T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 [Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),

2 dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.

3 Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.

4 Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.

5 Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.

6 Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;

7 ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata

8 sy Porata sy Adalia sy Aridata

9 sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,

10 izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

11 Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.

12 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.

13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.

14 Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.

15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.

16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)

17 tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.

18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.

19 Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.

20 [Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,

21 mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,

22 dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.

23 Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,

24 satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;

25 fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.

26 Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora*. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany [Pora = Filokana]

27 dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;

28 ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.

29 Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.

30 Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,

31 mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.

32 Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.


 

Chapitre 9

9:1 Now in the twelfth month, which is the month Adar, on the thirteenth day of the month, when the king’s commandment and his decree drew near to be put in execution, on the day that the enemies of the Jews hoped to conquer them, (but it was turned out the opposite happened, that the Jews conquered those who hated them), 9:2 the Jews gathered themselves together in their cities throughout all the provinces of the King Ahasuerus, to lay hands on those who wanted to harm them. No one could withstand them, because the fear of them had fallen on all the people. 9:3 All the princes of the provinces, the satraps, the governors, and those who did the king’s business helped the Jews, because the fear of Mordecai had fallen on them. 9:4 For Mordecai was great in the king’s house, and his fame went out throughout all the provinces; for the man Mordecai grew greater and greater. 9:5 The Jews struck all their enemies with the stroke of the sword, and with slaughter and destruction, and did what they wanted to those who hated them. 9:6 In the citadel of Susa, the Jews killed and destroyed five hundred men. 9:7 They killed Parshandatha, Dalphon, Aspatha, 9:8 Poratha, Adalia, Aridatha, 9:9 Parmashta, Arisai, Aridai, and Vaizatha, 9:10 the ten sons of Haman the son of Hammedatha, the Jew’s enemy, but they didn’t lay their hand on the plunder. 9:11 On that day, the number of those who were slain in the citadel of Susa was brought before the king. 9:12 The king said to Esther the queen, “The Jews have slain and destroyed five hundred men in the citadel of Susa, including the ten sons of Haman; what then have they done in the rest of the king’s provinces! Now what is your petition? It shall be granted you. What is your further request? It shall be done.”

9:13 Then Esther said, “If it pleases the king, let it be granted to the Jews who are in Shushan to do tomorrow also according to this day’s decree, and let Haman’s ten sons be hanged on the gallows.”

9:14 The king commanded this to be done. A decree was given out in Shushan; and they hanged Haman’s ten sons. 9:15 The Jews who were in Shushan gathered themselves together on the fourteenth day also of the month Adar, and killed three hundred men in Shushan; but they didn’t lay their hand on the spoil. 9:16 The other Jews who were in the king’s provinces gathered themselves together, defended their lives, had rest from their enemies, and killed seventy-five thousand of those who hated them; but they didn’t lay their hand on the plunder. 9:17 This was done on the thirteenth day of the month Adar; and on the fourteenth day of that month they rested and made it a day of feasting and gladness. 9:18 But the Jews who were in Shushan assembled together on the thirteenth and on the fourteenth days of the month; and on the fifteenth day of that month, they rested, and made it a day of feasting and gladness. 9:19 Therefore the Jews of the villages, who live in the unwalled towns, make the fourteenth day of the month Adar a day of gladness and feasting, a good day, and a day of sending presents of food to one another. 9:20 Mordecai wrote these things, and sent letters to all the Jews who were in all the provinces of the king Ahasuerus, both near and far, 9:21 to enjoin them that they should keep the fourteenth and fifteenth days of the month Adar yearly, 9:22 as the days in which the Jews had rest from their enemies, and the month which was turned to them from sorrow to gladness, and from mourning into a good day; that they should make them days of feasting and gladness, and of sending presents of food to one another, and gifts to the needy. 9:23 The Jews accepted the custom that they had begun, as Mordecai had written to them; 9:24 because Haman the son of Hammedatha, the Agagite, the enemy of all the Jews, had plotted against the Jews to destroy them, and had cast “Pur,” that is the lot, to consume them, and to destroy them; 9:25 but when this became known to the king, he commanded by letters that his wicked device, which he had devised against the Jews, should return on his own head, and that he and his sons should be hanged on the gallows. 9:26 Therefore they called these days “Purim,” from the word “Pur.” Therefore because of all the words of this letter, and of that which they had seen concerning this matter, and that which had come to them, 9:27 the Jews established, and imposed on themselves, and on their descendants, and on all those who joined themselves to them, so that it should not fail, that they would keep these two days according to what was written, and according to its appointed time, every year; 9:28 and that these days should be remembered and kept throughout every generation, every family, every province, and every city; and that these days of Purim should not fail from among the Jews, nor their memory perish from their seed.

9:29 Then Esther the queen, the daughter of Abihail, and Mordecai the Jew, wrote with all authority to confirm this second letter of Purim. 9:30 He sent letters to all the Jews, to the hundred twenty-seven provinces of the kingdom of Ahasuerus, with words of peace and truth, 9:31 to confirm these days of Purim in their appointed times, as Mordecai the Jew and Esther the queen had decreed, and as they had imposed upon themselves and their descendants, in the matter of the fastings and their cry. 9:32 The commandment of Esther confirmed these matters of Purim; and it was written in the book.


 

Chapitre 9
1 Au douzième mois, qui est le mois d'Adar, le treizième jour du mois, jour où devaient s'exécuter l'ordre et l'édit du roi, et où les ennemis des Juifs avaient espéré dominer sur eux, ce fut le contraire qui arriva, et les Juifs dominèrent sur leurs ennemis. 2 Les Juifs se rassemblèrent dans leurs villes, dans toutes les provinces du roi Assuérus, pour mettre la main sur ceux qui cherchaient leur perte; et personne ne put leur résister, car la crainte qu'on avait d'eux s'était emparée de tous les peuples. 3 Et tous les chefs des provinces, les satrapes, les gouverneurs, les fonctionnaires du roi, soutinrent les Juifs, à cause de l'effroi que leur inspirait Mardochée. 4 Car Mardochée était puissant dans la maison du roi, et sa renommée se répandait dans toutes les provinces, parce qu'il devenait de plus en plus puissant. 5 Les Juifs frappèrent à coups d'épée tous leurs ennemis, ils les tuèrent et les firent périr; ils traitèrent comme il leur plut ceux qui leur étaient hostiles. 6 Dans Suse, la capitale, les Juifs tuèrent et firent périr cinq cents hommes, 7 et ils égorgèrent Parschandatha, Dalphon, Aspatha, 8 Poratha, Adalia, Aridatha, 9 Parmaschtha, Arizaï, Aridaï et Vajezatha, 10 les dix fils d'Haman, fils d'Hammedatha, l'ennemi des Juifs. Mais ils ne mirent pas la main au pillage. 11 Ce jour-là, le nombre de ceux qui avaient été tués dans Suse, la capitale, parvint à la connaissance du roi. 12 Et le roi dit à la reine Esther: Les Juifs ont tué et fait périr dans Suse, la capitale, cinq cents hommes et les dix fils d'Haman; qu'auront-ils fait dans le reste des provinces du roi? Quelle est ta demande? Elle te sera accordée. Que désires-tu encore? Tu l'obtiendras. 13 Esther répondit: Si le roi le trouve bon, qu'il soit permis aux Juifs qui sont à Suse d'agir encore demain selon le décret d'aujourd'hui, et que l'on pende au bois les dix fils d'Haman. 14 Et le roi ordonna de faire ainsi. L'édit fut publié dans Suse. On pendit les dix fils d'Haman; 15 et les Juifs qui se trouvaient à Suse se rassemblèrent de nouveau le quatorzième jour du mois d'Adar et tuèrent dans Suse trois cents hommes. Mais ils ne mirent pas la main au pillage. 16 Les autres Juifs qui étaient dans les provinces du roi se rassemblèrent et défendirent leur vie; ils se procurèrent du repos en se délivrant de leurs ennemis, et ils tuèrent soixante-quinze mille de ceux qui leur étaient hostiles. Mais ils ne mirent pas la main au pillage. 17 Ces choses arrivèrent le treizième jour du mois d'Adar. Les Juifs se reposèrent le quatorzième, et ils en firent un jour de festin et de joie. 18 Ceux qui se trouvaient à Suse, s'étant rassemblés le treizième jour et le quatorzième jour, se reposèrent le quinzième, et ils en firent un jour de festin et de joie. 19 C'est pourquoi les Juifs de la campagne, qui habitent des villes sans murailles, font du quatorzième jour du mois d'Adar un jour de joie, de festin et de fête, où l'on s'envoie des portions les uns aux autres. 20 Mardochée écrivit ces choses, et il envoya des lettres à tous les Juifs qui étaient dans toutes les provinces du roi Assuérus, auprès et au loin. 21 Il leur prescrivait de célébrer chaque année le quatorzième jour et le quinzième jour du mois d'Adar 22 comme les jours où ils avaient obtenu du repos en se délivrant de leurs ennemis, de célébrer le mois où leur tristesse avait été changée en joie et leur désolation en jour de fête, et de faire de ces jours des jours de festin et de joie où l'on s'envoie des portions les uns aux autres et où l'on distribue des dons aux indigents. 23 Les Juifs s'engagèrent à faire ce qu'ils avaient déjà commencé et ce que Mardochée leur écrivit. 24 Car Haman, fils d'Hammedatha, l'Agaguite, ennemi de tous les Juifs, avait formé le projet de les faire périr, et il avait jeté le pur, c'est-à-dire le sort, afin de les tuer et de les détruire; 25 mais Esther s'étant présentée devant le roi, le roi ordonna par écrit de faire retomber sur la tête d'Haman le méchant projet qu'il avait formé contre les Juifs, et de le pendre au bois, lui et ses fils. 26 C'est pourquoi on appela ces jours Purim, du nom de pur. D'après tout le contenu de cette lettre, d'après ce qu'ils avaient eux-mêmes vu et ce qui leur était arrivé, 27 les Juifs prirent pour eux, pour leur postérité, et pour tous ceux qui s'attacheraient à eux, la résolution et l'engagement irrévocables de célébrer chaque année ces deux jours, selon le mode prescrit et au temps fixé. 28 Ces jours devaient être rappelés et célébrés de génération en génération, dans chaque famille, dans chaque province et dans chaque ville; et ces jours de Purim ne devaient jamais être abolis au milieu des Juifs, ni le souvenir s'en effacer parmi leurs descendants. 29 La reine Esther, fille d'Abichaïl, et le Juif Mardochée écrivirent d'une manière pressante une seconde fois pour confirmer la lettre sur les Purim. 30 On envoya des lettres à tous les Juifs, dans les cent vingt-sept provinces du roi Assuérus. Elles contenaient des paroles de paix et de fidélité, 31 pour prescrire ces jours de Purim au temps fixé, comme le Juif Mardochée et la reine Esther les avaient établis pour eux, et comme ils les avaient établis pour eux-mêmes et pour leur postérité, à l'occasion de leur jeûne et de leurs cris. 32 Ainsi l'ordre d'Esther confirma l'institution des Purim, et cela fut écrit dans le livre.