| Chapitre 29 1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, 2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny. 3 Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany. 4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao. 5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 6 Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy. 7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 8 Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo. 9 Hianareo rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, 10 ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao 11 hidiranao amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah Andriamanitrao aminao anio, 12 hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba. 13 Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, 14 fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa; 15 fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa; 16 ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy; 17 fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty; 18 ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta. 19 Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany. 20 Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity. 21 Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy 22 fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany 23 dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao? 24 Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. 25 Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy; 26 dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin'ity boky ity; 27 ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan'i Jehovah azy tsy ho eo amin'ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa, tahaka ny amin'izao anio izao. 28 An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity. | | Chapitre 29 29:1 These are the words of the covenant which Yahweh commanded Moses to make with the children of Israel in the land of Moab, besides the covenant which he made with them in Horeb. 29:2 Moses called to all Israel, and said to them, You have seen all that Yahweh did before your eyes in the land of Egypt to Pharaoh, and to all his servants, and to all his land; 29:3 the great trials which your eyes saw, the signs, and those great wonders: 29:4 but Yahweh has not given you a heart to know, and eyes to see, and ears to hear, to this day. 29:5 I have led you forty years in the wilderness: your clothes have not grown old on you, and your shoes have not grown old on your feet. 29:6 You have not eaten bread, neither have you drunk wine or strong drink; that you may know that I am Yahweh your God. 29:7 When you came to this place, Sihon the king of Heshbon, and Og the king of Bashan, came out against us to battle, and we struck them: 29:8 and we took their land, and gave it for an inheritance to the Reubenites, and to the Gadites, and to the half-tribe of the Manassites. 29:9 Keep therefore the words of this covenant, and do them, that you may prosper in all that you do. 29:10 You stand this day all of you before Yahweh your God; your heads, your tribes, your elders, and your officers, even all the men of Israel, 29:11 your little ones, your wives, and your foreigner who is in the midst of your camps, from the one who cuts your wood to the one who draws your water; 29:12 that you may enter into the covenant of Yahweh your God, and into his oath, which Yahweh your God makes with you this day; 29:13 that he may establish you this day to himself for a people, and that he may be to you a God, as he spoke to you, and as he swore to your fathers, to Abraham, to Isaac, and to Jacob. 29:14 Neither with you only do I make this covenant and this oath, 29:15 but with him who stands here with us this day before Yahweh our God, and also with him who is not here with us this day 29:16 (for you know how we lived in the land of Egypt, and how we came through the midst of the nations through which you passed; 29:17 and you have seen their abominations, and their idols, wood and stone, silver and gold, which were among them); 29:18 lest there should be among you man, or woman, or family, or tribe, whose heart turns away this day from Yahweh our God, to go to serve the gods of those nations; lest there should be among you a root that bears gall and wormwood; 29:19 and it happen, when he hears the words of this curse, that he bless himself in his heart, saying, “I shall have peace, though I walk in the stubbornness of my heart, to destroy the moist with the dry.” 29:20 Yahweh will not pardon him, but then the anger of Yahweh and his jealousy will smoke against that man, and all the curse that is written in this book shall lie on him, and Yahweh will blot out his name from under the sky. 29:21 Yahweh will set him apart to evil out of all the tribes of Israel, according to all the curses of the covenant that is written in this book of the law. 29:22 The generation to come, your children who shall rise up after you, and the foreigner who shall come from a far land, shall say, when they see the plagues of that land, and the sicknesses with which Yahweh has made it sick; 29:23 and that the whole land of it is sulfur, salt, and burning, that it is not sown, nor bears, nor any grass grows therein, like the overthrow of Sodom and Gomorrah, Admah and Zeboiim, which Yahweh overthrew in his anger, and in his wrath: 29:24 even all the nations shall say, “Why has Yahweh done thus to this land? What does the heat of this great anger mean?” 29:25 Then men shall say, “Because they forsook the covenant of Yahweh, the God of their fathers, which he made with them when he brought them forth out of the land of Egypt, 29:26 and went and served other gods, and worshiped them, gods that they didn’t know, and that he had not given to them: 29:27 therefore the anger of Yahweh was kindled against this land, to bring on it all the curse that is written in this book; 29:28 and Yahweh rooted them out of their land in anger, and in wrath, and in great indignation, and cast them into another land, as at this day.” 29:29 The secret things belong to Yahweh our God; but the things that are revealed belong to us and to our children forever, that we may do all the words of this law. | | Chapitre 29 1 Voici les paroles de l'alliance que l'Éternel ordonna à Moïse de traiter avec les enfants d'Israël au pays de Moab, outre l'alliance qu'il avait traitée avec eux à Horeb. 2 Moïse convoqua tout Israël, et leur dit: Vous avez vu tout ce que l'Éternel a fait sous vos yeux, dans le pays d'Égypte, à Pharaon, à tous ses serviteurs, et à tout son pays, 3 les grandes épreuves que tes yeux ont vues, ces miracles et ces grands prodiges. 4 Mais, jusqu'à ce jour, l'Éternel ne vous a pas donné un coeur pour comprendre, des yeux pour voir, des oreilles pour entendre. 5 Je t'ai conduit pendant quarante années dans le désert; tes vêtements ne se sont point usés sur toi, et ton soulier ne s'est point usé à ton pied; 6 vous n'avez point mangé de pain, et vous n'avez bu ni vin ni liqueur forte, afin que vous connussiez que je suis l'Éternel, votre Dieu. 7 Vous êtes arrivés dans ce lieu; Sihon, roi de Hesbon, et Og, roi de Basan, sont sortis à notre rencontre, pour nous combattre, et nous les avons battus. 8 Nous avons pris leur pays, et nous l'avons donné en propriété aux Rubénites, aux Gadites et à la moitié de la tribu des Manassites. 9 Vous observerez donc les paroles de cette alliance, et vous les mettrez en pratique, afin de réussir dans tout ce que vous ferez. 10 Vous vous présentez aujourd'hui devant l'Éternel, votre Dieu, vous tous, vos chefs de tribus, vos anciens, vos officiers, tous les hommes d'Israël, 11 vos enfants, vos femmes, et l'étranger qui est au milieu de ton camp, depuis celui qui coupe ton bois jusqu'à celui qui puise ton eau. 12 Tu te présentes pour entrer dans l'alliance de l'Éternel, ton Dieu, dans cette alliance contractée avec serment, et que l'Éternel, ton Dieu, traite en ce jour avec toi, 13 afin de t'établir aujourd'hui pour son peuple et d'être lui-même ton Dieu, comme il te l'a dit, et comme il l'a juré à tes pères, Abraham, Isaac et Jacob. 14 Ce n'est point avec vous seuls que je traite cette alliance, cette alliance contractée avec serment. 15 Mais c'est avec ceux qui sont ici parmi nous, présents en ce jour devant l'Éternel, notre Dieu, et avec ceux qui ne sont point ici parmi nous en ce jour. 16 Vous savez de quelle manière nous avons habité dans le pays d'Égypte, et comment nous avons passé au milieu des nations que vous avez traversées. 17 Vous avez vu leurs abominations et leurs idoles, le bois et la pierre, l'argent et l'or, qui sont chez elles. 18 Qu'il n'y ait parmi vous ni homme, ni femme, ni famille, ni tribu, dont le coeur se détourne aujourd'hui de l'Éternel, notre Dieu, pour aller servir les dieux de ces nations-là. Qu'il n'y ait point parmi vous de racine qui produise du poison et de l'absinthe. 19 Que personne, après avoir entendu les paroles de cette alliance contractée avec serment, ne se glorifie dans son coeur et ne dise: J'aurai la paix, quand même je suivrai les penchants de mon coeur, et que j'ajouterai l'ivresse à la soif. 20 L'Éternel ne voudra point lui pardonner. Mais alors la colère et la jalousie de l'Éternel s'enflammeront contre cet homme, toutes les malédictions écrites dans ce livre reposeront sur lui, et l'Éternel effacera son nom de dessous les cieux. 21 L'Éternel le séparera, pour son malheur, de toutes les tribus d'Israël, selon toutes les malédictions de l'alliance écrite dans ce livre de la loi. 22 Les générations à venir, vos enfants qui naîtront après vous et l'étranger qui viendra d'une terre lointaine, -à la vue des plaies et des maladies dont l'Éternel aura frappé ce pays, 23 (29:22) à la vue du soufre, du sel, (29:23) de l'embrasement de toute la contrée, où il n'y aura ni semence, ni produit, ni aucune herbe qui croisse, comme au bouleversement de Sodome, de Gomorrhe, d'Adma et de Tseboïm, que l'Éternel détruisit dans sa colère et dans sa fureur, - 24 toutes les nations diront: Pourquoi l'Éternel a-t-il ainsi traité ce pays? pourquoi cette ardente, cette grande colère? 25 Et l'on répondra: C'est parce qu'ils ont abandonné l'alliance contractée avec eux par l'Éternel, le Dieu de leurs pères, lorsqu'il les fit sortir du pays d'Égypte; 26 c'est parce qu'ils sont allés servir d'autres dieux et se prosterner devant eux, des dieux qu'ils ne connaissaient point et que l'Éternel ne leur avait point donnés en partage. 27 Alors la colère de l'Éternel s'est enflammée contre ce pays, et il a fait venir sur lui toutes les malédictions écrites dans ce livre. 28 L'Éternel les a arrachés de leur pays avec colère, avec fureur, avec une grande indignation, et il les a jetés sur un autre pays, comme on le voit aujourd'hui. 29 Les choses cachées sont à l'Éternel, notre Dieu; les choses révélées sont à nous et à nos enfants, à perpétuité, afin que nous mettions en pratique toutes les paroles de cette loi. | |