T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 25

1 [Ny nandidian'Andriamanitra an'i Mosesy ny amin'ny hanaovana ny Tabernakely sy ny fanaka momba azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.

3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy vara­hina,

4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'

5 sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,

6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,

7 sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.

8 Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.

9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.

10 Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

11 Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.

12 Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.

13 Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.

14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.

15 Eo amin'ny vava volan'ny fiara no hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.

16 Ary ataovy ao anatin'ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.

17 Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.

18 Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana

19 Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany anankiray: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa.

20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.

21 Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.

22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.

23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

24 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.

25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.

26 Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:

27 eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.

28 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.

29 Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.

30 Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.

31 Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.

32 Ary hisy sampany enina amin'ny ankilany roa: dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray, ary sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray koa,

33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.

34 Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,

35 dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.

36 Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.

37 Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.

38 Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.

39 Volame­na tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.

40 Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.

 

Chapitre 25

25:1 Yahweh spoke to Moses, saying, 25:2 “Speak to the children of Israel, that they take an offering for me. From everyone whose heart makes him willing you shall take my offering. 25:3 This is the offering which you shall take from them: gold, silver, brass, 25:4 blue, purple, scarlet, fine linen, goats’ hair, 25:5 rams’ skins dyed red, sea cow hides, acacia wood, 25:6 oil for the light, spices for the anointing oil and for the sweet incense, 25:7 onyx stones, and stones to be set for the ephod and for the breastplate. 25:8 Let them make me a sanctuary, that I may dwell among them. 25:9 According to all that I show you, the pattern of the tabernacle, and the pattern of all of its furniture, even so you shall make it.

25:10 “They shall make an ark of acacia wood. Its length shall be two and a half cubits, its breadth a cubit and a half, and a cubit and a half its height. 25:11 You shall overlay it with pure gold. You shall overlay it inside and outside, and you shall make a gold molding around it. 25:12 You shall cast four rings of gold for it, and put them in its four feet. Two rings shall be on the one side of it, and two rings on the other side of it. 25:13 You shall make poles of acacia wood, and overlay them with gold. 25:14 You shall put the poles into the rings on the sides of the ark to carry the ark. 25:15 The poles shall be in the rings of the ark. They shall not be taken from it. 25:16 You shall put the testimony which I shall give you into the ark. 25:17 You shall make a mercy seat of pure gold. Two and a half cubits shall be its length, and a cubit and a half its breadth. 25:18 You shall make two cherubim of hammered gold. You shall make them at the two ends of the mercy seat. 25:19 Make one cherub at the one end, and one cherub at the other end. You shall make the cherubim on its two ends of one piece with the mercy seat. 25:20 The cherubim shall spread out their wings upward, covering the mercy seat with their wings, with their faces toward one another. The faces of the cherubim shall be toward the mercy seat. 25:21 You shall put the mercy seat on top of the ark, and in the ark you shall put the testimony that I will give you. 25:22 There I will meet with you, and I will tell you from above the mercy seat, from between the two cherubim which are on the ark of the testimony, all that I command you for the children of Israel.

25:23 “You shall make a table of acacia wood. Two cubits shall be its length, and a cubit its breadth, and one and a half cubits its height. 25:24 You shall overlay it with pure gold, and make a gold molding around it. 25:25 You shall make a rim of a handbreadth around it. You shall make a golden molding on its rim around it. 25:26 You shall make four rings of gold for it, and put the rings in the four corners that are on its four feet. 25:27 the rings shall be close to the rim, for places for the poles to carry the table. 25:28 You shall make the poles of acacia wood, and overlay them with gold, that the table may be carried with them. 25:29 You shall make its dishes, its spoons, its ladles, and its bowls to pour out offerings with. You shall make them of pure gold. 25:30 You shall set bread of the presence on the table before me always.

25:31 “You shall make a lampstand of pure gold. Of hammered work shall the lampstand be made, even its base, its shaft, its cups, its buds, and its flowers, shall be of one piece with it. 25:32 There shall be six branches going out of its sides: three branches of the lampstand out of its one side, and three branches of the lampstand out of its other side; 25:33 three cups made like almond blossoms in one branch, a bud and a flower; and three cups made like almond blossoms in the other branch, a bud and a flower, so for the six branches going out of the lampstand; 25:34 and in the lampstand four cups made like almond blossoms, its buds and its flowers; 25:35 and a bud under two branches of one piece with it, and a bud under two branches of one piece with it, and a bud under two branches of one piece with it, for the six branches going out of the lampstand. 25:36 Their buds and their branches shall be of one piece with it, all of it one beaten work of pure gold. 25:37 You shall make its lamps seven, and they shall light its lamps to give light to the space in front of it. 25:38 Its snuffers and its snuff dishes shall be of pure gold. 25:39 It shall be made of a talent of pure gold, with all these accessories. 25:40 See that you make them after their pattern, which has been shown to you on the mountain.

 

Chapitre 25
1 L'Éternel parla à Moïse, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël. Qu'ils m'apportent une offrande; vous la recevrez pour moi de tout homme qui la fera de bon coeur. 3 Voici ce que vous recevrez d'eux en offrande: de l'or, de l'argent et de l'airain; 4 des étoffes teintes en bleu, en pourpre, en cramoisi, du fin lin et du poil de chèvre; 5 des peaux de béliers teintes en rouge et des peaux de dauphins; du bois d'acacia; 6 de l'huile pour le chandelier, des aromates pour l'huile d'onction et pour le parfum odoriférant; 7 des pierres d'onyx et d'autres pierres pour la garniture de l'éphod et du pectoral. 8 Ils me feront un sanctuaire, et j'habiterai au milieu d'eux. 9 Vous ferez le tabernacle et tous ses ustensiles d'après le modèle que je vais te montrer. 10 Ils feront une arche de bois d'acacia, sa longueur sera de deux coudées et demie, sa largeur d'une coudée et demie, et sa hauteur d'une coudée et demie. 11 Tu la couvriras d'or pur, tu la couvriras en dedans et en dehors, et tu y feras une bordure d'or tout autour. 12 Tu fondras pour elle quatre anneaux d'or, et tu les mettras à ses quatre coins, deux anneaux d'un côté et deux anneaux de l'autre côté. 13 Tu feras des barres de bois d'acacia, et tu les couvriras d'or. 14 Tu passeras les barres dans les anneaux sur les côtés de l'arche, pour qu'elles servent à porter l'arche; 15 les barres resteront dans les anneaux de l'arche, et n'en seront point retirées. 16 Tu mettras dans l'arche le témoignage, que je te donnerai. 17 Tu feras un propitiatoire d'or pur; sa longueur sera de deux coudées et demie, et sa largeur d'une coudée et demie. 18 Tu feras deux chérubins d'or, tu les feras d'or battu, aux deux extrémités du propitiatoire; 19 fais un chérubin à l'une des extrémités et un chérubin à l'autre extrémité; vous ferez les chérubins sortant du propitiatoire à ses deux extrémités. 20 Les chérubins étendront les ailes par-dessus, couvrant de leurs ailes le propitiatoire, et se faisant face l'un à l'autre; les chérubins auront la face tournée vers le propitiatoire. 21 Tu mettras le propitiatoire sur l'arche, et tu mettras dans l'arche le témoignage, que je te donnerai. 22 C'est là que je me rencontrerai avec toi; du haut du propitiatoire, entre les deux chérubins placés sur l'arche du témoignage, je te donnerai tous mes ordres pour les enfants d'Israël. 23 Tu feras une table de bois d'acacia; sa longueur sera de deux coudées, sa largeur d'une coudée, et sa hauteur d'une coudée et demie. 24 Tu la couvriras d'or pur, et tu y feras une bordure d'or tout autour. 25 Tu y feras à l'entour un rebord de quatre doigts, sur lequel tu mettras une bordure d'or tout autour. 26 Tu feras pour la table quatre anneaux d'or, et tu mettras les anneaux aux quatre coins, qui seront à ses quatre pieds. 27 Les anneaux seront près du rebord, et recevront les barres pour porter la table. 28 Tu feras les barres de bois d'acacia, et tu les couvriras d'or; et elles serviront à porter la table. 29 Tu feras ses plats, ses coupes, ses calices et ses tasses, pour servir aux libations; tu les feras d'or pur. 30 Tu mettras sur la table les pains de proposition continuellement devant ma face. 31 Tu feras un chandelier d'or pur; ce chandelier sera fait d'or battu; son pied, sa tige, ses calices, ses pommes et ses fleurs seront d'une même pièce. 32 Six branches sortiront de ses côtés, trois branches du chandelier de l'un des côtés, et trois branches du chandelier de l'autre côté. 33 Il y aura sur une branche trois calices en forme d'amande, avec pommes et fleurs, et sur une autre branche trois calices en forme d'amande, avec pommes et fleurs; il en sera de même pour les six branches sortant du chandelier. 34 A la tige du chandelier, il y aura quatre calices en forme d'amande, avec leurs pommes et leurs fleurs. 35 Il y aura une pomme sous deux des branches sortant de la tige du chandelier, une pomme sous deux autres branches, et une pomme sous deux autres branches; il en sera de même pour les six branches sortant du chandelier. 36 Les pommes et les branches du chandelier seront d'une même pièce: il sera tout entier d'or battu, d'or pur. 37 Tu feras ses sept lampes, qui seront placées dessus, de manière à éclairer en face. 38 Ses mouchettes et ses vases à cendre seront d'or pur. 39 On emploiera un talent d'or pur pour faire le chandelier avec tous ses ustensiles. 40 Regarde, et fais d'après le modèle qui t'est montré sur la montagne.