T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;

2 ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao

3 Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina ianao any an-tsaha.

4 Hotahina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.

5 Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.

6 Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka.

7 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.

8 Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin'ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon'ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

9 Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mandeha amin'ny lalany.

10 Dia ho hitan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa ny anaran'i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.

11 Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.

12 Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.

13 Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.

14 Ary aza miala amin'ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.

15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao :

16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.

17 Hozonina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao.

18 Hozonina ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao.

19 Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.

20 Hampandehanin'i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin'izay rehetra ataon'ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian'ny nataonao tamin'ny nahafoizanao Ahy.

21 Hampiraiketin'i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.

22 Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.

23 Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.

24 Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.

25 Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.

26 Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

27 Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);

28 ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.

29 Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.

30 Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.

31 Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.

32 Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.

33 Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.

34 Dia ho very saina ianao noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.

35 Hamelin'i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin'ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin'ny faladianao ka hatramin'ny tampon-dohanao.

36 Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.

37 Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.

38 Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin'ny valala ireny.

39 Hanao tanim-boaloboka ianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka ianao, satria ho lanin'ny fositra ireny.

40 Hanana hazo oliva amin'ny taninao rehetra ianao, nefa tsy hihosotra diloilo; fa hihintsana ny olivanao.

41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.

42 Ny hazonao sy ny vokatry ny taninao rehetra dia ho lanin'ny valala.

43 Ny vahiny eo aminao hisandratra ho ambony dia ambony noho ianao, fa ianao kosa hietry ho ambany dia ambany.

44 Izy hampisambotra anao, fa ianao kosa tsy hampisambotra azy; izy ho lohany, fa ianao ho rambony.

45 Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.

46 Ary ho famantarana sy fahagagana aminao sy ny taranakao mandrakizay izany,

47 satria tsy nanompo an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny fahafaliana sy ny faharavoam-po ianao noho ny habetsahan'ny zavatra rehetra.

48 Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.

49 Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,

50 firenena masiaka endrika, izay tsy hanaja ny antitra, na hiantra ny tanora

51 dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.

52 Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

53 Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

54 Ny lehilahy malemilemy sy mihantahanta indrindra eo aminao dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vadiny andefimandry ary ny zanany sisa,

55 ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.

56 Ny vehivavy malemilemy sy mihantahanta eo aminao, izay tsy mbola nanandrana nandia tany noho ny fihantahantany sy ny fahalemilemeny, dia ho ratsy fiteny ny vadiny andefimandry sy ny zananilahy ary ny zananivavy

57 noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.

58 Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin'ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,

59 dia hataon'i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.

60 Dia haveriny aminao indray ny aretin'i Egypta rehetra, izay natahoranao ka hiraikitra aminao ireny.

61 Ary ny faharariana rehetra sy ny kapoka rehetra koa, izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity aza, dia ho entin'i Jehovah mamely anao mandra-paharinganao.

62 Ary olona vitsy no ho sisa aminareo hisolo izao fahamaroanareo toy ny kintana eny amin'ny lanitra izao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao.

63 Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.

64 Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.

65 Ary any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan'ny faladianao; fa any no hanomezan'i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.

66 Ar ny ainao hihevingevina eo anatrehanao; dia hatahotra andro aman'alina ianao ka tsy hanampo izay ho velona.

67 Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.

68 Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.

69 [Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.

 

Chapitre 28

28:1 It shall happen, if you shall listen diligently to the voice of Yahweh your God, to observe to do all his commandments which I command you this day, that Yahweh your God will set you on high above all the nations of the earth: 28:2 and all these blessings shall come on you, and overtake you, if you shall listen to the voice of Yahweh your God. 28:3 You shall be blessed in the city, and you shall be blessed in the field. 28:4 You shall be blessed in the fruit of your body, the fruit of your ground, the fruit of your animals, the increase of your livestock, and the young of your flock. 28:5 Your basket and your kneading trough shall be blessed. 28:6 You shall be blessed when you come in, and you shall be blessed when you go out. 28:7 Yahweh will cause your enemies who rise up against you to be struck before you. They will come out against you one way, and will flee before you seven ways. 28:8 Yahweh will command the blessing on you in your barns, and in all that you put your hand to; and he will bless you in the land which Yahweh your God gives you. 28:9 Yahweh will establish you for a holy people to himself, as he has sworn to you; if you shall keep the commandments of Yahweh your God, and walk in his ways. 28:10 All the peoples of the earth shall see that you are called by the name of Yahweh; and they shall be afraid of you. 28:11 Yahweh will make you plenteous for good, in the fruit of your body, and in the fruit of your livestock, and in the fruit of your ground, in the land which Yahweh swore to your fathers to give you. 28:12 Yahweh will open to you his good treasure in the sky, to give the rain of your land in its season, and to bless all the work of your hand: and you shall lend to many nations, and you shall not borrow. 28:13 Yahweh will make you the head, and not the tail; and you shall be above only, and you shall not be beneath; if you shall listen to the commandments of Yahweh your God, which I command you this day, to observe and to do, 28:14 and shall not turn aside from any of the words which I command you this day, to the right hand, or to the left, to go after other gods to serve them. 28:15 But it shall come to pass, if you will not listen to the voice of Yahweh your God, to observe to do all his commandments and his statutes which I command you this day, that all these curses shall come on you, and overtake you. 28:16 You shall be cursed in the city, and you shall be cursed in the field. 28:17 Your basket and your kneading trough shall be cursed. 28:18 The fruit of your body, the fruit of your ground, the increase of your livestock, and the young of your flock shall be cursed. 28:19 You shall be cursed when you come in, and you shall be cursed when you go out. 28:20 Yahweh will send on you cursing, confusion, and rebuke, in all that you put your hand to do, until you are destroyed, and until you perish quickly; because of the evil of your doings, by which you have forsaken me. 28:21 Yahweh will make the pestilence cling to you, until he has consumed you from off the land, where you go in to possess it. 28:22 Yahweh will strike you with consumption, and with fever, and with inflammation, and with fiery heat, and with the sword, and with blight, and with mildew; and they shall pursue you until you perish. 28:23 Your sky that is over your head shall be brass, and the earth that is under you shall be iron. 28:24 Yahweh will make the rain of your land powder and dust: from the sky shall it come down on you, until you are destroyed. 28:25 Yahweh will cause you to be struck before your enemies; you shall go out one way against them, and shall flee seven ways before them: and you shall be tossed back and forth among all the kingdoms of the earth. 28:26 Your dead body shall be food to all birds of the sky, and to the animals of the earth; and there shall be none to frighten them away. 28:27 Yahweh will strike you with the boil of Egypt, and with the tumors, and with the scurvy, and with the itch, of which you can not be healed. 28:28 Yahweh will strike you with madness, and with blindness, and with astonishment of heart; 28:29 and you shall grope at noonday, as the blind gropes in darkness, and you shall not prosper in your ways: and you shall be only oppressed and robbed always, and there shall be none to save you. 28:30 You shall betroth a wife, and another man shall lie with her: you shall build a house, and you shall not dwell therein: you shall plant a vineyard, and shall not use its fruit. 28:31 Your ox shall be slain before your eyes, and you shall not eat of it: your donkey shall be violently taken away from before your face, and shall not be restored to you: your sheep shall be given to your enemies, and you shall have none to save you. 28:32 Your sons and your daughters shall be given to another people; and your eyes shall look, and fail with longing for them all the day: and there shall be nothing in the power of your hand. 28:33 The fruit of your ground, and all your labors, shall a nation which you don’t know eat up; and you shall be only oppressed and crushed always; 28:34 so that you shall be mad for the sight of your eyes which you shall see. 28:35 Yahweh will strike you in the knees, and in the legs, with a sore boil, of which you can not be healed, from the sole of your foot to the crown of your head. 28:36 Yahweh will bring you, and your king whom you shall set over you, to a nation that you have not known, you nor your fathers; and there you shall serve other gods, wood and stone. 28:37 You shall become an astonishment, a proverb, and a byword, among all the peoples where Yahweh shall lead you away. 28:38 You shall carry much seed out into the field, and shall gather little in; for the locust shall consume it. 28:39 You shall plant vineyards and dress them, but you shall neither drink of the wine, nor harvest; for the worm shall eat them. 28:40 You shall have olive trees throughout all your borders, but you shall not anoint yourself with the oil; for your olives shall drop off. 28:41 You shall father sons and daughters, but they shall not be yours; for they shall go into captivity. 28:42 All your trees and the fruit of your ground shall the locust possess. 28:43 The foreigner who is in the midst of you shall mount up above you higher and higher; and you shall come down lower and lower. 28:44 He shall lend to you, and you shall not lend to him: he shall be the head, and you shall be the tail. 28:45 All these curses shall come on you, and shall pursue you, and overtake you, until you are destroyed; because you didn’t listen to the voice of Yahweh your God, to keep his commandments and his statutes which he commanded you: 28:46 and they shall be on you for a sign and for a wonder, and on your seed forever. 28:47 Because you didn’t serve Yahweh your God with joyfulness, and with gladness of heart, by reason of the abundance of all things; 28:48 therefore you shall serve your enemies whom Yahweh shall send against you, in hunger, and in thirst, and in nakedness, and in want of all things: and he shall put a yoke of iron on your neck, until he has destroyed you. 28:49 Yahweh will bring a nation against you from far, from the end of the earth, as the eagle flies; a nation whose language you shall not understand; 28:50 a nation of fierce facial expressions, that shall not respect the person of the old, nor show favor to the young, 28:51 and shall eat the fruit of your livestock, and the fruit of your ground, until you are destroyed; that also shall not leave you grain, new wine, or oil, the increase of your livestock, or the young of your flock, until they have caused you to perish. 28:52 They shall besiege you in all your gates, until your high and fortified walls come down, in which you trusted, throughout all your land; and they shall besiege you in all your gates throughout all your land, which Yahweh your God has given you. 28:53 You shall eat the fruit of your own body, the flesh of your sons and of your daughters, whom Yahweh your God has given you, in the siege and in the distress with which your enemies shall distress you. 28:54 The man who is tender among you, and very delicate, his eye shall be evil toward his brother, and toward the wife of his bosom, and toward the remnant of his children whom he has remaining; 28:55 so that he will not give to any of them of the flesh of his children whom he shall eat, because he has nothing left him, in the siege and in the distress with which your enemy shall distress you in all your gates. 28:56 The tender and delicate woman among you, who would not adventure to set the sole of her foot on the ground for delicateness and tenderness, her eye shall be evil toward the husband of her bosom, and toward her son, and toward her daughter, 28:57 and toward her young one who comes out from between her feet, and toward her children whom she shall bear; for she shall eat them for want of all things secretly, in the siege and in the distress with which your enemy shall distress you in your gates. 28:58 If you will not observe to do all the words of this law that are written in this book, that you may fear this glorious and fearful name, YAHWEH YOUR GOD; 28:59 then Yahweh will make your plagues wonderful, and the plagues of your seed, even great plagues, and of long continuance, and severe sicknesses, and of long continuance. 28:60 He will bring on you again all the diseases of Egypt, which you were afraid of; and they shall cling to you. 28:61 Also every sickness, and every plague, which is not written in the book of this law, Yahweh will bring them on you, until you are destroyed. 28:62 You shall be left few in number, whereas you were as the stars of the sky for multitude; because you didn’t listen to the voice of Yahweh your God. 28:63 It shall happen that as Yahweh rejoiced over you to do you good, and to multiply you, so Yahweh will rejoice over you to cause you to perish, and to destroy you; and you shall be plucked from off the land where you go in to possess it. 28:64 Yahweh will scatter you among all peoples, from the one end of the earth even to the other end of the earth; and there you shall serve other gods, which you have not known, you nor your fathers, even wood and stone. 28:65 Among these nations you shall find no ease, and there shall be no rest for the sole of your foot: but Yahweh will give you there a trembling heart, and failing of eyes, and pining of soul; 28:66 and your life shall hang in doubt before you; and you shall fear night and day, and shall have no assurance of your life. 28:67 In the morning you shall say, “I wish it were evening!” and at evening you shall say, “I wish it were morning!” for the fear of your heart which you shall fear, and for the sight of your eyes which you shall see. 28:68 Yahweh will bring you into Egypt again with ships, by the way of which I said to you, You shall see it no more again: and there you shall sell yourselves to your enemies for bondservants and for bondmaids, and no man shall buy you.

 

Chapitre 28
1 Si tu obéis à la voix de l'Éternel, ton Dieu, en observant et en mettant en pratique tous ses commandements que je te prescris aujourd'hui, l'Éternel, ton Dieu, te donnera la supériorité sur toutes les nations de la terre. 2 Voici toutes les bénédictions qui se répandront sur toi et qui seront ton partage, lorsque tu obéiras à la voix de l'Éternel, ton Dieu: 3 Tu seras béni dans la ville, et tu seras béni dans les champs. 4 Le fruit de tes entrailles, le fruit de ton sol, le fruit de tes troupeaux, les portées de ton gros et de ton menu bétail, toutes ces choses seront bénies. 5 Ta corbeille et ta huche seront bénies. 6 Tu seras béni à ton arrivée, et tu seras béni à ton départ. 7 L'Éternel te donnera la victoire sur tes ennemis qui s'élèveront contre toi; ils sortiront contre toi par un seul chemin, et ils s'enfuiront devant toi par sept chemins. 8 L'Éternel ordonnera à la bénédiction d'être avec toi dans tes greniers et dans toutes tes entreprises. Il te bénira dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne. 9 Tu seras pour l'Éternel un peuple saint, comme il te l'a juré, lorsque tu observeras les commandements de l'Éternel, ton Dieu, et que tu marcheras dans ses voies. 10 Tous les peuples verront que tu es appelé du nom de l'Éternel, et ils te craindront. 11 L'Éternel te comblera de biens, en multipliant le fruit de tes entrailles, le fruit de tes troupeaux et le fruit de ton sol, dans le pays que l'Éternel a juré à tes pères de te donner. 12 L'Éternel t'ouvrira son bon trésor, le ciel, pour envoyer à ton pays la pluie en son temps et pour bénir tout le travail de tes mains; tu prêteras à beaucoup de nations, et tu n'emprunteras point. 13 L'Éternel fera de toi la tête et non la queue, tu seras toujours en haut et tu ne seras jamais en bas, lorsque tu obéiras aux commandements de l'Éternel, ton Dieu, que je te prescris aujourd'hui, lorsque tu les observeras et les mettras en pratique, 14 et que tu ne te détourneras ni à droite ni à gauche de tous les commandements que je vous donne aujourd'hui, pour aller après d'autres dieux et pour les servir. 15 Mais si tu n'obéis point à la voix de l'Éternel, ton Dieu, si tu n'observes pas et ne mets pas en pratique tous ses commandements et toutes ses lois que je te prescris aujourd'hui, voici toutes les malédictions qui viendront sur toi et qui seront ton partage: 16 Tu seras maudit dans la ville, et tu seras maudit dans les champs. 17 Ta corbeille et ta huche seront maudites. 18 Le fruit de tes entrailles, le fruit de ton sol, les portées de ton gros et de ton menu bétail, toutes ces choses seront maudites. 19 Tu seras maudit à ton arrivée, et tu seras maudit à ton départ. 20 L'Éternel enverra contre toi la malédiction, le trouble et la menace, au milieu de toutes les entreprises que tu feras, jusqu'à ce que tu sois détruit, jusqu'à ce que tu périsses promptement, à cause de la méchanceté de tes actions, qui t'aura porté à m'abandonner. 21 L'Éternel attachera à toi la peste, jusqu'à ce qu'elle te consume dans le pays dont tu vas entrer en possession. 22 L'Éternel te frappera de consomption, de fièvre, d'inflammation, de chaleur brûlante, de desséchement, de jaunisse et de gangrène, qui te poursuivront jusqu'à ce que tu périsses. 23 Le ciel sur ta tête sera d'airain, et la terre sous toi sera de fer. 24 L'Éternel enverra pour pluie à ton pays de la poussière et de la poudre; il en descendra du ciel sur toi jusqu'à ce que tu sois détruit. 25 L'Éternel te fera battre par tes ennemis; tu sortiras contre eux par un seul chemin, et tu t'enfuiras devant eux par sept chemins; et tu seras un objet d'effroi pour tous les royaumes de la terre. 26 Ton cadavre sera la pâture de tous les oiseaux du ciel et des bêtes de la terre; et il n'y aura personne pour les troubler. 27 L'Éternel te frappera de l'ulcère d'Égypte, d'hémorrhoïdes, de gale et de teigne, dont tu ne pourras guérir. 28 L'Éternel te frappera de délire, d'aveuglement, d'égarement d'esprit, 29 et tu tâtonneras en plein midi comme l'aveugle dans l'obscurité, tu n'auras point de succès dans tes entreprises, et tu seras tous les jours opprimé, dépouillé, et il n'y aura personne pour venir à ton secours. 30 Tu auras une fiancée, et un autre homme couchera avec elle; tu bâtiras une maison, et tu ne l'habiteras pas; tu planteras une vigne, et tu n'en jouiras pas. 31 Ton boeuf sera égorgé sous tes yeux, et tu n'en mangeras pas; ton âne sera enlevé devant toi, et on ne te le rendra pas; tes brebis seront données à tes ennemis, et il n'y aura personne pour venir à ton secours. 32 Tes fils et tes filles seront livrés à un autre peuple, tes yeux le verront et languiront tout le jour après eux, et ta main sera sans force. 33 Un peuple que tu n'auras point connu mangera le fruit de ton sol et tout le produit de ton travail, et tu seras tous les jours opprimé et écrasé. 34 Le spectacle que tu auras sous les yeux te jettera dans le délire. 35 L'Éternel te frappera aux genoux et aux cuisses d'un ulcère malin dont tu ne pourras guérir, il te frappera depuis la plante du pied jusqu'au sommet de la tête. 36 L'Éternel te fera marcher, toi et ton roi que tu auras établi sur toi, vers une nation que tu n'auras point connue, ni toi ni tes pères. Et là, tu serviras d'autres dieux, du bois et de la pierre. 37 Et tu seras un sujet d'étonnement, de sarcasme et de raillerie, parmi tous les peuples chez qui l'Éternel te mènera. 38 Tu transporteras sur ton champ beaucoup de semence; et tu feras une faible récolte, car les sauterelles la dévoreront. 39 Tu planteras des vignes et tu les cultiveras; et tu ne boiras pas de vin et tu ne feras pas de récolte, car les vers la mangeront. 40 Tu auras des oliviers dans toute l'étendue de ton pays; et tu ne t'oindras pas d'huile, car tes olives tomberont. 41 Tu engendreras des fils et des filles; et ils ne seront pas à toi, car ils iront en captivité. 42 Les insectes prendront possession de tous tes arbres et du fruit de ton sol. 43 L'étranger qui sera au milieu de toi s'élèvera toujours plus au-dessus de toi, et toi, tu descendras toujours plus bas; 44 il te prêtera, et tu ne lui prêteras pas; il sera la tête, et tu seras la queue. 45 Toutes ces malédictions viendront sur toi, elles te poursuivront et seront ton partage jusqu'à ce que tu sois détruit, parce que tu n'auras pas obéi à la voix de l'Éternel, ton Dieu, parce que tu n'auras pas observé ses commandements et ses lois qu'il te prescrit. 46 Elles seront à jamais pour toi et pour tes descendants comme des signes et des prodiges. 47 Pour n'avoir pas, au milieu de l'abondance de toutes choses, servi l'Éternel, ton Dieu, avec joie et de bon coeur, 48 tu serviras, au milieu de la faim, de la soif, de la nudité et de la disette de toutes choses, tes ennemis que l'Éternel enverra contre toi. Il mettra un joug de fer sur ton cou, jusqu'à ce qu'il t'ait détruit. 49 L'Éternel fera partir de loin, des extrémités de la terre, une nation qui fondra sur toi d'un vol d'aigle, une nation dont tu n'entendras point la langue, 50 une nation au visage farouche, et qui n'aura ni respect pour le vieillard ni pitié pour l'enfant. 51 Elle mangera le fruit de tes troupeaux et le fruit de ton sol, jusqu'à ce que tu sois détruit; elle ne te laissera ni blé, ni moût, ni huile, ni portées de ton gros et de ton menu bétail, jusqu'à ce qu'elle t'ait fait périr. 52 Elle t'assiégera dans toutes tes portes, jusqu'à ce que tes murailles tombent, ces hautes et fortes murailles sur lesquelles tu auras placé ta confiance dans toute l'étendue de ton pays; elle t'assiégera dans toutes tes portes, dans tout le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne. 53 Au milieu de l'angoisse et de la détresse où te réduira ton ennemi, tu mangeras le fruit de tes entrailles, la chair de tes fils et de tes filles que l'Éternel, ton Dieu, t'aura donnés. 54 L'homme d'entre vous le plus délicat et le plus habitué à la mollesse aura un oeil sans pitié pour son frère, pour la femme qui repose sur son sein, pour ceux de ses enfants qu'il a épargnés; 55 il ne donnera à aucun d'eux de la chair de ses enfants dont il fait sa nourriture, parce qu'il ne lui reste plus rien au milieu de l'angoisse et de la détresse où te réduira ton ennemi dans toutes tes portes. 56 La femme d'entre vous la plus délicate et la plus habituée à la mollesse, qui par mollesse et par délicatesse n'essayait pas de poser à terre la plante de son pied, aura un oeil sans pitié pour le mari qui repose sur son sein, pour son fils et pour sa fille; 57 elle ne leur donnera rien de l'arrière-faix sorti d'entre ses pieds et des enfants qu'elle mettra au monde, car, manquant de tout, elle en fera secrètement sa nourriture au milieu de l'angoisse et de la détresse où te réduira ton ennemi dans tes portes. 58 Si tu n'observes pas et ne mets pas en pratique toutes les paroles de cette loi, écrites dans ce livre, si tu ne crains pas ce nom glorieux et redoutable de l'Éternel, ton Dieu, 59 l'Éternel te frappera miraculeusement, toi et ta postérité, par des plaies grandes et de longue durée, par des maladies graves et opiniâtres. 60 Il amènera sur toi toutes les maladies d'Égypte, devant lesquelles tu tremblais; et elles s'attacheront à toi. 61 Et même, l'Éternel fera venir sur toi, jusqu'à ce que tu sois détruit, toutes sortes de maladies et de plaies qui ne sont point mentionnées dans le livre de cette loi. 62 Après avoir été aussi nombreux que les étoiles du ciel, vous ne resterez qu'un petit nombre, parce que tu n'auras point obéi à la voix de l'Éternel, ton Dieu. 63 De même que l'Éternel prenait plaisir à vous faire du bien et à vous multiplier, de même l'Éternel prendra plaisir à vous faire périr et à vous détruire; et vous serez arrachés du pays dont tu vas entrer en possession. 64 L'Éternel te dispersera parmi tous les peuples, d'une extrémité de la terre à l'autre; et là, tu serviras d'autres dieux que n'ont connus ni toi, ni tes pères, du bois et de la pierre. 65 Parmi ces nations, tu ne seras pas tranquille, et tu n'auras pas un lieu de repos pour la plante de tes pieds. L'Éternel rendra ton coeur agité, tes yeux languissants, ton âme souffrante. 66 Ta vie sera comme en suspens devant toi, tu trembleras la nuit et le jour, tu douteras de ton existence. 67 Dans l'effroi qui remplira ton coeur et en présence de ce que tes yeux verront, tu diras le matin: Puisse le soir être là! et tu diras le soir: Puisse le matin être là! 68 Et l'Éternel te ramènera sur des navires en Égypte, et tu feras ce chemin dont je t'avais dit: Tu ne le reverras plus! Là, vous vous offrirez en vente à vos ennemis, comme esclaves et comme servantes; et il n'y aura personne pour vous acheter.