T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 31

1 [Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda;

3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa:

4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina

5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.

6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:

7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.

8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra

9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.

10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,

11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.

12 [Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

13 Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.

14 Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.

16 Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.

17 Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.

18 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.

 

Chapitre 31

31:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 31:2 “Behold, I have called by name Bezalel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah: 31:3 and I have filled him with the Spirit of God, in wisdom, and in understanding, and in knowledge, and in all kinds of workmanship, 31:4 to devise skillful works, to work in gold, and in silver, and in brass, 31:5 and in cutting of stones for setting, and in carving of wood, to work in all kinds of workmanship. 31:6 I, behold, I have appointed with him Oholiab, the son of Ahisamach, of the tribe of Dan; and in the heart of all who are wise-hearted I have put wisdom, that they may make all that I have commanded you: 31:7 the Tent of Meeting, the ark of the testimony, the mercy seat that is on it, all the furniture of the Tent, 31:8 the table and its vessels, the pure lampstand with all its vessels, the altar of incense, 31:9 the altar of burnt offering with all its vessels, the basin and its base, 31:10 the finely worked garments—the holy garments for Aaron the priest—the garments of his sons to minister in the priest’s office, 31:11 the anointing oil, and the incense of sweet spices for the holy place: according to all that I have commanded you they shall do.”

31:12 Yahweh spoke to Moses, saying, 31:13 “Speak also to the children of Israel, saying, ‘Most certainly you shall keep my Sabbaths: for it is a sign between me and you throughout your generations; that you may know that I am Yahweh who sanctifies you. 31:14 You shall keep the Sabbath therefore; for it is holy to you. Everyone who profanes it shall surely be put to death; for whoever does any work therein, that soul shall be cut off from among his people. 31:15 Six days shall work be done, but on the seventh day is a Sabbath of solemn rest, holy to Yahweh. Whoever does any work on the Sabbath day shall surely be put to death. 31:16 Therefore the children of Israel shall keep the Sabbath, to observe the Sabbath throughout their generations, for a perpetual covenant. 31:17 It is a sign between me and the children of Israel forever; for in six days Yahweh made heaven and earth, and on the seventh day he rested, and was refreshed.’”

31:18 He gave to Moses, when he finished speaking with him on Mount Sinai, the two tablets of the testimony, stone tablets, written with God’s finger.

 

Chapitre 31
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Sache que j'ai choisi Betsaleel, fils d'Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda. 3 Je l'ai rempli de l'Esprit de Dieu, de sagesse, d'intelligence, et de savoir pour toutes sortes d'ouvrages, 4 je l'ai rendu capable de faire des inventions, de travailler l'or, l'argent et l'airain, 5 de graver les pierres à enchâsser, de travailler le bois, et d'exécuter toutes sortes d'ouvrages. 6 Et voici, je lui ai donné pour aide Oholiab, fils d'Ahisamac, de la tribu de Dan. J'ai mis de l'intelligence dans l'esprit de tous ceux qui sont habiles, pour qu'ils fassent tout ce que je t'ai ordonné: 7 la tente d'assignation, l'arche du témoignage, le propitiatoire qui sera dessus, et tous les ustensiles de la tente; 8 la table et ses ustensiles, le chandelier d'or pur et tous ses ustensiles, (31:9) l'autel des parfums; 9 l'autel des holocaustes et tous ses ustensiles, la cuve avec sa base; 10 les vêtements d'office, les vêtements sacrés pour le sacrificateur Aaron, les vêtements de ses fils pour les fonctions du sacerdoce; 11 l'huile d'onction, et le parfum odoriférant pour le sanctuaire. Ils se conformeront à tous les ordres que j'ai donnés. 12 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 13 Parle aux enfants d'Israël, et dis-leur: Vous ne manquerez pas d'observer mes sabbats, car ce sera entre moi et vous, et parmi vos descendants, un signe auquel on connaîtra que je suis l'Éternel qui vous sanctifie. 14 Vous observerez le sabbat, car il sera pour vous une chose sainte. Celui qui le profanera, sera puni de mort; celui qui fera quelque ouvrage ce jour-là, sera retranché du milieu de son peuple. 15 On travaillera six jours; mais le septième jour est le sabbat, le jour du repos, consacré à l'Éternel. Celui qui fera quelque ouvrage le jour du sabbat, sera puni de mort. 16 Les enfants d'Israël observeront le sabbat, en le célébrant, eux et leurs descendants, comme une alliance perpétuelle. 17 Ce sera entre moi et les enfants d'Israël un signe qui devra durer à perpétuité; car en six jours l'Éternel a fait les cieux et la terre, et le septième jour il a cessé son oeuvre et il s'est reposé. 18 Lorsque l'Éternel eut achevé de parler à Moïse sur la montagne de Sinaï, il lui donna les deux tables du témoignage, tables de pierre, écrites du doigt de Dieu.