T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 [Ny amin'ny hanaovana tsangam-bato hanoratana ny lalàna, sy ny hanaovana ny tso-drano sy ny fanozonana ao an-tendrombohitra Gerizinia sy Ebala] Ary Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.

2 Ary amin'ny andro izay hitànareo an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;

3 dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.

4 Ary rehefa tafita an'i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.

5 Ary manorena alitara ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.

6 Vato tsy voapaika no hataonao alitaran'i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an'i Jehovah Andriamanitrao.

7 Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.

8 Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.

9 Dia niteny tamin'ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen'i Jehovah Andriamanitrao ianao.

10 Koa henoy ny feon'i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.

11 Dia nandidy ny vahoaka tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:

12 Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.

13 Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.

14 Dia hiteny ny Levita ka hanao amin'ny Isiraely rehetra amin'ny feo mahery hoe:

15 Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.

16 Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

17 Hozonina izay mamindra ny faritanin'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

18 Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

19 Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

20 Hozonina izay mandry amin'ny vadin-drainy, fa mandry amin'izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

21 Hozonina izay mandry amin'ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

22 Hozonina izay mandry amin'ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

23 Hozonina izay mandry amin'ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

24 Hozonina izay mamely ny namany ao amin'ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

25 Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

26 Hozonina izay tsy mankatò ny tenin'ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.

 

Chapitre 27

27:1 Moses and the elders of Israel commanded the people, saying, “Keep all the commandment which I command you this day. 27:2 It shall be on the day when you shall pass over the Jordan to the land which Yahweh your God gives you, that you shall set yourself up great stones, and plaster them with plaster: 27:3 and you shall write on them all the words of this law, when you have passed over; that you may go in to the land which Yahweh your God gives you, a land flowing with milk and honey, as Yahweh, the God of your fathers, has promised you. 27:4 It shall be, when you have passed over the Jordan, that you shall set up these stones, which I command you this day, in Mount Ebal, and you shall plaster them with plaster. 27:5 There you shall build an altar to Yahweh your God, an altar of stones: you shall lift up no iron on them. 27:6 You shall build the altar of Yahweh your God of uncut stones; and you shall offer burnt offerings thereon to Yahweh your God: 27:7 and you shall sacrifice peace offerings, and shall eat there; and you shall rejoice before Yahweh your God. 27:8 You shall write on the stones all the words of this law very plainly.”

27:9 Moses and the priests the Levites spoke to all Israel, saying, “Keep silence, and listen, Israel: this day you have become the people of Yahweh your God. 27:10 You shall therefore obey the voice of Yahweh your God, and do his commandments and his statutes, which I command you this day.”

27:11 Moses commanded the people the same day, saying, 27:12 “These shall stand on Mount Gerizim to bless the people, when you have passed over the Jordan: Simeon, and Levi, and Judah, and Issachar, and Joseph, and Benjamin. 27:13 These shall stand on Mount Ebal for the curse: Reuben, Gad, and Asher, and Zebulun, Dan, and Naphtali. 27:14 The Levites shall answer, and tell all the men of Israel with a loud voice, 27:15 ‘Cursed is the man who makes an engraved or molten image, an abomination to Yahweh, the work of the hands of the craftsman, and sets it up in secret.’ All the people shall answer and say, ‘Amen.’ 27:16 ‘Cursed is he who sets light by his father or his mother.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:17 ‘Cursed is he who removes his neighbor’s landmark.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:18 ‘Cursed is he who makes the blind to wander out of the way.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:19 ‘Cursed is he who the foreigner, fatherless, and widow of justice.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:20 ‘Cursed is he who lies with his father’s wife, because he has uncovered his father’s skirt.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:21 ‘Cursed is he who lies with any kind of animal.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:22 ‘Cursed is he who lies with his sister, the daughter of his father, or the daughter of his mother.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:23 ‘Cursed is he who lies with his mother-in-law.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:24 ‘Cursed is he who strikes his neighbor in secret.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:25 ‘Cursed is he who takes a bribe to kill an innocent person.’ All the people shall say, ‘Amen.’ 27:26 ‘Cursed is he who doesn’t confirm the words of this law to do them.’ All the people shall say, ‘Amen.’”

 

Chapitre 27
1 Moïse et les anciens d'Israël donnèrent cet ordre au peuple: Observez tous les commandements que je vous prescris aujourd'hui. 2 Lorsque vous aurez passé le Jourdain, pour entrer dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne, tu dresseras de grandes pierres, et tu les enduiras de chaux. 3 Tu écriras sur ces pierres toutes les paroles de cette loi, lorsque tu auras passé le Jourdain, pour entrer dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne, pays où coulent le lait et le miel, comme te l'a dit l'Éternel, le Dieu de tes pères. 4 Lorsque vous aurez passé le Jourdain, vous dresserez sur le mont Ébal ces pierres que je vous ordonne aujourd'hui de dresser, et tu les enduiras de chaux. 5 Là, tu bâtiras un autel à l'Éternel, ton Dieu, un autel de pierres, sur lesquelles tu ne porteras point le fer; 6 tu bâtiras en pierres brutes l'autel de l'Éternel, ton Dieu. Tu offriras sur cet autel des holocaustes à l'Éternel, ton Dieu; 7 tu offriras des sacrifices d'actions de grâces, et tu mangeras là et te réjouiras devant l'Éternel, ton Dieu. 8 Tu écriras sur ces pierres toutes les paroles de cette loi, en les gravant bien nettement. 9 Moïse et les sacrificateurs, les Lévites, parlèrent à tout Israël, et dirent: Israël, sois attentif et écoute! Aujourd'hui, tu es devenu le peuple de l'Éternel, ton Dieu. 10 Tu obéiras à la voix de l'Éternel, ton Dieu, et tu mettras en pratique ses commandements et ses lois que je te prescris aujourd'hui. 11 Le même jour, Moïse donna cet ordre au peuple: 12 Lorsque vous aurez passé le Jourdain, Siméon, Lévi, Juda, Issacar, Joseph et Benjamin, se tiendront sur le mont Garizim, pour bénir le peuple; 13 et Ruben, Gad, Aser, Zabulon, Dan et Nephthali, se tiendront sur le mont Ébal, pour prononcer la malédiction. 14 Et les Lévites prendront la parole, et diront d'une voix haute à tout Israël: 15 Maudit soit l'homme qui fait une image taillée ou une image en fonte, abomination de l'Éternel, oeuvre des mains d'un artisan, et qui la place dans un lieu secret! Et tout le peuple répondra, et dira: Amen! 16 Maudit soit celui qui méprise son père et sa mère! -Et tout le peuple dira: Amen! 17 Maudit soit celui qui déplace les bornes de son prochain! -Et tout le peuple dira: Amen! 18 Maudit soit celui qui fait égarer un aveugle dans le chemin! Et tout le peuple dira: Amen! 19 Maudit soit celui qui porte atteinte au droit de l'étranger, de l'orphelin et de la veuve! -Et tout le peuple dira: Amen! 20 Maudit soit celui qui couche avec la femme de son père, car il soulève la couverture de son père! -Et tout le peuple dira: Amen! 21 Maudit soit celui qui couche avec une bête quelconque! -Et tout le peuple dira: Amen! 22 Maudit soit celui qui couche avec sa soeur, fille de son père ou fille de sa mère! -Et tout le peuple dira: Amen! 23 Maudit soit celui qui couche avec sa belle-mère! -Et tout le peuple dira: Amen! 24 Maudit soit celui qui frappe son prochain en secret! -Et tout le peuple dira: Amen! 25 Maudit soit celui qui reçoit un présent pour répandre le sang de l'innocent! -Et tout le peuple dira: Amen! 26 Maudit soit celui qui n'accomplit point les paroles de cette loi, et qui ne les met point en pratique! -Et tout le peuple dira: Amen!