T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny namonjena an'i Mosesy, sy ny nandraisan'ny zanakavavin'i Farao azy ho zanany] Ary nisy lehilahy anankiray avy amin'ny mpianakavin'i Levy lasa naka vady tamin'ny zanakavavin'i Levy.

2 Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.

3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.

4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.

5 Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.

6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.

7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?

8 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.

9 Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.

11 [Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.

12 Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.

13 Ary nony ampitson'iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin'ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?

14 Fa hoy izy: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr'olona izany!

15 Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.

16 Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.

17 Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny.

18 Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?

19 Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman'osy.

20 Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.

21 Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy.

22 Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.

23 [Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.

24 Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

25 Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak'Isiraely ka nahafantatra azy.

 

Chapitre 2 hapitre 2

2:1 A man of the house of Levi went and took a daughter of Levi as his wife. 2:2 The woman conceived, and bore a son. When she saw that he was a fine child, she hid him three months. 2:3 When she could no longer hide him, she took a papyrus basket for him, and coated it with tar and with pitch. She put the child in it, and laid it in the reeds by the river’s bank. 2:4 His sister stood far off, to see what would be done to him. 2:5 Pharaoh’s daughter came down to bathe at the river. Her maidens walked along by the riverside. She saw the basket among the reeds, and sent her handmaid to get it. 2:6 She opened it, and saw the child, and behold, the baby cried. She had compassion on him, and said, “This is one of the Hebrews’ children.”

2:7 Then his sister said to Pharaoh’s daughter, “Should I go and call a nurse for you from the Hebrew women, that she may nurse the child for you?”

2:8 Pharaoh’s daughter said to her, “Go.”

The maiden went and called the child’s mother. 2:9 Pharaoh’s daughter said to her, “Take this child away, and nurse him for me, and I will give you your wages.”

The woman took the child, and nursed it. 2:10 The child grew, and she brought him to Pharaoh’s daughter, and he became her son. She named him Moses, and said, “Because I drew him out of the water.”

2:11 It happened in those days, when Moses had grown up, that he went out to his brothers, and looked at their burdens. He saw an Egyptian striking a Hebrew, one of his brothers. 2:12 He looked this way and that way, and when he saw that there was no one, he killed the Egyptian, and hid him in the sand.

2:13 He went out the second day, and behold, two men of the Hebrews were fighting with each other. He said to him who did the wrong, “Why do you strike your fellow?”

2:14 He said, “Who made you a prince and a judge over us? Do you plan to kill me, as you killed the Egyptian?”

Moses was afraid, and said, “Surely this thing is known.”

2:15 Now when Pharaoh heard this thing, he sought to kill Moses. But Moses fled from the face of Pharaoh, and lived in the land of Midian, and he sat down by a well.

2:16 Now the priest of Midian had seven daughters. They came and drew water, and filled the troughs to water their father’s flock. 2:17 The shepherds came and drove them away; but Moses stood up and helped them, and watered their flock. 2:18 When they came to Reuel, their father, he said, “How is it that you have returned so early today?”

2:19 They said, “An Egyptian delivered us out of the hand of the shepherds, and moreover he drew water for us, and watered the flock.”

2:20 He said to his daughters, “Where is he? Why is it that you have left the man? Call him, that he may eat bread.”

2:21 Moses was content to dwell with the man. He gave Moses Zipporah, his daughter. 2:22 She bore a son, and he named him Gershom, for he said, “I have lived as a foreigner in a foreign land.”

2:23 It happened in the course of those many days, that the king of Egypt died, and the children of Israel sighed because of the bondage, and they cried, and their cry came up to God because of the bondage. 2:24 God heard their groaning, and God remembered his covenant with Abraham, with Isaac, and with Jacob. 2:25 God saw the children of Israel, and God was concerned about them.

 

Chapitre 2
1 Un homme de la maison de Lévi avait pris pour femme une fille de Lévi. 2 Cette femme devint enceinte et enfanta un fils. Elle vit qu'il était beau, et elle le cacha pendant trois mois. 3 Ne pouvant plus le cacher, elle prit une caisse de jonc, qu'elle enduisit de bitume et de poix; elle y mit l'enfant, et le déposa parmi les roseaux, sur le bord du fleuve. 4 La soeur de l'enfant se tint à quelque distance, pour savoir ce qui lui arriverait. 5 La fille de Pharaon descendit au fleuve pour se baigner, et ses compagnes se promenèrent le long du fleuve. Elle aperçut la caisse au milieu des roseaux, et elle envoya sa servante pour la prendre. 6 Elle l'ouvrit, et vit l'enfant: c'était un petit garçon qui pleurait. Elle en eut pitié, et elle dit: C'est un enfant des Hébreux! 7 Alors la soeur de l'enfant dit à la fille de Pharaon: Veux-tu que j'aille te chercher une nourrice parmi les femmes des Hébreux, pour allaiter cet enfant? 8 Va, lui répondit la fille de Pharaon. Et la jeune fille alla chercher la mère de l'enfant. 9 La fille de Pharaon lui dit: Emporte cet enfant, et allaite-le-moi; je te donnerai ton salaire. La femme prit l'enfant, et l'allaita. 10 Quand il eut grandi, elle l'amena à la fille de Pharaon, et il fut pour elle comme un fils. Elle lui donna le nom de Moïse, car, dit-elle, je l'ai retiré des eaux. 11 En ce temps-là, Moïse, devenu grand, se rendit vers ses frères, et fut témoin de leurs pénibles travaux. Il vit un Égyptien qui frappait un Hébreu d'entre ses frères. 12 Il regarda de côté et d'autre, et, voyant qu'il n'y avait personne, il tua l'Égyptien, et le cacha dans le sable. 13 Il sortit le jour suivant; et voici, deux Hébreux se querellaient. Il dit à celui qui avait tort: Pourquoi frappes-tu ton prochain? 14 Et cet homme répondit: Qui t'a établi chef et juge sur nous? Penses-tu me tuer, comme tu as tué l'Égyptien? Moïse eut peur, et dit: Certainement la chose est connue.

 15 Pharaon apprit ce qui s'était passé, et il cherchait à faire mourir Moïse. Mais Moïse s'enfuit de devant Pharaon, et il se retira dans le pays de Madian, où il s'arrêta près d'un puits. 16 Le sacrificateur de Madian avait sept filles. Elles vinrent puiser de l'eau, et elles remplirent les auges pour abreuver le troupeau de leur père. 17 Les bergers arrivèrent, et les chassèrent. Alors Moïse se leva, prit leur défense, et fit boire leur troupeau. 18 Quand elles furent de retour auprès de Réuel, leur père, il dit: Pourquoi revenez-vous si tôt aujourd'hui? 19 Elles répondirent: Un Égyptien nous a délivrées de la main des bergers, et même il nous a puisé de l'eau, et a fait boire le troupeau. 20 Et il dit à ses filles: Où est-il? Pourquoi avez-vous laissé cet homme? Appelez-le, pour qu'il prenne quelque nourriture. 21 Moïse se décida à demeurer chez cet homme, qui lui donna pour femme Séphora, sa fille. 22 Elle enfanta un fils, qu'il appela du nom de Guerschom, car, dit-il, j'habite un pays étranger.

23 Longtemps après, le roi d'Égypte mourut, et les enfants d'Israël gémissaient encore sous la servitude, et poussaient des cris. Ces cris, que leur arrachait la servitude, montèrent jusqu'à Dieu. 24 Dieu entendit leurs gémissements, et se souvint de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob. 25 Dieu regarda les enfants d'Israël, et il en eut compassion.