T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Fampahatsiarovana ny nitondran'Andriamanitra ny Isiraely sy ny nampanetreny tena azy, ary fananarana azy, andrao miavonavona izy ka manadino an'Andriamanitra] Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo homena azy.

2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.

3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.

4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.

5 Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.

6 Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.

 

7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin'ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin'ny lohasaha sy ny tendrombohitra,

8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongaben-danitra, tany misy hazo oliva sy tantely,

9 tany izay hihinananao hanina amin'ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin'ny tendrombohiny no hihadianao varahina.

10 Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an'i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,

11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;

12 fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,

13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,

14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana,

15 Izay nitondra anao tany amin'ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran'afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin'ny vatolampy afovato,

16 Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;

17 ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin'ny tanako no nahavoriako izao harena izao;

18 fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin'ny razanao, tahaka ny amin'izao anio izao.

19 Fa raha manadino an'i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:

20 tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan'i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

 

Chapitre 8

8:1 You shall observe to do all the commandment which I command you this day, that you may live, and multiply, and go in and possess the land which Yahweh swore to your fathers. 8:2 You shall remember all the way which Yahweh your God has led you these forty years in the wilderness, that he might humble you, to prove you, to know what was in your heart, whether you would keep his commandments, or not. 8:3 He humbled you, and allowed you to be hungry, and fed you with manna, which you didn’t know, neither did your fathers know; that he might make you know that man does not live by bread only, but man lives by everything that proceeds out of the mouth of Yahweh. 8:4 Your clothing didn’t grow old on you, neither did your foot swell, these forty years. 8:5 You shall consider in your heart that as a man chastens his son, so Yahweh your God chastens you. 8:6 You shall keep the commandments of Yahweh your God, to walk in his ways, and to fear him. 8:7 For Yahweh your God brings you into a good land, a land of brooks of water, of springs, and underground water flowing into valleys and hills; 8:8 a land of wheat and barley, and vines and fig trees and pomegranates; a land of olive trees and honey; 8:9 a land in which you shall eat bread without scarceness, you shall not lack anything in it; a land whose stones are iron, and out of whose hills you may dig copper. 8:10 You shall eat and be full, and you shall bless Yahweh your God for the good land which he has given you. 8:11 Beware lest you forget Yahweh your God, in not keeping his commandments, and his ordinances, and his statutes, which I command you this day: 8:12 lest, when you have eaten and are full, and have built goodly houses, and lived therein; 8:13 and when your herds and your flocks multiply, and your silver and your gold is multiplied, and all that you have is multiplied; 8:14 then your heart be lifted up, and you forget Yahweh your God, who brought you forth out of the land of Egypt, out of the house of bondage; 8:15 who led you through the great and terrible wilderness, with fiery serpents and scorpions, and thirsty ground where there was no water; who brought you forth water out of the rock of flint; 8:16 who fed you in the wilderness with manna, which your fathers didn’t know; that he might humble you, and that he might prove you, to do you good at your latter end: 8:17 and lest you say in your heart, “My power and the might of my hand has gotten me this wealth.” 8:18 But you shall remember Yahweh your God, for it is he who gives you power to get wealth; that he may establish his covenant which he swore to your fathers, as at this day.

8:19 It shall be, if you shall forget Yahweh your God, and walk after other gods, and serve them, and worship them, I testify against you this day that you shall surely perish. 8:20 As the nations that Yahweh makes to perish before you, so you shall perish; because you wouldn’t listen to the voice of Yahweh your God.

 

Chapitre 8
1 Vous observerez et vous mettrez en pratique tous les commandements que je vous prescris aujourd'hui, afin que vous viviez, que vous multipliiez, et que vous entriez en possession du pays que l'Éternel a juré de donner à vos pères. 2 Souviens-toi de tout le chemin que l'Éternel, ton Dieu, t'a fait faire pendant ces quarante années dans le désert, afin de t'humilier et de t'éprouver, pour savoir quelles étaient les dispositions de ton coeur et si tu garderais ou non ses commandements. 3 Il t'a humilié, il t'a fait souffrir de la faim, et il t'a nourri de la manne, que tu ne connaissais pas et que n'avaient pas connue tes pères, afin de t'apprendre que l'homme ne vit pas de pain seulement, mais que l'homme vit de tout ce qui sort de la bouche de l'Éternel. 4 Ton vêtement ne s'est point usé sur toi, et ton pied ne s'est point enflé, pendant ces quarante années. 5 Reconnais en ton coeur que l'Éternel, ton Dieu, te châtie comme un homme châtie son enfant. 6 Tu observeras les commandements de l'Éternel, ton Dieu, pour marcher dans ses voies et pour le craindre. 7 Car l'Éternel, ton Dieu, va te faire entrer dans un bon pays, pays de cours d'eaux, de sources et de lacs, qui jaillissent dans les vallées et dans les montagnes; 8 pays de froment, d'orge, de vignes, de figuiers et de grenadiers; pays d'oliviers et de miel; 9 pays où tu mangeras du pain avec abondance, où tu ne manqueras de rien; pays dont les pierres sont du fer, et des montagnes duquel tu tailleras l'airain. 10 Lorsque tu mangeras et te rassasieras, tu béniras l'Éternel, ton Dieu, pour le bon pays qu'il t'a donné. 11 Garde-toi d'oublier l'Éternel, ton Dieu, au point de ne pas observer ses commandements, ses ordonnances et ses lois, que je te prescris aujourd'hui. 12 Lorsque tu mangeras et te rassasieras, lorsque tu bâtiras et habiteras de belles maisons, 13 lorsque tu verras multiplier ton gros et ton menu bétail, s'augmenter ton argent et ton or, et s'accroître tout ce qui est à toi, 14 prends garde que ton coeur ne s'enfle, et que tu n'oublies l'Éternel, ton Dieu, qui t'a fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude, 15 qui t'a fait marcher dans ce grand et affreux désert, où il y a des serpents brûlants et des scorpions, dans des lieux arides et sans eau, et qui a fait jaillir pour toi de l'eau du rocher le plus dur, 16 qui t'a fait manger dans le désert la manne inconnue à tes pères, afin de t'humilier et de t'éprouver, pour te faire ensuite du bien. 17 Garde-toi de dire en ton coeur: Ma force et la puissance de ma main m'ont acquis ces richesses. 18 Souviens-toi de l'Éternel, ton Dieu, car c'est lui qui te donnera de la force pour les acquérir, afin de confirmer, comme il le fait aujourd'hui, son alliance qu'il a jurée à tes pères. 19 Si tu oublies l'Éternel, ton Dieu, et que tu ailles après d'autres dieux, si tu les sers et te prosternes devant eux, je vous déclare formellement aujourd'hui que vous périrez. 20 Vous périrez comme les nations que l'Éternel fait périr devant vous, parce que vous n'aurez point écouté la voix de l'Éternel, votre Dieu.