T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.

2 Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin'i Farao, mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny,

3 Ary Izaho hanamafy ny fon'i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin'ny tany Egypta.

4 Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.

5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin'i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any.

 

6 Dia nataon'i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian'i Jehovah azy no natao­ny.

7 Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin'i Farao izy mirahalahy.

8 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona:

9 Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan'i Farao, dia ho tonga menarana iny.

10 Ary Mosesy sy Arona nankao amin'i Farao ka nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah; dia natsipin'i Arona teo anatrehan'i Farao sy teo anatrehan'ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.

11 Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin'ny fankatovany.

12 Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo.

13 Dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.

14 [Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.

15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),

16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.

18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.

19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato.

20 Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;

21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.

22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.

23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.

24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.

25 Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.

26 [Faharoa: ny sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.

27 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona;

28 dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.

29 Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.

 

Chapitre 7

7:1 Yahweh said to Moses, “Behold, I have made you as God to Pharaoh; and Aaron your brother shall be your prophet. 7:2 You shall speak all that I command you; and Aaron your brother shall speak to Pharaoh, that he let the children of Israel go out of his land. 7:3 I will harden Pharaoh’s heart, and multiply my signs and my wonders in the land of Egypt. 7:4 But Pharaoh will not listen to you, and I will lay my hand on Egypt, and bring out my armies, my people the children of Israel, out of the land of Egypt by great judgments. 7:5 The Egyptians shall know that I am Yahweh, when I stretch out my hand on Egypt, and bring out the children of Israel from among them.”

7:6 Moses and Aaron did so. As Yahweh commanded them, so they did. 7:7 Moses was eighty years old, and Aaron eighty-three years old, when they spoke to Pharaoh.

7:8 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, saying, 7:9 “When Pharaoh speaks to you, saying, ‘Perform a miracle!’ then you shall tell Aaron, ‘Take your rod, and cast it down before Pharaoh, that it become a serpent.’”

7:10 Moses and Aaron went in to Pharaoh, and they did so, as Yahweh had commanded: and Aaron cast down his rod before Pharaoh and before his servants, and it became a serpent. 7:11 Then Pharaoh also called for the wise men and the sorcerers. They also, the magicians of Egypt, did the same thing with their enchantments. 7:12 For they each cast down their rods, and they became serpents: but Aaron’s rod swallowed up their rods. 7:13 Pharaoh’s heart was hardened, and he didn’t listen to them; as Yahweh had spoken.

7:14 Yahweh said to Moses, “Pharaoh’s heart is stubborn. He refuses to let the people go. 7:15 Go to Pharaoh in the morning. Behold, he goes out to the water; and you shall stand by the river’s bank to meet him; and the rod which was turned to a serpent you shall take in your hand. 7:16 You shall tell him, ‘Yahweh, the God of the Hebrews, has sent me to you, saying, “Let my people go, that they may serve me in the wilderness:” and behold, until now you haven’t listened. 7:17 Thus says Yahweh, “In this you shall know that I am Yahweh. Behold, I will strike with the rod that is in my hand on the waters which are in the river, and they shall be turned to blood. 7:18 The fish that are in the river shall die, and the river shall become foul; and the Egyptians shall loathe to drink water from the river.”’” 7:19 Yahweh said to Moses, “Tell Aaron, ‘Take your rod, and stretch out your hand over the waters of Egypt, over their rivers, over their streams, and over their pools, and over all their ponds of water, that they may become blood; and there shall be blood throughout all the land of Egypt, both in vessels of wood and in vessels of stone.’”

7:20 Moses and Aaron did so, as Yahweh commanded; and he lifted up the rod, and struck the waters that were in the river, in the sight of Pharaoh, and in the sight of his servants; and all the waters that were in the river were turned to blood. 7:21 The fish that were in the river died; and the river became foul, and the Egyptians couldn’t drink water from the river; and the blood was throughout all the land of Egypt. 7:22 The magicians of Egypt did the same thing with their enchantments; and Pharaoh’s heart was hardened, and he didn’t listen to them; as Yahweh had spoken. 7:23 Pharaoh turned and went into his house, and he didn’t even take this to heart. 7:24 All the Egyptians dug around the river for water to drink; for they couldn’t drink of the water of the river. 7:25 Seven days were fulfilled, after Yahweh had struck the river.

 

Chapitre 7
1 L'Éternel dit à Moïse: Vois, je te fais Dieu pour Pharaon: et Aaron, ton frère, sera ton prophète. 2 Toi, tu diras tout ce que je t'ordonnerai; et Aaron, ton frère, parlera à Pharaon, pour qu'il laisse aller les enfants d'Israël hors de son pays. 3 Et moi, j'endurcirai le coeur de Pharaon, et je multiplierai mes signes et mes miracles dans le pays d'Égypte. 4 Pharaon ne vous écoutera point. Je mettrai ma main sur l'Égypte, et je ferai sortir du pays d'Égypte mes armées, mon peuple, les enfants d'Israël, par de grands jugements. 5 Les Égyptiens connaîtront que je suis l'Éternel, lorsque j'étendrai ma main sur l'Égypte, et que je ferai sortir du milieu d'eux les enfants d'Israël. 6 Moïse et Aaron firent ce que l'Éternel leur avait ordonné; ils firent ainsi. 7 Moïse était âgé de quatre-vingts ans, et Aaron de quatre-vingt-trois ans, lorsqu'ils parlèrent à Pharaon. 8 L'Éternel dit à Moïse et à Aaron: 9 Si Pharaon vous parle, et vous dit: Faites un miracle! tu diras à Aaron: Prends ta verge, et jette-la devant Pharaon. Elle deviendra un serpent. 10 Moïse et Aaron allèrent auprès de Pharaon, et ils firent ce que l'Éternel avait ordonné. Aaron jeta sa verge devant Pharaon et devant ses serviteurs; et elle devint un serpent. 11 Mais Pharaon appela des sages et des enchanteurs; et les magiciens d'Égypte, eux aussi, en firent autant par leurs enchantements. 12 Ils jetèrent tous leurs verges, et elles devinrent des serpents. Et la verge d'Aaron engloutit leurs verges. 13 Le coeur de Pharaon s'endurcit, et il n'écouta point Moïse et Aaron selon ce que l'Éternel avait dit. 14 L'Éternel dit à Moïse: Pharaon a le coeur endurci; il refuse de laisser aller le peuple. 15 Va vers Pharaon dès le matin; il sortira pour aller près de l'eau, et tu te présenteras devant lui au bord du fleuve. Tu prendras à ta main la verge qui a été changée en serpent, 16 et tu diras à Pharaon: L'Éternel, le Dieu des Hébreux, m'a envoyé auprès de toi, pour te dire: Laisse aller mon peuple, afin qu'il me serve dans le désert. Et voici, jusqu'à présent tu n'as point écouté. 17 Ainsi parle l'Éternel: A ceci tu connaîtras que je suis l'Éternel. Je vais frapper les eaux du fleuve avec la verge qui est dans ma main; et elles seront changées en sang. 18 Les poissons qui sont dans le fleuve périront, le fleuve se corrompra, et les Égyptiens s'efforceront en vain de boire l'eau du fleuve. 19 L'Éternel dit à Moïse: Dis à Aaron: Prends ta verge, et étends ta main sur les eaux des Égyptiens, sur leurs rivières, sur leurs ruisseaux, sur leurs étangs, et sur tous leurs amas d'eaux. Elles deviendront du sang: et il y aura du sang dans tout le pays d'Égypte, dans les vases de bois et dans les vases de pierre. 20 Moïse et Aaron firent ce que l'Éternel avait ordonné. Aaron leva la verge, et il frappa les eaux qui étaient dans le fleuve, sous les yeux de Pharaon et sous les yeux de ses serviteurs; et toutes les eaux du fleuve furent changées en sang. 21 Les poissons qui étaient dans le fleuve périrent, le fleuve se corrompit, les Égyptiens ne pouvaient plus boire l'eau du fleuve, et il y eut du sang dans tout le pays d'Égypte. 22 Mais les magiciens d'Égypte en firent autant par leurs enchantements. Le coeur de Pharaon s'endurcit, et il n'écouta point Moïse et Aaron, selon ce que l'Éternel avait dit. 23 Pharaon s'en retourna, et alla dans sa maison; et il ne prit pas même à coeur ces choses. 24 Tous les Égyptiens creusèrent aux environs du fleuve, pour trouver de l'eau à boire; car ils ne pouvaient boire de l'eau du fleuve. 25 Il s'écoula sept jours, après que l'Éternel eut frappé le fleuve.