T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 26

1 Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.

2 Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.

3 Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.

4 Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.

5 Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.

6 Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.

 

7 Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy.

8 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.

9 Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana.

10 Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.

11 Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.

12 Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely.

13 Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy.

 

14 Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.

 

15 Ary manaova zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely.

16 Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.

17 Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely.

18 Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.

19 Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.

20 Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.

21 Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

22 Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.

23 Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho.

24 Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.

25 Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,

27 sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.

28 Ary ny barany afovoany, izay afovoan'ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.

29 Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.

30 Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.

31 Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.

32 Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.

33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.

34 Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra.

35 Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra.

36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.

37 Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.

 

Chapitre 26

26:1 “Moreover you shall make the tabernacle with ten curtains; of fine twined linen, and blue, and purple, and scarlet, with cherubim. The work of the skillful workman you shall make them. 26:2 The length of each curtain shall be twenty-eight cubits, and the breadth of each curtain four cubits: all the curtains shall have one measure. 26:3 Five curtains shall be coupled together one to another; and the other five curtains shall be coupled one to another. 26:4 You shall make loops of blue on the edge of the one curtain from the edge in the coupling; and likewise you shall make in the edge of the curtain that is outmost in the second coupling. 26:5 You shall make fifty loops in the one curtain, and you shall make fifty loops in the edge of the curtain that is in the second coupling. The loops shall be opposite one to another. 26:6 You shall make fifty clasps of gold, and couple the curtains one to another with the clasps: and the tabernacle shall be a unit.

26:7 “You shall make curtains of goats’ hair for a covering over the tabernacle. You shall make them eleven curtains. 26:8 The length of each curtain shall be thirty cubits, and the breadth of each curtain four cubits: the eleven curtains shall have one measure. 26:9 You shall couple five curtains by themselves, and six curtains by themselves, and shall double over the sixth curtain in the forefront of the tent. 26:10 You shall make fifty loops on the edge of the one curtain that is outmost in the coupling, and fifty loops on the edge of the curtain which is outmost in the second coupling. 26:11 You shall make fifty clasps of brass, and put the clasps into the loops, and couple the tent together, that it may be one. 26:12 The overhanging part that remains of the curtains of the tent, the half curtain that remains, shall hang over the back of the tabernacle. 26:13 The cubit on the one side, and the cubit on the other side, of that which remains in the length of the curtains of the tent, shall hang over the sides of the tabernacle on this side and on that side, to cover it. 26:14 You shall make a covering for the tent of rams’ skins dyed red, and a covering of sea cow hides above.

26:15 “You shall make the boards for the tabernacle of acacia wood, standing up. 26:16 Ten cubits shall be the length of a board, and one and a half cubits the breadth of each board. 26:17 There shall be two tenons in each board, joined to one another: thus you shall make for all the boards of the tabernacle. 26:18 You shall make the boards for the tabernacle, twenty boards for the south side southward. 26:19 You shall make forty sockets of silver under the twenty boards; two sockets under one board for its two tenons, and two sockets under another board for its two tenons. 26:20 For the second side of the tabernacle, on the north side, twenty boards, 26:21 and their forty sockets of silver; two sockets under one board, and two sockets under another board. 26:22 For the far part of the tabernacle westward you shall make six boards. 26:23 You shall make two boards for the corners of the tabernacle in the far part. 26:24 They shall be double beneath, and in the same way they shall be whole to its top to one ring: thus shall it be for them both; they shall be for the two corners. 26:25 There shall be eight boards, and their sockets of silver, sixteen sockets; two sockets under one board, and two sockets under another board.

26:26 “You shall make bars of acacia wood: five for the boards of the one side of the tabernacle, 26:27 and five bars for the boards of the other side of the tabernacle, and five bars for the boards of the side of the tabernacle, for the far part westward. 26:28 The middle bar in the midst of the boards shall pass through from end to end. 26:29 You shall overlay the boards with gold, and make their rings of gold for places for the bars: and you shall overlay the bars with gold. 26:30 You shall set up the tabernacle according to the way that it was shown to you on the mountain.

26:31 “You shall make a veil of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, with cherubim. The work of the skillful workman shall it be made. 26:32 You shall hang it on four pillars of acacia overlaid with gold; their hooks shall be of gold, on four sockets of silver. 26:33 You shall hang up the veil under the clasps, and shall bring the ark of the testimony in there within the veil: and the veil shall separate the holy place from the most holy for you. 26:34 You shall put the mercy seat on the ark of the testimony in the most holy place. 26:35 You shall set the table outside the veil, and the lampstand over against the table on the side of the tabernacle toward the south: and you shall put the table on the north side.

26:36 “You shall make a screen for the door of the Tent, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, the work of the embroiderer. 26:37 You shall make for the screen five pillars of acacia, and overlay them with gold: their hooks shall be of gold: and you shall cast five sockets of brass for them.

 

Chapitre 26
1 Tu feras le tabernacle de dix tapis de fin lin retors, et d'étoffes teintes en bleu, en pourpre et en cramoisi; tu y représenteras des chérubins artistement travaillés. 2 La longueur d'un tapis sera de vingt-huit coudées, et la largeur d'un tapis sera de quatre coudées; la mesure sera la même pour tous les tapis. 3 Cinq de ces tapis seront joints ensemble; les cinq autres seront aussi joints ensemble. 4 Tu feras des lacets bleus au bord du tapis terminant le premier assemblage; et tu feras de même au bord du tapis terminant le second assemblage. 5 Tu mettras cinquante lacets au premier tapis, et tu mettras cinquante lacets au bord du tapis terminant le second assemblage; ces lacets se correspondront les uns aux autres. 6 Tu feras cinquante agrafes d'or, et tu joindras les tapis l'un à l'autre avec les agrafes. Et le tabernacle formera un tout. 7 Tu feras des tapis de poil de chèvre, pour servir de tente sur le tabernacle; tu feras onze de ces tapis. 8 La longueur d'un tapis sera de trente coudées, et la largeur d'un tapis sera de quatre coudées; la mesure sera la même pour les onze tapis. 9 Tu joindras séparément cinq de ces tapis, et les six autres séparément, et tu redoubleras le sixième tapis sur le devant de la tente. 10 Tu mettras cinquante lacets au bord du tapis terminant le premier assemblage, et cinquante lacets au bord du tapis du second assemblage. 11 Tu feras cinquante agrafes d'airain, et tu feras entrer les agrafes dans les lacets. Tu assembleras ainsi la tente, qui fera un tout. 12 Comme il y aura du surplus dans les tapis de la tente, la moitié du tapis de reste retombera sur le derrière du tabernacle; 13 la coudée d'une part, et la coudée d'autre part, qui seront de reste sur la longueur des tapis de la tente, retomberont sur les deux côtés du tabernacle, pour le couvrir. 14 Tu feras pour la tente une couverture de peaux de béliers teintes en rouge, et une couverture de peaux de dauphins par-dessus. 15 Tu feras des planches pour le tabernacle; elles seront de bois d'acacia, placées debout. 16 La longueur d'une planche sera de dix coudées, et la largeur d'une planche sera d'une coudée et demie. 17 Il y aura à chaque planche deux tenons joints l'un à l'autre; tu feras de même pour toutes les planches du tabernacle. 18 Tu feras vingt planches pour le tabernacle, du côté du midi. 19 Tu mettras quarante bases d'argent sous les vingt planches, deux bases sous chaque planche pour ses deux tenons. 20 Tu feras vingt planches pour le second côté du tabernacle, le côté du nord, 21 et leurs quarante bases d'argent, deux bases sous chaque planche. 22 Tu feras six planches pour le fond du tabernacle, du côté de l'occident. 23 Tu feras deux planches pour les angles du tabernacle, dans le fond; 24 elles seront doubles depuis le bas, et bien liées à leur sommet par un anneau; il en sera de même pour toutes les deux, placées aux deux angles. 25 Il y aura ainsi huit planches, avec leurs bases d'argent, soit seize bases, deux bases sous chaque planche. 26 Tu feras cinq barres de bois d'acacia pour les planches de l'un des côtés du tabernacle, 27 cinq barres pour les planches du second côté du tabernacle, et cinq barres pour les planches du côté du tabernacle formant le fond vers l'occident. 28 La barre du milieu traversera les planches d'une extrémité à l'autre. 29 Tu couvriras d'or les planches, et tu feras d'or leurs anneaux qui recevront les barres, et tu couvriras d'or les barres. 30 Tu dresseras le tabernacle d'après le modèle qui t'est montré sur la montagne. 31 Tu feras un voile bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors; il sera artistement travaillé, et l'on y représentera des chérubins. 32 Tu le mettras sur quatre colonnes d'acacia, couvertes d'or; ces colonnes auront des crochets d'or, et poseront sur quatre bases d'argent. 33 Tu mettras le voile au-dessous des agrafes, et c'est là, en dedans du voile, que tu feras entrer l'arche du témoignage; le voile vous servira de séparation entre le lieu saint et le lieu très saint. 34 Tu mettras le propitiatoire sur l'arche du témoignage dans le lieu très saint. 35 Tu mettras la table en dehors du voile, et le chandelier en face de la table, au côté méridional du tabernacle; et tu mettras la table au côté septentrional. 36 Tu feras pour l'entrée de la tente un rideau bleu, pourpre et cramoisi, et de fin lin retors; ce sera un ouvrage de broderie. 37 Tu feras pour le rideau cinq colonnes d'acacia, et tu les couvriras d'or; elles auront des crochets d'or, et tu fondras pour elles cinq bases d'airain.