T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 [Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy* nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]

2 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,

3 dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;

4 ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.

5 Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.

6 Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.

7 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.

8 Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.

9 Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.

10 Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

11 Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo

12 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.

13 Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?

14 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

15 Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao*, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]

16 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety* Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]

17 Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.

18 Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.

19 Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,

20 mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

21 Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny* sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony**, hoy Jehovah Tompo.[*Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]

22 Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.

23 Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanàna.

24 Dia nisy fanahy* nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]

25 Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.

 

Chapitre 11

11:1 Moreover the Spirit lifted me up, and brought me to the east gate of Yahweh’s house, which looks eastward: and see, at the door of the gate twenty-five men; and I saw in their midst Jaazaniah the son of Azzur, and Pelatiah the son of Benaiah, princes of the people. 11:2 He said to me, Son of man, these are the men who devise iniquity, and who give wicked counsel in this city; 11:3 who say, The time is not near to build houses: this is the caldron, and we are the meat. 11:4 Therefore prophesy against them, prophesy, son of man. 11:5 The Spirit of Yahweh fell on me, and he said to me, Speak, Thus says Yahweh: Thus you have said, house of Israel; for I know the things that come into your mind. 11:6 You have multiplied your slain in this city, and you have filled its streets with the slain. 11:7 Therefore thus says the Lord Yahweh: Your slain whom you have laid in its midst, they are the meat, and this is the caldron; but you shall be brought out of its midst. 11:8 You have feared the sword; and I will bring the sword on you, says the Lord Yahweh. 11:9 I will bring you forth out of its midst, and deliver you into the hands of strangers, and will execute judgments among you. 11:10 You shall fall by the sword; I will judge you in the border of Israel; and you shall know that I am Yahweh. 11:11 This shall not be your caldron, neither shall you be the meat in its midst; I will judge you in the border of Israel; 11:12 and you shall know that I am Yahweh: for you have not walked in my statutes, neither have you executed my ordinances, but have done after the ordinances of the nations that are around you. 11:13 It happened, when I prophesied, that Pelatiah the son of Benaiah died. Then fell I down on my face, and cried with a loud voice, and said, Ah Lord Yahweh! will you make a full end of the remnant of Israel? 11:14 The word of Yahweh came to me, saying, 11:15 Son of man, your brothers, even your brothers, the men of your relatives, and all the house of Israel, all of them, to whom the inhabitants of Jerusalem have said, Go far away from Yahweh. This land has been given to us for a possession. 11:16 Therefore say, Thus says the Lord Yahweh: Whereas I have removed them far off among the nations, and whereas I have scattered them among the countries, yet will I be to them a sanctuary for a little while in the countries where they have come. 11:17 Therefore say, Thus says the Lord Yahweh: I will gather you from the peoples, and assemble you out of the countries where you have been scattered, and I will give you the land of Israel. 11:18 They shall come there, and they shall take away all the detestable things of it and all its abominations from there. 11:19 I will give them one heart, and I will put a new spirit within you; and I will take the stony heart out of their flesh, and will give them a heart of flesh; 11:20 that they may walk in my statutes, and keep my ordinances, and do them: and they shall be my people, and I will be their God. 11:21 But as for them whose heart walks after the heart of their detestable things and their abominations, I will bring their way on their own heads, says the Lord Yahweh. 11:22 Then the cherubim lifted up their wings, and the wheels were beside them; and the glory of the God of Israel was over them above. 11:23 The glory of Yahweh went up from the midst of the city, and stood on the mountain which is on the east side of the city. 11:24 The Spirit lifted me up, and brought me in the vision by the Spirit of God into Chaldea, to them of the captivity. So the vision that I had seen went up from me. 11:25 Then I spoke to them of the captivity all the things that Yahweh had shown me.

 

Chapitre 11
1 L'esprit m'enleva, et me transporta à la porte orientale de la maison de l'Éternel, à celle qui regarde l'orient. Et voici, à l'entrée de la porte, il y avait vingt-cinq hommes; et je vis au milieu d'eux Jaazania, fils d'Azzur, et Pelathia, fils de Benaja, chefs du peuple. 2 Et l'Éternel me dit: Fils de l'homme, ce sont les hommes qui méditent l'iniquité, et qui donnent de mauvais conseils dans cette ville. 3 Ils disent: Ce n'est pas le moment! Bâtissons des maisons! La ville est la chaudière, et nous sommes la viande. 4 C'est pourquoi prophétise contre eux, prophétise, fils de l'homme! 5 Alors l'esprit de l'Éternel tomba sur moi. Et il me dit: Dis: Ainsi parle l'Éternel: Vous parlez de la sorte, maison d'Israël! Et ce qui vous monte à la pensée, je le sais. 6 Vous avez multiplié les meurtres dans cette ville, Vous avez rempli les rues de cadavres. 7 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Vos morts que vous avez étendus au milieu d'elle, C'est la viande, et elle, c'est la chaudière; Mais vous, on vous en fera sortir. 8 Vous avez peur de l'épée, Et je ferai venir sur vous l'épée, Dit le Seigneur, l'Éternel. 9 Je vous ferai sortir du milieu d'elle, Je vous livrerai entre les mains des étrangers, Et j'exercerai contre vous mes jugements. 10 Vous tomberez par l'épée, Je vous jugerai sur la frontière d'Israël, Et vous saurez que je suis l'Éternel. 11 La ville ne sera pas pour vous une chaudière, Et vous ne serez pas la viande au milieu d'elle: C'est sur la frontière d'Israël que je vous jugerai. 12 Et vous saurez que je suis l'Éternel, Dont vous n'avez pas suivi les ordonnances Et pratiqué les lois; Mais vous avez agi selon les lois des nations qui vous entourent. 13 Comme je prophétisais, Pelathia, fils de Benaja, mourut. Je tombai sur ma face, et je m'écriai à haute voix: Ah! Seigneur Éternel, anéantiras-tu ce qui reste d'Israël? 14 Et la parole de l'Éternel me fut adressée, en ces mots: 15 Fils de l'homme, ce sont tes frères, tes frères, Ceux de ta parenté, et la maison d'Israël tout entière, A qui les habitants de Jérusalem disent: Restez loin de l'Éternel, Le pays nous a été donné en propriété. 16 C'est pourquoi tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Si je les tiens éloignés parmi les nations, Si je les ai dispersés en divers pays, Je serai pour eux quelque temps un asile Dans les pays où ils sont venus. 17 C'est pourquoi tu diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Je vous rassemblerai du milieu des peuples, Je vous recueillerai des pays où vous êtes dispersés, Et je vous donnerai la terre d'Israël. 18 C'est là qu'ils iront, Et ils en ôteront toutes les idoles et toutes les abominations. 19 Je leur donnerai un même coeur, Et je mettrai en vous un esprit nouveau; J'ôterai de leur corps le coeur de pierre, Et je leur donnerai un coeur de chair, 20 Afin qu'ils suivent mes ordonnances, Et qu'ils observent et pratiquent mes lois; Et ils seront mon peuple, et je serai leur Dieu. 21 Mais pour ceux dont le coeur se plaît à leurs idoles et à leurs abominations, Je ferai retomber leurs oeuvres sur leur tête, Dit le Seigneur, l'Éternel. 22 Les chérubins déployèrent leurs ailes, accompagnés des roues; et la gloire du Dieu d'Israël était sur eux, en haut. 23 La gloire de l'Éternel s'éleva du milieu de la ville, et elle se plaça sur la montagne qui est à l'orient de la ville. 24 L'esprit m'enleva, et me transporta en Chaldée auprès des captifs, en vision par l'esprit de Dieu; et la vision que j'avais eue disparut au-dessus de moi. 25 Je dis aux captifs toutes les paroles de l'Éternel, qu'il m'avait révélées.