T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -

2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,

3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.

4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,

5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,

6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,

7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.

8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,

9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;

10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]

11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,

12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.

13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.

14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray

15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,

16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;

17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,

18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.

19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.

20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,

21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]

 

Chapitre 3

3:1 For this cause I, Paul, am the prisoner of Christ Jesus on behalf of you Gentiles, 3:2 if it is so that you have heard of the administration of that grace of God which was given me toward you; 3:3 how that by revelation the mystery was made known to me, as I wrote before in few words, 3:4 by which, when you read, you can perceive my understanding in the mystery of Christ; 3:5 which in other generations was not made known to the children of men, as it has now been revealed to his holy apostles and prophets in the Spirit; 3:6 that the Gentiles are fellow heirs, and fellow members of the body, and fellow partakers of his promise in Christ Jesus through the Good News, 3:7 of which I was made a servant, according to the gift of that grace of God which was given me according to the working of his power. 3:8 To me, the very least of all saints, was this grace given, to preach to the Gentiles the unsearchable riches of Christ, 3:9 and to make all men see what is the administration of the mystery which for ages has been hidden in God, who created all things through Jesus Christ; 3:10 to the intent that now through the assembly the manifold wisdom of God might be made known to the principalities and the powers in the heavenly places, 3:11 according to the eternal purpose which he purposed in Christ Jesus our Lord; 3:12 in whom we have boldness and access in confidence through our faith in him. 3:13 Therefore I ask that you may not lose heart at my troubles for you, which are your glory.

3:14 For this cause, I bow my knees to the Father of our Lord Jesus Christ, 3:15 from whom every family in heaven and on earth is named, 3:16 that he would grant you, according to the riches of his glory, that you may be strengthened with power through his Spirit in the inward man; 3:17 that Christ may dwell in your hearts through faith; to the end that you, being rooted and grounded in love, 3:18 may be strengthened to comprehend with all the saints what is the breadth and length and height and depth, 3:19 and to know Christ’s love which surpasses knowledge, that you may be filled with all the fullness of God. 3:20 Now to him who is able to do exceedingly abundantly above all that we ask or think, according to the power that works in us, 3:21 to him be the glory in the assembly and in Christ Jesus to all generations forever and ever. Amen.

 

Chapitre 3
1 A cause de cela, moi Paul, le prisonnier de Christ pour vous païens... 2 si du moins vous avez appris quelle est la dispensation de la grâce de Dieu, qui m'a été donnée pour vous. 3 C'est par révélation que j'ai eu connaissance du mystère sur lequel je viens d'écrire en peu de mots. 4 En les lisant, vous pouvez vous représenter l'intelligence que j'ai du mystère de Christ. 5 Il n'a pas été manifesté aux fils des hommes dans les autres générations, comme il a été révélé maintenant par l'Esprit aux saints apôtres et prophètes de Christ. 6 Ce mystère, c'est que les païens sont cohéritiers, forment un même corps, et participent à la même promesse en Jésus-Christ par l'Évangile, 7 dont j'ai été fait ministre selon le don de la grâce de Dieu, qui m'a été accordée par l'efficacité de sa puissance. 8 A moi, qui suis le moindre de tous les saints, cette grâce a été accordée d'annoncer aux païens les richesses incompréhensibles de Christ, 9 et de mettre en lumière quelle est la dispensation du mystère caché de tout temps en Dieu qui a créé toutes choses, 10 afin que les dominations et les autorités dans les lieux célestes connaissent aujourd'hui par l'Église la sagesse infiniment variée de Dieu, 11 selon le dessein éternel qu'il a mis à exécution par Jésus-Christ notre Seigneur, 12 en qui nous avons, par la foi en lui, la liberté de nous approcher de Dieu avec confiance. 13 Aussi je vous demande de ne pas perdre courage à cause de mes tribulations pour vous: elles sont votre gloire. 14 A cause de cela, je fléchis les genoux devant le Père, 15 duquel tire son nom toute famille dans les cieux et sur la terre, 16 afin qu'il vous donne, selon la richesse de sa gloire, d'être puissamment fortifiés par son Esprit dans l'homme intérieur, 17 en sorte que Christ habite dans vos coeurs par la foi; afin qu'étant enracinés et fondés dans l'amour, 18 vous puissiez comprendre avec tous les saints quelle est la largeur, la longueur, la profondeur et la hauteur, 19 et connaître l'amour de Christ, qui surpasse toute connaissance, en sorte que vous soyez remplis jusqu'à toute la plénitude de Dieu. 20 Or, à celui qui peut faire, par la puissance qui agit en nous, infiniment au delà de tout ce que nous demandons ou pensons, 21 à lui soit la gloire dans l'Église et en Jésus-Christ, dans toutes les générations, aux siècles des siècles! Amen!