T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Ny amin'ny fanesoran-keloka, raha misy faty hita, nefa tsy fantatra izay nahafaty azy] Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,

2 dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.

3 Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.

4 Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.

5 Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;

6 ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;

7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.

8 Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.

9 Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.

10 [Ny amin'ny vehivavy babo hovadin'izay nahazo azy] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,

11 ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,

12 dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,

13 ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.

14 Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.

 

15 [Ny amin'ny lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:

16 amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;

17 fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.

 

18 [Ny fanao amin'ny zanaka maditra tsy zaka anarina] Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,

19 dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,

20 dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.

21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.

22 [Ny amin'ny fandevenana ny fatin'ny meloka izay efa nahantona tamin'ny hazo] Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny hazo.

23 dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.

 

Chapitre 21

21:1 If one be found slain in the land which Yahweh your God gives you to possess it, lying in the field, and it isn’t known who has struck him; 21:2 then your elders and your judges shall come forth, and they shall measure to the cities which are around him who is slain: 21:3 and it shall be, that the city which is nearest to the slain man, even the elders of that city shall take a heifer of the herd, which hasn’t been worked with, and which has not drawn in the yoke; 21:4 and the elders of that city shall bring down the heifer to a valley with running water, which is neither plowed nor sown, and shall break the heifer’s neck there in the valley. 21:5 The priests the sons of Levi shall come near; for them Yahweh your God has chosen to minister to him, and to bless in the name of Yahweh; and according to their word shall every controversy and every stroke be. 21:6 All the elders of that city, who are nearest to the slain man, shall wash their hands over the heifer whose neck was broken in the valley; 21:7 and they shall answer and say, “Our hands have not shed this blood, neither have our eyes seen it. 21:8 Forgive, Yahweh, your people Israel, whom you have redeemed, and don’t allow innocent blood in the midst of your people Israel.” The blood shall be forgiven them. 21:9 So you shall put away the innocent blood from the midst of you, when you shall do that which is right in the eyes of Yahweh.

21:10 When you go forth to battle against your enemies, and Yahweh your God delivers them into your hands, and you carry them away captive, 21:11 and see among the captives a beautiful woman, and you have a desire to her, and would take her to you as wife; 21:12 then you shall bring her home to your house; and she shall shave her head, and pare her nails; 21:13 and she shall put the clothing of her captivity from off her, and shall remain in your house, and bewail her father and her mother a full month: and after that you shall go in to her, and be her husband, and she shall be your wife. 21:14 It shall be, if you have no delight in her, then you shall let her go where she will; but you shall not sell her at all for money, you shall not deal with her as a slave, because you have humbled her. 21:15 If a man have two wives, the one beloved, and the other hated, and they have borne him children, both the beloved and the hated; and if the firstborn son be hers who was hated; 21:16 then it shall be, in the day that he causes his sons to inherit that which he has, that he may not make the son of the beloved the firstborn before the son of the hated, who is the firstborn: 21:17 but he shall acknowledge the firstborn, the son of the hated, by giving him a double portion of all that he has; for he is the beginning of his strength; the right of the firstborn is his. 21:18 If a man have a stubborn and rebellious son, who will not obey the voice of his father, or the voice of his mother, and, though they chasten him, will not listen to them; 21:19 then shall his father and his mother lay hold on him, and bring him out to the elders of his city, and to the gate of his place; 21:20 and they shall tell the elders of his city, “This our son is stubborn and rebellious, he will not obey our voice; he is a glutton, and a drunkard.” 21:21 All the men of his city shall stone him to death with stones: so you shall put away the evil from the midst of you; and all Israel shall hear, and fear.

21:22 If a man have committed a sin worthy of death, and he be put to death, and you hang him on a tree; 21:23 his body shall not remain all night on the tree, but you shall surely bury him the same day; for he who is hanged is accursed of God; that you don’t defile your land which Yahweh your God gives you for an inheritance.

 

Chapitre 21
1 Si, dans le pays dont l'Éternel, ton Dieu, te donne la possession, l'on trouve étendu au milieu d'un champ un homme tué, sans que l'on sache qui l'a frappé, 2 tes anciens et tes juges iront mesurer les distances à partir du cadavre jusqu'aux villes des environs. 3 Quand on aura déterminé la ville la plus rapprochée du cadavre, les anciens de cette ville prendront une génisse qui n'ait point servi au travail et qui n'ait point tiré au joug. 4 Ils feront descendre cette génisse vers un torrent qui jamais ne tarisse et où il n'y ait ni culture ni semence; et là, ils briseront la nuque à la génisse, dans le torrent. 5 Alors s'approcheront les sacrificateurs, fils de Lévi; car l'Éternel, ton Dieu, les a choisis pour qu'ils le servent et qu'ils bénissent au nom de l'Éternel, et ce sont eux qui doivent prononcer sur toute contestation et sur toute blessure. 6 Tous les anciens de cette ville la plus rapprochée du cadavre laveront leurs mains sur la génisse à laquelle on a brisé la nuque dans le torrent. 7 Et prenant la parole, ils diront: Nos mains n'ont point répandu ce sang et nos yeux ne l'ont point vu répandre. 8 Pardonne, ô Éternel! à ton peuple d'Israël, que tu as racheté; n'impute pas le sang innocent à ton peuple d'Israël, et ce sang ne lui sera point imputé. 9 Ainsi, tu dois faire disparaître du milieu de toi le sang innocent, en faisant ce qui est droit aux yeux de l'Éternel. 10 Lorsque tu iras à la guerre contre tes ennemis, si l'Éternel les livre entre tes mains, et que tu leur fasses des prisonniers, 11 peut-être verras-tu parmi les captives une femme belle de figure, et auras-tu le désir de la prendre pour femme. 12 Alors tu l'amèneras dans l'intérieur de ta maison. Elle se rasera la tête et se fera les ongles, 13 elle quittera les vêtements qu'elle portait quand elle a été prise, elle demeurera dans ta maison, et elle pleurera son père et sa mère pendant un mois. Après cela, tu iras vers elle, tu l'auras en ta possession, et elle sera ta femme. 14 Si elle cesse de te plaire, tu la laisseras aller où elle voudra, tu ne pourras pas la vendre pour de l'argent ni la traiter comme esclave, parce que tu l'auras humiliée. 15 Si un homme, qui a deux femmes, aime l'une et n'aime pas l'autre, et s'il en a des fils dont le premier-né soit de la femme qu'il n'aime pas, 16 il ne pourra point, quand il partagera son bien entre ses fils, reconnaître comme premier-né le fils de celle qu'il aime, à la place du fils de celle qu'il n'aime pas, et qui est le premier-né. 17 Mais il reconnaîtra pour premier-né le fils de celle qu'il n'aime pas, et lui donnera sur son bien une portion double; car ce fils est les prémices de sa vigueur, le droit d'aînesse lui appartient. 18 Si un homme a un fils indocile et rebelle, n'écoutant ni la voix de son père, ni la voix de sa mère, et ne leur obéissant pas même après qu'ils l'ont châtié, 19 le père et la mère le prendront, et le mèneront vers les anciens de sa ville et à la porte du lieu qu'il habite. 20 Ils diront aux anciens de sa ville: Voici notre fils qui est indocile et rebelle, qui n'écoute pas notre voix, et qui se livre à des excès et à l'ivrognerie. 21 Et tous les hommes de sa ville le lapideront, et il mourra. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi, afin que tout Israël entende et craigne. 22 Si l'on fait mourir un homme qui a commis un crime digne de mort, et que tu l'aies pendu à un bois, 23 son cadavre ne passera point la nuit sur le bois; mais tu l'enterreras le jour même, car celui qui est pendu est un objet de malédiction auprès de Dieu, et tu ne souilleras point le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne pour héritage.