T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 [Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto mitandrina ny lalàna] Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.

2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.

3 Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.

4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.

5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.

6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io

7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?

8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?

9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,

10 dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.

11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.

12 Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.

13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.

14 Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.

15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;

16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,

17 na sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,

18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.

19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.

20 Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.

21 Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.

22 Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.

23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.

24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.

 

25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,

26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.

27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.

28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.

 

29 Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.

30 Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;

31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.

32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.

33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?

34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?

35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.

36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.

37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,

38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.

39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.

40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

*

41 [Ny nanendrena tanàna telo handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,

42 mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:

43 dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.

*

44 [Fitarihan-teny nataon'i Mosesy ny amin'ny lalàna] Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.

45 Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,

46 tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,

47 ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,

48 hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),

49 dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.

 

Chapitre 4

4:1 Now, Israel, listen to the statutes and to the ordinances, which I teach you, to do them; that you may live, and go in and possess the land which Yahweh, the God of your fathers, gives you. 4:2 You shall not add to the word which I command you, neither shall you diminish from it, that you may keep the commandments of Yahweh your God which I command you. 4:3 Your eyes have seen what Yahweh did because of Baal Peor; for all the men who followed Baal Peor, Yahweh your God has destroyed them from the midst of you. 4:4 But you who were faithful to Yahweh your God are all alive this day. 4:5 Behold, I have taught you statutes and ordinances, even as Yahweh my God commanded me, that you should do so in the midst of the land where you go in to possess it. 4:6 Keep therefore and do them; for this is your wisdom and your understanding in the sight of the peoples, who shall hear all these statutes, and say, “Surely this great nation is a wise and understanding people.” 4:7 For what great nation is there, that has a god so near to them, as Yahweh our God is whenever we call on him? 4:8 What great nation is there, that has statutes and ordinances so righteous as all this law, which I set before you this day?

4:9 Only take heed to yourself, and keep your soul diligently, lest you forget the things which your eyes saw, and lest they depart from your heart all the days of your life; but make them known to your children and your children’s children; 4:10 the day that you stood before Yahweh your God in Horeb, when Yahweh said to me, “Assemble me the people, and I will make them hear my words, that they may learn to fear me all the days that they live on the earth, and that they may teach their children.” 4:11 You came near and stood under the mountain; and the mountain burned with fire to the heart of the sky, with darkness, cloud, and thick darkness. 4:12 Yahweh spoke to you out of the midst of the fire: you heard the voice of words, but you saw no form; you only heard a voice. 4:13 He declared to you his covenant, which he commanded you to perform, even the ten commandments; and he wrote them on two tables of stone. 4:14 Yahweh commanded me at that time to teach you statutes and ordinances, that you might do them in the land where you go over to possess it. 4:15 Take therefore good heed to yourselves; for you saw no kind of form on the day that Yahweh spoke to you in Horeb out of the midst of the fire. 4:16 Lest you corrupt yourselves, and make yourself an engraved image in the form of any figure, the likeness of male or female, 4:17 the likeness of any animal that is on the earth, the likeness of any winged bird that flies in the sky, 4:18 the likeness of anything that creeps on the ground, the likeness of any fish that is in the water under the earth; 4:19 and lest you lift up your eyes to the sky, and when you see the sun and the moon and the stars, even all the army of the sky, you are drawn away and worship them, and serve them, which Yahweh your God has allotted to all the peoples under the whole sky. 4:20 But Yahweh has taken you, and brought you forth out of the iron furnace, out of Egypt, to be to him a people of inheritance, as at this day. 4:21 Furthermore Yahweh was angry with me for your sakes, and swore that I should not go over the Jordan, and that I should not go in to that good land, which Yahweh your God gives you for an inheritance: 4:22 but I must die in this land, I must not go over the Jordan; but you shall go over, and possess that good land. 4:23 Take heed to yourselves, lest you forget the covenant of Yahweh your God, which he made with you, and make you an engraved image in the form of anything which Yahweh your God has forbidden you. 4:24 For Yahweh your God is a devouring fire, a jealous God. 4:25 When you shall father children, and children’s children, and you shall have been long in the land, and shall corrupt yourselves, and make an engraved image in the form of anything, and shall do that which is evil in the sight of Yahweh your God, to provoke him to anger; 4:26 I call heaven and earth to witness against you this day, that you shall soon utterly perish from off the land whereunto you go over the Jordan to possess it; you shall not prolong your days on it, but shall utterly be destroyed. 4:27 Yahweh will scatter you among the peoples, and you shall be left few in number among the nations, where Yahweh shall lead you away. 4:28 There you shall serve gods, the work of men’s hands, wood and stone, which neither see, nor hear, nor eat, nor smell. 4:29 But from there you shall seek Yahweh your God, and you shall find him, when you search after him with all your heart and with all your soul. 4:30 When you are in oppression, and all these things have come on you, in the latter days you shall return to Yahweh your God, and listen to his voice: 4:31 for Yahweh your God is a merciful God; he will not fail you, neither destroy you, nor forget the covenant of your fathers which he swore to them. 4:32 For ask now of the days that are past, which were before you, since the day that God created man on the earth, and from the one end of the sky to the other, whether there has been anything as this great thing is, or has been heard like it? 4:33 Did a people ever hear the voice of God speaking out of the midst of the fire, as you have heard, and live? 4:34 Or has God tried to go and take a nation for himself from the midst of another nation, by trials, by signs, and by wonders, and by war, and by a mighty hand, and by an outstretched arm, and by great terrors, according to all that Yahweh your God did for you in Egypt before your eyes? 4:35 It was shown to you so that you might know that Yahweh is God. There is no one else besides him. 4:36 Out of heaven he made you to hear his voice, that he might instruct you: and on earth he made you to see his great fire; and you heard his words out of the midst of the fire. 4:37 Because he loved your fathers, therefore he chose their seed after them, and brought you out with his presence, with his great power, out of Egypt; 4:38 to drive out nations from before you greater and mightier than you, to bring you in, to give you their land for an inheritance, as at this day. 4:39 Know therefore this day, and lay it to your heart, that Yahweh he is God in heaven above and on the earth beneath; there is none else. 4:40 You shall keep his statutes, and his commandments, which I command you this day, that it may go well with you, and with your children after you, and that you may prolong your days in the land, which Yahweh your God gives you, forever. 4:41 Then Moses set apart three cities beyond the Jordan toward the sunrise; 4:42 that the manslayer might flee there, who kills his neighbor unawares, and didn’t hate him in time past; and that fleeing to one of these cities he might live: 4:43 Bezer in the wilderness, in the plain country, for the Reubenites; and Ramoth in Gilead, for the Gadites; and Golan in Bashan, for the Manassites. 4:44 This is the law which Moses set before the children of Israel: 4:45 these are the testimonies, and the statutes, and the ordinances, which Moses spoke to the children of Israel, when they came forth out of Egypt, 4:46 beyond the Jordan, in the valley over against Beth Peor, in the land of Sihon king of the Amorites, who lived at Heshbon, whom Moses and the children of Israel struck, when they came forth out of Egypt. 4:47 They took his land in possession, and the land of Og king of Bashan, the two kings of the Amorites, who were beyond the Jordan toward the sunrise; 4:48 from Aroer, which is on the edge of the valley of the Arnon, even to Mount Sion (the same is Hermon), 4:49 and all the Arabah beyond the Jordan eastward, even to the sea of the Arabah, under the slopes of Pisgah.

 

Chapitre 4
1 Maintenant, Israël, écoute les lois et les ordonnances que je vous enseigne. Mettez-les en pratique, afin que vous viviez, et que vous entriez en possession du pays que vous donne l'Éternel, le Dieu de vos pères. 2 Vous n'ajouterez rien à ce que je vous prescris, et vous n'en retrancherez rien; mais vous observerez les commandements de l'Éternel, votre Dieu, tels que je vous les prescris. 3 Vos yeux ont vu ce que l'Éternel a fait à l'occasion de Baal-Peor: l'Éternel, ton Dieu, a détruit du milieu de toi tous ceux qui étaient allés après Baal-Peor. 4 Et vous, qui vous êtes attachés à l'Éternel, votre Dieu, vous êtes aujourd'hui tous vivants. 5 Voici, je vous ai enseigné des lois et des ordonnances, comme l'Éternel, mon Dieu, me l'a commandé, afin que vous les mettiez en pratique dans le pays dont vous allez prendre possession. 6 Vous les observerez et vous les mettrez en pratique; car ce sera là votre sagesse et votre intelligence aux yeux des peuples, qui entendront parler de toutes ces lois et qui diront: Cette grande nation est un peuple absolument sage et intelligent! 7 Quelle est, en effet, la grande nation qui ait des dieux aussi proches que l'Éternel, notre Dieu, l'est de nous toutes les fois que nous l'invoquons? 8 Et quelle est la grande nation qui ait des lois et des ordonnances justes, comme toute cette loi que je vous présente aujourd'hui? 9 Seulement, prends garde à toi et veille attentivement sur ton âme, tous les jours de ta vie, de peur que tu n'oublies les choses que tes yeux ont vues, et qu'elles ne sortent de ton coeur; enseigne-les à tes enfants et aux enfants de tes enfants. 10 Souviens-toi du jour où tu te présentas devant l'Éternel, ton Dieu, à Horeb, lorsque l'Éternel me dit: Assemble auprès de moi le peuple! Je veux leur faire entendre mes paroles, afin qu'ils apprennent à me craindre tout le temps qu'ils vivront sur la terre; et afin qu'ils les enseignent à leurs enfants. 11 Vous vous approchâtes et vous vous tîntes au pied de la montagne. La montagne était embrasée, et les flammes s'élevaient jusqu'au milieu du ciel. Il y avait des ténèbres, des nuées, de l'obscurité. 12 Et l'Éternel vous parla du milieu du feu; vous entendîtes le son des paroles, mais vous ne vîtes point de figure, vous n'entendîtes qu'une voix. 13 Il publia son alliance, qu'il vous ordonna d'observer, les dix commandements; et il les écrivit sur deux tables de pierre. 14 En ce temps-là, l'Éternel me commanda de vous enseigner des lois et des ordonnances, afin que vous les mettiez en pratique dans le pays dont vous allez prendre possession. 15 Puisque vous n'avez vu aucune figure le jour où l'Éternel vous parla du milieu du feu, à Horeb, veillez attentivement sur vos âmes, 16 de peur que vous ne vous corrompiez et que vous ne vous fassiez une image taillée, une représentation de quelque idole, la figure d'un homme ou d'une femme, 17 la figure d'un animal qui soit sur la terre, la figure d'un oiseau qui vole dans les cieux, 18 la figure d'une bête qui rampe sur le sol, la figure d'un poisson qui vive dans les eaux au-dessous de la terre. 19 Veille sur ton âme, de peur que, levant tes yeux vers le ciel, et voyant le soleil, la lune et les étoiles, toute l'armée des cieux, tu ne sois entraîné à te prosterner en leur présence et à leur rendre un culte: ce sont des choses que l'Éternel, ton Dieu, a données en partage à tous les peuples, sous le ciel tout entier. 20 Mais vous, l'Éternel vous a pris, et vous a fait sortir de la fournaise de fer de l'Égypte, afin que vous fussiez un peuple qui lui appartînt en propre, comme vous l'êtes aujourd'hui. 21 Et l'Éternel s'irrita contre moi, à cause de vous; et il jura que je ne passerais point le Jourdain, et que je n'entrerais point dans le bon pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne en héritage. 22 Je mourrai donc en ce pays-ci, je ne passerai point le Jourdain; mais vous le passerez, et vous posséderez ce bon pays. 23 Veillez sur vous, afin de ne point mettre en oubli l'alliance que l'Éternel, votre Dieu, a traitée avec vous, et de ne point vous faire d'image taillée, de représentation quelconque, que l'Éternel, ton Dieu, t'ait défendue. 24 Car l'Éternel, ton Dieu, est un feu dévorant, un Dieu jaloux. 25 Lorsque tu auras des enfants, et des enfants de tes enfants, et que vous serez depuis longtemps dans le pays, si vous vous corrompez, si vous faites des images taillées, des représentations de quoi que ce soit, si vous faites ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, votre Dieu, pour l'irriter, - 26 j'en prends aujourd'hui à témoin contre vous le ciel et la terre, -vous disparaîtrez par une mort rapide du pays dont vous allez prendre possession au delà du Jourdain, vous n'y prolongerez pas vos jours, car vous serez entièrement détruits. 27 L'Éternel vous dispersera parmi les peuples, et vous ne resterez qu'un petit nombre au milieu des nations où l'Éternel vous emmènera. 28 Et là, vous servirez des dieux, ouvrage de mains d'homme, du bois et de la pierre, qui ne peuvent ni voir, ni entendre, ni manger, ni sentir. 29 C'est de là aussi que tu chercheras l'Éternel, ton Dieu, et que tu le trouveras, si tu le cherches de tout ton coeur et de toute ton âme. 30 Au sein de ta détresse, toutes ces choses t'arriveront. Alors, dans la suite des temps, tu retourneras à l'Éternel, ton Dieu, et tu écouteras sa voix; 31 car l'Éternel, ton Dieu, est un Dieu de miséricorde, qui ne t'abandonnera point et ne te détruira point: il n'oubliera pas l'alliance de tes pères, qu'il leur a jurée. 32 Interroge les temps anciens qui t'ont précédé, depuis le jour où Dieu créa l'homme sur la terre, et d'une extrémité du ciel à l'autre: y eut-il jamais si grand événement, et a-t-on jamais ouï chose semblable? 33 Fut-il jamais un peuple qui entendît la voix de Dieu parlant du milieu du feu, comme tu l'as entendue, et qui soit demeuré vivant? 34 Fut-il jamais un dieu qui essayât de venir prendre à lui une nation du milieu d'une nation, par des épreuves, des signes, des miracles et des combats, à main forte et à bras étendu, et avec des prodiges de terreur, comme l'a fait pour vous l'Éternel, votre Dieu, en Égypte et sous vos yeux? 35 Tu as été rendu témoin de ces choses, afin que tu reconnusses que l'Éternel est Dieu, qu'il n'y en a point d'autre. 36 Du ciel, il t'a fait entendre sa voix pour t'instruire; et, sur la terre, il t'a fait voir son grand feu, et tu as entendu ses paroles du milieu du feu. 37 Il a aimé tes pères, et il a choisi leur postérité après eux; il t'a fait lui-même sortir d'Égypte par sa grande puissance; 38 il a chassé devant toi des nations supérieures en nombre et en force, pour te faire entrer dans leur pays, pour t'en donner la possession, comme tu le vois aujourd'hui. 39 Sache donc en ce jour, et retiens dans ton coeur que l'Éternel est Dieu, en haut dans le ciel et en bas sur la terre, et qu'il n'y en a point d'autre. 40 Et observe ses lois et ses commandements que je te prescris aujourd'hui, afin que tu sois heureux, toi et tes enfants après toi, et que tu prolonges désormais tes jours dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne. 41 Alors Moïse choisit trois villes de l'autre côté du Jourdain, à l'orient, 42 afin qu'elles servissent de refuge au meurtrier qui aurait involontairement tué son prochain, sans avoir été auparavant son ennemi, et afin qu'il pût sauver sa vie en s'enfuyant dans l'une de ces villes. 43 C'étaient: Betser, dans le désert, dans la plaine, chez les Rubénites; Ramoth, en Galaad, chez les Gadites, et Golan, en Basan, chez les Manassites. 44 C'est ici la loi que présenta Moïse aux enfants d'Israël. 45 Voici les préceptes, les lois et les ordonnances que Moïse prescrivit aux enfants d'Israël, après leur sortie d'Égypte. 46 C'était de l'autre côté du Jourdain, dans la vallée, vis-à-vis de Beth-Peor, au pays de Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon, et qui fut battu par Moïse et les enfants d'Israël, après leur sortie d'Égypte. 47 Ils s'emparèrent de son pays et de celui d'Og, roi de Basan. Ces deux rois des Amoréens étaient de l'autre côté du Jourdain, à l'orient. 48 Leur territoire s'étendait depuis Aroër sur les bords du torrent de l'Arnon jusqu'à la montagne de Sion qui est l'Hermon, 49 et il embrassait toute la plaine de l'autre côté du Jourdain, à l'orient, jusqu'à la mer de la plaine, au pied du Pisga.