T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.

3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.

4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.

5 Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.

6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?

7 Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,

8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;

9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.

10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

11 Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.

12 Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.

13 Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin*' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]


 

Chapitre 6

6:1 On that night, the king couldn’t sleep. He commanded the book of records of the chronicles to be brought, and they were read to the king. 6:2 It was found written that Mordecai had told of Bigthana and Teresh, two of the king’s eunuchs, who were doorkeepers, who had tried to lay hands on the King Ahasuerus. 6:3 The king said, “What honor and dignity has been bestowed on Mordecai for this?”

Then the king’s servants who attended him said, “Nothing has been done for him.”

6:4 The king said, “Who is in the court?” Now Haman had come into the outer court of the king’s house, to speak to the king about hanging Mordecai on the gallows that he had prepared for him.

6:5 The king’s servants said to him, “Behold, Haman stands in the court.”

The king said, “Let him come in.” 6:6 So Haman came in. The king said to him, “What shall be done to the man whom the king delights to honor?”

Now Haman said in his heart, “Who would the king delight to honor more than myself?” 6:7 Haman said to the king, “For the man whom the king delights to honor, 6:8 let royal clothing be brought which the king uses to wear, and the horse that the king rides on, and on the head of which a crown royal is set. 6:9 Let the clothing and the horse be delivered to the hand of one of the king’s most noble princes, that they may array the man whom the king delights to honor with them, and have him ride on horseback through the city square, and proclaim before him, ‘Thus shall it be done to the man whom the king delights to honor!’”

6:10 Then the king said to Haman, “Hurry and take the clothing and the horse, as you have said, and do this for Mordecai the Jew, who sits at the king’s gate. Let nothing fail of all that you have spoken.”

6:11 Then Haman took the clothing and the horse, and arrayed Mordecai, and had him ride through the city square, and proclaimed before him, “Thus shall it be done to the man whom the king delights to honor!”

6:12 Mordecai came back to the king’s gate, but Haman hurried to his house, mourning and having his head covered. 6:13 Haman recounted to Zeresh his wife and all his friends everything that had happened to him. Then his wise men and Zeresh his wife said to him, “If Mordecai, before whom you have begun to fall, is of Jewish descent, you will not prevail against him, but you will surely fall before him.” 6:14 While they were yet talking with him, the king’s eunuchs came, and hurried to bring Haman to the banquet that Esther had prepared.


 

Chapitre 6

1 Cette nuit-là, le roi ne put pas dormir, et il se fit apporter le livre des annales, les Chroniques. On les lut devant le roi, 2 et l'on trouva écrit ce que Mardochée avait révélé au sujet de Bigthan et de Théresch, les deux eunuques du roi, gardes du seuil, qui avaient voulu porter la main sur le roi Assuérus. 3 Le roi dit: Quelle marque de distinction et d'honneur Mardochée a-t-il reçue pour cela? Il n'a rien reçu, répondirent ceux qui servaient le roi. 4 Alors le roi dit: Qui est dans la cour? -Haman était venu dans la cour extérieure de la maison du roi, pour demander au roi de faire pendre Mardochée au bois qu'il avait préparé pour lui. - 5 Les serviteurs du roi lui répondirent: C'est Haman qui se tient dans la cour. Et le roi dit: Qu'il entre. 6 Haman entra, et le roi lui dit: Que faut-il faire pour un homme que le roi veut honorer? Haman se dit en lui-même: Quel autre que moi le roi voudrait-il honorer? 7 Et Haman répondit au roi: Pour un homme que le roi veut honorer, 8 il faut prendre le vêtement royal dont le roi se couvre et le cheval que le roi monte et sur la tête duquel se pose une couronne royale, 9 remettre le vêtement et le cheval à l'un des principaux chefs du roi, puis revêtir l'homme que le roi veut honorer, le promener à cheval à travers la place de la ville, et crier devant lui: C'est ainsi que l'on fait à l'homme que le roi veut honorer! 10 Le roi dit à Haman: Prends tout de suite le vêtement et le cheval, comme tu l'as dit, et fais ainsi pour Mardochée, le Juif, qui est assis à la porte du roi; ne néglige rien de tout ce que tu as mentionné. 11 Et Haman prit le vêtement et le cheval, il revêtit Mardochée, il le promena à cheval à travers la place de la ville, et il cria devant lui: C'est ainsi que l'on fait à l'homme que le roi veut honorer! 12 Mardochée retourna à la porte du roi, et Haman se rendit en hâte chez lui, désolé et la tête voilée. 13 Haman raconta à Zéresch, sa femme, et à tous ses amis, tout ce qui lui était arrivé. Et ses sages, et Zéresch, sa femme, lui dirent: Si Mardochée, devant lequel tu as commencé de tomber, est de la race des Juifs, tu ne pourras rien contre lui, mais tu tomberas devant lui. 14 Comme ils lui parlaient encore, les eunuques du roi arrivèrent et conduisirent aussitôt Haman au festin qu'Esther avait préparé.