T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 40

1 [Ny nananganana ny tabernakely] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.

3 Ary ataovy ao ny fiaran'ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.

4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.

5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.

6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana.

7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.

8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja.

9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masina izy.

10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.

11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.

12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.

13 Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.

14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.

15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.

16 Dia nataon'i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy no nataony.

17 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.

18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.

19 Ary namelatra ny lay teo ambonin'ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.

21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin'ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran'ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, dia teo amin'ny lafin'ny tabernakely avaratra, teo ivelan'ny efitra lamba.

23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafin'ny tabernakely atsimo.

25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin'ny trano-lay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba;

27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin'ny varavaran'ny tabernakely;

29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan'ny varavaran'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.

31 Ary teo no nanasan'i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.

32 Raha niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

33 Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.

34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin'ny trano-lay fihaona­na, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

36 Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;

37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin'izay andro hiakarany.

38 Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.

 

Chapitre 40

40:1 Yahweh spoke to Moses, saying,

40:2 “On the first day of the first month you shall raise up the tabernacle of the Tent of Meeting.

40:3 You shall put the ark of the testimony in it, and you shall screen the ark with the veil.

40:4 You shall bring in the table, and set in order the things that are on it. You shall bring in the lampstand, and light its lamps.

40:5 You shall set the golden altar for incense before the ark of the testimony, and put the screen of the door to the tabernacle.

40:6 “You shall set the altar of burnt offering before the door of the tabernacle of the Tent of Meeting.

40:7 You shall set the basin between the Tent of Meeting and the altar, and shall put water therein.

40:8 You shall set up the court around it, and hang up the screen of the gate of the court.

40:9 “You shall take the anointing oil, and anoint the tabernacle, and all that is in it, and shall make it holy, and all its furniture: and it will be holy.

40:10 You shall anoint the altar of burnt offering, with all its vessels, and sanctify the altar: and the altar will be most holy.

40:11 You shall anoint the basin and its base, and sanctify it.

40:12 “You shall bring Aaron and his sons to the door of the Tent of Meeting, and shall wash them with water.

40:13 You shall put on Aaron the holy garments; and you shall anoint him, and sanctify him, that he may minister to me in the priest’s office.

40:14 You shall bring his sons, and put coats on them.

40:15 You shall anoint them, as you anointed their father, that they may minister to me in the priest’s office. Their anointing shall be to them for an everlasting priesthood throughout their generations.”

40:16 Moses did so. According to all that Yahweh commanded him, so he did.

40:17 It happened in the first month in the second year, on the first day of the month, that the tabernacle was raised up.

40:18 Moses raised up the tabernacle, and laid its sockets, and set up its boards, and put in its bars, and raised up its pillars.

40:19 He spread the covering over the tent, and put the roof of the tabernacle above on it, as Yahweh commanded Moses.

40:20 He took and put the testimony into the ark, and set the poles on the ark, and put the mercy seat above on the ark.

40:21 He brought the ark into the tabernacle, and set up the veil of the screen, and screened the ark of the testimony, as Yahweh commanded Moses.

40:22 He put the table in the Tent of Meeting, on the side of the tabernacle northward, outside of the veil.

40:23 He set the bread in order on it before Yahweh, as Yahweh commanded Moses.

40:24 He put the lampstand in the Tent of Meeting, opposite the table, on the side of the tabernacle southward.

40:25 He lit the lamps before Yahweh, as Yahweh commanded Moses.

40:26 He put the golden altar in the Tent of Meeting before the veil;

40:27 and he burnt incense of sweet spices on it, as Yahweh commanded Moses.

40:28 He put up the screen of the door to the tabernacle.

40:29 He set the altar of burnt offering at the door of the tabernacle of the Tent of Meeting, and offered on it the burnt offering and the meal offering, as Yahweh commanded Moses.

40:30 He set the basin between the Tent of Meeting and the altar, and put water therein, with which to wash.

40:31 Moses, Aaron, and his sons washed their hands and their feet there.

40:32 When they went into the Tent of Meeting, and when they came near to the altar, they washed, as Yahweh commanded Moses.

40:33 He raised up the court around the tabernacle and the altar, and set up the screen of the gate of the court. So Moses finished the work.

40:34 Then the cloud covered the Tent of Meeting, and the glory of Yahweh filled the tabernacle.

40:35 Moses wasn’t able to enter into the Tent of Meeting, because the cloud stayed on it, and Yahweh’s glory filled the tabernacle.

40:36 When the cloud was taken up from over the tabernacle, the children of Israel went onward, throughout all their journeys;

40:37 but if the cloud wasn’t taken up, then they didn’t travel until the day that it was taken up.

40:38 For the cloud of Yahweh was on the tabernacle by day, and there was fire in the cloud by night, in the sight of all the house of Israel, throughout all their journeys

 

 

Chapitre 40
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit:

2 Le premier jour du premier mois, tu dresseras le tabernacle, la tente d'assignation.

3 Tu y placeras l'arche du témoignage, et tu couvriras l'arche avec le voile.

4 Tu apporteras la table, et tu la disposeras en ordre. Tu apporteras le chandelier, et tu en arrangeras les lampes.

5 Tu placeras l'autel d'or pour le parfum devant l'arche du témoignage, et tu mettras le rideau à l'entrée du tabernacle.

6 Tu placeras l'autel des holocaustes devant l'entrée du tabernacle, de la tente d'assignation.

7 Tu placeras la cuve entre la tente d'assignation et l'autel, et tu y mettras de l'eau.

8 Tu placeras le parvis à l'entour, et tu mettras le rideau à la porte du parvis.

9 Tu prendras l'huile d'onction, tu en oindras le tabernacle et tout ce qu'il renferme, et tu le sanctifieras, avec tous ses ustensiles; et il sera saint.

10 Tu oindras l'autel des holocaustes et tous ses ustensiles, et tu sanctifieras l'autel; et l'autel sera très saint.

11 Tu oindras la cuve avec sa base, et tu la sanctifieras.

12 Tu feras avancer Aaron et ses fils vers l'entrée de la tente d'assignation, et tu les laveras avec de l'eau.

13 Tu revêtiras Aaron des vêtements sacrés, tu l'oindras, et tu le sanctifieras, pour qu'il soit à mon service dans le sacerdoce.

14 Tu feras approcher ses fils, tu les revêtiras des tuniques,

15 et tu les oindras comme tu auras oint leur père, pour qu'ils soient à mon service dans le sacerdoce. Cette onction leur assurera à perpétuité le sacerdoce parmi leurs descendants. 16 Moïse fit tout ce que l'Éternel lui avait ordonné; il fit ainsi.

17 Le premier jour du premier mois de la seconde année, le tabernacle fut dressé.

18 Moïse dressa le tabernacle; il en posa les bases, plaça les planches et les barres, et éleva les colonnes.

19 Il étendit la tente sur le tabernacle, et il mit la couverture de la tente par-dessus, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

20 Il prit le témoignage, et le plaça dans l'arche; il mit les barres à l'arche, et il posa le propitiatoire au-dessus de l'arche.

21 Il apporta l'arche dans le tabernacle; il mit le voile de séparation, et il en couvrit l'arche du témoignage, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

22 Il plaça la table dans la tente d'assignation, au côté septentrional du tabernacle, en dehors du voile;

23 et il y déposa en ordre les pains, devant l'Éternel, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 24 Il plaça le chandelier dans la tente d'assignation, en face de la table, au côté méridional du tabernacle;

25 et il en arrangea les lampes, devant l'Éternel, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

26 Il plaça l'autel d'or dans la tente d'assignation, devant le voile;

27 et il y fit brûler le parfum odoriférant, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

28 Il plaça le rideau à l'entrée du tabernacle.

29 Il plaça l'autel des holocaustes à l'entrée du tabernacle, de la tente d'assignation; et il y offrit l'holocauste et l'offrande, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

30 Il plaça la cuve entre la tente d'assignation et l'autel, et il y mit de l'eau pour les ablutions;

31 Moïse, Aaron et ses fils, s'y lavèrent les mains et les pieds;

32 lorsqu'ils entrèrent dans la tente d'assignation et qu'ils s'approchèrent de l'autel, ils se lavèrent, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse.

33 Il dressa le parvis autour du tabernacle et de l'autel, et il mit le rideau à la porte du parvis. Ce fut ainsi que Moïse acheva l'ouvrage.

34 Alors la nuée couvrit la tente d'assignation, et la gloire de l'Éternel remplit le tabernacle.

35 Moïse ne pouvait pas entrer dans la tente d'assignation, parce que la nuée restait dessus, et que la gloire de l'Éternel remplissait le tabernacle.

36 Aussi longtemps que durèrent leurs marches, les enfants d'Israël partaient, quand la nuée s'élevait de dessus le tabernacle.

37 Et quand la nuée ne s'élevait pas, ils ne partaient pas, jusqu'à ce qu'elle s'élevât.

38 La nuée de l'Éternel était de jour sur le tabernacle; et de nuit, il y avait un feu, aux yeux de toute la maison d'Israël, pendant toutes leurs marches.