T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny nifidianana an'i Estera ho vadin'i Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.

2 Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;

3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,

4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.

5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,

6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.

7 Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.

8 Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.

9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.

10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.

11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.

12 Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),

13 koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.

14 Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.

15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin*' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.

16 Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.

17 Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.

18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.

19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mordekay.

20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i Mordekay azy ihany; fa ny tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.

21 Tamin'izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.

22 Ary fantatr'i Mordekay izany ka nambarany tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain'i Mordekay azy.

23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.


 

Chapitre 2

2:1 After these things, when the wrath of King Ahasuerus was pacified, he remembered Vashti, and what she had done, and what was decreed against her. 2:2 Then the king’s servants who served him said, “Let beautiful young virgins be sought for the king. 2:3 Let the king appoint officers in all the provinces of his kingdom, that they may gather together all the beautiful young virgins to the citadel of Susa, to the women’s house, to the custody of Hegai the king’s eunuch, keeper of the women. Let cosmetics be given them; 2:4 and let the maiden who pleases the king be queen instead of Vashti.” The thing pleased the king, and he did so.

2:5 There was a certain Jew in the citadel of Susa, whose name was Mordecai, the son of Jair, the son of Shimei, the son of Kish, a Benjamite, 2:6 who had been carried away from Jerusalem with the captives who had been carried away with Jeconiah king of Judah, whom Nebuchadnezzar the king of Babylon had carried away. 2:7 He brought up Hadassah, that is, Esther, his uncle’s daughter; for she had neither father nor mother. The maiden was fair and beautiful; and when her father and mother were dead, Mordecai took her for his own daughter. 2:8 So it happened, when the king’s commandment and his decree was heard, and when many maidens were gathered together to the citadel of Susa, to the custody of Hegai, that Esther was taken into the king’s house, to the custody of Hegai, keeper of the women. 2:9 The maiden pleased him, and she obtained kindness from him. He quickly gave her cosmetics and her portions of food, and the seven choice maidens who were to be given her out of the king’s house. He moved her and her maidens to the best place in the women’s house. 2:10 Esther had not made known her people nor her relatives, because Mordecai had instructed her that she should not make it known. 2:11 Mordecai walked every day in front of the court of the women’s house, to find out how Esther was doing, and what would become of her.

2:12 Each young woman’s turn came to go in to King Ahasuerus after her purification for twelve months (for so were the days of their purification accomplished, six months with oil of myrrh, and six months with sweet fragrances and with preparations for beautifying women). 2:13 The young woman then came to the king like this: whatever she desired was given her to go with her out of the women’s house to the king’s house. 2:14 In the evening she went, and on the next day she returned into the second women’s house, to the custody of Shaashgaz, the king’s eunuch, who kept the concubines. She came in to the king no more, unless the king delighted in her, and she was called by name. 2:15 Now when the turn of Esther, the daughter of Abihail the uncle of Mordecai, who had taken her for his daughter, came to go in to the king, she required nothing but what Hegai the king’s eunuch, the keeper of the women, advised. Esther obtained favor in the sight of all those who looked at her. 2:16 So Esther was taken to King Ahasuerus into his royal house in the tenth month, which is the month Tebeth, in the seventh year of his reign. 2:17 The king loved Esther more than all the women, and she obtained favor and kindness in his sight more than all the virgins; so that he set the royal crown on her head, and made her queen instead of Vashti.

2:18 Then the king made a great feast for all his princes and his servants, even Esther’s feast; and he proclaimed a holiday in the provinces, and gave gifts according to the king’s bounty.

2:19 When the virgins were gathered together the second time, Mordecai was sitting in the king’s gate. 2:20 Esther had not yet made known her relatives nor her people, as Mordecai had commanded her; for Esther obeyed Mordecai, like she did when she was brought up by him. 2:21 In those days, while Mordecai was sitting in the king’s gate, two of the king’s eunuchs, Bigthan and Teresh, who were doorkeepers, were angry, and sought to lay hands on the King Ahasuerus. 2:22 This thing became known to Mordecai, who informed Esther the queen; and Esther informed the king in Mordecai’s name. 2:23 When this matter was investigated, and it was found to be so, they were both hanged on a tree; and it was written in the book of the chronicles in the king’s presence.


 

Chapitre 2
1 Après ces choses, lorsque la colère du roi Assuérus se fut calmée, il pensa à Vasthi, à ce qu'elle avait fait, et à la décision qui avait été prise à son sujet. 2 Alors ceux qui servaient le roi dirent: Qu'on cherche pour le roi des jeunes filles, vierges et belles de figure; 3 que le roi établisse dans toutes les provinces de son royaume des commissaires chargés de rassembler toutes les jeunes filles, vierges et belles de figure, à Suse, la capitale, dans la maison des femmes, sous la surveillance d'Hégué, eunuque du roi et gardien des femmes, qui leur donnera les choses nécessaires pour leur toilette; 4 et que la jeune fille qui plaira au roi devienne reine à la place de Vasthi. Cet avis eut l'approbation du roi, et il fit ainsi. 5 Il y avait dans Suse, la capitale, un Juif nommé Mardochée, fils de Jaïr, fils de Schimeï, fils de Kis, homme de Benjamin, 6 qui avait été emmené de Jérusalem parmi les captifs déportés avec Jeconia, roi de Juda, par Nebucadnetsar, roi de Babylone. 7 Il élevait Hadassa, qui est Esther, fille de son oncle; car elle n'avait ni père ni mère. La jeune fille était belle de taille et belle de figure. A la mort de son père et de sa mère, Mardochée l'avait adoptée pour fille. 8 Lorsqu'on eut publié l'ordre du roi et son édit, et qu'un grand nombre de jeunes filles furent rassemblées à Suse, la capitale, sous la surveillance d'Hégaï, Esther fut aussi prise et conduite dans la maison du roi, sous la surveillance d'Hégaï, gardien des femmes. 9 La jeune fille lui plut, et trouva grâce devant lui; il s'empressa de lui fournir les choses nécessaires pour sa toilette et pour sa subsistance, lui donna sept jeunes filles choisies dans la maison du roi, et la plaça avec ses jeunes filles dans le meilleur appartement de la maison des femmes. 10 Esther ne fit connaître ni son peuple ni sa naissance, car Mardochée lui avait défendu d'en parler. 11 Et chaque jour Mardochée allait et venait devant la cour de la maison des femmes, pour savoir comment se portait Esther et comment on la traitait. 12 Chaque jeune fille allait à son tour vers le roi Assuérus, après avoir employé douze mois à s'acquitter de ce qui était prescrit aux femmes; pendant ce temps, elles prenaient soin de leur toilette, six mois avec de l'huile de myrrhe, et six mois avec des aromates et des parfums en usage parmi les femmes. 13 C'est ainsi que chaque jeune fille allait vers le roi; et, quand elle passait de la maison des femmes dans la maison du roi, on lui laissait prendre avec elle tout ce qu'elle voulait. 14 Elle y allait le soir; et le lendemain matin elle passait dans la seconde maison des femmes, sous la surveillance de Schaaschgaz, eunuque du roi et gardien des concubines. Elle ne retournait plus vers le roi, à moins que le roi n'en eût le désir et qu'elle ne fût appelée par son nom. 15 Lorsque son tour d'aller vers le roi fut arrivé, Esther, fille d'Abichaïl, oncle de Mardochée qui l'avait adoptée pour fille, ne demanda que ce qui fut désigné par Hégaï, eunuque du roi et gardien des femmes. Esther trouvait grâce aux yeux de tous ceux qui la voyaient. 16 Esther fut conduite auprès du roi Assuérus, dans sa maison royale, le dixième mois, qui est le mois de Tébeth, la septième année de son règne. 17 Le roi aima Esther plus que toutes les autres femmes, et elle obtint grâce et faveur devant lui plus que toutes les autres jeunes filles. Il mit la couronne royale sur sa tête, et la fit reine à la place de Vasthi. 18 Le roi donna un grand festin à tous ses princes et à ses serviteurs, un festin en l'honneur d'Esther; il accorda du repos aux provinces, et fit des présents avec une libéralité royale. 19 La seconde fois qu'on assembla les jeunes filles, Mardochée était assis à la porte du roi. 20 Esther n'avait fait connaître ni sa naissance ni son peuple, car Mardochée le lui avait défendu, et elle suivait les ordres de Mardochée aussi fidèlement qu'à l'époque où elle était sous sa tutelle. 21 Dans ce même temps, comme Mardochée était assis à la porte du roi, Bigthan et Théresch, deux eunuques du roi, gardes du seuil, cédèrent à un mouvement d'irritation et voulurent porter la main sur le roi Assuérus. 22 Mardochée eut connaissance de la chose et en informa la reine Esther, qui la redit au roi de la part de Mardochée. 23 Le fait ayant été vérifié et trouvé exact, les deux eunuques furent pendus à un bois. Et cela fut écrit dans le livre des Chroniques en présence du roi.