israel, your prophets have been like foxes in the waste places. 13:5 You have not gone up into the gaps, neither built up the wall for the house of Israel, to stand in the battle in the day of Yahweh. 13:6 They have seen falsehood and lying divination, who say, Yahweh says; but Yahweh has not sent them: and they have made men to hope that the word would be confirmed. 13:7 Haven’t you seen a false vision, and haven’t you spoken a lying divination, in that you say, Yahweh says; but I have not spoken? 13:8 Therefore thus says the Lord Yahweh: Because you have spoken falsehood, and seen lies, therefore, behold, I am against you, says the Lord Yahweh. 13:9 My hand shall be against the prophets who see false visions, and who divine lies: they shall not be in the council of my people, neither shall they be written in the writing of the house of Israel, neither shall they enter into the land of Israel; and you shall know that I am the Lord Yahweh. 13:10 Because, even because they have seduced my people, saying, Peace; and there is no peace; and when one builds up a wall, behold, they plaster it with whitewash: 13:11 tell those who plaster it with whitewash, that it shall fall: there shall be an overflowing shower; and you, great hailstones, shall fall; and a stormy wind shall tear it. 13:12 Behold, when the wall has fallen, shall it not be said to you, Where is the plaster with which you have plastered it? 13:13 Therefore thus says the Lord Yahweh: I will even tear it with a stormy wind in my wrath; and there shall be an overflowing shower in my anger, and great hailstones in wrath to consume it. 13:14 So will I break down the wall that you have plastered with whitewash, and bring it down to the ground, so that its foundation shall be uncovered; and it shall fall, and you shall be consumed in its midst: and you shall know that I am Yahweh. 13:15 Thus will I accomplish my wrath on the wall, and on those who have plastered it with whitewash; and I will tell you, The wall is no more, neither those who plastered it; 13:16 to wit, the prophets of Israel who prophesy concerning Jerusalem, and who see visions of peace for her, and there is no peace, says the Lord Yahweh. 13:17 You, son of man, set your face against the daughters of your people, who prophesy out of their own heart; and prophesy against them, 13:18 and say, Thus says the Lord Yahweh: Woe to the women who sew pillows on all elbows, and make kerchiefs for the head of persons of every stature to hunt souls! Will you hunt the souls of my people, and save souls alive for yourselves? 13:19 You have profaned me among my people for handfuls of barley and for pieces of bread, to kill the souls who should not die, and to save the souls alive who should not live, by your lying to my people who listen to lies. 13:20 Therefore thus says the Lord Yahweh: Behold, I am against your pillows, with which you there hunt the souls to make them fly, and I will tear them from your arms; and I will let the souls go, even the souls whom you hunt to make them fly. 13:21 Your kerchiefs also will I tear, and deliver my people out of your hand, and they shall be no more in your hand to be hunted; and you shall know that I am Yahweh. 13:22 Because with lies you have grieved the heart of the righteous, whom I have not made sad; and strengthened the hands of the wicked, that he should not return from his wicked way, and be saved alive: 13:23 Therefore you shall no more see false visions, nor practice divination. I will deliver my people out of your hand; and you shall know that I am Yahweh.

 

Chapitre 13
1 La parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 2 Fils de l'homme, prophétise contre les prophètes d'Israël qui prophétisent, Et dis à ceux qui prophétisent selon leur propre coeur: Écoutez la parole de l'Éternel! 3 Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Malheur aux prophètes insensés, Qui suivent leur propre esprit et qui ne voient rien! 4 Tels des renards au milieu des ruines, Tels sont tes prophètes, ô Israël! 5 Vous n'êtes pas montés devant les brèches, Vous n'avez pas entouré d'un mur la maison d'Israël, Pour demeurer fermes dans le combat, Au jour de l'Éternel. 6 Leurs visions sont vaines, et leurs oracles menteurs; Ils disent: L'Éternel a dit! Et l'Éternel ne les a point envoyés; Et ils font espérer que leur parole s'accomplira. 7 Les visions que vous avez ne sont-elles pas vaines, Et les oracles que vous prononcez ne sont-ils pas menteurs? Vous dites: L'Éternel a dit! Et je n'ai point parlé. 8 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que vous dites des choses vaines, Et que vos visions sont des mensonges, Voici, j'en veux à vous, Dit le Seigneur, l'Éternel. 9 Ma main sera contre les prophètes Dont les visions sont vaines et les oracles menteurs; Ils ne feront point partie de l'assemblée de mon peuple, Ils ne seront pas inscrits dans le livre de la maison d'Israël, Et ils n'entreront pas dans le pays d'Israël. Et vous saurez que je suis le Seigneur, l'Éternel. 10 Ces choses arriveront parce qu'ils égarent mon peuple, En disant: Paix! quand il n'y a point de paix. Et mon peuple bâtit une muraille, Et eux, ils la couvrent de plâtre. 11 Dis à ceux qui la couvrent de plâtre qu'elle s'écroulera; Une pluie violente surviendra; Et vous, pierres de grêle, vous tomberez, Et la tempête éclatera. 12 Et voici, la muraille s'écroule! ne vous dira-t-on pas: Où est le plâtre dont vous l'avez couverte? 13 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je ferai, dans ma fureur, éclater la tempête; Il surviendra, dans ma colère, une pluie violente; Et des pierres de grêle tomberont avec fureur pour détruire. 14 J'abattrai la muraille que vous avez couverte de plâtre, Je lui ferai toucher la terre, et ses fondements seront mis à nu; Elle s'écroulera, et vous périrez au milieu de ses ruines. Et vous saurez que je suis l'Éternel. 15 J'assouvirai ainsi ma fureur contre la muraille, Et contre ceux qui l'ont couverte de plâtre; Et je vous dirai; Plus de muraille! Et c'en est fait de ceux qui la replâtraient, 16 Des prophètes d'Israël qui prophétisent sur Jérusalem, Et qui ont sur elle des visions de paix, Quand il n'y a point de paix! Dit le Seigneur, l'Éternel. 17 Et toi, fils de l'homme, porte tes regards sur les filles de ton peuple Qui prophétisent selon leur propre coeur, Et prophétise contre elles! 18 Tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Malheur à celles qui fabriquent des coussinets pour toutes les aisselles, Et qui font des voiles pour la tête des gens de toute taille, Afin de surprendre les âmes! Pensez-vous surprendre les âmes de mon peuple, Et conserver vos propres âmes? 19 Vous me déshonorez auprès de mon peuple Pour des poignées d'orge et des morceaux de pain, En tuant des âmes qui ne doivent pas mourir, Et en faisant vivre des âmes qui ne doivent pas vivre, Trompant ainsi mon peuple, qui écoute le mensonge. 20 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, j'en veux à vos coussinets Par lesquels vous surprenez les âmes afin qu'elles s'envolent, Et je les arracherai de vos bras; Et je délivrerai les âmes Que vous cherchez à surprendre afin qu'elles s'envolent. 21 J'arracherai aussi vos voiles, Et je délivrerai de vos mains mon peuple; Ils ne serviront plus de piège entre vos mains. Et vous saurez que je suis l'Éternel. 22 Parce que vous affligez le coeur du juste par des mensonges, Quand moi-même je ne l'ai point attristé, Et parce que vous fortifiez les mains du méchant Pour l'empêcher de quitter sa mauvaise voie et pour le faire vivre, 23 Vous n'aurez plus de vaines visions, Et vous ne prononcerez plus d'oracles; Je délivrerai de vos mains mon peuple. Et vous saurez que je suis l'Éternel.