T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 29

1 [Ny amin'ny fanokanana ny mpisorona] Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,

2 ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.

3 Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.

4 Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy

5 Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;

6 ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama.

7 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy.

8 Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.

9 Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.

10 Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;

11 dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;

12 ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;

13 ary alao ny safo-drorohany re­hetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara;

14 fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.

15 Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;

16 dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;

17 ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;

18 ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

19 Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;

20 dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara

21 Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.

22 Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;

23 ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;

24 ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.

25 Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.

26 Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.

27 Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.

28 Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.

29 Ary ny fitafiana masina izay an'i Arona dia ho an'ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.

30 Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.

31 Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany

32 Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.

33 Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.

34 Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.

35 Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.

36 Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.

37 Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.

38 [Ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva] Ary izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan'andro isan'andro

39 (ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),

40 ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.

41 Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.

42 Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao

43 Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy.

44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.

45 Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.

46 Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.

 

Chapitre 29

29:1 “This is the thing that you shall do to them to make them holy, to minister to me in the priest’s office: take one young bull and two rams without blemish, 29:2 unleavened bread, unleavened cakes mixed with oil, and unleavened wafers anointed with oil: you shall make them of fine wheat flour. 29:3 You shall put them into one basket, and bring them in the basket, with the bull and the two rams. 29:4 You shall bring Aaron and his sons to the door of the Tent of Meeting, and shall wash them with water. 29:5 You shall take the garments, and put on Aaron the coat, the robe of the ephod, the ephod, and the breastplate, and clothe him with the skillfully woven band of the ephod; 29:6 and you shall set the turban on his head, and put the holy crown on the turban. 29:7 Then you shall take the anointing oil, and pour it on his head, and anoint him. 29:8 You shall bring his sons, and put coats on them. 29:9 You shall clothe the

m with belts, Aaron and his sons, and bind headbands on them: and they shall have the priesthood by a perpetual statute: and you shall consecrate Aaron and his sons.

29:10 “You shall bring the bull before the Tent of Meeting: and Aaron and his sons shall lay their hands on the head of the bull. 29:11 You shall kill the bull before Yahweh, at the door of the Tent of Meeting. 29:12 You shall take of the blood of the bull, and put it on the horns of the altar with your finger; and you shall pour out all the blood at the base of the altar. 29:13 You shall take all the fat that covers the innards, the cover of the liver, the two kidneys, and the fat that is on them, and burn them on the altar. 29:14 But the flesh of the bull, and its skin, and its dung, you shall burn with fire outside of the camp: it is a sin offering.

29:15 “You shall also take the one ram; and Aaron and his sons shall lay their hands on the head of the ram. 29:16 You shall kill the ram, and you shall take its blood, and sprinkle it around on the altar. 29:17 You shall cut the ram into its pieces, and wash its innards, and its legs, and put them with its pieces, and with its head. 29:18 You shall burn the whole ram on the altar: it is a burnt offering to Yahweh; it is a pleasant aroma, an offering made by fire to Yahweh.

29:19 “You shall take the other ram; and Aaron and his sons shall lay their hands on the head of the ram. 29:20 Then you shall kill the ram, and take some of its blood, and put it on the tip of the right ear of Aaron, and on the tip of the right ear of his sons, and on the thumb of their right hand, and on the big toe of their right foot, and sprinkle the blood around on the altar. 29:21 You shall take of the blood that is on the altar, and of the anointing oil, and sprinkle it on Aaron, and on his garments, and on his sons, and on the garments of his sons with him: and he shall be made holy, and his garments, and his sons, and his sons’ garments with him. 29:22 Also you shall take some of the ram’s fat, the fat tail, the fat that covers the innards, the cover of the liver, the two kidneys, the fat that is on them, and the right thigh (for it is a ram of consecration), 29:23 and one loaf of bread, one cake of oiled bread, and one wafer out of the basket of unleavened bread that is before Yahweh. 29:24 You shall put all of this in Aaron’s hands, and in his sons’ hands, and shall wave them for a wave offering before Yahweh. 29:25 You shall take them from their hands, and burn them on the altar on the burnt offering, for a pleasant aroma before Yahweh: it is an offering made by fire to Yahweh.

29:26 “You shall take the breast of Aaron’s ram of consecration, and wave it for a wave offering before Yahweh: and it shall be your portion. 29:27 You shall sanctify the breast of the wave offering, and the thigh of the wave offering, which is waved, and which is heaved up, of the ram of consecration, even of that which is for Aaron, and of that which is for his sons: 29:28 and it shall be for Aaron and his sons as their portion forever from the children of Israel; for it is a wave offering: and it shall be a wave offering from the children of Israel of the sacrifices of their peace offerings, even their wave offering to Yahweh.

29:29 “The holy garments of Aaron shall be for his sons after him, to be anointed in them, and to be consecrated in them. 29:30 Seven days shall the son who is priest in his place put them on, when he comes into the Tent of Meeting to minister in the holy place.

29:31 “You shall take the ram of consecration, and boil its flesh in a holy place. 29:32 Aaron and his sons shall eat the flesh of the ram, and the bread that is in the basket, at the door of the Tent of Meeting. 29:33 They shall eat those things with which atonement was made, to consecrate and sanctify them: but a stranger shall not eat of it, because they are holy. 29:34 If anything of the flesh of the consecration, or of the bread, remains to the morning, then you shall burn the remainder with fire: it shall not be eaten, because it is holy.

29:35 “You shall do so to Aaron, and to his sons, according to all that I have commanded you. You shall consecrate them seven days. 29:36 Every day you shall offer the bull of sin offering for atonement: and you shall cleanse the altar, when you make atonement for it; and you shall anoint it, to sanctify it. 29:37 Seven days you shall make atonement for the altar, and sanctify it: and the altar shall be most holy; whatever touches the altar shall be holy.

29:38 “Now this is that which you shall offer on the altar: two lambs a year old day by day continually. 29:39 The one lamb you shall offer in the morning; and the other lamb you shall offer at evening: 29:40 and with the one lamb a tenth part of an ephah of fine flour mixed with the fourth part of a hin of beaten oil, and the fourth part of a hin of wine for a drink offering. 29:41 The other lamb you shall offer at evening, and shall do to it according to the meal offering of the morning, and according to its drink offering, for a pleasant aroma, an offering made by fire to Yahweh. 29:42 It shall be a continual burnt offering throughout your generations at the door of the Tent of Meeting before Yahweh, where I will meet with you, to speak there to you. 29:43 There I will meet with the children of Israel; and the place shall be sanctified by my glory. 29:44 I will sanctify the Tent of Meeting and the altar: Aaron also and his sons I will sanctify, to minister to me in the priest’s office. 29:45 I will dwell among the children of Israel, and will be their God. 29:46 They shall know that I am Yahweh their God, who brought them forth out of the land of Egypt, that I might dwell among them: I am Yahweh their God.

 

Chapitre 29
1 Voici ce que tu feras pour les sanctifier, afin qu'ils soient à mon service dans le sacerdoce. Prends un jeune taureau et deux béliers sans défaut. 2 Fais, avec de la fleur de farine de froment, des pains sans levain, des gâteaux sans levain pétris à l'huile, et des galettes sans levain arrosées d'huile. 3 Tu les mettras dans une corbeille, en offrant le jeune taureau et les deux béliers. 4 Tu feras avancer Aaron et ses fils vers l'entrée de la tente d'assignation, et tu les laveras avec de l'eau. 5 Tu prendras les vêtements; tu revêtiras Aaron de la tunique, de la robe de l'éphod, de l'éphod et du pectoral, et tu mettras sur lui la ceinture de l'éphod. 6 Tu poseras la tiare sur sa tête, et tu placeras le diadème de sainteté sur la tiare. 7 Tu prendras l'huile d'onction, tu en répandras sur sa tête, et tu l'oindras. 8 Tu feras approcher ses fils, et tu les revêtiras des tuniques. 9 Tu mettras une ceinture à Aaron et à ses fils, et tu attacheras des bonnets aux fils d'Aaron. Le sacerdoce leur appartiendra par une loi perpétuelle. Tu consacreras donc Aaron et ses fils. 10 Tu amèneras le taureau devant la tente d'assignation, et Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du taureau. 11 Tu égorgeras le taureau devant l'Éternel, à l'entrée de la tente d'assignation. 12 Tu prendras du sang du taureau, tu en mettras avec ton doigt sur les cornes de l'autel, et tu répandras tout le sang au pied de l'autel. 13 Tu prendras toute la graisse qui couvre les entrailles, le grand lobe du foie, les deux rognons et la graisse qui les entoure, et tu brûleras cela sur l'autel. 14 Mais tu brûleras au feu hors du camp la chair du taureau, sa peau et ses excréments: c'est un sacrifice pour le péché. 15 Tu prendras l'un des béliers, et Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du bélier. 16 Tu égorgeras le bélier; tu en prendras le sang, et tu le répandras sur l'autel tout autour. 17 Tu couperas le bélier par morceaux, et tu laveras les entrailles et les jambes, que tu mettras sur les morceaux et sur sa tête. 18 Tu brûleras tout le bélier sur l'autel; c'est un holocauste à l'Éternel, c'est un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 19 Tu prendras l'autre bélier, et Aaron et ses fils poseront leurs mains sur la tête du bélier. 20 Tu égorgeras le bélier; tu prendras de son sang, tu en mettras sur le lobe de l'oreille droite d'Aaron et sur le lobe de l'oreille droite de ses fils, sur le pouce de leur main droite et sur le gros orteil de leur pied droit, et tu répandras le sang sur l'autel tout autour. 21 Tu prendras du sang qui sera sur l'autel et de l'huile d'onction, et tu en feras l'aspersion sur Aaron et sur ses vêtements, sur ses fils et sur leurs vêtements. Ainsi seront consacrés Aaron et ses vêtements, ses fils et leurs vêtements. 22 Tu prendras la graisse du bélier, la queue, la graisse qui couvre les entrailles, le grand lobe du foie, les deux rognons et la graisse qui les entoure, et l'épaule droite, car c'est un bélier de consécration; 23 tu prendras aussi dans la corbeille de pains sans levain, placée devant l'Éternel, un gâteau de pain, un gâteau à l'huile et une galette. 24 Tu mettras toutes ces choses sur les mains d'Aaron et sur les mains de ses fils, et tu les agiteras de côté et d'autre devant l'Éternel. 25 Tu les ôteras ensuite de leurs mains, et tu les brûleras sur l'autel, par-dessus l'holocauste; c'est un sacrifice consumé par le feu devant l'Éternel, d'une agréable odeur à l'Éternel. 26 Tu prendras la poitrine du bélier qui aura servi à la consécration d'Aaron, et tu l'agiteras de côté et d'autre devant l'Éternel: ce sera ta portion. 27 Tu sanctifieras la poitrine et l'épaule du bélier qui aura servi à la consécration d'Aaron et de ses fils, la poitrine en l'agitant de côté et d'autre, l'épaule en la présentant par élévation. 28 Elles appartiendront à Aaron et à ses fils, par une loi perpétuelle qu'observeront les enfants d'Israël, car c'est une offrande par élévation; et, dans les sacrifices d'actions de grâces des enfants d'Israël, l'offrande par élévation sera pour l'Éternel. 29 Les vêtements sacrés d'Aaron seront après lui pour ses fils, qui les mettront lorsqu'on les oindra et qu'on les consacrera. 30 Ils seront portés pendant sept jours par celui de ses fils qui lui succédera dans le sacerdoce, et qui entrera dans la tente d'assignation, pour faire le service dans le sanctuaire. 31 Tu prendras le bélier de consécration, et tu en feras cuire la chair dans un lieu saint. 32 Aaron et ses fils mangeront, à l'entrée de la tente d'assignation, la chair du bélier et le pain qui sera dans la corbeille. 33 Ils mangeront ainsi ce qui aura servi d'expiation afin qu'ils fussent consacrés et sanctifiés; nul étranger n'en mangera, car ce sont des choses saintes. 34 S'il reste de la chair de consécration et du pain jusqu'au matin, tu brûleras dans le feu ce qui restera; on ne le mangera point, car c'est une chose sainte. 35 Tu suivras à l'égard d'Aaron et de ses fils tous les ordres que je t'ai donnés. Tu emploieras sept jours à les consacrer. 36 Tu offriras chaque jour un taureau en sacrifice pour le péché, pour l'expiation; tu purifieras l'autel par cette expiation, et tu l'oindras pour le sanctifier. 37 Pendant sept jours, tu feras des expiations sur l'autel, et tu le sanctifieras; et l'autel sera très saint, et tout ce qui touchera l'autel sera sanctifié. 38 Voici ce que tu offriras sur l'autel: deux agneaux d'un an, chaque jour, à perpétuité. 39 Tu offriras l'un des agneaux le matin, et l'autre agneau entre les deux soirs. 40 Tu offriras, avec le premier agneau, un dixième d'épha de fleur de farine pétrie dans un quart de hin d'huile d'olives concassées, et une libation d'un quart de hin de vin. 41 Tu offriras le second agneau entre les deux soirs, avec une offrande et une libation semblables à celles du matin; c'est un sacrifice consumé par le feu, d'une agréable odeur à l'Éternel. 42 Voilà l'holocauste perpétuel qui sera offert par vos descendants, à l'entrée de la tente d'assignation, devant l'Éternel: c'est là que je me rencontrerai avec vous, et que je te parlerai. 43 Je me rencontrerai là avec les enfants d'Israël, et ce lieu sera sanctifié par ma gloire. 44 Je sanctifierai la tente d'assignation et l'autel; je sanctifierai Aaron et ses fils, pour qu'ils soient à mon service dans le sacerdoce. 45 J'habiterai au milieu des enfants d'Israël, et je serai leur Dieu. 46 Ils connaîtront que je suis l'Éternel, leur Dieu, qui les ai fait sortir du pays d'Égypte, pour habiter au milieu d'eux. Je suis l'Éternel, leur Dieu.