T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 37

1 Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;

2 ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.

3 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.

4 Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.

5 Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

6 Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.

7 Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:

8 dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.

9 Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

10 Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.

12 Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.

13 Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:

14 eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.

15 Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.

16 Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.

17 Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.

18 Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;

19 teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.

20 Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,

21 dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.

22 Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.

23 Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.

24 Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.

25 Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.

26 Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.

27 Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.

28 Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.

29 Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.

 

 Chapitre 37

37:1 Bezalel made the ark of acacia wood. Its length was two and a half cubits, and its breadth a cubit and a half, and a cubit and a half its height. 37:2 He overlaid it with pure gold inside and outside, and made a molding of gold for it around it. 37:3 He cast four rings of gold for it, in its four feet; even two rings on its one side, and two rings on its other side. 37:4 He made poles of acacia wood, and overlaid them with gold. 37:5 He put the poles into the rings on the sides of the ark, to bear the ark. 37:6 He made a mercy seat of pure gold. Its length was two and a half cubits, and a cubit and a half its breadth. 37:7 He made two cherubim of gold. He made them of beaten work, at the two ends of the mercy seat; 37:8 one cherub at the one end, and one cherub at the other end. He made the cherubim of one piece with the mercy seat at its two ends. 37:9 The cherubim spread out their wings on high, covering the mercy seat with their wings, with their faces toward one another. The faces of the cherubim were toward the mercy seat.

37:10 He made the table of acacia wood. Its length was two cubits, and its breadth was a cubit, and its height was a cubit and a half. 37:11 He overlaid it with pure gold, and made a gold molding around it. 37:12 He made a border of a handbreadth around it, and made a golden molding on its border around it. 37:13 He cast four rings of gold for it, and put the rings in the four corners that were on its four feet. 37:14 The rings were close by the border, the places for the poles to carry the table. 37:15 He made the poles of acacia wood, and overlaid them with gold, to carry the table. 37:16 He made the vessels which were on the table, its dishes, its spoons, its bowls, and its pitchers with which to pour out, of pure gold.

37:17 He made the lampstand of pure gold. He made the lampstand of beaten work. Its base, its shaft, its cups, its buds, and its flowers were of one piece with it. 37:18 There were six branches going out of its sides: three branches of the lampstand out of its one side, and three branches of the lampstand out of its other side: 37:19 three cups made like almond blossoms in one branch, a bud and a flower, and three cups made like almond blossoms in the other branch, a bud and a flower: so for the six branches going out of the lampstand. 37:20 In the lampstand were four cups made like almond blossoms, its buds and its flowers; 37:21 and a bud under two branches of one piece with it, and a bud under two branches of one piece with it, and a bud under two branches of one piece with it, for the six branches going out of it. 37:22 Their buds and their branches were of one piece with it. The whole thing was one beaten work of pure gold. 37:23 He made its seven lamps, and its snuffers, and its snuff dishes, of pure gold. 37:24 He made it of a talent of pure gold, with all its vessels.

37:25 He made the altar of incense of acacia wood. It was square: its length was a cubit, and its breadth a cubit. Its height was two cubits. Its horns were of one piece with it. 37:26 He overlaid it with pure gold, its top, its sides around it, and its horns. He made a gold molding around it. 37:27 He made two golden rings for it under its molding crown, on its two ribs, on its two sides, for places for poles with which to carry it. 37:28 He made the poles of acacia wood, and overlaid them with gold. 37:29 He made the holy anointing oil and the pure incense of sweet spices, after the art of the perfumer.

 

Chapitre 37
1 Betsaleel fit l'arche de bois d'acacia; sa longueur était de deux coudées et demie, sa largeur d'une coudée et demie, et sa hauteur d'une coudée et demie. 2 Il la couvrit d'or pur en dedans et en dehors, et il y fit une bordure d'or tout autour. 3 Il fondit pour elle quatre anneaux d'or, qu'il mit à ses quatre coins, deux anneaux d'un côté et deux anneaux de l'autre côté. 4 Il fit des barres de bois d'acacia, et les couvrit d'or. 5 Il passa les barres dans les anneaux sur les côtés de l'arche, pour porter l'arche. 6 Il fit un propitiatoire d'or pur; sa longueur était de deux coudées et demie, et sa largeur d'une coudée et demie. 7 Il fit deux chérubins d'or; il les fit d'or battu, aux deux extrémités du propitiatoire, 8 un chérubin à l'une des extrémités, et un chérubin à l'autre extrémité; il fit les chérubins sortant du propitiatoire à ses deux extrémités. 9 Les chérubins étendaient les ailes par-dessus, couvrant de leurs ailes le propitiatoire, et se regardant l'un l'autre; les chérubins avaient la face tournée vers le propitiatoire. 10 Il fit la table de bois d'acacia, sa longueur était de deux coudées, sa largeur d'une coudée, et sa hauteur d'une coudée et demie. 11 Il la couvrit d'or pur, et il y fit une bordure d'or tout autour. 12 Il y fit à l'entour un rebord de quatre doigts, sur lequel il mit une bordure d'or tout autour. 13 Il fondit pour la table quatre anneaux d'or, et mit les anneaux aux quatre coins, qui étaient à ses quatre pieds. 14 Les anneaux étaient près du rebord, et recevaient les barres pour porter la table. 15 Il fit les barres de bois d'acacia, et les couvrit d'or; et elles servaient à porter la table. 16 Il fit les ustensiles qu'on devait mettre sur la table, ses plats, ses coupes, ses calices et ses tasses pour servir aux libations; il les fit d'or pur. 17 Il fit le chandelier d'or pur; il fit le chandelier d'or battu; son pied, sa tige, ses calices, ses pommes et ses fleurs, étaient d'une même pièce. 18 Six branches sortaient de ses côtés, trois branches du chandelier de l'un des côtés, et trois branches du chandelier de l'autre côté. 19 Il y avait sur une branche trois calices en forme d'amande, avec pommes et fleurs, et sur une autre branche trois calices en forme d'amande, avec pommes et fleurs; il en était de même pour les six branches sortant du chandelier. 20 A la tige du chandelier il y avait quatre calices en forme d'amande, avec leurs pommes et leurs fleurs. 21 Il y avait une pomme sous deux des branches sortant du chandelier, une pomme sous deux autres branches, et une pomme sous deux autres branches; il en était de même pour les six branches sortant du chandelier. 22 Les pommes et les branches du chandelier étaient d'une même pièce; il était tout entier d'or battu, d'or pur. 23 Il fit ses sept lampes, ses mouchettes et ses vases à cendre d'or pur. 24 Il employa un talent d'or pur, pour faire le chandelier avec tous ses ustensiles. 25 Il fit l'autel des parfums de bois d'acacia; sa longueur était d'une coudée et sa largeur d'une coudée; il était carré, et sa hauteur était de deux coudées. Des cornes sortaient de l'autel. 26 Il le couvrit d'or pur, le dessus, les côtés tout autour et les cornes, et il y fit une bordure d'or tout autour. 27 Il fit au-dessous de la bordure deux anneaux d'or aux deux côtés; il en mit aux deux côtés, pour recevoir les barres qui servaient à le porter. 28 Il fit des barres de bois d'acacia, et les couvrit d'or. 29 Il fit l'huile pour l'onction sainte, et le parfum odoriférant, pur, composé selon l'art du parfumeur.