| Chapitre 5 1 [Ny amin'ny Didy Folo] Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy. 2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba; 3 tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio. 4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo. 5 Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy ianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra, ka hoy Izy: 6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. 8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy, 10 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. 11 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. 12 Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao. 13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 14 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa. 15 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata. 16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. 17 Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. 18 Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. 19 Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy. 20 Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo, 21 ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy. 22 Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty. 23 Fa iza moa tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany? 24 Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany. 25 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy. 26 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay 27 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo. 28 Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho lovany. 29 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; 30 fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo. | | Chapitre 5 5:1 Moses called to all Israel, and said to them, Hear, Israel, the statutes and the ordinances which I speak in your ears this day, that you may learn them, and observe to do them. 5:2 Yahweh our God made a covenant with us in Horeb. 5:3 Yahweh didn’t make this covenant with our fathers, but with us, even us, who are all of us here alive this day. 5:4 Yahweh spoke with you face to face on the mountain out of the midst of the fire, 5:5 (I stood between Yahweh and you at that time, to show you the word of Yahweh: for you were afraid because of the fire, and didn’t go up onto the mountain;) saying, 5:6 “I am Yahweh your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of bondage. 5:7 “You shall have no other gods before me. 5:8 “You shall not make an engraved image for yourself, any likeness of what is in heaven above, or what is in the earth beneath, or that is in the water under the earth: 5:9 you shall not bow down yourself to them, nor serve them; for I, Yahweh, your God, am a jealous God, visiting the iniquity of the fathers on the children, and on the third and on the fourth generation of those who hate me; 5:10 and showing loving kindness to thousands of those who love me and keep my commandments. 5:11 “You shall not take the name of Yahweh your God in vain: for Yahweh will not hold him guiltless who takes his name in vain. 5:12 “Observe the Sabbath day, to keep it holy, as Yahweh your God commanded you. 5:13 You shall labor six days, and do all your work; 5:14 but the seventh day is a Sabbath to Yahweh your God, in which you shall not do any work, you, nor your son, nor your daughter, nor your male servant, nor your female servant, nor your ox, nor your donkey, nor any of your livestock, nor your stranger who is within your gates; that your male servant and your female servant may rest as well as you. 5:15 You shall remember that you were a servant in the land of Egypt, and Yahweh your God brought you out of there by a mighty hand and by an outstretched arm: therefore Yahweh your God commanded you to keep the Sabbath day. 5:16 “Honor your father and your mother, as Yahweh your God commanded you; that your days may be long, and that it may go well with you, in the land which Yahweh your God gives you. 5:17 “You shall not murder. 5:18 “Neither shall you commit adultery. 5:19 “Neither shall you steal. 5:20 “Neither shall you give false testimony against your neighbor. 5:21 “Neither shall you covet your neighbor’s wife; neither shall you desire your neighbor’s house, his field, or his male servant, or his female servant, his ox, or his donkey, or anything that is your neighbor’s.” 5:22 These words Yahweh spoke to all your assembly on the mountain out of the midst of the fire, of the cloud, and of the thick darkness, with a great voice: and he added no more. He wrote them on two tables of stone, and gave them to me. 5:23 It happened, when you heard the voice out of the midst of the darkness, while the mountain was burning with fire, that you came near to me, even all the heads of your tribes, and your elders; 5:24 and you said, “Behold, Yahweh our God has shown us his glory and his greatness, and we have heard his voice out of the midst of the fire: we have seen this day that God does speak with man, and he lives. 5:25 Now therefore why should we die? For this great fire will consume us: if we hear the voice of Yahweh our God any more, then we shall die. 5:26 For who is there of all flesh, that has heard the voice of the living God speaking out of the midst of the fire, as we have, and lived? 5:27 Go near, and hear all that Yahweh our God shall say: and tell us all that Yahweh our God shall tell you; and we will hear it, and do it.” 5:28 Yahweh heard the voice of your words, when you spoke to me; and Yahweh said to me, “I have heard the voice of the words of this people, which they have spoken to you: they have well said all that they have spoken. 5:29 Oh that there were such a heart in them, that they would fear me, and keep all my commandments always, that it might be well with them, and with their children forever! 5:30 “Go tell them, Return to your tents. 5:31 But as for you, stand here by me, and I will tell you all the commandment, and the statutes, and the ordinances, which you shall teach them, that they may do them in the land which I give them to possess it.” 5:32 You shall observe to do therefore as Yahweh your God has commanded you: you shall not turn aside to the right hand or to the left. 5:33 You shall walk in all the way which Yahweh your God has commanded you, that you may live, and that it may be well with you, and that you may prolong your days in the land which you shall possess. | | Chapitre 5 1 Moïse convoqua tout Israël, et leur dit: Écoute, Israël, les lois et les ordonnances que je vous fais entendre aujourd'hui. Apprenez-les, et mettez-les soigneusement en pratique. 2 L'Éternel, notre Dieu, a traité avec nous une alliance à Horeb. 3 Ce n'est point avec nos pères que l'Éternel a traité cette alliance; c'est avec nous, qui sommes ici aujourd'hui, tous vivants. 4 L'Éternel vous parla face à face sur la montagne, du milieu du feu. 5 Je me tins alors entre l'Éternel et vous, pour vous annoncer la parole de l'Éternel; car vous aviez peur du feu, et vous ne montâtes point sur la montagne. Il dit: 6 Je suis l'Éternel, ton Dieu, qui t'ai fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude. 7 Tu n'auras point d'autres dieux devant ma face. 8 Tu ne te feras point d'image taillée, de représentation quelconque des choses qui sont en haut dans les cieux, qui sont en bas sur la terre, et qui sont dans les eaux plus bas que la terre. 9 Tu ne te prosterneras point devant elles, et tu ne les serviras point; car moi, l'Éternel, ton Dieu, je suis un Dieu jaloux, qui punis l'iniquité des pères sur les enfants jusqu'à la troisième et à la quatrième génération de ceux qui me haïssent, 10 et qui fais miséricorde jusqu'en mille générations à ceux qui m'aiment et qui gardent mes commandements. 11 Tu ne prendras point le nom de l'Éternel, ton Dieu, en vain; car l'Éternel ne laissera point impuni celui qui prendra son nom en vain. 12 Observe le jour du repos, pour le sanctifier, comme l'Éternel, ton Dieu, te l'a ordonné. 13 Tu travailleras six jours, et tu feras tout ton ouvrage. 14 Mais le septième jour est le jour du repos de l'Éternel, ton Dieu: tu ne feras aucun ouvrage, ni toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton serviteur, ni ta servante, ni ton boeuf, ni ton âne, ni aucune de tes bêtes, ni l'étranger qui est dans tes portes, afin que ton serviteur et ta servante se reposent comme toi. 15 Tu te souviendras que tu as été esclave au pays d'Égypte, et que l'Éternel, ton Dieu, t'en a fait sortir à main forte et à bras étendu: c'est pourquoi l'Éternel, ton Dieu, t'a ordonné d'observer le jour du repos. 16 Honore ton père et ta mère, comme l'Éternel, ton Dieu, te l'a ordonné, afin que tes jours se prolongent et que tu sois heureux dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne. 17 Tu ne tueras point. 18 Tu ne commettras point d'adultère. 19 Tu ne déroberas point. 20 Tu ne porteras point de faux témoignage contre ton prochain. 21 Tu ne convoiteras point la femme de ton prochain; tu ne désireras point la maison de ton prochain, ni son champ, ni son serviteur, ni sa servante, ni son boeuf, ni son âne, ni aucune chose qui appartienne à ton prochain. 22 Telles sont les paroles que prononça l'Éternel à haute voix sur la montagne, du milieu du feu, des nuées et de l'obscurité, et qu'il adressa à toute votre assemblée, sans rien ajouter. Il les écrivit sur deux tables de pierre, qu'il me donna. 23 Lorsque vous eûtes entendu la voix du milieu des ténèbres, et tandis que la montagne était toute en feu, vos chefs de tribus et vos anciens s'approchèrent tous de moi, 24 et vous dîtes: Voici, l'Éternel, notre Dieu, nous a montré sa gloire et sa grandeur, et nous avons entendu sa voix du milieu du feu; aujourd'hui, nous avons vu que Dieu a parlé à des hommes, et qu'ils sont demeurés vivants. 25 Et maintenant pourquoi mourrions-nous? car ce grand feu nous dévorera; si nous continuons à entendre la voix de l'Éternel, notre Dieu, nous mourrons. 26 Quel est l'homme, en effet, qui ait jamais entendu, comme nous, la voix du Dieu vivant parlant du milieu du feu, et qui soit demeuré vivant? 27 Approche, toi, et écoute tout ce que dira l'Éternel, notre Dieu; tu nous rapporteras toi-même tout ce que te dira l'Éternel, notre Dieu; nous l'écouterons, et nous le ferons. 28 L'Éternel entendit les paroles que vous m'adressâtes. Et l'Éternel me dit: J'ai entendu les paroles que ce peuple t'a adressées: tout ce qu'ils ont dit est bien. 29 Oh! s'ils avaient toujours ce même coeur pour me craindre et pour observer tous mes commandements, afin qu'ils fussent heureux à jamais, eux et leurs enfants! 30 Va, dis-leur: Retournez dans vos tentes. 31 Mais toi, reste ici avec moi, et je te dirai tous les commandements, les lois et les ordonnances, que tu leur enseigneras, afin qu'ils les mettent en pratique dans le pays dont je leur donne la possession. 32 Vous ferez avec soin ce que l'Éternel, votre Dieu, vous a ordonné; vous ne vous en détournerez ni à droite, ni à gauche. 33 Vous suivrez entièrement la voie que l'Éternel, votre Dieu, vous a prescrite, afin que vous viviez et que vous soyez heureux, afin que vous prolongiez vos jours dans le pays dont vous aurez la possession. | |