| Chapitre 4 1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah. 2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity. 3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. 4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy 5 mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. 6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala. 7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy). 8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy. 9 Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina. 10 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. 11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va 12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao. 13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. 14 Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. 15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo. 16 Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. 18 Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara. 19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. 20 Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. 22 Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely; 23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. 24 Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. 25 Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao. 26 Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora. 27 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy. 28 Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy. 29 Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra. 30 Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana. 31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
| | Chapitre 4 4:1 Moses answered, “But, behold, they will not believe me, nor listen to my voice; for they will say, ‘Yahweh has not appeared to you.’” 4:2 Yahweh said to him, “What is that in your hand?” He said, “A rod.” 4:3 He said, “Throw it on the ground.” He threw it on the ground, and it became a snake; and Moses ran away from it. 4:4 Yahweh said to Moses, “Stretch out your hand, and take it by the tail.” He stretched out his hand, and took hold of it, and it became a rod in his hand. 4:5 “That they may believe that Yahweh, the God of their fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, has appeared to you.” 4:6 Yahweh said furthermore to him, “Now put your hand inside your cloak.” He put his hand inside his cloak, and when he took it out, behold, his hand was leprous, as white as snow. 4:7 He said, “Put your hand inside your cloak again.” He put his hand inside his cloak again, and when he took it out of his cloak, behold, it had turned again as his other flesh. 4:8 “It will happen, if they will neither believe you nor listen to the voice of the first sign, that they will believe the voice of the latter sign. 4:9 It will happen, if they will not believe even these two signs, neither listen to your voice, that you shall take of the water of the river, and pour it on the dry land. The water which you take out of the river will become blood on the dry land.” 4:10 Moses said to Yahweh, “O Lord, I am not eloquent, neither before now, nor since you have spoken to your servant; for I am slow of speech, and of a slow tongue.” 4:11 Yahweh said to him, “Who made man’s mouth? Or who makes one mute, or deaf, or seeing, or blind? Isn’t it I, Yahweh? 4:12 Now therefore go, and I will be with your mouth, and teach you what you shall speak.” 4:13 He said, “Oh, Lord, please send someone else.” 4:14 The anger of Yahweh was kindled against Moses, and he said, “What about Aaron, your brother, the Levite? I know that he can speak well. Also, behold, he comes out to meet you. When he sees you, he will be glad in his heart. 4:15 You shall speak to him, and put the words in his mouth. I will be with your mouth, and with his mouth, and will teach you what you shall do. 4:16 He will be your spokesman to the people; and it will happen, that he will be to you a mouth, and you will be to him as God. 4:17 You shall take this rod in your hand, with which you shall do the signs.” 4:18 Moses went and returned to Jethro his father-in-law, and said to him, “Please let me go and return to my brothers who are in Egypt, and see whether they are still alive.” Jethro said to Moses, “Go in peace.” 4:19 Yahweh said to Moses in Midian, “Go, return into Egypt; for all the men who sought your life are dead.” 4:20 Moses took his wife and his sons, and set them on a donkey, and he returned to the land of Egypt. Moses took God’s rod in his hand. 4:21 Yahweh said to Moses, “When you go back into Egypt, see that you do before Pharaoh all the wonders which I have put in your hand, but I will harden his heart and he will not let the people go. 4:22 You shall tell Pharaoh, ‘Thus says Yahweh, Israel is my son, my firstborn, 4:23 and I have said to you, “Let my son go, that he may serve me”; and you have refused to let him go. Behold, I will kill your son, your firstborn.’” 4:24 It happened on the way at a lodging place, that Yahweh met Moses and wanted to kill him. 4:25 Then Zipporah took a flint, and cut off the foreskin of her son, and cast it at his feet; and she said, “Surely you are a bridegroom of blood to me.” 4:26 So he let him alone. Then she said, “You are a bridegroom of blood,” because of the circumcision. 4:27 Yahweh said to Aaron, “Go into the wilderness to meet Moses.” He went, and met him on God’s mountain, and kissed him. 4:28 Moses told Aaron all the words of Yahweh with which he had sent him, and all the signs with which he had instructed him. 4:29 Moses and Aaron went and gathered together all the elders of the children of Israel. 4:30 Aaron spoke all the words which Yahweh had spoken to Moses, and did the signs in the sight of the people. 4:31 The people believed, and when they heard that Yahweh had visited the children of Israel, and that he had seen their affliction, then they bowed their heads and worshiped. | | Chapitre 4 1 Moïse répondit, et dit: Voici, ils ne me croiront point, et ils n'écouteront point ma voix. Mais ils diront: L'Éternel ne t'est point apparu. 2 L'Éternel lui dit: Qu'y a-t-il dans ta main? Il répondit: Une verge. 3 L'Éternel dit: Jette-la par terre. Il la jeta par terre, et elle devint un serpent. Moïse fuyait devant lui. 4 L'Éternel dit à Moïse: Étends ta main, et saisis-le par la queue. Il étendit la main et le saisit et le serpent redevint une verge dans sa main. 5 C'est là, dit l'Éternel, ce que tu feras, afin qu'ils croient que l'Éternel, le Dieu de leurs pères, t'est apparu, le Dieu d'Abraham, le Dieu d'Isaac et le Dieu de Jacob. 6 L'Éternel lui dit encore: Mets ta main dans ton sein. Il mit sa main dans son sein; puis il la retira, et voici, sa main était couverte de lèpre, blanche comme la neige. 7 L'Éternel dit: Remets ta main dans ton sein. Il remit sa main dans son sein; puis il la retira de son sein, et voici, elle était redevenue comme sa chair. 8 S'ils ne te croient pas, dit l'Éternel, et n'écoutent pas la voix du premier signe, ils croiront à la voix du dernier signe. 9 S'ils ne croient pas même à ces deux signes, et n'écoutent pas ta voix, tu prendras de l'eau du fleuve, tu la répandras sur la terre, et l'eau que tu auras prise du fleuve deviendra du sang sur la terre. 10 Moïse dit à l'Éternel: Ah! Seigneur, je ne suis pas un homme qui ait la parole facile, et ce n'est ni d'hier ni d'avant-hier, ni même depuis que tu parles à ton serviteur; car j'ai la bouche et la langue embarrassées. 11 L'Éternel lui dit: Qui a fait la bouche de l'homme? et qui rend muet ou sourd, voyant ou aveugle? N'est-ce pas moi, l'Éternel? 12 Va donc, je serai avec ta bouche, et je t'enseignerai ce que tu auras à dire. 13 Moïse dit: Ah! Seigneur, envoie qui tu voudras envoyer. 14 Alors la colère de l'Éternel s'enflamma contre Moïse, et il dit: N'y a t-il pas ton frère Aaron, le Lévite? Je sais qu'il parlera facilement. Le voici lui-même, qui vient au-devant de toi; et, quand il te verra, il se réjouira dans son coeur. 15 Tu lui parleras, et tu mettras les paroles dans sa bouche; et moi, je serai avec ta bouche et avec sa bouche, et je vous enseignerai ce que vous aurez à faire. 16 Il parlera pour toi au peuple; il te servira de bouche, et tu tiendras pour lui la place de Dieu. 17 Prends dans ta main cette verge, avec laquelle tu feras les signes. 18 Moïse s'en alla; et de retour auprès de Jéthro, son beau-père, il lui dit: Laisse-moi, je te prie, aller rejoindre mes frères qui sont en Égypte, afin que je voie s'ils sont encore vivants. Jéthro dit à Moïse: Va en paix. 19 L'Éternel dit à Moïse, en Madian: Va, retourne en Égypte, car tous ceux qui en voulaient à ta vie sont morts. 20 Moïse prit sa femme et ses fils, les fit monter sur des ânes, et retourna dans le pays d'Égypte. Il prit dans sa main la verge de Dieu. 21 L'Éternel dit à Moïse: En partant pour retourner en Égypte, vois tous les prodiges que je mets en ta main: tu les feras devant Pharaon. Et moi, j'endurcirai son coeur, et il ne laissera point aller le peuple. 22 Tu diras à Pharaon: Ainsi parle l'Éternel: Israël est mon fils, mon premier-né. 23 Je te dis: Laisse aller mon fils, pour qu'il me serve; si tu refuses de le laisser aller, voici, je ferai périr ton fils, ton premier-né. 24 Pendant le voyage, en un lieu où Moïse passa la nuit, l'Éternel l'attaqua et voulut le faire mourir. 25 Séphora prit une pierre aiguë, coupa le prépuce de son fils, et le jeta aux pieds de Moïse, en disant: Tu es pour moi un époux de sang! 26 Et l'Éternel le laissa. C'est alors qu'elle dit: Époux de sang! à cause de la circoncision. 27 L'Éternel dit à Aaron: Va dans le désert au-devant de Moïse. Aaron partit; il rencontra Moïse à la montagne de Dieu, et il le baisa. 28 Moïse fit connaître à Aaron toutes les paroles de l'Éternel qui l'avait envoyé, et tous les signes qu'il lui avait ordonné de faire. 29 Moïse et Aaron poursuivirent leur chemin, et ils assemblèrent tous les anciens des enfants d'Israël. 30 Aaron rapporta toutes les paroles que l'Éternel avait dites à Moïse, et il exécuta les signes aux yeux du peuple. 31 Et le peuple crut. Ils apprirent que l'Éternel avait visité les enfants d'Israël, qu'il avait vu leur souffrance; et ils s'inclinèrent et se prosternèrent.
| |