T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin'i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin'ny taniny.

 

2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;

3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,

4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.

5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.

6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo.

8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.

9 Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.

10 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

11 Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.

12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?

13 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.

 

14 [Ny firazanan'i Mosesy sy Arona] Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.

15 Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.

 

16 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.

17 Ny zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.

18 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.

19 Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany.

 

20 Ary Amrama naka an'i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an'i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan'i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.

21 Ary ny zanakalahin'i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.

22 Ary ny zanakalahin'i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.

23 Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.

24 Ary ny zanakalahin'i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen'ny Korana.

25 Ary Eleazara, zanakalahin'i Arona, naka vady avy tamin'ny zanakavavin'i Potiela, dia niteraka an'i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, araka ny fokom-pireneny.

 

26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan'i Jehovah hoe: Ento ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any amin'ny tany Egypta araka ny antokony.

27 Ireo no niteny tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.

28 [Ny nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy sy Arona hihaona amin'i Farao indray, sy ny famantarana nataon'izy roa lahy teo anatrehany] Ary tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo amin'ny tany Egypta,

29 dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.

30 Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan'i Farao ahy!

Chapitre 6

6:1 Yahweh said to Moses, “Now you shall see what I will do to Pharaoh, for by a strong hand he shall let them go, and by a strong hand he shall drive them out of his land.”

6:2 God spoke to Moses, and said to him, “I am Yahweh; 6:3 and I appeared to Abraham, to Isaac, and to Jacob, as God Almighty; but by my name Yahweh I was not known to them. 6:4 I have also established my covenant with them, to give them the land of Canaan, the land of their travels, in which they lived as aliens. 6:5 Moreover I have heard the groaning of the children of Israel, whom the Egyptians keep in bondage, and I have remembered my covenant. 6:6 Therefore tell the children of Israel, ‘I am Yahweh, and I will bring you out from under the burdens of the Egyptians, and I will rid you out of their bondage, and I will redeem you with an outstretched arm, and with great judgments: 6:7 and I will take you to me for a people, and I will be to you a God; and you shall know that I am Yahweh your God, who brings you out from under the burdens of the Egyptians. 6:8 I will bring you into the land which I swore to give to Abraham, to Isaac, and to Jacob; and I will give it to you for a heritage: I am Yahweh.’”

6:9 Moses spoke so to the children of Israel, but they didn’t listen to Moses for anguish of spirit, and for cruel bondage.

6:10 Yahweh spoke to Moses, saying, 6:11 “Go in, speak to Pharaoh king of Egypt, that he let the children of Israel go out of his land.”

6:12 Moses spoke before Yahweh, saying, “Behold, the children of Israel haven’t listened to me. How then shall Pharaoh listen to me, who am of uncircumcised lips?” 6:13 Yahweh spoke to Moses and to Aaron, and gave them a command to the children of Israel, and to Pharaoh king of Egypt, to bring the children of Israel out of the land of Egypt.

6:14 These are the heads of their fathers’ houses. The sons of Reuben the firstborn of Israel: Hanoch, and Pallu, Hezron, and Carmi; these are the families of Reuben. 6:15 The sons of Simeon: Jemuel, and Jamin, and Ohad, and Jachin, and Zohar, and Shaul the son of a Canaanite woman; these are the families of Simeon. 6:16 These are the names of the sons of Levi according to their generations: Gershon, and Kohath, and Merari; and the years of the life of Levi were one hundred thirty-seven years. 6:17 The sons of Gershon: Libni and Shimei, according to their families. 6:18 The sons of Kohath: Amram, and Izhar, and Hebron, and Uzziel; and the years of the life of Kohath were one hundred thirty-three years. 6:19 The sons of Merari: Mahli and Mushi. These are the families of the Levites according to their generations. 6:20 Amram took Jochebed his father’s sister to himself as wife; and she bore him Aaron and Moses: and the years of the life of Amram were a hundred and thirty-seven years. 6:21 The sons of Izhar: Korah, and Nepheg, and Zichri. 6:22 The sons of Uzziel: Mishael, and Elzaphan, and Sithri. 6:23 Aaron took Elisheba, the daughter of Amminadab, the sister of Nahshon, as his wife; and she bore him Nadab and Abihu, Eleazar and Ithamar. 6:24 The sons of Korah: Assir, and Elkanah, and Abiasaph; these are the families of the Korahites. 6:25 Eleazar Aaron’s son took one of the daughters of Putiel as his wife; and she bore him Phinehas. These are the heads of the fathers’ houses of the Levites according to their families. 6:26 These are that Aaron and Moses, to whom Yahweh said, “Bring out the children of Israel from the land of Egypt according to their armies.” 6:27 These are those who spoke to Pharaoh king of Egypt, to bring out the children of Israel from Egypt. These are that Moses and Aaron.

6:28 It happened on the day when Yahweh spoke to Moses in the land of Egypt, 6:29 that Yahweh spoke to Moses, saying, “I am Yahweh. Speak to Pharaoh king of Egypt all that I speak to you.”

6:30 Moses said before Yahweh, “Behold, I am of uncircumcised lips, and how shall Pharaoh listen to me?”

 

Chapitre 6

1 L'Éternel dit à Moïse: Tu verras maintenant ce que je ferai à Pharaon; une main puissante le forcera à les laisser aller, une main puissante le forcera à les chasser de son pays. 2 Dieu parla encore à Moïse, et lui dit: Je suis l'Éternel. 3 Je suis apparu à Abraham, à Isaac et à Jacob, comme le Dieu tout-puissant; mais je n'ai pas été connu d'eux sous mon nom, l'Éternel. 4 J'ai aussi établi mon alliance avec eux, pour leur donner le pays de Canaan, le pays de leurs pèlerinages, dans lequel ils ont séjourné. 5 J'ai entendu les gémissements des enfants d'Israël, que les Égyptiens tiennent dans la servitude, et je me suis souvenu de mon alliance. 6 C'est pourquoi dis aux enfants d'Israël: Je suis l'Éternel, je vous affranchirai des travaux dont vous chargent les Égyptiens, je vous délivrerai de leur servitude, et je vous sauverai à bras étendu et par de grands jugements. 7 Je vous prendrai pour mon peuple, je serai votre Dieu, et vous saurez que c'est moi, l'Éternel, votre Dieu, qui vous affranchis des travaux dont vous chargent les Égyptiens. 8 Je vous ferai entrer dans le pays que j'ai juré de donner à Abraham, à Isaac et à Jacob; je vous le donnerai en possession, moi l'Éternel. 9 Ainsi parla Moïse aux enfants d'Israël. Mais l'angoisse et la dure servitude les empêchèrent d'écouter Moïse. 10 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 11 Va, parle à Pharaon, roi d'Égypte, pour qu'il laisse aller les enfants d'Israël hors de son pays. 12 Moïse répondit en présence de l'Éternel: Voici, les enfants d'Israël ne m'ont point écouté; comment Pharaon m'écouterait-il, moi qui n'ai pas la parole facile? 13 L'Éternel parla à Moïse et à Aaron, et leur donna des ordres au sujet des enfants d'Israël et au sujet de Pharaon, roi d'Égypte, pour faire sortir du pays d'Égypte les enfants d'Israël. 14 Voici les chefs de leurs familles. Fils de Ruben, premier-né d'Israël: Hénoc, Pallu, Hetsron et Carmi. Ce sont là les familles de Ruben. 15 Fils de Siméon: Jemuel, Jamin, Ohad, Jakin et Tsochar; et Saül, fils de la Cananéenne. Ce sont là les familles de Siméon. 16 Voici les noms des fils de Lévi, avec leur postérité: Guerschon, Kehath et Merari. Les années de la vie de Lévi furent de cent trente-sept ans. - 17 Fils de Guerschon: Libni et Schimeï, et leurs familles. - 18 Fils de Kehath: Amram, Jitsehar, Hébron et Uziel. Les années de la vie de Kehath furent de cent trente-trois ans. - 19 Fils de Merari: Machli et Muschi. -Ce sont là les familles de Lévi, avec leur postérité. 20 Amram prit pour femme Jokébed, sa tante; et elle lui enfanta Aaron, et Moïse. Les années de la vie d'Amram furent de cent trente-sept ans. - 21 Fils de Jitsehar: Koré, Népheg et Zicri. - 22 Fils d'Uziel: Mischaël, Eltsaphan et Sithri. 23 Aaron prit pour femme Élischéba, fille d'Amminadab, soeur de Nachschon; et elle lui enfanta Nadab, Abihu, Éléazar et Ithamar. 24 Fils de Koré: Assir, Elkana et Abiasaph. Ce sont là les familles des Korites. 25 Éléazar, fils d'Aaron, prit pour femme une des filles de Puthiel; et elle lui enfanta Phinées. Tels sont les chefs de famille des Lévites, avec leurs familles. 26 Ce sont là cet Aaron et ce Moïse, à qui l'Éternel dit: Faites sortir du pays d'Égypte les enfants d'Israël, selon leurs armées. 27 Ce sont eux qui parlèrent à Pharaon, roi d'Égypte, pour faire sortir d'Égypte les enfants d'Israël. Ce sont là ce Moïse et cet Aaron. 28 Lorsque l'Éternel parla à Moïse dans le pays d'Égypte, 29 l'Éternel dit à Moïse: Je suis l'Éternel. Dis à Pharaon, roi d'Égypte, tout ce que je te dis. 30 Et Moïse répondit en présence de l'Éternel: Voici, je n'ai pas la parole facile; comment Pharaon m'écouterait-il?