T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 25

1 [Ny amin'ny kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.

2 Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.

3 Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.

4 Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.

5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.

6 Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.

7 Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.

8 Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,

9 dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.

10 Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.

11 Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,

12 dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.

13 Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.

14 Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.

15 Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.

16 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.

17 [Ny amin'ny handringanana ny Amalekita] Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,

18 dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.

19 Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.

 

Chapitre 25
25:1 If there is a controversy between men, and they come to judgment, and the judges judge them; then they shall justify the righteous, and condemn the wicked; 25:2 and it shall be, if the wicked man be worthy to be beaten, that the judge shall cause him to lie down, and to be beaten before his face, according to his wickedness, by number. 25:3 Forty stripes he may give him, he shall not exceed; lest, if he should exceed, and beat him above these with many stripes, then your brother should seem vile to you. 25:4 You shall not muzzle the ox when he treads out the grain. 25:5 If brothers dwell together, and one of them die, and have no son, the wife of the dead shall not be married outside to a stranger: her husband’s brother shall go in to her, and take her to him as wife, and perform the duty of a husband’s brother to her. 25:6 It shall be, that the firstborn whom she bears shall succeed in the name of his brother who is dead, that his name not be blotted out of Israel.

25:7 If the man doesn’t want to take his brother’s wife, then his brother’s wife shall go up to the gate to the elders, and say, “My husband’s brother refuses to raise up to his brother a name in Israel; he will not perform the duty of a husband’s brother to me.” 25:8 Then the elders of his city shall call him, and speak to him: and if he stand, and say, “I don’t want to take her”; 25:9 then his brother’s wife shall come to him in the presence of the elders, and loose his shoe from off his foot, and spit in his face; and she shall answer and say, “So shall it be done to the man who does not build up his brother’s house.” 25:10 His name shall be called in Israel, The house of him who has his shoe untied.

25:11 When men strive together one with another, and the wife of the one draws near to deliver her husband out of the hand of him who strikes him, and puts forth her hand, and takes him by the secrets; 25:12 then you shall cut off her hand, your eye shall have no pity.

25:13 You shall not have in your bag diverse weights, a great and a small. 25:14 You shall not have in your house diverse measures, a great and a small. 25:15 You shall have a perfect and just weight. You shall have a perfect and just measure, that your days may be long in the land which Yahweh your God gives you. 25:16 For all who do such things, all who do unrighteously, are an abomination to Yahweh your God. 25:17 Remember what Amalek did to you by the way as you came forth out of Egypt; 25:18 how he met you by the way, and struck the hindmost of you, all who were feeble behind you, when you were faint and weary; and he didn’t fear God. 25:19 Therefore it shall be, when Yahweh your God has given you rest from all your enemies all around, in the land which Yahweh your God gives you for an inheritance to possess it, that you shall blot out the memory of Amalek from under the sky; you shall not forget.

 

Chapitre 25
1 Lorsque des hommes, ayant entre eux une querelle, se présenteront en justice pour être jugés, on absoudra l'innocent, et l'on condamnera le coupable. 2 Si le coupable mérite d'être battu, le juge le fera étendre par terre et frapper en sa présence d'un nombre de coups proportionné à la gravité de sa faute. 3 Il ne lui fera pas donner plus de quarante coups, de peur que, si l'on continuait à le frapper en allant beaucoup au delà, ton frère ne fût avili à tes yeux. 4 Tu n'emmuselleras point le boeuf, quand il foulera le grain. 5 Lorsque des frères demeureront ensemble, et que l'un d'eux mourra sans laisser de fils, la femme du défunt ne se mariera point au dehors avec un étranger, mais son beau-frère ira vers elle, la prendra pour femme, et l'épousera comme beau-frère. 6 Le premier-né qu'elle enfantera succédera au frère mort et portera son nom, afin que ce nom ne soit pas effacé d'Israël. 7 Si cet homme ne veut pas prendre sa belle-soeur, elle montera à la porte vers les anciens, et dira: Mon beau-frère refuse de relever en Israël le nom de son frère, il ne veut pas m'épouser par droit de beau-frère. 8 Les anciens de la ville l'appelleront, et lui parleront. S'il persiste, et dit: Je ne veux pas la prendre, 9 alors sa belle-soeur s'approchera de lui en présence des anciens, lui ôtera son soulier du pied, et lui crachera au visage. Et prenant la parole, elle dira: Ainsi sera fait à l'homme qui ne relève pas la maison de son frère. 10 Et sa maison sera appelée en Israël la maison du déchaussé. 11 Lorsque des hommes se querelleront ensemble, l'un avec l'autre, si la femme de l'un s'approche pour délivrer son mari de la main de celui qui le frappe, si elle avance la main et saisit ce dernier par les parties honteuses, 12 tu lui couperas la main, tu ne jetteras sur elle aucun regard de pitié. 13 Tu n'auras point dans ton sac deux sortes de poids, un gros et un petit. 14 Tu n'auras point dans ta maison deux sortes d'épha, un grand et un petit. 15 Tu auras un poids exact et juste, tu auras un épha exact et juste, afin que tes jours se prolongent dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne. 16 Car quiconque fait ces choses, quiconque commet une iniquité, est en abomination à l'Éternel, ton Dieu. 17 Souviens-toi de ce que te fit Amalek pendant la route, lors de votre sortie d'Égypte, 18 comment il te rencontra dans le chemin, et, sans aucune crainte de Dieu, tomba sur toi par derrière, sur tous ceux qui se traînaient les derniers, pendant que tu étais las et épuisé toi-même. 19 Lorsque l'Éternel, ton Dieu, après t'avoir délivré de tous les ennemis qui t'entourent, t'accordera du repos dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne en héritage et en propriété, tu effaceras la mémoire d'Amalek de dessous les cieux: ne l'oublie point.