| Chapitre 38 1 Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. 2 Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo. 3 Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy. 4 Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany. 5 Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao. 6 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina. 7 Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty. 8 Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. 9 Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina; 10 ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. 11 Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. 12 Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. 13 Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho. 14 Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany. 15 Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany; 16 Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina. 17 Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa. 18 Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja. 19 Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa. 20 Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa. 21 [Tontalin'ny volamena sy volafotsy ary varahina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy. 22 Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika. 24 Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva. 25 Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: 26 beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy. 27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray. 28 Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany. 29 Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo. 30 Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara, 31 ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.
| | Chapitre 38 38:1 He made the altar of burnt offering of acacia wood. It was square. Its length was five cubits, its breadth was five cubits, and its height was three cubits. 38:2 He made its horns on its four corners. Its horns were of one piece with it, and he overlaid it with brass. 38:3 He made all the vessels of the altar, the pots, the shovels, the basins, the forks, and the fire pans. He made all its vessels of brass. 38:4 He made for the altar a grating of a network of brass, under the ledge around it beneath, reaching halfway up. 38:5 He cast four rings for the four ends of brass grating, to be places for the poles. 38:6 He made the poles of acacia wood, and overlaid them with brass. 38:7 He put the poles into the rings on the sides of the altar, with which to carry it. He made it hollow with planks. 38:8 He made the basin of brass, and its base of brass, out of the mirrors of the ministering women who ministered at the door of the Tent of Meeting. 38:9 He made the court: for the south side southward the hangings of the court were of fine twined linen, one hundred cubits; 38:10 their pillars were twenty, and their sockets twenty, of brass; the hooks of the pillars and their fillets were of silver. 38:11 For the north side one hundred cubits, their pillars twenty, and their sockets twenty, of brass; the hooks of the pillars, and their fillets, of silver. 38:12 For the west side were hangings of fifty cubits, their pillars ten, and their sockets ten; the hooks of the pillars, and their fillets, of silver. 38:13 For the east side eastward fifty cubits. 38:14 The hangings for the one side were fifteen cubits; their pillars three, and their sockets three; 38:15 and so for the other side: on this hand and that hand by the gate of the court were hangings of fifteen cubits; their pillars three, and their sockets three. 38:16 All the hangings around the court were of fine twined linen. 38:17 The sockets for the pillars were of brass. The hooks of the pillars and their fillets were of silver; and the overlaying of their capitals, of silver; and all the pillars of the court were filleted with silver. 38:18 The screen for the gate of the court was the work of the embroiderer, of blue, purple, scarlet, and fine twined linen. Twenty cubits was the length, and the height in the breadth was five cubits, like to the hangings of the court. 38:19 Their pillars were four, and their sockets four, of brass; their hooks of silver, and the overlaying of their capitals, and their fillets, of silver. 38:20 All the pins of the tabernacle, and around the court, were of brass. 38:21 This is the amount of material used for the tabernacle, even the Tabernacle of the Testimony, as they were counted, according to the commandment of Moses, for the service of the Levites, by the hand of Ithamar, the son of Aaron the priest. 38:22 Bezalel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah, made all that Yahweh commanded Moses. 38:23 With him was Oholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan, an engraver, and a skillful workman, and an embroiderer in blue, in purple, in scarlet, and in fine linen. 38:24 All the gold that was used for the work in all the work of the sanctuary, even the gold of the offering, was twenty-nine talents, and seven hundred thirty shekels, after the shekel of the sanctuary. 38:25 The silver of those who were numbered of the congregation was one hundred talents, and one thousand seven hundred seventy-five shekels, after the shekel of the sanctuary: 38:26 a beka a head, that is, half a shekel, after the shekel of the sanctuary, for everyone who passed over to those who were numbered, from twenty years old and upward, for six hundred three thousand five hundred fifty men. 38:27 The one hundred talents of silver were for casting the sockets of the sanctuary, and the sockets of the veil; one hundred sockets for the one hundred talents, a talent for a socket. 38:28 Of the one thousand seven hundred seventy-five shekels he made hooks for the pillars, overlaid their capitals, and made fillets for them. 38:29 The brass of the offering was seventy talents, and two thousand four hundred shekels. 38:30 With this he made the sockets to the door of the Tent of Meeting, the bronze altar, the bronze grating for it, all the vessels of the altar, 38:31 the sockets around the court, the sockets of the gate of the court, all the pins of the tabernacle, and all the pins around the court. | | Chapitre 38 1 Il fit l'autel des holocaustes de bois d'acacia; sa longueur était de cinq coudées, et sa largeur de cinq coudées; il était carré, et sa hauteur était de trois coudées. 2 Il fit, aux quatre coins, des cornes qui sortaient de l'autel, et il le couvrit d'airain. 3 Il fit tous les ustensiles de l'autel, les cendriers, les pelles, les bassins, les fourchettes et les brasiers; il fit d'airain tous ces ustensiles. 4 Il fit pour l'autel une grille d'airain, en forme de treillis, qu'il plaça au-dessous du rebord de l'autel, à partir du bas, jusqu'à la moitié de la hauteur de l'autel. 5 Il fondit quatre anneaux, qu'il mit aux quatre coins de la grille d'airain, pour recevoir les barres. 6 Il fit les barres de bois d'acacia, et les couvrit d'airain. 7 Il passa dans les anneaux aux côtés de l'autel les barres qui servaient à le porter. Il le fit creux, avec des planches. 8 Il fit la cuve d'airain, avec sa base d'airain, en employant les miroirs des femmes qui s'assemblaient à l'entrée de la tente d'assignation. 9 Il fit le parvis. Du côté du midi, il y avait, pour former le parvis, des toiles de fin lin retors, sur une longueur de cent coudées, 10 avec vingt colonnes posant sur vingt bases d'airain; les crochets des colonnes et leurs tringles étaient d'argent. 11 Du côté du nord, il y avait cent coudées de toiles, avec vingt colonnes et leurs vingt bases d'airain; les crochets des colonnes et leurs tringles étaient d'argent. 12 Du côté de l'occident, il y avait cinquante coudées de toiles, avec dix colonnes et leurs dix bases; les crochets des colonnes et leurs tringles étaient d'argent. 13 Du côté de l'orient, sur les cinquante coudées de largeur, 14 il y avait, pour une aile, quinze coudées de toiles, avec trois colonnes et leurs trois bases, 15 et, pour la seconde aile, qui lui correspondait de l'autre côté de la porte du parvis, quinze coudées de toiles, avec trois colonnes et leurs trois bases. 16 Toutes les toiles formant l'enceinte du parvis étaient de fin lin retors. 17 Les bases pour les colonnes étaient d'airain, les crochets des colonnes et leurs tringles étaient d'argent, et leurs chapiteaux étaient couverts d'argent. Toutes les colonnes du parvis étaient jointes par des tringles d'argent. 18 Le rideau de la porte du parvis était un ouvrage de broderie en fil bleu, pourpre et cramoisi, et en fin lin retors; il avait une longueur de vingt coudées, et sa hauteur était de cinq coudées, comme la largeur des toiles du parvis; 19 ses quatre colonnes et leurs quatre bases étaient d'airain, les crochets et leurs tringles étaient d'argent, et leurs chapiteaux étaient couverts d'argent. 20 Tous les pieux de l'enceinte du tabernacle et du parvis étaient d'airain. 21 Voici les comptes du tabernacle, du tabernacle d'assignation, révisés, d'après l'ordre de Moïse, par les soins des Lévites, sous la direction d'Ithamar, fils du sacrificateur Aaron. 22 Betsaleel, fils d'Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda, fit tout ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse; 23 il eut pour aide Oholiab, fils d'Ahisamac, de la tribu de Dan, habile à graver, à inventer, et à broder sur les étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, et sur le fin lin. 24 Le total de l'or employé à l'oeuvre pour tous les travaux du sanctuaire, or qui fut le produit des offrandes, montait à vingt-neuf talents et sept cent trente sicles, selon le sicle du sanctuaire. 25 L'argent de ceux de l'assemblée dont on fit le dénombrement montait à cent talents et mille sept cent soixante-quinze sicles, selon le sicle du sanctuaire. 26 C'était un demi-sicle par tête, la moitié d'un sicle, selon le sicle du sanctuaire, pour chaque homme compris dans le dénombrement, depuis l'âge de vingt ans et au-dessus, soit pour six cent trois mille cinq cent cinquante hommes. 27 Les cent talents d'argent servirent à fondre les bases du sanctuaire et les bases du voile, cent bases pour les cent talents, un talent par base. 28 Et avec les mille sept cent soixante-quinze sicles on fit les crochets et les tringles pour les colonnes, et on couvrit les chapiteaux. 29 L'airain des offrandes montait à soixante-dix talents et deux mille quatre cents sicles. 30 On en fit les bases de l'entrée de la tente d'assignation; l'autel d'airain avec sa grille, et tous les ustensiles de l'autel; 31 les bases du parvis, tout autour, et les bases de la porte du parvis; et tous les pieux de l'enceinte du tabernacle et du parvis. | |