T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 33

1 [Ny tso-drano nataon'i Mosesy tamin'ny firenen'Isiraely] Ary izao no tso-drano nataon'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.

2 Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin'ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn'afo ho an'ireo.

3 Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan'ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin'ny teninao.

4 Lalàna no nandidian'i Mosesy antsika Ho lovan'ny fiangonan'i Jakoba.

5 Ary tonga mpanjakan'i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben'ny vahoaka Sy ny firenen'Isiraely rehetra.

6 Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.

7 Ary ny amin'i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon'i Joda, Ka ento ho amin'ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.

8 Ary ny amin'i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin'ny olonao masina. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,

9 Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.

10 Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao'izy Sy fanatitra dorana eo ambonin'ny alitaranao.

11 Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan'ny tànany; Asio mafy ny valahan'izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.

12 Ary ny amin'i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan'i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.

13 Ary ny amin'i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ny taniny Amin'ny zava-tsoan'ny lanitra, dia amin'ny ando, Ary amin'ny rano lalina mamitsaka any ambany,

14 Ary amin'ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,

15 Ary amin'ny zava-malaza avy amin'ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin'ny havoana mandrakizay

16 Mbamin'ny zava-tsoan'ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan'Izay nitoetra tao amin'ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan'i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.

17 Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok'ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran'ny tany; Ireo no alinalin'i Efraima Sy arivoarivon'i Manase.

18 Ary ny amin'i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin'izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.

19 Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren'ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.

20 Ary ny amin'i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an'i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin'ny tampon-doha.

21 Nizaha izay tsara indrindra ho an'ny tenany izy, Fa teo ny anaran'ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin'ny lohan'ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan'i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin'ny Isiraely.

22 Ary ny amin'DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.

23 Ary ny amin'i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian'i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.

24 Ary ny amin'i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.

25 Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.

26 Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin'ny voninahiny.

27 Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.

28 Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon'i Jakoba Ao amin'ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.

29 Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin'i Jehovah, Ampingan'ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.

 

Chapitre 33

33:1 This is the blessing, with which Moses the man of God blessed the children of Israel before his death. 33:2 He said,

“Yahweh came from Sinai,
And rose from Seir to them.
He shone forth from Mount Paran.
He came from the ten thousands of holy ones.
At his right hand was a fiery law for them.
33:3 Yes, he loves the people.
All his saints are in your hand.
They sat down at your feet;
each receives your words.
33:4 Moses commanded us a law,
An inheritance for the assembly of Jacob.
33:5 He was king in Jeshurun,
When the heads of the people were gathered,
All the tribes of Israel together.
33:6 “Let Reuben live, and not die;
Nor let his men be few.”
33:7 This is for Judah. He said,

“Hear, Yahweh, the voice of Judah.
Bring him in to his people.
With his hands he contended for himself.
You shall be a help against his adversaries.”
33:8 Of Levi he said,

“Your Thummim and your Urim are with your godly one,
whom you proved at Massah,
with whom you strove at the waters of Meribah;
33:9 who said of his father, and of his mother, ‘I have not seen him;’
Neither did he acknowledge his brothers,
Nor did he know his own children:
For they have observed your word,
and keep your covenant.
33:10 They shall teach Jacob your ordinances,
and Israel your law.
They shall put incense before you,
and whole burnt offering on your altar.
33:11 Yahweh, bless his substance.
Accept the work of his hands.
Strike through the hips of those who rise up against him,
of those who hate him, that they not rise again.”
33:12 Of Benjamin he said,

“The beloved of Yahweh shall dwell in safety by him.
He covers him all the day long.
He dwells between his shoulders.”
33:13 Of Joseph he said,

“His land is blessed by Yahweh,
for the precious things of the heavens, for the dew,
for the deep that couches beneath,
33:14 for the precious things of the fruits of the sun,
for the precious things of the growth of the moons,
33:15 for the chief things of the ancient mountains,
for the precious things of the everlasting hills,
33:16 for the precious things of the earth and its fullness,
the good will of him who lived in the bush.
Let this come on the head of Joseph,
on the crown of the head of him who was separate from his brothers.
33:17 The firstborn of his herd, majesty is his.
His horns are the horns of the wild ox.
With them he shall push all of the peoples, to the ends of the earth:
They are the ten thousands of Ephraim.
They are the thousands of Manasseh.”
33:18 Of Zebulun he said,

“Rejoice, Zebulun, in your going out;
and Issachar, in your tents.
33:19 They shall call the peoples to the mountain.
There they will offer sacrifices of righteousness,
for they shall draw out the abundance of the seas,
the hidden treasures of the sand.”
33:20 Of Gad he said,

“He who enlarges Gad is blessed.
He dwells as a lioness,
and tears the arm, yes, the crown of the head.
33:21 He provided the first part for himself,
for there was the lawgiver’s portion reserved.
He came with the heads of the people.
He executed the righteousness of Yahweh,
His ordinances with Israel.”
33:22 Of Dan he said,

“Dan is a lion’s cub
that leaps out of Bashan.”
33:23 Of Naphtali he said,

“Naphtali, satisfied with favor,
full of the blessing of Yahweh,
Possess the west and the south.”
33:24 Of Asher he said,

“Asher is blessed with children.
Let him be acceptable to his brothers.
Let him dip his foot in oil.
33:25 Your bars shall be iron and brass.
As your days, so your strength will be.
33:26 “There is none like God, Jeshurun,
who rides on the heavens for your help,
In his excellency on the skies.
33:27 The eternal God is your dwelling place.
Underneath are the everlasting arms.
He thrust out the enemy from before you,
and said, ‘Destroy!’
33:28 Israel dwells in safety;
the fountain of Jacob alone,
In a land of grain and new wine.
Yes, his heavens drop down dew.
33:29 You are happy, Israel.
Who is like you, a people saved by Yahweh,
the shield of your help,
the sword of your excellency!
Your enemies shall submit themselves to you.
You shall tread on their high places.”

 

Chapitre 33
1 Voici la bénédiction par laquelle Moïse, homme de Dieu, bénit les enfants d'Israël, avant sa mort. 2 Il dit: L'Éternel est venu du Sinaï, Il s'est levé sur eux de Séir, Il a resplendi de la montagne de Paran, Et il est sorti du milieu des saintes myriades: Il leur a de sa droite envoyé le feu de la loi. 3 Oui, il aime les peuples; Tous ses saints sont dans ta main. Ils se sont tenus à tes pieds, Ils ont reçu tes paroles. 4 Moïse nous a donné la loi, Héritage de l'assemblée de Jacob. 5 Il était roi en Israël, Quand s'assemblaient les chefs du peuple Et les tribus d'Israël. 6 Que Ruben vive et qu'il ne meure point, Et que ses hommes soient nombreux! 7 Voici sur Juda ce qu'il dit: Écoute, ô Éternel! la voix de Juda, Et ramène-le vers son peuple. Que ses mains soient puissantes, Et que tu lui sois en aide contre ses ennemis! 8 Sur Lévi il dit: Les thummim et les urim ont été confiés à l'homme saint, Que tu as tenté à Massa, Et avec qui tu as contesté aux eaux de Meriba. 9 Lévi dit de son père et de sa mère: Je ne les ai point vus! Il ne distingue point ses frères, Il ne connaît point ses enfants. Car ils observent ta parole, Et ils gardent ton alliance; 10 Ils enseignent tes ordonnances à Jacob, Et ta loi à Israël; Ils mettent l'encens sous tes narines, Et l'holocauste sur ton autel. 11 Bénis sa force, ô Éternel! Agrée l'oeuvre de ses mains! Brise les reins de ses adversaires, Et que ses ennemis ne se relèvent plus! 12 Sur Benjamin il dit: C'est le bien-aimé de l'Éternel, Il habitera en sécurité auprès de lui; L'Éternel le couvrira toujours, Et résidera entre ses épaules. 13 Sur Joseph il dit: Son pays recevra de l'Éternel, en signe de bénédiction, Le meilleur don du ciel, la rosée, Les meilleures eaux qui sont en bas, 14 Les meilleurs fruits du soleil, Les meilleurs fruits de chaque mois, 15 Les meilleurs produits des antiques montagnes, Les meilleurs produits des collines éternelles, 16 Les meilleurs produits de la terre et de ce qu'elle renferme. Que la grâce de celui qui apparut dans le buisson Vienne sur la tête de Joseph, Sur le sommet de la tête du prince de ses frères! 17 De son taureau premier-né il a la majesté; Ses cornes sont les cornes du buffle; Avec elles il frappera tous les peuples, Jusqu'aux extrémités de la terre: Elles sont les myriades d'Éphraïm, Elles sont les milliers de Manassé. 18 Sur Zabulon il dit: Réjouis-toi, Zabulon, dans tes courses, Et toi, Issacar, dans tes tentes! 19 Ils appelleront les peuples sur la montagne; Là, ils offriront des sacrifices de justice, Car ils suceront l'abondance de la mer, Et les trésors cachés dans le sable. 20 Sur Gad il dit: Béni soit celui qui met Gad au large! Gad repose comme une lionne, Il déchire le bras et la tête. 21 Il a choisi les prémices du pays, Car là est caché l'héritage du législateur; Il a marché en tête du peuple, Il a exécuté la justice de l'Éternel, Et ses ordonnances envers Israël. 22 Sur Dan il dit: Dan est un jeune lion, Qui s'élance de Basan. 23 Sur Nephthali il dit: Nephthali, rassasié de faveurs Et comblé des bénédictions de l'Éternel, Prends possession de l'occident et du midi! 24 Sur Aser il dit: Béni soit Aser entre les enfants d'Israël! Qu'il soit agréable à ses frères, Et qu'il plonge son pied dans l'huile! 25 Que tes verrous soient de fer et d'airain, Et que ta vigueur dure autant que tes jours! 26 Nul n'est semblable au Dieu d'Israël, Il est porté sur les cieux pour venir à ton aide, Il est avec majesté porté sur les nuées. 27 Le Dieu d'éternité est un refuge, Et sous ses bras éternels est une retraite. Devant toi il a chassé l'ennemi, Et il a dit: Extermine. 28 Israël est en sécurité dans sa demeure, La source de Jacob est à part Dans un pays de blé et de moût, Et son ciel distille la rosée. 29 Que tu es heureux, Israël! Qui est comme toi, Un peuple sauvé par l'Éternel, Le bouclier de ton secours Et l'épée de ta gloire? Tes ennemis feront défaut devant toi, Et tu fouleras leurs lieux élevés.