T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 1

1 [] Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:

2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;

3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;

4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.

5 Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.

6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.

 

7 Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.

*

8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.

9 Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;

10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.

11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.

12 Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.

13 Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,

14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

15 Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)

16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.

18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?

19 Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.

20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

21 Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.

22 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

 

Chapitre 1

1:1 Now these are the names of the sons of Israel, who came into Egypt (every man and his household came with Jacob): 1:2 Reuben, Simeon, Levi, and Judah, 1:3 Issachar, Zebulun, and Benjamin, 1:4 Dan and Naphtali, Gad and Asher. 1:5 All the souls who came out of Jacob’s body were seventy souls, and Joseph was in Egypt already. 1:6 Joseph died, as did all his brothers, and all that generation. 1:7 The children of Israel were fruitful, and increased abundantly, and multiplied, and grew exceedingly mighty; and the land was filled with them.

1:8 Now there arose a new king over Egypt, who didn’t know Joseph. 1:9 He said to his people, “Behold, the people of the children of Israel are more and mightier than we. 1:10 Come, let us deal wisely with them, lest they multiply, and it happen that when any war breaks out, they also join themselves to our enemies, and fight against us, and escape out of the land.” 1:11 Therefore they set taskmasters over them to afflict them with their burdens. They built storage cities for Pharaoh: Pithom and Raamses. 1:12 But the more they afflicted them, the more they multiplied and the more they spread out. They were grieved because of the children of Israel. 1:13 The Egyptians ruthlessly made the children of Israel serve, 1:14 and they made their lives bitter with hard service, in mortar and in brick, and in all kinds of service in the field, all their service, in which they ruthlessly made them serve.

1:15 The king of Egypt spoke to the Hebrew midwives, of whom the name of the one was Shiphrah, and the name of the other Puah, 1:16 and he said, “When you perform the duty of a midwife to the Hebrew women, and see them on the birth stool; if it is a son, then you shall kill him; but if it is a daughter, then she shall live.” 1:17 But the midwives feared God, and didn’t do what the king of Egypt commanded them, but saved the baby boys alive. 1:18 The king of Egypt called for the midwives, and said to them, “Why have you done this thing, and have saved the boys alive?”

1:19 The midwives said to Pharaoh, “Because the Hebrew women aren’t like the Egyptian women; for they are vigorous, and give birth before the midwife comes to them.”

1:20 God dealt well with the midwives, and the people multiplied, and grew very mighty. 1:21 It happened, because the midwives feared God, that he gave them families. 1:22 Pharaoh commanded all his people, saying, “You shall cast every son who is born into the river, and every daughter you shall save alive.”

 

Chapitre 1
1 Voici les noms des fils d'Israël, venus en Égypte avec Jacob et la famille de chacun d'eux: 2 Ruben, Siméon, Lévi, Juda, 3 Issacar, Zabulon, Benjamin, 4 Dan, Nephthali, Gad et Aser. 5 Les personnes issues de Jacob étaient au nombre de soixante-dix en tout. Joseph était alors en Égypte. 6 Joseph mourut, ainsi que tous ses frères et toute cette génération-là. 7 Les enfants d'Israël furent féconds et multiplièrent, ils s'accrurent et devinrent de plus en plus puissants. Et le pays en fut rempli. 8 Il s'éleva sur l'Égypte un nouveau roi, qui n'avait point connu Joseph. 9 Il dit à son peuple: Voilà les enfants d'Israël qui forment un peuple plus nombreux et plus puissant que nous. 10 Allons! montrons-nous habiles à son égard; empêchons qu'il ne s'accroisse, et que, s'il survient une guerre, il ne se joigne à nos ennemis, pour nous combattre et sortir ensuite du pays. 11 Et l'on établit sur lui des chefs de corvées, afin de l'accabler de travaux pénibles. C'est ainsi qu'il bâtit les villes de Pithom et de Ramsès, pour servir de magasins à Pharaon. 12 Mais plus on l'accablait, plus il multipliait et s'accroissait; et l'on prit en aversion les enfants d'Israël. 13 Alors les Égyptiens réduisirent les enfants d'Israël à une dure servitude. 14 Ils leur rendirent la vie amère par de rudes travaux en argile et en briques, et par tous les ouvrages des champs: et c'était avec cruauté qu'ils leur imposaient toutes ces charges. 15 Le roi d'Égypte parla aussi aux sages-femmes des Hébreux, nommées l'une Schiphra, et l'autre Pua. 16 Il leur dit: Quand vous accoucherez les femmes des Hébreux et que vous les verrez sur les sièges, si c'est un garçon, faites-le mourir; si c'est une fille, laissez-la vivre. 17 Mais les sages-femmes craignirent Dieu, et ne firent point ce que leur avait dit le roi d'Égypte; elles laissèrent vivre les enfants. 18 Le roi d'Égypte appela les sages-femmes, et leur dit: Pourquoi avez-vous agi ainsi, et avez-vous laissé vivre les enfants? 19 Les sages-femmes répondirent à Pharaon: C'est que les femmes des Hébreux ne sont pas comme les Égyptiennes; elles sont vigoureuses et elles accouchent avant l'arrivée de la sage-femme. 20 Dieu fit du bien aux sages-femmes; et le peuple multiplia et devint très nombreux. 21 Parce que les sages-femmes avaient eu la crainte de Dieu, Dieu fit prospérer leurs maisons. 22 Alors Pharaon donna cet ordre à tout son peuple: Vous jetterez dans le fleuve tout garçon qui naîtra, et vous laisserez vivre toutes les filles.