| Chapitre 19 1 [Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely teo an-efitr'i Sinay, sy ny fanekena nataon'Andriamanitra taminy] TAMIN'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta, dia tamin'izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr'i Sinay. 2 Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin'ny efitr'i Sinay, dia nitoby teo amin'ny efitra; dia tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'ny Isiraely teo. 3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely: 4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko. 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely. 7 Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon'ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian'i Jehovah azy. 8 Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona. 9 [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. 10 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: 11 ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. 12 Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; 13 tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. 14 Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. 16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. 17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy. 18 Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. 19 Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. 20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. 21 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. 22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah. 23 Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin'ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. 24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy. 25 Ary Mosesy dia nidina nankeny amin'ny olona ka niteny taminy.
| | Chapitre 19 19:1 In the third month after the children of Israel had gone out of the land of Egypt, on that same day they came into the wilderness of Sinai. 19:2 When they had departed from Rephidim, and had come to the wilderness of Sinai, they encamped in the wilderness; and there Israel encamped before the mountain. 19:3 Moses went up to God, and Yahweh called to him out of the mountain, saying, “This is what you shall tell the house of Jacob, and tell the children of Israel: 19:4 ‘You have seen what I did to the Egyptians, and how I bore you on eagles’ wings, and brought you to myself. 19:5 Now therefore, if you will indeed obey my voice, and keep my covenant, then you shall be my own possession from among all peoples; for all the earth is mine; 19:6 and you shall be to me a kingdom of priests, and a holy nation.’ These are the words which you shall speak to the children of Israel.” 19:7 Moses came and called for the elders of the people, and set before them all these words which Yahweh commanded him. 19:8 All the people answered together, and said, “All that Yahweh has spoken we will do.” Moses reported the words of the people to Yahweh. 19:9 Yahweh said to Moses, “Behold, I come to you in a thick cloud, that the people may hear when I speak with you, and may also believe you forever.” Moses told the words of the people to Yahweh. 19:10 Yahweh said to Moses, “Go to the people, and sanctify them today and tomorrow, and let them wash their garments, 19:11 and be ready against the third day; for on the third day Yahweh will come down in the sight of all the people on Mount Sinai. 19:12 You shall set bounds to the people all around, saying, ‘Be careful that you don’t go up onto the mountain, or touch its border. Whoever touches the mountain shall be surely put to death. 19:13 No hand shall touch him, but he shall surely be stoned or shot through; whether it is animal or man, he shall not live.’ When the trumpet sounds long, they shall come up to the mountain.” 19:14 Moses went down from the mountain to the people, and sanctified the people; and they washed their clothes. 19:15 He said to the people, “Be ready by the third day. Don’t have sexual relations with a woman.” 19:16 It happened on the third day, when it was morning, that there were thunders and lightnings, and a thick cloud on the mountain, and the sound of an exceedingly loud trumpet; and all the people who were in the camp trembled. 19:17 Moses led the people out of the camp to meet God; and they stood at the lower part of the mountain. 19:18 Mount Sinai, all it, smoked, because Yahweh descended on it in fire; and its smoke ascended like the smoke of a furnace, and the whole mountain quaked greatly. 19:19 When the sound of the trumpet grew louder and louder, Moses spoke, and God answered him by a voice. 19:20 Yahweh came down on Mount Sinai, to the top of the mountain. Yahweh called Moses to the top of the mountain, and Moses went up. 19:21 Yahweh said to Moses, “Go down, warn the people, lest they break through to Yahweh to gaze, and many of them perish. 19:22 Let the priests also, who come near to Yahweh, sanctify themselves, lest Yahweh break forth on them.” 19:23 Moses said to Yahweh, “The people can’t come up to Mount Sinai, for you warned us, saying, ‘Set bounds around the mountain, and sanctify it.’” 19:24 Yahweh said to him, “Go down and you shall bring Aaron up with you, but don’t let the priests and the people break through to come up to Yahweh, lest he break forth on them.” 19:25 So Moses went down to the people, and told them. | | Chapitre 19 1 Le troisième mois après leur sortie du pays d'Égypte, les enfants d'Israël arrivèrent ce jour-là au désert de Sinaï. 2 Étant partis de Rephidim, ils arrivèrent au désert de Sinaï, et ils campèrent dans le désert; Israël campa là, vis-à-vis de la montagne. 3 Moïse monta vers Dieu: et l'Éternel l'appela du haut de la montagne, en disant: Tu parleras ainsi à la maison de Jacob, et tu diras aux enfants d'Israël: 4 Vous avez vu ce que j'ai fait à l'Égypte, et comment je vous ai portés sur des ailes d'aigle et amenés vers moi. 5 Maintenant, si vous écoutez ma voix, et si vous gardez mon alliance, vous m'appartiendrez entre tous les peuples, car toute la terre est à moi; 6 vous serez pour moi un royaume de sacrificateurs et une nation sainte. Voilà les paroles que tu diras aux enfants d'Israël. 7 Moïse vint appeler les anciens du peuple, et il mit devant eux toutes ces paroles, comme l'Éternel le lui avait ordonné. 8 Le peuple tout entier répondit: Nous ferons tout ce que l'Éternel a dit. Moïse rapporta les paroles du peuple à l'Éternel. 9 Et l'Éternel dit à Moïse: Voici, je viendrai vers toi dans une épaisse nuée, afin que le peuple entende quand je te parlerai, et qu'il ait toujours confiance en toi. Moïse rapporta les paroles du peuple à l'Éternel. 10 Et l'Éternel dit à Moïse: Va vers le peuple; sanctifie-les aujourd'hui et demain, qu'ils lavent leurs vêtements. 11 Qu'ils soient prêts pour le troisième jour; car le troisième jour l'Éternel descendra, aux yeux de tout le peuple, sur la montagne de Sinaï. 12 Tu fixeras au peuple des limites tout à l'entour, et tu diras: Gardez-vous de monter sur la montagne, ou d'en toucher le bord. Quiconque touchera la montagne sera puni de mort. 13 On ne mettra pas la main sur lui, mais on le lapidera, ou on le percera de flèches: animal ou homme, il ne vivra point. Quand la trompette sonnera, ils s'avanceront près de la montagne. 14 Moïse descendit de la montagne vers le peuple; il sanctifia le peuple, et ils lavèrent leurs vêtements. 15 Et il dit au peuple: Soyez prêts dans trois jours; ne vous approchez d'aucune femme. 16 Le troisième jour au matin, il y eut des tonnerres, des éclairs, et une épaisse nuée sur la montagne; le son de la trompette retentit fortement; et tout le peuple qui était dans le camp fut saisi d'épouvante. 17 Moïse fit sortir le peuple du camp, à la rencontre de Dieu; et ils se placèrent au bas de la montagne. 18 La montagne de Sinaï était toute en fumée, parce que l'Éternel y était descendu au milieu du feu; cette fumée s'élevait comme la fumée d'une fournaise, et toute la montagne tremblait avec violence. 19 Le son de la trompette retentissait de plus en plus fortement. Moïse parlait, et Dieu lui répondait à haute voix. 20 Ainsi l'Éternel descendit sur la montagne de Sinaï, sur le sommet de la montagne; l'Éternel appela Moïse sur le sommet de la montagne. Et Moïse monta. 21 L'Éternel dit à Moïse: Descends, fais au peuple la défense expresse de se précipiter vers l'Éternel, pour regarder, de peur qu'un grand nombre d'entre eux ne périssent. 22 Que les sacrificateurs, qui s'approchent de l'Éternel, se sanctifient aussi, de peur que l'Éternel ne les frappe de mort. 23 Moïse dit à l'Éternel: Le peuple ne pourra pas monter sur la montagne de Sinaï, car tu nous en as fait la défense expresse, en disant: Fixe des limites autour de la montagne, et sanctifie-la. 24 L'Éternel lui dit: Va, descends; tu monteras ensuite avec Aaron; mais que les sacrificateurs et le peuple ne se précipitent point pour monter vers l'Éternel, de peur qu'il ne les frappe de mort. 25 Moïse descendit vers le peuple, et lui dit ces choses. | |