T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.

2 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.

3 Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.

4 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.

5 Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.

6 Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.

7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;

8 dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

9 Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.

10 Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.

11 Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?

12 Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

13 Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?

14 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

16 Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;

17 ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.

18 Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.

19 Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin'ny tanana mahery aza.

20 Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.

21 Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;

22 fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.

 

Chapitre 3

3:1 Now Moses was keeping the flock of Jethro, his father-in-law, the priest of Midian, and he led the flock to the back of the wilderness, and came to God’s mountain, to Horeb. 3:2 The angel of Yahweh appeared to him in a flame of fire out of the midst of a bush. He looked, and behold, the bush burned with fire, and the bush was not consumed. 3:3 Moses said, “I will turn aside now, and see this great sight, why the bush is not burnt.”

3:4 When Yahweh saw that he turned aside to see, God called to him out of the midst of the bush, and said, “Moses! Moses!”

He said, “Here I am.”

3:5 He said, “Don’t come close. Take your sandals off of your feet, for the place you are standing on is holy ground.” 3:6 Moreover he said, “I am the God of your father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob.”

Moses hid his face; for he was afraid to look at God.

3:7 Yahweh said, “I have surely seen the affliction of my people who are in Egypt, and have heard their cry because of their taskmasters, for I know their sorrows. 3:8 I have come down to deliver them out of the hand of the Egyptians, and to bring them up out of that land to a good and large land, to a land flowing with milk and honey; to the place of the Canaanite, the Hittite, the Amorite, the Perizzite, the Hivite, and the Jebusite. 3:9 Now, behold, the cry of the children of Israel has come to me. Moreover I have seen the oppression with which the Egyptians oppress them. 3:10 Come now therefore, and I will send you to Pharaoh, that you may bring my people, the children of Israel, out of Egypt.”

3:11 Moses said to God, “Who am I, that I should go to Pharaoh, and that I should bring the children of Israel out of Egypt?”

3:12 He said, “Certainly I will be with you. This will be the token to you, that I have sent you: when you have brought the people out of Egypt, you shall serve God on this mountain.”

3:13 Moses said to God, “Behold, when I come to the children of Israel, and tell them, ‘The God of your fathers has sent me to you;’ and they ask me, ‘What is his name?’ What should I tell them?”

3:14 God said to Moses, “I AM WHO I AM,” and he said, “You shall tell the children of Israel this: ‘I AM has sent me to you.’” 3:15 God said moreover to Moses, “You shall tell the children of Israel this, ‘Yahweh, the God of your fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, has sent me to you.’ This is my name forever, and this is my memorial to all generations. 3:16 Go, and gather the elders of Israel together, and tell them, ‘Yahweh, the God of your fathers, the God of Abraham, of Isaac, and of Jacob, has appeared to me, saying, “I have surely visited you, and seen that which is done to you in Egypt; 3:17 and I have said, I will bring you up out of the affliction of Egypt to the land of the Canaanite, the Hittite, the Amorite, the Perizzite, the Hivite, and the Jebusite, to a land flowing with milk and honey.”’ 3:18 They will listen to your voice, and you shall come, you and the elders of Israel, to the king of Egypt, and you shall tell him, ‘Yahweh, the God of the Hebrews, has met with us. Now please let us go three days’ journey into the wilderness, that we may sacrifice to Yahweh, our God.’ 3:19 I know that the king of Egypt won’t give you permission to go, no, not by a mighty hand. 3:20 I will reach out my hand and strike Egypt with all my wonders which I will do in its midst, and after that he will let you go. 3:21 I will give this people favor in the sight of the Egyptians, and it will happen that when you go, you shall not go empty-handed. 3:22 But every woman shall ask of her neighbor, and of her who visits her house, jewels of silver, jewels of gold, and clothing; and you shall put them on your sons, and on your daughters. You shall plunder the Egyptians.”

 

Chapitre 3
1 Moïse faisait paître le troupeau de Jéthro, son beau-père, sacrificateur de Madian; et il mena le troupeau derrière le désert, et vint à la montagne de Dieu, à Horeb. 2 L'ange de l'Éternel lui apparut dans une flamme de feu, au milieu d'un buisson. Moïse regarda; et voici, le buisson était tout en feu, et le buisson ne se consumait point. 3 Moïse dit: Je veux me détourner pour voir quelle est cette grande vision, et pourquoi le buisson ne se consume point. 4 L'Éternel vit qu'il se détournait pour voir; et Dieu l'appela du milieu du buisson, et dit: Moïse! Moïse! Et il répondit: Me voici! 5 Dieu dit: N'approche pas d'ici, ôte tes souliers de tes pieds, car le lieu sur lequel tu te tiens est une terre sainte. 6 Et il ajouta: Je suis le Dieu de ton père, le Dieu d'Abraham, le Dieu d'Isaac et le Dieu de Jacob. Moïse se cacha le visage, car il craignait de regarder Dieu. 7 L'Éternel dit: J'ai vu la souffrance de mon peuple qui est en Égypte, et j'ai entendu les cris que lui font pousser ses oppresseurs, car je connais ses douleurs. 8 Je suis descendu pour le délivrer de la main des Égyptiens, et pour le faire monter de ce pays dans un bon et vaste pays, dans un pays où coulent le lait et le miel, dans les lieux qu'habitent les Cananéens, les Héthiens, les Amoréens, les Phéréziens, les Héviens et les Jébusiens. 9 Voici, les cris d'Israël sont venus jusqu'à moi, et j'ai vu l'oppression que leur font souffrir les Égyptiens. 10 Maintenant, va, je t'enverrai auprès de Pharaon, et tu feras sortir d'Égypte mon peuple, les enfants d'Israël. 11 Moïse dit à Dieu: Qui suis-je, pour aller vers Pharaon, et pour faire sortir d'Égypte les enfants d'Israël? 12 Dieu dit: Je serai avec toi; et ceci sera pour toi le signe que c'est moi qui t'envoie: quand tu auras fait sortir d'Égypte le peuple, vous servirez Dieu sur cette montagne. 13 Moïse dit à Dieu: J'irai donc vers les enfants d'Israël, et je leur dirai: Le Dieu de vos pères m'envoie vers vous. Mais, s'ils me demandent quel est son nom, que leur répondrai-je? 14 Dieu dit à Moïse: Je suis celui qui suis. Et il ajouta: C'est ainsi que tu répondras aux enfants d'Israël: Celui qui s'appelle "je suis"m'a envoyé vers vous. 15 Dieu dit encore à Moïse: Tu parleras ainsi aux enfants d'Israël: L'Éternel, le Dieu de vos pères, le Dieu d'Abraham, le Dieu d'Isaac et le Dieu de Jacob, m'envoie vers vous. Voilà mon nom pour l'éternité, voilà mon nom de génération en génération. 16 Va, rassemble les anciens d'Israël, et dis-leur: L'Éternel, le Dieu de vos pères, m'est apparu, le Dieu d'Abraham, d'Isaac et de Jacob. Il a dit: Je vous ai vus, et j'ai vu ce qu'on vous fait en Égypte, 17 et j'ai dit: Je vous ferai monter de l'Égypte, où vous souffrez, dans le pays des Cananéens, des Héthiens, des Amoréens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens, dans un pays où coulent le lait et le miel. 18 Ils écouteront ta voix; et tu iras, toi et les anciens d'Israël, auprès du roi d'Égypte, et vous lui direz: L'Éternel, le Dieu des Hébreux, nous est apparu. Permets-nous de faire trois journées de marche dans le désert, pour offrir des sacrifices à l'Éternel, notre Dieu. 19 Je sais que le roi d'Égypte ne vous laissera point aller, si ce n'est par une main puissante. 20 J'étendrai ma main, et je frapperai l'Égypte par toutes sortes de prodiges que je ferai au milieu d'elle. Après quoi, il vous laissera aller. 21 Je ferai même trouver grâce à ce peuple aux yeux des Égyptiens, et quand vous partirez, vous ne partirez point à vide. 22 Chaque femme demandera à sa voisine et à celle qui demeure dans sa maison des vases d'argent, des vases d'or, et des vêtements, que vous mettrez sur vos fils et vos filles. Et vous dépouillerez les Égyptiens.