T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Ny amin'ny tanàna handosiran'izay mahafaty olona tsy nahy] Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon'ny tany omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,

2 dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.

3 Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran'ny mahafaty olona rehetra ao.

4 Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha

5 toy ny olona izay miaraka amin'ny namany ho any an'ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin'ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;

6 fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.

7 Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.

8 Ary raha hitarin'i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin'ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao

9 (raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin'ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;

10 mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin'ny rà ianao.

11 Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo,

12 ny loholona amin'ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.

13 Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny heloka ny amin'ny rà marina, mba hahita soa ianao.

 

14 [Ny amin'ny tsi-famindrana fari-tany, sy ny amin'ny vavolombelona] Aza mamindra ny fari-tanin'ny namanao, izay efa vitan'ny razana teo amin'ny zara-taninao, izay azonao eo amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.

 

15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin'izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.

16 Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,

17 dia hitsangana eo anatrehan'i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara amin'izany andro izany;

18 ary raha hadinin'ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,

19 dia araka izay nokasainy hatao amin'ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.

20 Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.

21 Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.

 

Chapitre 19

19:1 When Yahweh your God shall cut off the nations, whose land Yahweh your God gives you, and you succeed them, and dwell in their cities, and in their houses; 19:2 you shall set apart three cities for you in the midst of your land, which Yahweh your God gives you to possess it. 19:3 You shall prepare you the way, and divide the borders of your land, which Yahweh your God causes you to inherit, into three parts, that every manslayer may flee there. 19:4 This is the case of the manslayer, that shall flee there and live: whoever kills his neighbor unawares, and didn’t hate him in time past; 19:5 as when a man goes into the forest with his neighbor to chop wood, and his hand fetches a stroke with the axe to cut down the tree, and the head slips from the handle, and lights on his neighbor, so that he dies; he shall flee to one of these cities and live: 19:6 lest the avenger of blood pursue the manslayer, while his heart is hot, and overtake him, because the way is long, and strike him mortally; whereas he was not worthy of death, inasmuch as he didn’t hate him in time past. 19:7 Therefore I command you, saying, You shall set apart three cities for yourselves. 19:8 If Yahweh your God enlarges your border, as he has sworn to your fathers, and gives you all the land which he promised to give to your fathers; 19:9 if you keep all this commandment to do it, which I command you this day, to love Yahweh your God, and to walk ever in his ways; then you shall add three cities more for yourselves, besides these three: 19:10 that innocent blood not be shed in the midst of your land, which Yahweh your God gives you for an inheritance, and so blood be on you. 19:11 But if any man hates his neighbor, and lies in wait for him, and rises up against him, and strikes him mortally so that he dies, and he flees into one of these cities; 19:12 then the elders of his city shall send and bring him there, and deliver him into the hand of the avenger of blood, that he may die. 19:13 Your eye shall not pity him, but you shall put away the innocent blood from Israel, that it may go well with you. 19:14 You shall not remove your neighbor’s landmark, which they of old time have set, in your inheritance which you shall inherit, in the land that Yahweh your God gives you to possess it. 19:15 One witness shall not rise up against a man for any iniquity, or for any sin, in any sin that he sins: at the mouth of two witnesses, or at the mouth of three witnesses, shall a matter be established. 19:16 If an unrighteous witness rise up against any man to testify against him of wrongdoing, 19:17 then both the men, between whom the controversy is, shall stand before Yahweh, before the priests and the judges who shall be in those days; 19:18 and the judges shall make diligent inquisition: and, behold, if the witness is a false witness, and has testified falsely against his brother; 19:19 then you shall do to him as he had thought to do to his brother: so you shall put away the evil from the midst of you. 19:20 Those who remain shall hear, and fear, and shall henceforth commit no more any such evil in the midst of you. 19:21 Your eyes shall not pity: life for life, eye for eye, tooth for tooth, hand for hand, foot for foot.

 

Chapitre 19
1 Lorsque l'Éternel, ton Dieu, aura exterminé les nations dont l'Éternel, ton Dieu, te donne le pays, lorsque tu les auras chassées et que tu habiteras dans leurs villes et dans leurs maisons, 2 tu sépareras trois villes au milieu du pays dont l'Éternel, ton Dieu, te donne la possession. 3 Tu établiras des routes, et tu diviseras en trois parties le territoire du pays que l'Éternel, ton Dieu, va te donner en héritage. Il en sera ainsi afin que tout meurtrier puisse s'enfuir dans ces villes. 4 Cette loi s'appliquera au meurtrier qui s'enfuira là pour sauver sa vie, lorsqu'il aura involontairement tué son prochain, sans avoir été auparavant son ennemi. 5 Un homme, par exemple, va couper du bois dans la forêt avec un autre homme; la hache en main, il s'élance pour abattre un arbre; le fer échappe du manche, atteint le compagnon de cet homme, et lui donne la mort. Alors il s'enfuira dans l'une de ces villes pour sauver sa vie, 6 de peur que le vengeur du sang, échauffé par la colère et poursuivant le meurtrier, ne finisse par l'atteindre s'il y avait à faire beaucoup de chemin, et ne frappe mortellement celui qui ne mérite pas la mort, puisqu'il n'était point auparavant l'ennemi de son prochain. 7 C'est pourquoi je te donne cet ordre: Tu sépareras trois villes. 8 Lorsque l'Éternel, ton Dieu, aura élargi tes frontières, comme il l'a juré à tes pères, et qu'il t'aura donné tout le pays qu'il a promis à tes pères de te donner, - 9 pourvu que tu observes et mettes en pratique tous ces commandements que je te prescris aujourd'hui, en sorte que tu aimes l'Éternel, ton Dieu, et que tu marches toujours dans ses voies, -tu ajouteras encore trois villes à ces trois-là, 10 afin que le sang innocent ne soit pas répandu au milieu du pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne pour héritage, et que tu ne sois pas coupable de meurtre. 11 Mais si un homme s'enfuit dans une de ces villes, après avoir dressé des embûches à son prochain par inimitié contre lui, après l'avoir attaqué et frappé de manière à causer sa mort, 12 les anciens de sa ville l'enverront saisir et le livreront entre les mains du vengeur du sang, afin qu'il meure. 13 Tu ne jetteras pas sur lui un regard de pitié, tu feras disparaître d'Israël le sang innocent, et tu seras heureux. 14 Tu ne reculeras point les bornes de ton prochain, posées par tes ancêtres, dans l'héritage que tu auras au pays dont l'Éternel, ton Dieu, te donne la possession. 15 Un seul témoin ne suffira pas contre un homme pour constater un crime ou un péché, quel qu'il soit; un fait ne pourra s'établir que sur la déposition de deux ou de trois témoins. 16 Lorsqu'un faux témoin s'élèvera contre quelqu'un pour l'accuser d'un crime, 17 les deux hommes en contestation comparaîtront devant l'Éternel, devant les sacrificateurs et les juges alors en fonctions. 18 Les juges feront avec soin des recherches. Le témoin est-il un faux témoin, a-t-il fait contre son frère une fausse déposition, 19 alors vous le traiterez comme il avait dessein de traiter son frère. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi. 20 Les autres entendront et craindront, et l'on ne commettra plus un acte aussi criminel au milieu de toi. 21 Tu ne jetteras aucun regard de pitié: oeil pour oeil, dent pour dent, main pour main, pied pour pied