T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 32 

1 [Ny nanaovan'ny Zanak'Isiraely ombilahy kely volamena hiankohofany, sy ny fahatezeran'Andriamanitra noho izany] Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,

2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.

3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.

4 Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

5 Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.

6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.

7 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

8 Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

9 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.

10 Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.

11 Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?

12 Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.

13 Tsaro­vy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.

14 Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.

 

15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.

16 Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.

17 Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.

18 Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.

19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.

20 Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny Zanak'Isiraely.

21 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?

22 Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;

23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.

24 Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.

25 Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,

26 dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.

27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.

28 Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.

29 Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.

30 [Ny nifonan'i Mosesy, sy ny navalin'Andriamanitra azy] Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.

31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.

32 Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.

33 Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.

34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.

35 Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.

 

Chapitre 32

32:1 When the people saw that Moses delayed to come down from the mountain, the people gathered themselves together to Aaron, and said to him, “Come, make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man who brought us up out of the land of Egypt, we don’t know what has become of him.”

32:2 Aaron said to them, “Take off the golden rings, which are in the ears of your wives, of your sons, and of your daughters, and bring them to me.”

32:3 All the people took off the golden rings which were in their ears, and brought them to Aaron. 32:4 He received what they handed him, and fashioned it with an engraving tool, and made it a molten calf; and they said, “These are your gods, Israel, which brought you up out of the land of Egypt.”

32:5 When Aaron saw this, he built an altar before it; and Aaron made a proclamation, and said, “Tomorrow shall be a feast to Yahweh.”

32:6 They rose up early on the next day, and offered burnt offerings, and brought peace offerings; and the people sat down to eat and to drink, and rose up to play.

32:7 Yahweh spoke to Moses, “Go, get down; for your people, who you brought up out of the land of Egypt, have corrupted themselves! 32:8 They have turned aside quickly out of the way which I commanded them. They have made themselves a molten calf, and have worshiped it, and have sacrificed to it, and said, ‘These are your gods, Israel, which brought you up out of the land of Egypt.’”

32:9 Yahweh said to Moses, “I have seen these people, and behold, they are a stiff-necked people. 32:10 Now therefore leave me alone, that my wrath may burn hot against them, and that I may consume them; and I will make of you a great nation.”

32:11 Moses begged Yahweh his God, and said, “Yahweh, why does your wrath burn hot against your people, that you have brought out of the land of Egypt with great power and with a mighty hand? 32:12 Why should the Egyptians speak, saying, ‘He brought them forth for evil, to kill them in the mountains, and to consume them from the surface of the earth?’ Turn from your fierce wrath, and repent of this evil against your people. 32:13 Remember Abraham, Isaac, and Israel, your servants, to whom you swore by your own self, and said to them, ‘I will multiply your seed as the stars of the sky, and all this land that I have spoken of I will give to your seed, and they shall inherit it forever.’”

32:14 Yahweh repented of the evil which he said he would do to his people.

32:15 Moses turned, and went down from the mountain, with the two tablets of the testimony in his hand; tablets that were written on both their sides; on the one side and on the other they were written. 32:16 The tablets were the work of God, and the writing was the writing of God, engraved on the tables.

32:17 When Joshua heard the noise of the people as they shouted, he said to Moses, “There is the noise of war in the camp.”

32:18 He said, “It isn’t the voice of those who shout for victory, neither is it the voice of those who cry for being overcome; but the noise of those who sing that I hear.” 32:19 It happened, as soon as he came near to the camp, that he saw the calf and the dancing: and Moses’ anger grew hot, and he threw the tablets out of his hands, and broke them beneath the mountain. 32:20 He took the calf which they had made, and burnt it with fire, ground it to powder, and scattered it on the water, and made the children of Israel drink of it.

32:21 Moses said to Aaron, “What did these people do to you, that you have brought a great sin on them?”

32:22 Aaron said, “Don’t let the anger of my lord grow hot. You know the people, that they are set on evil. 32:23 For they said to me, ‘Make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man who brought us up out of the land of Egypt, we don’t know what has become of him.’ 32:24 I said to them, ‘Whoever has any gold, let them take it off:’ so they gave it to me; and I threw it into the fire, and out came this calf.”

32:25 When Moses saw that the people had broken loose, (for Aaron had let them loose for a derision among their enemies), 32:26 then Moses stood in the gate of the camp, and said, “Whoever is on Yahweh’s side, come to me!”

All the sons of Levi gathered themselves together to him. 32:27 He said to them, “Thus says Yahweh, the God of Israel, ‘Every man put his sword on his thigh, and go back and forth from gate to gate throughout the camp, and every man kill his brother, and every man his companion, and every man his neighbor.’” 32:28 The sons of Levi did according to the word of Moses: and there fell of the people that day about three thousand men. 32:29 Moses said, “Consecrate yourselves today to Yahweh, yes, every man against his son, and against his brother; that he may bestow on you a blessing this day.”

32:30 It happened on the next day, that Moses said to the people, “You have sinned a great sin. Now I will go up to Yahweh. Perhaps I shall make atonement for your sin.”

32:31 Moses returned to Yahweh, and said, “Oh, this people have sinned a great sin, and have made themselves gods of gold. 32:32 Yet now, if you will, forgive their sin—and if not, please blot me out of your book which you have written.”

32:33 Yahweh said to Moses, “Whoever has sinned against me, him will I blot out of my book. 32:34 Now go, lead the people to the place of which I have spoken to you. Behold, my angel shall go before you. Nevertheless in the day when I punish, I will punish them for their sin.” 32:35 Yahweh struck the people, because they made the calf, which Aaron made.

 

Chapitre 32
1 Le peuple, voyant que Moïse tardait à descendre de la montagne, s'assembla autour d'Aaron, et lui dit: Allons! fais-nous un dieu qui marche devant nous, car ce Moïse, cet homme qui nous a fait sortir du pays d'Égypte, nous ne savons ce qu'il est devenu. 2 Aaron leur dit: Otez les anneaux d'or qui sont aux oreilles de vos femmes, de vos fils et de vos filles, et apportez-les-moi. 3 Et tous ôtèrent les anneaux d'or qui étaient à leurs oreilles, et ils les apportèrent à Aaron. 4 Il les reçut de leurs mains, jeta l'or dans un moule, et fit un veau en fonte. Et ils dirent: Israël! voici ton dieu, qui t'a fait sortir du pays d'Égypte. 5 Lorsqu'Aaron vit cela, il bâtit un autel devant lui, et il s'écria: Demain, il y aura fête en l'honneur de l'Éternel! 6 Le lendemain, ils se levèrent de bon matin, et ils offrirent des holocaustes et des sacrifices d'actions de grâces. Le peuple s'assit pour manger et pour boire; puis ils se levèrent pour se divertir. 7 L'Éternel dit à Moïse: Va, descends; car ton peuple, que tu as fait sortir du pays d'Égypte, s'est corrompu. 8 Ils se sont promptement écartés de la voie que je leur avais prescrite; ils se sont fait un veau en fonte, ils se sont prosternés devant lui, ils lui ont offert des sacrifices, et ils ont dit: Israël! voici ton dieu, qui t'a fait sortir du pays d'Égypte. 9 L'Éternel dit à Moïse: Je vois que ce peuple est un peuple au cou roide. 10 Maintenant laisse-moi; ma colère va s'enflammer contre eux, et je les consumerai; mais je ferai de toi une grande nation. 11 Moïse implora l'Éternel, son Dieu, et dit: Pourquoi, ô Éternel! ta colère s'enflammerait-elle contre ton peuple, que tu as fait sortir du pays d'Égypte par une grande puissance et par une main forte? 12 Pourquoi les Égyptiens diraient-ils: C'est pour leur malheur qu'il les a fait sortir, c'est pour les tuer dans les montagnes, et pour les exterminer de dessus la terre? Reviens de l'ardeur de ta colère, et repens-toi du mal que tu veux faire à ton peuple. 13 Souviens-toi d'Abraham, d'Isaac et d'Israël, tes serviteurs, auxquels tu as dit, en jurant par toi-même: Je multiplierai votre postérité comme les étoiles du ciel, je donnerai à vos descendants tout ce pays dont j'ai parlé, et ils le posséderont à jamais. 14 Et l'Éternel se repentit du mal qu'il avait déclaré vouloir faire à son peuple. 15 Moïse retourna et descendit de la montagne, les deux tables du témoignage dans sa main; les tables étaient écrites des deux côtés, elles étaient écrites de l'un et de l'autre côté. 16 Les tables étaient l'ouvrage de Dieu, et l'écriture était l'écriture de Dieu, gravée sur les tables. 17 Josué entendit la voix du peuple, qui poussait des cris, et il dit à Moïse: Il y a un cri de guerre dans le camp. 18 Moïse répondit: Ce n'est ni un cri de vainqueurs, ni un cri de vaincus; ce que j'entends, c'est la voix de gens qui chantent. 19 Et, comme il approchait du camp, il vit le veau et les danses. La colère de Moïse s'enflamma; il jeta de ses mains les tables, et les brisa au pied de la montagne. 20 Il prit le veau qu'ils avaient fait, et le brûla au feu; il le réduisit en poudre, répandit cette poudre à la surface de l'eau, et fit boire les enfants d'Israël. 21 Moïse dit à Aaron: Que t'a fait ce peuple, pour que tu l'aies laissé commettre un si grand péché? 22 Aaron répondit: Que la colère de mon seigneur ne s'enflamme point! Tu sais toi-même que ce peuple est porté au mal. 23 Ils m'ont dit: Fais-nous un dieu qui marche devant nous; car ce Moïse, cet homme qui nous a fait sortir du pays d'Égypte, nous ne savons ce qu'il est devenu. 24 Je leur ai dit: Que ceux qui ont de l'or, s'en dépouillent! Et ils me l'ont donné; je l'ai jeté au feu, et il en est sorti ce veau. 25 Moïse vit que le peuple était livré au désordre, et qu'Aaron l'avait laissé dans ce désordre, exposé à l'opprobre parmi ses ennemis. 26 Moïse se plaça à la porte du camp, et dit: A moi ceux qui sont pour l'Éternel! Et tous les enfants de Lévi s'assemblèrent auprès de lui. 27 Il leur dit: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Que chacun de vous mette son épée au côté; traversez et parcourez le camp d'une porte à l'autre, et que chacun tue son frère, son parent. 28 Les enfants de Lévi firent ce qu'ordonnait Moïse; et environ trois mille hommes parmi le peuple périrent en cette journée. 29 Moïse dit: Consacrez-vous aujourd'hui à l'Éternel, même en sacrifiant votre fils et votre frère, afin qu'il vous accorde aujourd'hui une bénédiction. 30 Le lendemain, Moïse dit au peuple: Vous avez commis un grand péché. Je vais maintenant monter vers l'Éternel: j'obtiendrai peut-être le pardon de votre péché. 31 Moïse retourna vers l'Éternel et dit: Ah! ce peuple a commis un grand péché. Ils se sont fait un dieu d'or. 32 Pardonne maintenant leur péché! Sinon, efface-moi de ton livre que tu as écrit. 33 L'Éternel dit à Moïse: C'est celui qui a péché contre moi que j'effacerai de mon livre. 34 Va donc, conduis le peuple où je t'ai dit. Voici, mon ange marchera devant toi, mais au jour de ma vengeance, je les punirai de leur péché. 35 L'Éternel frappa le peuple, parce qu'il avait fait le veau, fabriqué par Aaron.