T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa taorian'ny nialany tany amin'ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nankany amin'ny efitra Sina, izay eo anelanelan'i Elima sy Sinay.

2 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra,

3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.

4 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan'andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.

5 Ary raha mby amin'ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan'andro.

6 Ary hoy Mosesy sy Arona tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;

7 ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?

8 Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen'i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren'i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.

9 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Lazao amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan'i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.

10 Ary raha Arona mbola niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr'i Jehovah niseho teo amin'ny rahona.

11 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

12 Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

13 Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;

14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.

15 Ary rehefa hitan'ny Zanak'Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen'i Jehovah ho fihinanareo.

16 Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran'ny vata omera avy ho amin'ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an'izay ao an-dainy avy.

17 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.

18 Ary raha nafatrany tamin'ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.

19 Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.

20 Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin'i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin'ny olona Mosesy.

21 Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.

22 Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.

23 Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.

24 Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian'i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.

25 Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an'i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.

26 Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin'izany.

27 Ary nony tamin'ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.

28 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?

29 Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito.

30 Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito.

31 Ary ny anarany dia nataon'ny taranak'Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.

 

32 Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho.

33 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran'ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan'i Jehovah mba hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby.

34 Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina.

35 Ary ny Zanak'Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin'izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin'ny sisin'ny tany Kanana.

36 Ary ny omera dia ampahalofon'ny vata efaha.

 

Chapitre 16

16:1 They took their journey from Elim, and all the congregation of the children of Israel came to the wilderness of Sin, which is between Elim and Sinai, on the fifteenth day of the second month after their departing out of the land of Egypt. 16:2 The whole congregation of the children of Israel murmured against Moses and against Aaron in the wilderness; 16:3 and the children of Israel said to them, “We wish that we had died by the hand of Yahweh in the land of Egypt, when we sat by the meat pots, when we ate our fill of bread, for you have brought us out into this wilderness, to kill this whole assembly with hunger.”

16:4 Then Yahweh said to Moses, “Behold, I will rain bread from the sky for you, and the people shall go out and gather a day’s portion every day, that I may test them, whether they will walk in my law, or not. 16:5 It shall come to pass on the sixth day, that they shall prepare that which they bring in, and it shall be twice as much as they gather daily.”

16:6 Moses and Aaron said to all the children of Israel, “At evening, then you shall know that Yahweh has brought you out from the land of Egypt; 16:7 and in the morning, then you shall see the glory of Yahweh; because he hears your murmurings against Yahweh. Who are we, that you murmur against us?” 16:8 Moses said, “Now Yahweh shall give you meat to eat in the evening, and in the morning bread to satisfy you; because Yahweh hears your murmurings which you murmur against him. And who are we? Your murmurings are not against us, but against Yahweh.” 16:9 Moses said to Aaron, “Tell all the congregation of the children of Israel, ‘Come near before Yahweh, for he has heard your murmurings.’” 16:10 It happened, as Aaron spoke to the whole congregation of the children of Israel, that they looked toward the wilderness, and behold, the glory of Yahweh appeared in the cloud. 16:11 Yahweh spoke to Moses, saying, 16:12 “I have heard the murmurings of the children of Israel. Speak to them, saying, ‘At evening you shall eat meat, and in the morning you shall be filled with bread: and you shall know that I am Yahweh your God.’”

16:13 It happened at evening that quail came up and covered the camp; and in the morning the dew lay around the camp. 16:14 When the dew that lay had gone, behold, on the surface of the wilderness was a small round thing, small as the frost on the ground. 16:15 When the children of Israel saw it, they said one to another, “What is it?” For they didn’t know what it was. Moses said to them, “It is the bread which Yahweh has given you to eat.” 16:16 This is the thing which Yahweh has commanded: “Gather of it everyone according to his eating; an omer a head, according to the number of your persons, you shall take it, every man for those who are in his tent.” 16:17 The children of Israel did so, and gathered some more, some less. 16:18 When they measured it with an omer, he who gathered much had nothing over, and he who gathered little had no lack. They gathered every man according to his eating. 16:19 Moses said to them, “Let no one leave of it until the morning.” 16:20 Notwithstanding they didn’t listen to Moses, but some of them left of it until the morning, and it bred worms, and became foul: and Moses was angry with them. 16:21 They gathered it morning by morning, everyone according to his eating. When the sun grew hot, it melted. 16:22 It happened that on the sixth day they gathered twice as much bread, two omers for each one, and all the rulers of the congregation came and told Moses. 16:23 He said to them, “This is that which Yahweh has spoken, ‘Tomorrow is a solemn rest, a holy Sabbath to Yahweh. Bake that which you want to bake, and boil that which you want to boil; and all that remains over lay up for yourselves to be kept until the morning.’” 16:24 They laid it up until the morning, as Moses asked, and it didn’t become foul, neither was there any worm in it. 16:25 Moses said, “Eat that today, for today is a Sabbath to Yahweh. Today you shall not find it in the field. 16:26 Six days you shall gather it, but on the seventh day is the Sabbath. In it there shall be none.” 16:27 It happened on the seventh day, that some of the people went out to gather, and they found none. 16:28 Yahweh said to Moses, “How long do you refuse to keep my commandments and my laws? 16:29 Behold, because Yahweh has given you the Sabbath, therefore he gives you on the sixth day the bread of two days. Everyone stay in his place. Let no one go out of his place on the seventh day.” 16:30 So the people rested on the seventh day.

16:31 The house of Israel called its name Manna, and it was like coriander seed, white; and its taste was like wafers with honey. 16:32 Moses said, “This is the thing which Yahweh has commanded, ‘Let an omer-full of it be kept throughout your generations, that they may see the bread with which I fed you in the wilderness, when I brought you forth from the land of Egypt.’” 16:33 Moses said to Aaron, “Take a pot, and put an omer-full of manna in it, and lay it up before Yahweh, to be kept throughout your generations.” 16:34 As Yahweh commanded Moses, so Aaron laid it up before the Testimony, to be kept. 16:35 The children of Israel ate the manna forty years, until they came to an inhabited land. They ate the manna until they came to the borders of the land of Canaan. 16:36 Now an omer is the tenth part of an ephah.

 

Chapitre 16
1 Toute l'assemblée des enfants d'Israël partit d'Élim, et ils arrivèrent au désert de Sin, qui est entre Élim et Sinaï, le quinzième jour du second mois après leur sortie du pays d'Égypte. 2 Et toute l'assemblée des enfants d'Israël murmura dans le désert contre Moïse et Aaron. 3 Les enfants d'Israël leur dirent: Que ne sommes-nous morts par la main de l'Éternel dans le pays d'Égypte, quand nous étions assis près des pots de viande, quand nous mangions du pain à satiété? car vous nous avez menés dans ce désert pour faire mourir de faim toute cette multitude. 4 L'Éternel dit à Moïse: Voici, je ferai pleuvoir pour vous du pain, du haut des cieux. Le peuple sortira, et en ramassera, jour par jour, la quantité nécessaire, afin que je le mette à l'épreuve, et que je voie s'il marchera, ou non, selon ma loi. 5 Le sixième jour, lorsqu'ils prépareront ce qu'ils auront apporté, il s'en trouvera le double de ce qu'ils ramasseront jour par jour. 6 Moïse et Aaron dirent à tous les enfants d'Israël: Ce soir, vous comprendrez que c'est l'Éternel qui vous a fait sortir du pays d'Égypte. 7 Et, au matin, vous verrez la gloire de l'Éternel, parce qu'il a entendu vos murmures contre l'Éternel; car que sommes-nous, pour que vous murmuriez contre nous? 8 Moïse dit: L'Éternel vous donnera ce soir de la viande à manger, et au matin du pain à satiété, parce que l'Éternel a entendu les murmures que vous avez proférés contre lui; car que sommes-nous? Ce n'est pas contre nous que sont vos murmures, c'est contre l'Éternel. 9 Moïse dit à Aaron: Dis à toute l'assemblée des enfants d'Israël: Approchez-vous devant l'Éternel, car il a entendu vos murmures. 10 Et tandis qu'Aaron parlait à toute l'assemblée des enfants d'Israël, ils se tournèrent du côté du désert, et voici, la gloire de l'Éternel parut dans la nuée. 11 L'Éternel, s'adressant à Moïse, dit: 12 J'ai entendu les murmures des enfants d'Israël. Dis-leur: Entre les deux soirs vous mangerez de la viande, et au matin vous vous rassasierez de pain; et vous saurez que je suis l'Éternel, votre Dieu. 13 Le soir, il survint des cailles qui couvrirent le camp; et, au matin, il y eut une couche de rosée autour du camp. 14 Quand cette rosée fut dissipée, il y avait à la surface du désert quelque chose de menu comme des grains, quelque chose de menu comme la gelée blanche sur la terre. 15 Les enfants d'Israël regardèrent et ils se dirent l'un à l'autre: Qu'est-ce que cela? car ils ne savaient pas ce que c'était. Moïse leur dit: C'est le pain que L'Éternel vous donne pour nourriture. 16 Voici ce que l'Éternel a ordonné: Que chacun de vous en ramasse ce qu'il faut pour sa nourriture, un omer par tête, suivant le nombre de vos personnes; chacun en prendra pour ceux qui sont dans sa tente. 17 Les Israélites firent ainsi; et ils en ramassèrent les uns plus, les autres moins. 18 On mesurait ensuite avec l'omer; celui qui avait ramassé plus n'avait rien de trop, et celui qui avait ramassé moins n'en manquait pas. Chacun ramassait ce qu'il fallait pour sa nourriture. 19 Moïse leur dit: Que personne n'en laisse jusqu'au matin. 20 Ils n'écoutèrent pas Moïse, et il y eut des gens qui en laissèrent jusqu'au matin; mais il s'y mit des vers, et cela devint infect. Moïse fut irrité contre ces gens. 21 Tous les matins, chacun ramassait ce qu'il fallait pour sa nourriture; et quand venait la chaleur du soleil, cela fondait. 22 Le sixième jour, ils ramassèrent une quantité double de nourriture, deux omers pour chacun. Tous les principaux de l'assemblée vinrent le rapporter à Moïse. 23 Et Moïse leur dit: C'est ce que l'Éternel a ordonné. Demain est le jour du repos, le sabbat consacré à l'Éternel; faites cuire ce que vous avez à faire cuire, faites bouillir ce que vous avez à faire bouillir, et mettez en réserve jusqu'au matin tout ce qui restera. 24 Ils le laissèrent jusqu'au matin, comme Moïse l'avait ordonné; et cela ne devint point infect, et il ne s'y mit point de vers. 25 Moïse dit: Mangez-le aujourd'hui, car c'est le jour du sabbat; aujourd'hui vous n'en trouverez point dans la campagne. 26 Pendant six jours vous en ramasserez; mais le septième jour, qui est le sabbat, il n'y en aura point. 27 Le septième jour, quelques-uns du peuple sortirent pour en ramasser, et ils n'en trouvèrent point. 28 Alors l'Éternel dit à Moïse: Jusques à quand refuserez-vous d'observer mes commandements et mes lois? 29 Considérez que l'Éternel vous a donné le sabbat; c'est pourquoi il vous donne au sixième jour de la nourriture pour deux jours. Que chacun reste à sa place, et que personne ne sorte du lieu où il est au septième jour. 30 Et le peuple se reposa le septième jour. 31 La maison d'Israël donna à cette nourriture le nom de manne. Elle ressemblait à de la graine de coriandre; elle était blanche, et avait le goût d'un gâteau au miel. 32 Moïse dit: Voici ce que l'Éternel a ordonné: Qu'un omer rempli de manne soit conservé pour vos descendants, afin qu'ils voient le pain que je vous ai fait manger dans le désert, après vous avoir fait sortir du pays d'Égypte. 33 Et Moïse dit à Aaron: Prends un vase, mets-y de la manne plein un omer, et dépose-le devant l'Éternel, afin qu'il soit conservé pour vos descendants. 34 Suivant l'ordre donné par l'Éternel à Moïse, Aaron le déposa devant le témoignage, afin qu'il fût conservé. 35 Les enfants d'Israël mangèrent la manne pendant quarante ans, jusqu'à leur arrivée dans un pays habité; ils mangèrent la manne jusqu'à leur arrivée aux frontières du pays de Canaan. 36 L'omer est la dixième partie de l'épha.