T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 1

1 [Ny nahitan'i Ezekiela ny voninahitr'i Jehovah] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.

2 Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)

3 dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tànan'i Jehovah dia taminy teo.

4 Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.

5 Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.

6 Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.

7 Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.

8 Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.

9 Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.

10 Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.

11 Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.

12 Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.

13 Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.

14 Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.

 

15 Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.

16 Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.

17 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.

18 Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.

19 Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.

20 Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.

21 Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.

 

22 Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.

23 Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.

24 Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;

25 Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.

26 Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.

27 Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.

28 Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.

 

Chapitre 1
1:1 Now it happened in the thirtieth year, in the fourth month, in the fifth of the month, as I was among the captives by the river Chebar, that the heavens were opened, and I saw visions of God. 1:2 In the fifth of the month, which was the fifth year of king Jehoiachin’s captivity, 1:3 the word of Yahweh came expressly to Ezekiel the priest, the son of Buzi, in the land of the Chaldeans by the river Chebar; and the hand of Yahweh was there on him. 1:4 I looked, and behold, a stormy wind came out of the north, a great cloud, with flashing lightning, and a brightness around it, and out of its midst as it were glowing metal, out of the midst of the fire. 1:5 Out of its midst came the likeness of four living creatures. This was their appearance: they had the likeness of a man. 1:6 Everyone had four faces, and each one of them had four wings. 1:7 Their feet were straight feet; and the sole of their feet was like the sole of a calf’s foot; and they sparkled like burnished brass. 1:8 They had the hands of a man under their wings on their four sides; and the four of them had their faces and their wings thus: 1:9 their wings were joined one to another; they didn’t turn when they went; each one went straight forward. 1:10 As for the likeness of their faces, they had the face of a man; and the four of them had the face of a lion on the right side; and the four of them had the face of an ox on the left side; the four of them also had the face of an eagle. 1:11 Such were their faces. Their wings were spread out above. Two wings of each one touched another, and two covered their bodies. 1:12 Each one went straight forward: where the spirit was to go, they went; they didn’t turn when they went. 1:13 As for the likeness of the living creatures, their appearance was like burning coals of fire, like the appearance of torches: the fire went up and down among the living creatures; and the fire was bright, and out of the fire went forth lightning. 1:14 The living creatures ran and returned as the appearance of a flash of lightning. 1:15 Now as I saw the living creatures, behold, one wheel on the earth beside the living creatures, for each of the four faces of it. 1:16 The appearance of the wheels and their work was like a beryl: and the four of them had one likeness; and their appearance and their work was as it were a wheel within a wheel. 1:17 When they went, they went in their four directions: they didn’t turn when they went. 1:18 As for their rims, they were high and dreadful; and the four of them had their rims full of eyes all around. 1:19 When the living creatures went, the wheels went beside them; and when the living creatures were lifted up from the earth, the wheels were lifted up. 1:20 Wherever the spirit was to go, they went; there was the spirit to go: and the wheels were lifted up beside them; for the spirit of the living creature was in the wheels. 1:21 When those went, these went; and when those stood, these stood; and when those were lifted up from the earth, the wheels were lifted up beside them: for the spirit of the living creature was in the wheels. 1:22 Over the head of the living creature there was the likeness of an expanse, like the awesome crystal to look on, stretched forth over their heads above. 1:23 Under the expanse were their wings straight, the one toward the other: each one had two which covered on this side, and every one had two which covered on that side, their bodies. 1:24 When they went, I heard the noise of their wings like the noise of great waters, like the voice of the Almighty, a noise of tumult like the noise of an army: when they stood, they let down their wings. 1:25 There was a voice above the expanse that was over their heads: when they stood, they let down their wings. 1:26 Above the expanse that was over their heads was the likeness of a throne, as the appearance of a sapphire stone; and on the likeness of the throne was a likeness as the appearance of a man on it above. 1:27 I saw as it were glowing metal, as the appearance of fire within it all around, from the appearance of his waist and upward; and from the appearance of his waist and downward I saw as it were the appearance of fire, and there was brightness around him. 1:28 As the appearance of the rainbow that is in the cloud in the day of rain, so was the appearance of the brightness all around. This was the appearance of the likeness of the glory of Yahweh. When I saw it, I fell on my face, and I heard a voice of one that spoke.

 

Chapitre 1
1 La trentième année, le cinquième jour du quatrième mois, comme j'étais parmi les captifs du fleuve du Kebar, les cieux s'ouvrirent, et j'eus des visions divines. 2 Le cinquième jour du mois, c'était la cinquième année de la captivité du roi Jojakin, - 3 la parole de l'Éternel fut adressée à Ézéchiel, fils de Buzi, le sacrificateur, dans le pays des Chaldéens, près du fleuve du Kebar; et c'est là que la main de l'Éternel fut sur lui. 4 Je regardai, et voici, il vint du septentrion un vent impétueux, une grosse nuée, et une gerbe de feu, qui répandait de tous côtés une lumière éclatante, au centre de laquelle brillait comme de l'airain poli, sortant du milieu du feu. 5 Au centre encore, apparaissaient quatre animaux, dont l'aspect avait une ressemblance humaine. 6 Chacun d'eux avait quatre faces, et chacun avait quatre ailes. 7 Leurs pieds étaient droits, et la plante de leurs pieds était comme celle du pied d'un veau, ils étincelaient comme de l'airain poli. 8 Ils avaient des mains d'homme sous les ailes à leurs quatre côtés; et tous les quatre avaient leurs faces et leurs ailes. 9 Leurs ailes étaient jointes l'une à l'autre; ils ne se tournaient point en marchant, mais chacun marchait droit devant soi. 10 Quant à la figure de leurs faces, ils avaient tous une face d'homme, tous quatre une face de lion à droite, tous quatre une face de boeuf à gauche, et tous quatre une face d'aigle. 11 Leurs faces et leurs ailes étaient séparées par le haut; deux de leurs ailes étaient jointes l'une à l'autre, et deux couvraient leurs corps. 12 Chacun marchait droit devant soi; ils allaient où l'esprit les poussait à aller, et ils ne se tournaient point dans leur marche. 13 L'aspect de ces animaux ressemblait à des charbons de feu ardents, c'était comme l'aspect des flambeaux, et ce feu circulait entre les animaux; il jetait une lumière éclatante, et il en sortait des éclairs. 14 Et les animaux couraient et revenaient comme la foudre. 15 Je regardais ces animaux; et voici, il y avait une roue sur la terre, près des animaux, devant leurs quatre faces. 16 A leur aspect et à leur structure, ces roues semblaient être en chrysolithe, et toutes les quatre avaient la même forme; leur aspect et leur structure étaient tels que chaque roue paraissait être au milieu d'une autre roue. 17 En cheminant, elles allaient de leurs quatre côtés, et elles ne se tournaient point dans leur marche. 18 Elles avaient une circonférence et une hauteur effrayantes, et à leur circonférence les quatre roues étaient remplies d'yeux tout autour. 19 Quand les animaux marchaient, les roues cheminaient à côté d'eux; et quand les animaux s'élevaient de terre, les roues s'élevaient aussi. 20 Ils allaient où l'esprit les poussait à aller; et les roues s'élevaient avec eux, car l'esprit des animaux était dans les roues. 21 Quand ils marchaient, elles marchaient; quand ils s'arrêtaient, elles s'arrêtaient; quand ils s'élevaient de terre, les roues s'élevaient avec eux, car l'esprit des animaux était dans les roues. 22 Au-dessus des têtes des animaux, il y avait comme un ciel de cristal resplendissant, qui s'étendait sur leurs têtes dans le haut. 23 Sous ce ciel, leurs ailes étaient droites l'une contre l'autre, et ils en avaient chacun deux qui les couvraient, chacun deux qui couvraient leurs corps. 24 J'entendis le bruit de leurs ailes, quand ils marchaient, pareil au bruit de grosses eaux, ou à la voix du Tout-Puissant; c'était un bruit tumultueux, comme celui d'une armée; quand ils s'arrêtaient, ils laissaient tomber leurs ailes. 25 Et il se faisait un bruit qui partait du ciel étendu sur leurs têtes, lorsqu'ils s'arrêtaient et laissaient tomber leurs ailes. 26 Au-dessus du ciel qui était sur leurs têtes, il y avait quelque chose de semblable à une pierre de saphir, en forme de trône; et sur cette forme de trône apparaissait comme une figure d'homme placé dessus en haut. 27 Je vis encore comme de l'airain poli, comme du feu, au dedans duquel était cet homme, et qui rayonnait tout autour; depuis la forme de ses reins jusqu'en haut, et depuis la forme de ses reins jusqu'en bas, je vis comme du feu, et comme une lumière éclatante, dont il était environné. 28 Tel l'aspect de l'arc qui est dans la nue en un jour de pluie, ainsi était l'aspect de cette lumière éclatante, qui l'entourait: c'était une image de la gloire de l'Éternel. A cette vue, je tombai sur ma face, et j'entendis la voix de quelqu'un qui parlait.