T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 [Fahitana ny amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah* niseho teo amboniny. [Heb. Izy]

2 Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.

3 Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.

4 Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.

5 Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.

6 Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.

7 Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.

8 Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.

9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.

10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.

11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.

12 Ary feno maso manodidina ny tenany* rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]

13 Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia*![Na: Mikodiadiava!]

14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.

15 Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.

16 Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.

17 Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.

18 Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.

19 Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.

20 Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.

21 Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.

22 Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.

 

Chapitre 10

10:1 Then I looked, and see, in the expanse that was over the head of the cherubim there appeared above them as it were a sapphire stone, as the appearance of the likeness of a throne. 10:2 He spoke to the man clothed in linen, and said, Go in between the whirling wheels, even under the cherub, and fill both your hands with coals of fire from between the cherubim, and scatter them over the city. He went in as I watched. 10:3 Now the cherubim stood on the right side of the house, when the man went in; and the cloud filled the inner court. 10:4 The glory of Yahweh mounted up from the cherub, and stood over the threshold of the house; and the house was filled with the cloud, and the court was full of the brightness of Yahweh’s glory. 10:5 The sound of the wings of the cherubim was heard even to the outer court, as the voice of God Almighty when he speaks. 10:6 It came to pass, when he commanded the man clothed in linen, saying, Take fire from between the whirling wheels, from between the cherubim, that he went in, and stood beside a wheel. 10:7 The cherub stretched forth his hand from between the cherubim to the fire that was between the cherubim, and took of it, and put it into the hands of him who was clothed in linen, who took it and went out. 10:8 There appeared in the cherubim the form of a man’s hand under their wings. 10:9 I looked, and behold, four wheels beside the cherubim, one wheel beside one cherub, and another wheel beside another cherub; and the appearance of the wheels was like a beryl stone. 10:10 As for their appearance, the four of them had one likeness, like a wheel within a wheel. 10:11 When they went, they went in their four directions: they didn’t turn as they went, but to the place where the head looked they followed it; they didn’t turn as they went. 10:12 Their whole body, and their backs, and their hands, and their wings, and the wheels, were full of eyes all around, even the wheels that the four of them had. 10:13 As for the wheels, they were called in my hearing, the whirling wheels. 10:14 Every one had four faces: the first face was the face of the cherub, and the second face was the face of a man, and the third face the face of a lion, and the fourth the face of an eagle. 10:15 The cherubim mounted up: this is the living creature that I saw by the river Chebar. 10:16 When the cherubim went, the wheels went beside them; and when the cherubim lifted up their wings to mount up from the earth, the wheels also didn’t turn from beside them. 10:17 When they stood, these stood; and when they mounted up, these mounted up with them: for the spirit of the living creature was in them. 10:18 The glory of Yahweh went forth from over the threshold of the house, and stood over the cherubim. 10:19 The cherubim lifted up their wings, and mounted up from the earth in my sight when they went forth, and the wheels beside them: and they stood at the door of the east gate of Yahweh’s house; and the glory of the God of Israel was over them above. 10:20 This is the living creature that I saw under the God of Israel by the river Chebar; and I knew that they were cherubim. 10:21 Every one had four faces, and every one four wings; and the likeness of the hands of a man was under their wings. 10:22 As for the likeness of their faces, they were the faces which I saw by the river Chebar, their appearances and themselves; they went every one straight forward.

 

Chapitre 10
1 Je regardai, et voici, sur le ciel qui était au-dessus de la tête des chérubins, il y avait comme une pierre de saphir; on voyait au-dessus d'eux quelque chose de semblable à une forme de trône. 2 Et l'Éternel dit à l'homme vêtu de lin: Va entre les roues sous les chérubins, remplis tes mains de charbons ardents que tu prendras entre les chérubins, et répands-les sur la ville! Et il y alla devant mes yeux. 3 Les chérubins étaient à la droite de la maison, quand l'homme alla, et la nuée remplit le parvis intérieur. 4 La gloire de l'Éternel s'éleva de dessus les chérubins, et se dirigea vers le seuil de la maison; la maison fut remplie de la nuée, et le parvis fut rempli de la splendeur de la gloire de l'Éternel. 5 Le bruit des ailes des chérubins se fit entendre jusqu'au parvis extérieur, pareil à la voix du Dieu tout-puissant lorsqu'il parle. 6 Ainsi l'Éternel donna cet ordre à l'homme vêtu de lin: Prends du feu entre les roues, entre les chérubins! Et cet homme alla se placer près des roues. 7 Alors un chérubin étendit la main entre les chérubins vers le feu qui était entre les chérubins; il en prit, et le mit dans les mains de l'homme vêtu de lin. Et cet homme le prit, et sortit. 8 On voyait aux chérubins une forme de main d'homme sous leurs ailes. 9 Je regardai, et voici, il y avait quatre roues près des chérubins, une roue près de chaque chérubin; et ces roues avaient l'aspect d'une pierre de chrysolithe. 10 A leur aspect, toutes les quatre avaient la même forme; chaque roue paraissait être au milieu d'une autre roue. 11 En cheminant, elles allaient de leurs quatre côtés, et elles ne se tournaient point dans leur marche; mais elles allaient dans la direction de la tête, sans se tourner dans leur marche. 12 Tout le corps des chérubins, leur dos, leurs mains, et leurs ailes, étaient remplis d'yeux, aussi bien que les roues tout autour, les quatre roues. 13 J'entendis qu'on appelait les roues tourbillon. 14 Chacun avait quatre faces; la face du premier était une face de chérubin, la face du second une face d'homme, celle du troisième une face de lion, et celle du quatrième une face d'aigle. 15 Et les chérubins s'élevèrent. C'étaient les animaux que j'avais vus près du fleuve du Kebar. 16 Quand les chérubins marchaient, les roues cheminaient à côté d'eux; et quand les chérubins déployaient leurs ailes pour s'élever de terre, les roues aussi ne se détournaient point d'eux. 17 Quand ils s'arrêtaient, elles s'arrêtaient, et quand ils s'élevaient, elles s'élevaient avec eux, car l'esprit des animaux était en elles. 18 La gloire de l'Éternel se retira du seuil de la maison, et se plaça sur les chérubins. 19 Les chérubins déployèrent leurs ailes, et s'élevèrent de terre sous mes yeux quand ils partirent, accompagnés des roues. Ils s'arrêtèrent à l'entrée de la porte de la maison de l'Éternel vers l'orient; et la gloire du Dieu d'Israël était sur eux, en haut. 20 C'étaient les animaux que j'avais vus sous le Dieu d'Israël près du fleuve du Kebar, et je reconnus que c'étaient des chérubins. 21 Chacun avait quatre faces, chacun avait quatre ailes, et une forme de main d'homme était sous leurs ailes. 22 Leurs faces étaient semblables à celles que j'avais vues près du fleuve du Kebar; c'était le même aspect, c'était eux-mêmes. Chacun marchait droit devant soi.