| Chapitre 31 1 Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra 2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona andro-any aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io hianao. 3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny hianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 4 Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny. 5 Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo. 6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. 7 Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary hianao no hampandova azy izany. 8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po hianao. 9 Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra. 10 Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, 11 ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy. 12 Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. 13 Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo. 14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana hianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana. 15 Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona. 16 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao hianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy. 17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko? 18 Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy. 19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely. 20 Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko. 21 Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy. 22 Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely. 23 Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho. 24 Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity, 25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe: 26 Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao. 27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah hianareo, ka mainka fa rehefa maty aho. 28 Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho. 29 Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa hianareo ka hiala amin'ny làlana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza hianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah hianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tànanareo. 30 Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany. | | Chapitre 31 1And Moses went and spake these words unto all Israel. 2And he said unto them, I am an hundred and twenty years old this day; I can no more go out and come in: also the LORD hath said unto me, Thou shalt not go over this Jordan. 3The LORD thy God, he will go over before thee, and he will destroy these nations from before thee, and thou shalt possess them: and Joshua, he shall go over before thee, as the LORD hath said. 4And the LORD shall do unto them as he did to Sihon and to Og, kings of the Amorites, and unto the land of them, whom he destroyed. 5And the LORD shall give them up before your face, that ye may do unto them according unto all the commandments which I have commanded you. 6Be strong and of a good courage, fear not, nor be afraid of them: for the LORD thy God, he it is that doth go with thee; he will not fail thee, nor forsake thee. 7And Moses called unto Joshua, and said unto him in the sight of all Israel, Be strong and of a good courage: for thou must go with this people unto the land which the LORD hath sworn unto their fathers to give them; and thou shalt cause them to inherit it. 8And the LORD, he it is that doth go before thee; he will be with thee, he will not fail thee, neither forsake thee: fear not, neither be dismayed. 9And Moses wrote this law, and delivered it unto the priests the sons of Levi, which bare the ark of the covenant of the LORD, and unto all the elders of Israel. 10And Moses commanded them, saying, At the end of every seven years, in the solemnity of the year of release, in the feast of tabernacles, 11When all Israel is come to appear before the LORD thy God in the place which he shall choose, thou shalt read this law before all Israel in their hearing. 12Gather the people together, men and women, and children, and thy stranger that is within thy gates, that they may hear, and that they may learn, and fear the LORD your God, and observe to do all the words of this law: 13And that their children, which have not known any thing, may hear, and learn to fear the LORD your God, as long as ye live in the land whither ye go over Jordan to possess it. 14And the LORD said unto Moses, Behold, thy days approach that thou must die: call Joshua, and present yourselves in the tabernacle of the congregation, that I may give him a charge. And Moses and Joshua went, and presented themselves in the tabernacle of the congregation. 15And the LORD appeared in the tabernacle in a pillar of a cloud: and the pillar of the cloud stood over the door of the tabernacle. 16And the LORD said unto Moses, Behold, thou shalt sleep with thy fathers; and this people will rise up, and go a whoring after the gods of the strangers of the land, whither they go to be among them, and will forsake me, and break my covenant which I have made with them. 17Then my anger shall be kindled against them in that day, and I will forsake them, and I will hide my face from them, and they shall be devoured, and many evils and troubles shall befall them; so that they will say in that day, Are not these evils come upon us, because our God is not among us? 18And I will surely hide my face in that day for all the evils which they shall have wrought, in that they are turned unto other gods. 19Now therefore write ye this song for you, and teach it the children of Israel: put it in their mouths, that this song may be a witness for me against the children of Israel. 20For when I shall have brought them into the land which I sware unto their fathers, that floweth with milk and honey; and they shall have eaten and filled themselves, and waxen fat; then will they turn unto other gods, and serve them, and provoke me, and break my covenant. 21And it shall come to pass, when many evils and troubles are befallen them, that this song shall testify against them as a witness; for it shall not be forgotten out of the mouths of their seed: for I know their imagination which they go about, even now, before I have brought them into the land which I sware. 22Moses therefore wrote this song the same day, and taught it the children of Israel. 23And he gave Joshua the son of Nun a charge, and said, Be strong and of a good courage: for thou shalt bring the children of Israel into the land which I sware unto them: and I will be with thee. 24And it came to pass, when Moses had made an end of writing the words of this law in a book, until they were finished, 25That Moses commanded the Levites, which bare the ark of the covenant of the LORD, saying, 26Take this book of the law, and put it in the side of the ark of the covenant of the LORD your God, that it may be there for a witness against thee. 27For I know thy rebellion, and thy stiff neck: behold, while I am yet alive with you this day, ye have been rebellious against the LORD; and how much more after my death? 28Gather unto me all the elders of your tribes, and your officers, that I may speak these words in their ears, and call heaven and earth to record against them. 29For I know that after my death ye will utterly corrupt yourselves, and turn aside from the way which I have commanded you; and evil will befall you in the latter days; because ye will do evil in the sight of the LORD, to provoke him to anger through the work of your hands. 30And Moses spake in the ears of all the congregation of Israel the words of this song, until they were ended. | | Chapitre 31 1Moïse adressa encore ces paroles à tout Israël: 2Aujourd'hui, leur dit-il, je suis âgé de cent vingt ans, je ne pourrai plus sortir et entrer, et l'Éternel m'a dit: Tu ne passeras pas ce Jourdain. 3L'Éternel, ton Dieu, marchera lui-même devant toi, il détruira ces nations devant toi, et tu t'en rendras maître. Josué marchera aussi devant toi, comme l'Éternel l'a dit. 4L'Éternel traitera ces nations comme il a traité Sihon et Og, rois des Amoréens, qu'il a détruits avec leur pays. 5L'Éternel vous les livrera, et vous agirez à leur égard selon tous les ordres que je vous ai donnés. 6Fortifiez-vous et ayez du courage! Ne craignez point et ne soyez point effrayés devant eux; car l'Éternel, ton Dieu, marchera lui-même avec toi, il ne te délaissera point, il ne t'abandonnera point. 7Moïse appela Josué, et lui dit en présence de tout Israël: Fortifie-toi et prends courage, car tu entreras avec ce peuple dans le pays que l'Éternel a juré à leurs pères de leur donner, et c'est toi qui les en mettras en possession. 8L'Éternel marchera lui-même devant toi, il sera lui-même avec toi, il ne te délaissera point, il ne t'abandonnera point; ne crains point, et ne t'effraie point. 9Moïse écrivit cette loi, et il la remit aux sacrificateurs, fils de Lévi, qui portaient l'arche de l'alliance de l'Éternel, et à tous les anciens d'Israël. 10Moïse leur donna cet ordre: Tous les sept ans, à l'époque de l'année du relâche, à la fête des tabernacles, 11quand tout Israël viendra se présenter devant l'Éternel, ton Dieu, dans le lieu qu'il choisira, tu liras cette loi devant tout Israël, en leur présence. 12Tu rassembleras le peuple, les hommes, les femmes, les enfants, et l'étranger qui sera dans tes portes, afin qu'ils t'entendent, et afin qu'ils apprennent à craindre l'Éternel, votre Dieu, à observer et à mettre en pratique toutes les paroles de cette loi. 13Et leurs enfants qui ne la connaîtront pas l'entendront, et ils apprendront à craindre l'Éternel, votre Dieu, tout le temps que vous vivrez dans le pays dont vous prendrez possession, après avoir passé le Jourdain. 14L'Éternel dit à Moïse: Voici, le moment approche où tu vas mourir. Appelle Josué, et présentez-vous dans la tente d'assignation. Je lui donnerai mes ordres. Moïse et Josué allèrent se présenter dans la tente d'assignation. 15Et l'Éternel apparut dans la tente dans une colonne de nuée; et la colonne de nuée s'arrêta à l'entrée de la tente. 16L'Éternel dit à Moïse: Voici, tu vas être couché avec tes pères. Et ce peuple se lèvera, et se prostituera après les dieux étrangers du pays au milieu duquel il entre. Il m'abandonnera, et il violera mon alliance, que j'ai traitée avec lui. 17En ce jour-là, ma colère s'enflammera contre lui. Je les abandonnerai, et je leur cacherai ma face. Il sera dévoré, il sera la proie d'une multitude de maux et d'afflictions, et alors il dira: N'est-ce point parce que mon Dieu n'est pas au milieu de moi que ces maux m'ont atteint? 18Et moi, je cacherai ma face en ce jour-là, à cause de tout le mal qu'il aura fait, en se tournant vers d'autres dieux. 19Maintenant, écrivez ce cantique. Enseigne-le aux enfants d'Israël, mets-le dans leur bouche, et que ce cantique me serve de témoin contre les enfants d'Israël. 20Car je mènerai ce peuple dans le pays que j'ai juré à ses pères de lui donner, pays où coulent le lait et le miel; il mangera, se rassasiera, s'engraissera; puis il se tournera vers d'autres dieux et les servira, il me méprisera et violera mon alliance; 21quand alors il sera atteint par une multitude de maux et d'afflictions, ce cantique, qui ne sera point oublié et que la postérité aura dans la bouche, déposera comme témoin contre ce peuple. Je connais, en effet, ses dispositions, qui déjà se manifestent aujourd'hui, avant même que je l'aie fait entrer dans le pays que j'ai juré de lui donner. 22En ce jour-là, Moïse écrivit ce cantique, et il l'enseigna aux enfants d'Israël. 23L'Éternel donna ses ordres à Josué, fils de Nun. Il dit: Fortifie-toi et prends courage, car c'est toi qui feras entrer les enfants d'Israël dans le pays que j'ai juré de leur donner; et je serai moi-même avec toi. 24Lorsque Moïse eut complètement achevé d'écrire dans un livre les paroles de cette loi, 25il donna cet ordre aux Lévites qui portaient l'arche de l'alliance de l'Éternel: 26Prenez ce livre de la loi, et mettez-le à côté de l'arche de l'alliance de l'Éternel, votre Dieu, et il sera là comme témoin contre toi. 27Car je connais ton esprit de rébellion et la roideur de ton cou. Si vous êtes rebelles contre l'Éternel pendant que je suis encore vivant au milieu de vous, combien plus le serez-vous après ma mort! 28Assemblez devant moi tous les anciens de vos tribus et vos officiers; je dirai ces paroles en leur présence, et je prendrai à témoin contre eux le ciel et la terre. 29Car je sais qu'après ma mort vous vous corromprez, et que vous vous détournerez de la voie que je vous ai prescrite; et le malheur finira par vous atteindre, quand vous ferez ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, au point de l'irriter par l'oeuvre de vos mains. 30Moïse prononça dans leur entier les paroles de ce cantique, en présence de toute l'assemblée d'Israël: | |