T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.

2 Ary manaova ny tandrony eo amin'ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.

3 Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.

4 Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,

5 Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.

6 Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,

7 Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,

8 Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.

9 Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;

10 ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,

11 Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,

12 Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,

13 Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.

14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.

15 Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.

16 Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.

17 Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,

18 Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.

20 Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.

21 Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,

 

Chapitre 27

27:1 “You shall make the altar of acacia wood, five cubits long, and five cubits broad; the altar shall be foursquare: and its height shall be three cubits. 27:2 You shall make its horns on its four corners; its horns shall be of one piece with it; and you shall overlay it with brass. 27:3 You shall make its pots to take away its ashes, its shovels, its basins, its flesh hooks, and its fire pans: all its vessels you shall make of brass. 27:4 You shall make a grating for it of network of brass: and on the net you shall make four bronze rings in its four corners. 27:5 You shall put it under the ledge around the altar beneath, that the net may reach halfway up the altar. 27:6 You shall make poles for the altar, poles of acacia wood, and overlay them with brass. 27:7 Its poles shall be put into the rings, and the poles shall be on the two sides of the altar, when carrying it. 27:8 You shall make it with hollow planks. They shall make it as it has been shown you on the mountain.

27:9 “You shall make the court of the tabernacle: for the south side southward there shall be hangings for the court of fine twined linen one hundred cubits long for one side: 27:10 and its pillars shall be twenty, and their sockets twenty, of brass; the hooks of the pillars and their fillets shall be of silver. 27:11 Likewise for the north side in length there shall be hangings one hundred cubits long, and its pillars twenty, and their sockets twenty, of brass; the hooks of the pillars, and their fillets, of silver. 27:12 For the breadth of the court on the west side shall be hangings of fifty cubits; their pillars ten, and their sockets ten. 27:13 The breadth of the court on the east side eastward shall be fifty cubits. 27:14 The hangings for the one side of the gate shall be fifteen cubits; their pillars three, and their sockets three. 27:15 For the other side shall be hangings of fifteen cubits; their pillars three, and their sockets three. 27:16 For the gate of the court shall be a screen of twenty cubits, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, the work of the embroiderer; their pillars four, and their sockets four. 27:17 All the pillars of the court around shall be filleted with silver; their hooks of silver, and their sockets of brass. 27:18 The length of the court shall be one hundred cubits, and the breadth fifty every where, and the height five cubits, of fine twined linen, and their sockets of brass. 27:19 All the instruments of the tabernacle in all its service, and all its pins, and all the pins of the court, shall be of brass.

27:20 “You shall command the children of Israel, that they bring to you pure olive oil beaten for the light, to cause a lamp to burn continually. 27:21 In the Tent of Meeting, outside the veil which is before the testimony, Aaron and his sons shall keep it in order from evening to morning before Yahweh: it shall be a statute forever throughout their generations on the behalf of the children of Israel.

 

Chapitre 27
1 Tu feras l'autel de bois d'acacia; sa longueur sera de cinq coudées, et sa largeur de cinq coudées. L'autel sera carré, et sa hauteur sera de trois coudées. 2 Tu feras, aux quatre coins, des cornes qui sortiront de l'autel; et tu le couvriras d'airain. 3 Tu feras pour l'autel des cendriers, des pelles, des bassins, des fourchettes et des brasiers; tu feras d'airain tous ses ustensiles. 4 Tu feras à l'autel une grille d'airain, en forme de treillis, et tu mettras quatre anneaux d'airain aux quatre coins du treillis. 5 Tu le placeras au-dessous du rebord de l'autel, à partir du bas, jusqu'à la moitié de la hauteur de l'autel. 6 Tu feras des barres pour l'autel, des barres de bois d'acacia, et tu les couvriras d'airain. 7 On passera les barres dans les anneaux; et les barres seront aux deux côtés de l'autel, quand on le portera. 8 Tu le feras creux, avec des planches; il sera fait tel qu'il t'est montré sur la montagne. 9 Tu feras le parvis du tabernacle. Du côté du midi, il y aura, pour former le parvis, des toiles de fin lin retors, sur une longueur de cent coudées pour ce premier côté, 10 avec vingt colonnes posant sur vingt bases d'airain; les crochets des colonnes et leurs tringles seront d'argent. 11 Du côté du nord, il y aura également des toiles sur une longueur de cent coudées, avec vingt colonnes et leurs vingt bases d'airain; les crochets des colonnes et leurs tringles seront d'argent. 12 Du côté de l'occident, il y aura pour la largeur du parvis cinquante coudées de toiles, avec dix colonnes et leurs dix bases. 13 Du côté de l'orient, sur les cinquante coudées de largeur du parvis, 14 il y aura quinze coudées de toiles pour une aile, avec trois colonnes et leurs trois bases, 15 et quinze coudées de toiles pour la seconde aile, avec trois colonnes et leurs trois bases. 16 Pour la porte du parvis il y aura un rideau de vingt coudées, bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors, en ouvrage de broderie, avec quatre colonnes et leurs quatre bases. 17 Toutes les colonnes formant l'enceinte du parvis auront des tringles d'argent, des crochets d'argent, et des bases d'airain. 18 La longueur du parvis sera de cent coudées, sa largeur de cinquante de chaque côté, et sa hauteur de cinq coudées; les toiles seront de fin lin retors, et les bases d'airain. 19 Tous les ustensiles destinés au service du tabernacle, tous ses pieux, et tous les pieux du parvis, seront d'airain. 20 Tu ordonneras aux enfants d'Israël de t'apporter pour le chandelier de l'huile pure d'olives concassées, afin d'entretenir les lampes continuellement. 21 C'est dans la tente d'assignation, en dehors du voile qui est devant le témoignage, qu'Aaron et ses fils la prépareront, pour que les lampes brûlent du soir au matin en présence de l'Éternel. C'est une loi perpétuelle pour leurs descendants, et que devront observer les enfants d'Israël.