T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 35

1 [Ny nilazan'i Mosesy ny didin'i Jehovah ny amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny tabernakely, ary ny zavatra naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:

2 Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.

3 Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.

4 Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:

5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,

6 ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy

7 sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,

8 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,

9 ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.

10 Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:

11 dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,

12 ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,

13 ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,

14 ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,

15 ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,

16 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,

17 ary ny fefy lamba ho amin'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja,

18 ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,

19 ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.

20 Dia niala teo anatrehan'i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.

21 Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.

22 Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.

23 Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.

24 Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.

25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.

26 Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.

27 Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,

28 ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.

29 Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.

30 Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,

31 ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,

32 dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,

33 ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.

34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.

35 Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.

 

Chapitre 35

35:1 Moses assembled all the congregation of the children of Israel, and said to them, “These are the words which Yahweh has commanded, that you should do them. 35:2 ‘Six days shall work be done, but on the seventh day there shall be a holy day for you, a Sabbath of solemn rest to Yahweh: whoever does any work in it shall be put to death. 35:3 You shall kindle no fire throughout your habitations on the Sabbath day.’”

35:4 Moses spoke to all the congregation of the children of Israel, saying, “This is the thing which Yahweh commanded, saying, 35:5 ‘Take from among you an offering to Yahweh. Whoever is of a willing heart, let him bring it, Yahweh’s offering: gold, silver, brass, 35:6 blue, purple, scarlet, fine linen, goats’ hair, 35:7 rams’ skins dyed red, sea cow hides, acacia wood, 35:8 oil for the light, spices for the anointing oil and for the sweet incense, 35:9 onyx stones, and stones to be set for the ephod and for the breastplate.

35:10 “‘Let every wise-hearted man among you come, and make all that Yahweh has commanded: 35:11 the tabernacle, its outer covering, its roof, its clasps, its boards, its bars, its pillars, and its sockets; 35:12 the ark, and its poles, the mercy seat, the veil of the screen; 35:13 the table with its poles and all its vessels, and the show bread; 35:14 the lampstand also for the light, with its vessels, its lamps, and the oil for the light; 35:15 and the altar of incense with its poles, the anointing oil, the sweet incense, the screen for the door, at the door of the tabernacle; 35:16 the altar of burnt offering, with its grating of brass, it poles, and all its vessels, the basin and its base; 35:17 the hangings of the court, its pillars, their sockets, and the screen for the gate of the court; 35:18 the pins of the tabernacle, the pins of the court, and their cords; 35:19 the finely worked garments, for ministering in the holy place, the holy garments for Aaron the priest, and the garments of his sons, to minister in the priest’s office.’”

35:20 All the congregation of the children of Israel departed from the presence of Moses. 35:21 They came, everyone whose heart stirred him up, and everyone whom his spirit made willing, and brought Yahweh’s offering, for the work of the Tent of Meeting, and for all of its service, and for the holy garments. 35:22 They came, both men and women, as many as were willing-hearted, and brought brooches, earrings, signet rings, and armlets, all jewels of gold; even every man who offered an offering of gold to Yahweh. 35:23 Everyone, with whom was found blue, purple, scarlet, fine linen, goats’ hair, rams’ skins dyed red, and sea cow hides, brought them. 35:24 Everyone who offered an offering of silver and brass brought Yahweh’s offering; and everyone, with whom was found acacia wood for any work of the service, brought it. 35:25 All the women who were wise-hearted spun with their hands, and brought that which they had spun, the blue, the purple, the scarlet, and the fine linen. 35:26 All the women whose heart stirred them up in wisdom spun the goats’ hair. 35:27 The rulers brought the onyx stones, and the stones to be set, for the ephod and for the breastplate; 35:28 and the spice, and the oil for the light, for the anointing oil, and for the sweet incense. 35:29 The children of Israel brought a freewill offering to Yahweh; every man and woman, whose heart made them willing to bring for all the work, which Yahweh had commanded to be made by Moses.

35:30 Moses said to the children of Israel, “Behold, Yahweh has called by name Bezalel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah. 35:31 He has filled him with the Spirit of God, in wisdom, in understanding, in knowledge, and in all kinds of workmanship; 35:32 and to make skillful works, to work in gold, in silver, in brass, 35:33 in cutting of stones for setting, and in carving of wood, to work in all kinds of skillful workmanship. 35:34 He has put in his heart that he may teach, both he, and Oholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan. 35:35 He has filled them with wisdom of heart, to work all kinds of workmanship, of the engraver, of the skillful workman, and of the embroiderer, in blue, in purple, in scarlet, and in fine linen, and of the weaver, even of those who do any workmanship, and of those who make skillful works.

 

Chapitre 35
1 Moïse convoqua toute l'assemblée des enfants d'Israël, et leur dit: Voici les choses que l'Éternel ordonne de faire. 2 On travaillera six jours; mais le septième jour sera pour vous une chose sainte; c'est le sabbat, le jour du repos, consacré à l'Éternel. Celui qui fera quelque ouvrage ce jour-là, sera puni de mort. 3 Vous n'allumerez point de feu, dans aucune de vos demeures, le jour du sabbat. 4 Moïse parla à toute l'assemblée des enfants d'Israël, et dit: Voici ce que l'Éternel a ordonné. 5 Prenez sur ce qui vous appartient une offrande pour l'Éternel. Tout homme dont le coeur est bien disposé apportera en offrande à l'Éternel: de l'or, de l'argent et de l'airain; 6 des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre; 7 des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins; du bois d'acacia; 8 de l'huile pour le chandelier, des aromates pour l'huile d'onction et pour le parfum odoriférant; 9 des pierres d'onyx et d'autres pierres pour la garniture de l'éphod et du pectoral. 10 Que tous ceux d'entre vous qui ont de l'habileté viennent et exécutent tout ce que l'Éternel a ordonné: 11 le tabernacle, sa tente et sa couverture, ses agrafes, ses planches, ses barres, ses colonnes et ses bases; 12 l'arche et ses barres, le propitiatoire, et le voile pour couvrir l'arche; 13 la table et ses barres, et tous ses ustensiles, et les pains de proposition; 14 le chandelier et ses ustensiles, ses lampes, et l'huile pour le chandelier; 15 l'autel des parfums et ses barres, l'huile d'onction et le parfum odoriférant, et le rideau de la porte pour l'entrée du tabernacle; 16 l'autel des holocaustes, sa grille d'airain, ses barres, et tous ses ustensiles; la cuve avec sa base; 17 les toiles du parvis, ses colonnes, ses bases, et le rideau de la porte du parvis; 18 les pieux du tabernacle, les pieux du parvis, et leurs cordages; 19 (35:18) les vêtements d'office pour le service dans le sanctuaire, (35:19) les vêtements sacrés pour le sacrificateur Aaron, et les vêtements de ses fils pour les fonctions du sacerdoce. 20 Toute l'assemblée des enfants d'Israël sortit de la présence de Moïse. 21 Tous ceux qui furent entraînés par le coeur et animés de bonne volonté vinrent et apportèrent une offrande à l'Éternel pour l'oeuvre de la tente d'assignation, pour tout son service, et pour les vêtements sacrés. 22 Les hommes vinrent aussi bien que les femmes; tous ceux dont le coeur était bien disposé apportèrent des boucles, des anneaux, des bagues, des bracelets, toutes sortes d'objets d'or; chacun présenta l'offrande d'or qu'il avait consacrée à l'Éternel. 23 Tous ceux qui avaient des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre, des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins, les apportèrent. 24 Tous ceux qui présentèrent par élévation une offrande d'argent et d'airain apportèrent l'offrande à l'Éternel. Tous ceux qui avaient du bois d'acacia pour les ouvrages destinés au service, l'apportèrent. 25 Toutes les femmes qui avaient de l'habileté filèrent de leurs mains, et elles apportèrent leur ouvrage, des fils teints en bleu, en pourpre, en cramoisi, et du fin lin. 26 Toutes les femmes dont le coeur était bien disposé, et qui avaient de l'habileté, filèrent du poil de chèvre. 27 Les principaux du peuple apportèrent des pierres d'onyx et d'autres pierres pour la garniture de l'éphod et du pectoral; 28 des aromates et de l'huile pour le chandelier, pour l'huile d'onction et pour le parfum odoriférant. 29 Tous les enfants d'Israël, hommes et femmes, dont le coeur était disposé à contribuer pour l'oeuvre que l'Éternel avait ordonnée par Moïse, apportèrent des offrandes volontaires à l'Éternel. 30 Moïse dit aux enfants d'Israël: Sachez que l'Éternel a choisi Betsaleel, fils d'Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda. 31 Il l'a rempli de l'Esprit de Dieu, de sagesse, d'intelligence, et de savoir pour toutes sortes d'ouvrages. 32 Il l'a rendu capable de faire des inventions, de travailler l'or, l'argent et l'airain, 33 de graver les pierres à enchâsser, de travailler le bois, et d'exécuter toutes sortes d'ouvrages d'art. 34 Il lui a accordé aussi le don d'enseigner, de même qu'à Oholiab, fils d'Ahisamac, de la tribu de Dan. 35 Il les a remplis d'intelligence, pour exécuter tous les ouvrages de sculpture et d'art, pour broder et tisser les étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, et le fin lin, pour faire toute espèce de travaux et d'inventions.