| Chapitre 32 1 [Ny fihirana nataon'i Mosesy] MIHAINOA, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin'ny vavako! 2 Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin'ny anana. 3 Fa ny anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan'Andriamanitsika. 4 Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy. * 5 Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy. 6 Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao? 7 Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy; 8 Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely. 9 Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany. 10 Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony. 11 Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany, 12 Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy. 13 Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato 14 Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka ianao. * 15 Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy. 16 Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; 17 Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo. 18 Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao. 19 Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zananivavy. 20 Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky. 21 Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala. 22 Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza. 23 Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako: 24 Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka. 25 Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo. 26 Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona, 27 Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany. 28 Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana. * 29 Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany. 30 Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy? 31 Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara. 32 Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony. 33 Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava. * 34 Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako? 35 Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy. 36 Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka. 37 Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany, 38 Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo. 39 Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako. 40 Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay: 41 Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy. 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo. 43 Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony. * 44 Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona. 45 Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany, 46 dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo. 48 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe: 49 Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany. 50 Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny razany, 51 satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo. 52 Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely. | | Chapitre 32 32:1 Give ear, you heavens, and I will speak. Let the earth hear the words of my mouth. 32:2 My doctrine shall drop as the rain. My speech shall condense as the dew, as the small rain on the tender grass, as the showers on the herb. 32:3 For I will proclaim the name of Yahweh. Ascribe greatness to our God! 32:4 The Rock, his work is perfect, for all his ways are justice: a God of faithfulness and without iniquity, just and right is he. 32:5 They have dealt corruptly with him. They are not his children, because of their defect. They are a perverse and crooked generation. 32:6 Do you thus requite Yahweh, foolish people and unwise? Isn’t he your father who has bought you? He has made you, and established you. 32:7 Remember the days of old. Consider the years of many generations. Ask your father, and he will show you; your elders, and they will tell you. 32:8 When the Most High gave to the nations their inheritance, when he separated the children of men, he set the bounds of the peoples according to the number of the children of Israel. 32:9 For Yahweh’s portion is his people. Jacob is the lot of his inheritance. 32:10 He found him in a desert land, in the waste howling wilderness. He surrounded him. He cared for him. He kept him as the apple of his eye. 32:11 As an eagle that stirs up her nest, that flutters over her young, he spread abroad his wings, he took them, he bore them on his feathers. 32:12 Yahweh alone led him. There was no foreign god with him. 32:13 He made him ride on the high places of the earth. He ate the increase of the field. He caused him to suck honey out of the rock, oil out of the flinty rock; 32:14 Butter of the herd, and milk of the flock, with fat of lambs, rams of the breed of Bashan, and goats, with the finest of the wheat. Of the blood of the grape you drank wine. 32:15 But Jeshurun grew fat, and kicked. You have grown fat. You have grown thick. You have become sleek. Then he forsook God who made him, and lightly esteemed the Rock of his salvation. 32:16 They moved him to jealousy with strange gods. They provoked him to anger with abominations. 32:17 They sacrificed to demons, not God, to gods that they didn’t know, to new gods that came up recently, which your fathers didn’t dread. 32:18 Of the Rock who became your father, you are unmindful, and have forgotten God who gave you birth. 32:19 Yahweh saw and abhorred, because of the provocation of his sons and his daughters. 32:20 He said, “I will hide my face from them. I will see what their end shall be; for they are a very perverse generation, children in whom is no faithfulness. 32:21 They have moved me to jealousy with that which is not God. They have provoked me to anger with their vanities. I will move them to jealousy with those who are not a people. I will provoke them to anger with a foolish nation. 32:22 For a fire is kindled in my anger, Burns to the lowest Sheol, Devours the earth with its increase, and sets the foundations of the mountains on fire. 32:23 “I will heap evils on them. I will spend my arrows on them. 32:24 They shall be wasted with hunger, and devoured with burning heat and bitter destruction. I will send the teeth of animals on them, With the poison of crawling things of the dust. 32:25 Outside the sword shall bereave, and in the rooms, terror; on both young man and virgin, The nursing infant with the gray-haired man. 32:26 I said, I would scatter them afar. I would make their memory to cease from among men; 32:27 were it not that I feared the provocation of the enemy, lest their adversaries should judge wrongly, lest they should say, ‘Our hand is exalted, Yahweh has not done all this.’” 32:28 For they are a nation void of counsel. There is no understanding in them. 32:29 Oh that they were wise, that they understood this, that they would consider their latter end! 32:30 How could one chase a thousand, and two put ten thousand to flight, unless their Rock had sold them, and Yahweh had delivered them up? 32:31 For their rock is not as our Rock, even our enemies themselves being judges. 32:32 For their vine is of the vine of Sodom, of the fields of Gomorrah. Their grapes are grapes of gall, Their clusters are bitter. 32:33 Their wine is the poison of serpents, The cruel venom of asps. 32:34 “Isn’t this laid up in store with me, sealed up among my treasures? 32:35 Vengeance is mine, and recompense, at the time when their foot slides; for the day of their calamity is at hand. The things that are to come on them shall make haste.” 32:36 For Yahweh will judge his people, and have compassion on his servants, when he sees that their power is gone, There is none remaining, shut up or left at large. 32:37 He will say, “Where are their gods, The rock in which they took refuge; 32:38 Which ate the fat of their sacrifices, And drank the wine of their drink offering? Let them rise up and help you! Let them be your protection. 32:39 “See now that I, even I, am he, There is no god with me. I kill, and I make alive. I wound, and I heal. There is no one who can deliver out of my hand. 32:40 For I lift up my hand to heaven, And say, As I live forever, 32:41 if I whet my glittering sword, My hand take hold on judgment; I will render vengeance to my adversaries, and will recompense those who hate me. 32:42 I will make my arrows drunk with blood. My sword shall devour flesh with the blood of the slain and the captives, from the head of the leaders of the enemy.” 32:43 Rejoice, you nations, with his people, for he will avenge the blood of his servants. He will render vengeance to his adversaries, And will make expiation for his land, for his people. 32:44 Moses came and spoke all the words of this song in the ears of the people, he and Joshua the son of Nun. 32:45 Moses made an end of speaking all these words to all Israel; 32:46 He said to them, “Set your heart to all the words which I testify to you this day, which you shall command your children to observe to do, all the words of this law. 32:47 For it is no vain thing for you; because it is your life, and through this thing you shall prolong your days in the land, where you go over the Jordan to possess it.” 32:48 Yahweh spoke to Moses that same day, saying, 32:49 “Go up into this mountain of Abarim, to Mount Nebo, which is in the land of Moab, that is over against Jericho; and see the land of Canaan, which I give to the children of Israel for a possession; 32:50 and die on the mountain where you go up, and be gathered to your people, as Aaron your brother died on Mount Hor, and was gathered to his people: 32:51 because you trespassed against me in the midst of the children of Israel at the waters of Meribah of Kadesh, in the wilderness of Zin; because you didn’t sanctify me in the midst of the children of Israel. 32:52 For you shall see the land before you; but you shall not go there into the land which I give the children of Israel.” | | Chapitre 32 1 Cieux! prêtez l'oreille, et je parlerai; Terre! écoute les paroles de ma bouche. 2 Que mes instructions se répandent comme la pluie, Que ma parole tombe comme la rosée, Comme des ondées sur la verdure, Comme des gouttes d'eau sur l'herbe! 3 Car je proclamerai le nom de l'Éternel. Rendez gloire à notre Dieu! 4 Il est le rocher; ses oeuvres sont parfaites, Car toutes ses voies sont justes; C'est un Dieu fidèle et sans iniquité, Il est juste et droit. 5 S'ils se sont corrompus, à lui n'est point la faute; La honte est à ses enfants, Race fausse et perverse. 6 Est-ce l'Éternel que vous en rendrez responsable, Peuple insensé et dépourvu de sagesse? N'est-il pas ton père, ton créateur? N'est-ce pas lui qui t'a formé, et qui t'a affermi? 7 Rappelle à ton souvenir les anciens jours, Passe en revue les années, génération par génération, Interroge ton père, et il te l'apprendra, Tes vieillards, et ils te le diront. 8 Quand le Très-Haut donna un héritage aux nations, Quand il sépara les enfants des hommes, Il fixa les limites des peuples D'après le nombre des enfants d'Israël, 9 Car la portion de l'Éternel, c'est son peuple, Jacob est la part de son héritage. 10 Il l'a trouvé dans une contrée déserte, Dans une solitude aux effroyables hurlements; Il l'a entouré, il en a pris soin, Il l'a gardé comme la prunelle de son oeil, 11 Pareil à l'aigle qui éveille sa couvée, Voltige sur ses petits, Déploie ses ailes, les prend, Les porte sur ses plumes. 12 L'Éternel seul a conduit son peuple, Et il n'y avait avec lui aucun dieu étranger. 13 Il l'a fait monter sur les hauteurs du pays, Et Israël a mangé les fruits des champs; Il lui a fait sucer le miel du rocher, L'huile qui sort du rocher le plus dur, 14 La crème des vaches et le lait des brebis, Avec la graisse des agneaux, Des béliers de Basan et des boucs, Avec la fleur du froment; Et tu as bu le sang du raisin, le vin. 15 Israël est devenu gras, et il a regimbé; Tu es devenu gras, épais et replet! -Et il a abandonné Dieu, son créateur, Il a méprisé le rocher de son salut, 16 Ils ont excité sa jalousie par des dieux étrangers, Ils l'ont irrité par des abominations; 17 Ils ont sacrifié à des idoles qui ne sont pas Dieu, A des dieux qu'ils ne connaissaient point, Nouveaux, venus depuis peu, Et que vos pères n'avaient pas craints. 18 Tu as abandonné le rocher qui t'a fait naître, Et tu as oublié le Dieu qui t'a engendré. 19 L'Éternel l'a vu, et il a été irrité, Indigné contre ses fils et ses filles. 20 Il a dit: Je leur cacherai ma face, Je verrai quelle sera leur fin; Car c'est une race perverse, Ce sont des enfants infidèles. 21 Ils ont excité ma jalousie par ce qui n'est point Dieu, Ils m'ont irrité par leurs vaines idoles; Et moi, j'exciterai leur jalousie par ce qui n'est point un peuple, Je les irriterai par une nation insensée. 22 Car le feu de ma colère s'est allumé, Et il brûlera jusqu'au fond du séjour des morts; Il dévorera la terre et ses produits, Il embrasera les fondements des montagnes. 23 J'accumulerai sur eux les maux, J'épuiserai mes traits contre eux. 24 Ils seront desséchés par la faim, consumés par la fièvre Et par des maladies violentes; J'enverrai parmi eux la dent des bêtes féroces Et le venin des serpents. 25 Au dehors, on périra par l'épée, Et au dedans, par d'effrayantes calamités: Il en sera du jeune homme comme de la jeune fille, De l'enfant à la mamelle comme du vieillard. 26 Je voudrais dire: Je les emporterai d'un souffle, Je ferai disparaître leur mémoire d'entre les hommes! 27 Mais je crains les insultes de l'ennemi, Je crains que leurs adversaires ne se méprennent, Et qu'ils ne disent: Notre main a été puissante, Et ce n'est pas l'Éternel qui a fait toutes ces choses. 28 C'est une nation qui a perdu le bon sens, Et il n'y a point en eux d'intelligence. 29 S'ils étaient sages, voici ce qu'ils comprendraient, Et ils penseraient à ce qui leur arrivera. 30 Comment un seul en poursuivrait-il mille, Et deux en mettraient-ils dix mille en fuite, Si leur Rocher ne les avait vendus, Si l'Éternel ne les avait livrés? 31 Car leur rocher n'est pas comme notre Rocher, Nos ennemis en sont juges. 32 Mais leur vigne est du plant de Sodome Et du terroir de Gomorrhe; Leurs raisins sont des raisins empoisonnés, Leurs grappes sont amères; 33 Leur vin, c'est le venin des serpents, C'est le poison cruel des aspics. 34 Cela n'est-il pas caché près de moi, Scellé dans mes trésors? 35 A moi la vengeance et la rétribution, Quand leur pied chancellera! Car le jour de leur malheur est proche, Et ce qui les attend ne tardera pas. 36 L'Éternel jugera son peuple; Mais il aura pitié de ses serviteurs, En voyant que leur force est épuisée, Et qu'il n'y a plus ni esclave ni homme libre. 37 Il dira: Où sont leurs dieux, Le rocher qui leur servait de refuge, 38 Ces dieux qui mangeaient la graisse de leurs victimes, Qui buvaient le vin de leurs libations? Qu'ils se lèvent, qu'ils vous secourent, Qu'ils vous couvrent de leur protection! 39 Sachez donc que c'est moi qui suis Dieu, Et qu'il n'y a point de dieu près de moi; Je fais vivre et je fais mourir, Je blesse et je guéris, Et personne ne délivre de ma main. 40 Car je lève ma main vers le ciel, Et je dis: Je vis éternellement! 41 Si j'aiguise l'éclair de mon épée Et si ma main saisit la justice, Je me vengerai de mes adversaires Et je punirai ceux qui me haïssent; 42 Mon épée dévorera leur chair, Et j'enivrerai mes flèches de sang, Du sang des blessés et des captifs, De la tête des chefs de l'ennemi. 43 Nations, chantez les louanges de son peuple! Car l'Éternel venge le sang de ses serviteurs, Il se venge de ses adversaires, Et il fait l'expiation pour son pays, pour son peuple. 44 Moïse vint et prononça toutes les paroles de ce cantique en présence du peuple; Josué, fils de Nun, était avec lui. 45 Lorsque Moïse eut achevé de prononcer toutes ces paroles devant tout Israël, 46 il leur dit: Prenez à coeur toutes les paroles que je vous conjure aujourd'hui de recommander à vos enfants, afin qu'ils observent et mettent en pratique toutes les paroles de cette loi. 47 Car ce n'est pas une chose sans importance pour vous; c'est votre vie, et c'est par là que vous prolongerez vos jours dans le pays dont vous aurez la possession, après avoir passé le Jourdain. 48 Ce même jour, l'Éternel parla à Moïse, et dit: 49 Monte sur cette montagne d'Abarim, sur le mont Nebo, au pays de Moab, vis-à-vis de Jéricho; et regarde le pays de Canaan que je donne en propriété aux enfants d'Israël. 50 Tu mourras sur la montagne où tu vas monter, et tu seras recueilli auprès de ton peuple, comme Aaron, ton frère, est mort sur la montagne de Hor et a été recueilli auprès de son peuple, 51 parce que vous avez péché contre moi au milieu des enfants d'Israël, près des eaux de Meriba, à Kadès, dans le désert de Tsin, et que vous ne m'avez point sanctifié au milieu des enfants d'Israël. 52 Tu verras le pays devant toi; mais tu n'entreras point dans le pays que je donne aux enfants d'Israël. | |