| Chapitre 39 1 [Ny nanaovana ny fitafian'ny mpisorona] Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara*, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Na: fitondra manompo] 2 Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy. 3 Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay. 4 Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy. 5 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely. 7 Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 8 Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. 9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy. 10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda; 11 ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa; 12 ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta; 13 ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy. 14 Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy. 15 Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin'ny saron-tratra izy. 16 Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra. 17 Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin'ny vava vola roa izay amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra. 18 Ary ny lanin'ny tady roa dia nataony teo amin'ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin'ny soroky ny efoda anoloana. 19 Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda. 20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda. 21 Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan'ny saron-tratra tamin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 22 Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa. 23 Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy. 24 Ary teo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena voahasina; 25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra): 26 dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan'ny mpanenona, ho an'i Arona sy ny zanany. 28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina. 29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 30 Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH. 31 Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin'ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 32 Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 33 Dia nentiny teo amin'i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, 34 ary ny firakotra hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana, 35 ary ny fiaran'ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana, 36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho, 37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana, 38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay, 39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany, 40 ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana, 41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana. 42 Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra. 43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
| | Chapitre 39 39:1 Of the blue, purple, and scarlet, they made finely worked garments, for ministering in the holy place, and made the holy garments for Aaron; as Yahweh commanded Moses. 39:2 He made the ephod of gold, blue, purple, scarlet, and fine twined linen. 39:3 They beat the gold into thin plates, and cut it into wires, to work it in the blue, in the purple, in the scarlet, and in the fine linen, the work of the skillful workman. 39:4 They made shoulder straps for it, joined together. At the two ends it was joined together. 39:5 The skillfully woven band that was on it, with which to fasten it on, was of the same piece, like its work; of gold, of blue, purple, scarlet, and fine twined linen; as Yahweh commanded Moses. 39:6 They worked the onyx stones, enclosed in settings of gold, engraved with the engravings of a signet, according to the names of the children of Israel. 39:7 He put them on the shoulder straps of the ephod, to be stones of memorial for the children of Israel, as Yahweh commanded Moses. 39:8 He made the breastplate, the work of a skillful workman, like the work of the ephod; of gold, of blue, purple, scarlet, and fine twined linen. 39:9 It was square. They made the breastplate double. Its length was a span, and its breadth a span, being double. 39:10 They set in it four rows of stones. A row of ruby, topaz, and beryl was the first row; 39:11 and the second row, a turquoise, a sapphire, and an emerald; 39:12 and the third row, a jacinth, an agate, and an amethyst; 39:13 and the fourth row, a chrysolite, an onyx, and a jasper. They were enclosed in gold settings. 39:14 The stones were according to the names of the children of Israel, twelve, according to their names; like the engravings of a signet, everyone according to his name, for the twelve tribes. 39:15 They made on the breastplate chains like cords, of braided work of pure gold. 39:16 They made two settings of gold, and two gold rings, and put the two rings on the two ends of the breastplate. 39:17 They put the two braided chains of gold in the two rings at the ends of the breastplate. 39:18 The other two ends of the two braided chains they put on the two settings, and put them on the shoulder straps of the ephod, in its front. 39:19 They made two rings of gold, and put them on the two ends of the breastplate, on its edge, which was toward the side of the ephod inward. 39:20 They made two rings of gold, and put them on the two shoulder straps of the ephod underneath, in its front, close by its coupling, above the skillfully woven band of the ephod. 39:21 They bound the breastplate by its rings to the rings of the ephod with a lace of blue, that it might be on the skillfully woven band of the ephod, and that the breastplate might not come loose from the ephod, as Yahweh commanded Moses. 39:22 He made the robe of the ephod of woven work, all of blue. 39:23 The opening of the robe in its midst was like the opening of a coat of mail, with a binding around its opening, that it should not be torn. 39:24 They made on the skirts of the robe pomegranates of blue, purple, scarlet, and twined linen. 39:25 They made bells of pure gold, and put the bells between the pomegranates around the skirts of the robe, between the pomegranates; 39:26 a bell and a pomegranate, a bell and a pomegranate, around the skirts of the robe, to minister in, as Yahweh commanded Moses. 39:27 They made the coats of fine linen of woven work for Aaron, and for his sons, 39:28 and the turban of fine linen, and the linen headbands of fine linen, and the linen breeches of fine twined linen, 39:29 and the sash of fine twined linen, and blue, and purple, and scarlet, the work of the embroiderer, as Yahweh commanded Moses. 39:30 They made the plate of the holy crown of pure gold, and wrote on it a writing, like the engravings of a signet: “HOLY TO YAHWEH.” 39:31 They tied to it a lace of blue, to fasten it on the turban above, as Yahweh commanded Moses. 39:32 Thus all the work of the tabernacle of the Tent of Meeting was finished. The children of Israel did according to all that Yahweh commanded Moses; so they did. 39:33 They brought the tabernacle to Moses, the tent, with all its furniture, its clasps, its boards, its bars, its pillars, its sockets, 39:34 the covering of rams’ skins dyed red, the covering of sea cow hides, the veil of the screen, 39:35 the ark of the testimony with its poles, the mercy seat, 39:36 the table, all its vessels, the show bread, 39:37 the pure lampstand, its lamps, even the lamps to be set in order, all its vessels, the oil for the light, 39:38 the golden altar, the anointing oil, the sweet incense, the screen for the door of the Tent, 39:39 the bronze altar, its grating of brass, its poles, all of its vessels, the basin and its base, 39:40 the hangings of the court, its pillars, its sockets, the screen for the gate of the court, its cords, its pins, all the instruments of the service of the tabernacle, for the Tent of Meeting, 39:41 the finely worked garments for ministering in the holy place, the holy garments for Aaron the priest, and the garments of his sons, to minister in the priest’s office. 39:42 According to all that Yahweh commanded Moses, so the children of Israel did all the work. 39:43 Moses saw all the work, and behold, they had done it as Yahweh had commanded, even so had they done it: and Moses blessed them.
| | Chapitre 39 1 Avec les étoffes teintes en bleu, en pourpre et en cramoisi, on fit les vêtements d'office pour le service dans le sanctuaire, et on fit les vêtements sacrés pour Aaron, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 2 On fit l'éphod d'or, de fil bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors. 3 On étendit des lames d'or, et on les coupa en fils, que l'on entrelaça dans les étoffes teintes en bleu, en pourpre et en cramoisi, et dans le fin lin; il était artistement travaillé. 4 On y fit des épaulettes qui le joignaient, et c'est ainsi qu'il était joint par ses deux extrémités. 5 La ceinture était du même travail que l'éphod et fixée sur lui; elle était d'or, de fil bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 6 On entoura de montures d'or des pierres d'onyx, sur lesquelles on grava les noms des fils d'Israël, comme on grave les cachets. 7 On les mit sur les épaulettes de l'éphod, en souvenir des fils d'Israël, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 8 On fit le pectoral, artistement travaillé, du même travail que l'éphod, d'or, de fil bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors. 9 Il était carré; on fit le pectoral double: sa longueur était d'un empan, et sa largeur d'un empan; il était double. 10 On le garnit de quatre rangées de pierres: première rangée, une sardoine, une topaze, une émeraude; 11 seconde rangée, une escarboucle, un saphir, un diamant; 12 troisième rangée, une opale, une agate, une améthyste; 13 quatrième rangée, une chrysolithe, un onyx, un jaspe. Ces pierres étaient enchâssées dans leurs montures d'or. 14 Il y en avait douze, d'après les noms des fils d'Israël; elles étaient gravées comme des cachets, chacune avec le nom de l'une des douze tribus. - 15 On fit sur le pectoral des chaînettes d'or pur, tressées en forme de cordons. 16 On fit deux montures d'or et deux anneaux d'or, et on mit les deux anneaux aux deux extrémités du pectoral. 17 On passa les deux cordons d'or dans les deux anneaux aux deux extrémités du pectoral; 18 on arrêta par devant les bouts des deux cordons aux deux montures placées sur les épaulettes de l'éphod. - 19 On fit encore deux anneaux d'or, que l'on mit aux deux extrémités du pectoral, sur le bord intérieur appliqué contre l'éphod. 20 On fit deux autres anneaux d'or, que l'on mit au bas des deux épaulettes de l'éphod, sur le devant, près de la jointure, au-dessus de la ceinture de l'éphod. 21 On attacha le pectoral par ses anneaux aux anneaux de l'éphod avec un cordon bleu, afin que le pectoral fût au-dessus de la ceinture de l'éphod et qu'il ne pût pas se séparer de l'éphod, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 22 On fit la robe de l'éphod, tissée entièrement d'étoffe bleue. 23 Il y avait, au milieu de la robe, une ouverture comme l'ouverture d'une cotte de mailles, et cette ouverture était bordée tout autour, afin que la robe ne se déchirât pas. 24 On mit sur la bordure de la robe des grenades de couleur bleue, pourpre et cramoisi, en fil retors; 25 on fit des clochettes d'or pur, et on mit les clochettes entre les grenades, sur tout le tour de la bordure de la robe, entre les grenades: 26 une clochette et une grenade, une clochette et une grenade, sur tout le tour de la bordure de la robe, pour le service, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 27 On fit les tuniques de fin lin, tissées, pour Aaron et pour ses fils; 28 la tiare de fin lin, et les bonnets de fin lin servant de parure; les caleçons de lin, de fin lin retors; 29 la ceinture de fin lin retors, brodée, et de couleur bleue, pourpre et cramoisi, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 30 On fit d'or pur la lame, diadème sacré, et l'on y écrivit, comme on grave un cachet: Sainteté à l'Éternel. 31 On l'attacha avec un cordon bleu à la tiare, en haut, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 32 Ainsi furent achevés tous les ouvrages du tabernacle, de la tente d'assignation. Les enfants d'Israël firent tout ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse; ils firent ainsi. 33 On amena le tabernacle à Moïse: la tente et tout ce qui en dépendait, les agrafes, les planches, les barres, les colonnes et les bases; 34 la couverture de peaux de béliers teintes en rouge, la couverture de peaux de dauphins, et le voile de séparation; 35 l'arche du témoignage et ses barres, et le propitiatoire; 36 la table, tous ses ustensiles, et les pains de proposition; 37 le chandelier d'or pur, ses lampes, les lampes préparées, tous ses ustensiles, et l'huile pour le chandelier; 38 l'autel d'or, l'huile d'onction et le parfum odoriférant, et le rideau de l'entrée de la tente; 39 l'autel d'airain, sa grille d'airain, ses barres, et tous ses ustensiles; la cuve avec sa base; 40 les toiles du parvis, ses colonnes, ses bases, et le rideau de la porte du parvis, ses cordages, ses pieux, et tous les ustensiles pour le service du tabernacle, pour la tente d'assignation; 41 les vêtements d'office pour le sanctuaire, les vêtements sacrés pour le sacrificateur Aaron, et les vêtements de ses fils pour les fonctions du sacerdoce. 42 Les enfants d'Israël firent tous ces ouvrages, en se conformant à tous les ordres que l'Éternel avait donnés à Moïse. 43 Moïse examina tout le travail; et voici, ils l'avaient fait comme l'Éternel l'avait ordonné, ils l'avaient fait ainsi. Et Moïse les bénit. | |