| Chapitre 30 1 Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, 2 ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3 dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao. 4 Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5 Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6 Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao. 7 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8 Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9 Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao, 10 raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra. 11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. 12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika? 13 Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika? 14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao. 15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, 16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. 17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy, 18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo. 19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, 20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy. | | Chapitre 30 30:1 It shall happen, when all these things have come on you, the blessing and the curse, which I have set before you, and you shall call them to mind among all the nations, where Yahweh your God has driven you, 30:2 and shall return to Yahweh your God, and shall obey his voice according to all that I command you this day, you and your children, with all your heart, and with all your soul; 30:3 that then Yahweh your God will turn your captivity, and have compassion on you, and will return and gather you from all the peoples, where Yahweh your God has scattered you. 30:4 If your outcasts are in the uttermost parts of the heavens, from there will Yahweh your God gather you, and from there he will bring you back: 30:5 and Yahweh your God will bring you into the land which your fathers possessed, and you shall possess it; and he will do you good, and multiply you above your fathers. 30:6 Yahweh your God will circumcise your heart, and the heart of your seed, to love Yahweh your God with all your heart, and with all your soul, that you may live. 30:7 Yahweh your God will put all these curses on your enemies, and on those who hate you, who persecuted you. 30:8 You shall return and obey the voice of Yahweh, and do all his commandments which I command you this day. 30:9 Yahweh your God will make you plenteous in all the work of your hand, in the fruit of your body, and in the fruit of your livestock, and in the fruit of your ground, for good: for Yahweh will again rejoice over you for good, as he rejoiced over your fathers; 30:10 if you shall obey the voice of Yahweh your God, to keep his commandments and his statutes which are written in this book of the law; if you turn to Yahweh your God with all your heart, and with all your soul. 30:11 For this commandment which I command you this day, it is not too hard for you, neither is it far off. 30:12 It is not in heaven, that you should say, “Who shall go up for us to heaven, and bring it to us, and make us to hear it, that we may do it?” 30:13 Neither is it beyond the sea, that you should say, “Who shall go over the sea for us, and bring it to us, and make us to hear it, that we may do it?” 30:14 But the word is very near to you, in your mouth, and in your heart, that you may do it. 30:15 Behold, I have set before you this day life and good, and death and evil; 30:16 in that I command you this day to love Yahweh your God, to walk in his ways, and to keep his commandments and his statutes and his ordinances, that you may live and multiply, and that Yahweh your God may bless you in the land where you go in to possess it. 30:17 But if your heart turns away, and you will not hear, but shall be drawn away, and worship other gods, and serve them; 30:18 I denounce to you this day, that you shall surely perish; you shall not prolong your days in the land, where you pass over the Jordan to go in to possess it. 30:19 I call heaven and earth to witness against you this day, that I have set before you life and death, the blessing and the curse: therefore choose life, that you may live, you and your seed; 30:20 to love Yahweh your God, to obey his voice, and to cling to him; for he is your life, and the length of your days; that you may dwell in the land which Yahweh swore to your fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob, to give them. | | Chapitre 30 1 Lorsque toutes ces choses t'arriveront, la bénédiction et la malédiction que je mets devant toi, si tu les prends à coeur au milieu de toutes les nations chez lesquelles l'Éternel, ton Dieu, t'aura chassé, 2 si tu reviens à l'Éternel, ton Dieu, et si tu obéis à sa voix de tout ton coeur et de toute ton âme, toi et tes enfants, selon tout ce que je te prescris aujourd'hui, 3 alors l'Éternel, ton Dieu, ramènera tes captifs et aura compassion de toi, il te rassemblera encore du milieu de tous les peuples chez lesquels l'Éternel, ton Dieu, t'aura dispersé. 4 Quand tu serais exilé à l'autre extrémité du ciel, l'Éternel, ton Dieu, te rassemblera de là, et c'est là qu'il t'ira chercher. 5 L'Éternel, ton Dieu, te ramènera dans le pays que possédaient tes pères, et tu le posséderas; il te fera du bien, et te rendra plus nombreux que tes pères. 6 L'Éternel, ton Dieu, circoncira ton coeur et le coeur de ta postérité, et tu aimeras l'Éternel, ton Dieu, de tout ton coeur et de toute ton âme, afin que tu vives. 7 L'Éternel, ton Dieu, fera tomber toutes ces malédictions sur tes ennemis, sur ceux qui t'auront haï et persécuté. 8 Et toi, tu reviendras à l'Éternel, tu obéiras à sa voix, et tu mettras en pratique tous ces commandements que je te prescris aujourd'hui. 9 L'Éternel, ton Dieu, te comblera de biens en faisant prospérer tout le travail de tes mains, le fruit de tes entrailles, le fruit de tes troupeaux et le fruit de ton sol; car l'Éternel prendra de nouveau plaisir à ton bonheur, comme il prenait plaisir à celui de tes pères, 10 lorsque tu obéiras à la voix de l'Éternel, ton Dieu, en observant ses commandements et ses ordres écrits dans ce livre de la loi, lorsque tu reviendras à l'Éternel, ton Dieu, de tout ton coeur et de toute ton âme. 11 Ce commandement que je te prescris aujourd'hui n'est certainement point au-dessus de tes forces et hors de ta portée. 12 Il n'est pas dans le ciel, pour que tu dises: Qui montera pour nous au ciel et nous l'ira chercher, qui nous le fera entendre, afin que nous le mettions en pratique? 13 Il n'est pas de l'autre côté de la mer, pour que tu dises: Qui passera pour nous de l'autre côté de la mer et nous l'ira chercher, qui nous le fera entendre, afin que nous le mettions en pratique? 14 C'est une chose, au contraire, qui est tout près de toi, dans ta bouche et dans ton coeur, afin que tu la mettes en pratique. 15 Vois, je mets aujourd'hui devant toi la vie et le bien, la mort et le mal. 16 Car je te prescris aujourd'hui d'aimer l'Éternel, ton Dieu, de marcher dans ses voies, et d'observer ses commandements, ses lois et ses ordonnances, afin que tu vives et que tu multiplies, et que l'Éternel, ton Dieu, te bénisse dans le pays dont tu vas entrer en possession. 17 Mais si ton coeur se détourne, si tu n'obéis point, et si tu te laisses entraîner à te prosterner devant d'autres dieux et à les servir, 18 je vous déclare aujourd'hui que vous périrez, que vous ne prolongerez point vos jours dans le pays dont vous allez entrer en possession, après avoir passé le Jourdain. 19 J'en prends aujourd'hui à témoin contre vous le ciel et la terre: j'ai mis devant toi la vie et la mort, la bénédiction et la malédiction. Choisis la vie, afin que tu vives, toi et ta postérité, 20 pour aimer l'Éternel, ton Dieu, pour obéir à sa voix, et pour t'attacher à lui: car de cela dépendent ta vie et la prolongation de tes jours, et c'est ainsi que tu pourras demeurer dans le pays que l'Éternel a juré de donner à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob. | |