| Chapitre 18 1 [Ny amin'ny ho anjaran'ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen'i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin'ny Isiraely; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah sy ny anjaran'i Jehovah no ho fihinany. 2 Fa tsy hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy. 3 Ary izao no ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona, dia avy amin'izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an'ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny; 4 ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan'ny volon'ondrinao no homenao azy. 5 Fa izy sy ny taranany no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah. 6 Ary raha misy Levita miala amin'ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin'ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian'ny fony ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, 7 ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan'i Jehovah, 8 dia anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin'ny azony tamin-drainy. 9 [Ny amin'ny mpaminany] REHEFA tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon'ireo firenena ireo. 10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, 11 na manao ho masim-bava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. 12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao. 13 Aoka ho tanteraka amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao. 14 Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan'i Jehovah Andriamanitrao hanao izany. 15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo; 16 araka izay rehetra nangatahinao tamin'i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin'ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. 17 Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy. 18 Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin'ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy. 19 Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia Izaho no hitsara azy. 20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin'ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty. 21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah? 22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
| | Chapitre 18 18:1 The priests the Levites, all the tribe of Levi, shall have no portion nor inheritance with Israel: they shall eat the offerings of Yahweh made by fire, and his inheritance. 18:2 They shall have no inheritance among their brothers: Yahweh is their inheritance, as he has spoken to them. 18:3 This shall be the priests’ due from the people, from those who offer a sacrifice, whether it be ox or sheep, that they shall give to the priest the shoulder, and the two cheeks, and the maw. 18:4 The first fruits of your grain, of your new wine, and of your oil, and the first of the fleece of your sheep, you shall give him. 18:5 For Yahweh your God has chosen him out of all your tribes, to stand to minister in the name of Yahweh, him and his sons for ever. 18:6 If a Levite comes from any of your gates out of all Israel, where he lives as a foreigner, and comes with all the desire of his soul to the place which Yahweh shall choose; 18:7 then he shall minister in the name of Yahweh his God, as all his brothers the Levites do, who stand there before Yahweh. 18:8 They shall have like portions to eat, besides that which comes of the sale of his patrimony. 18:9 When you have come into the land which Yahweh your God gives you, you shall not learn to do after the abominations of those nations. 18:10 There shall not be found with you anyone who makes his son or his daughter to pass through the fire, one who uses divination, one who practices sorcery, or an enchanter, or a sorcerer, 18:11 or a charmer, or a consulter with a familiar spirit, or a wizard, or a necromancer. 18:12 For whoever does these things is an abomination to Yahweh: and because of these abominations Yahweh your God does drive them out from before you. 18:13 You shall be perfect with Yahweh your God. 18:14 For these nations, that you shall dispossess, listen to those who practice sorcery, and to diviners; but as for you, Yahweh your God has not allowed you so to do. 18:15 Yahweh your God will raise up to you a prophet from the midst of you, of your brothers, like me. You shall listen to him. 18:16 This is according to all that you desired of Yahweh your God in Horeb in the day of the assembly, saying, “Let me not hear again the voice of Yahweh my God, neither let me see this great fire any more, that I not die.” 18:17 Yahweh said to me, “They have well said that which they have spoken. 18:18 I will raise them up a prophet from among their brothers, like you; and I will put my words in his mouth, and he shall speak to them all that I shall command him. 18:19 It shall happen, that whoever will not listen to my words which he shall speak in my name, I will require it of him. 18:20 But the prophet, who shall speak a word presumptuously in my name, which I have not commanded him to speak, or who shall speak in the name of other gods, that same prophet shall die.” 18:21 If you say in your heart, “How shall we know the word which Yahweh has not spoken?” 18:22 when a prophet speaks in the name of Yahweh, if the thing doesn’t follow, nor happen, that is the thing which Yahweh has not spoken: the prophet has spoken it presumptuously, you shall not be afraid of him.
| | Chapitre 18 1 Les sacrificateurs, les Lévites, la tribu entière de Lévi, n'auront ni part ni héritage avec Israël; ils se nourriront des sacrifices consumés par le feu en l'honneur de l'Éternel et de l'héritage de l'Éternel. 2 Ils n'auront point d'héritage au milieu de leurs frères: l'Éternel sera leur héritage, comme il le leur a dit. 3 Voici quel sera le droit des sacrificateurs sur le peuple, sur ceux qui offriront un sacrifice, un boeuf ou un agneau: on donnera au sacrificateur l'épaule, les mâchoires et l'estomac. 4 Tu lui donneras les prémices de ton blé, de ton moût et de ton huile, et les prémices de la toison de tes brebis; 5 car c'est lui que l'Éternel, ton Dieu, a choisi entre toutes les tribus, pour qu'il fasse le service au nom de l'Éternel, lui et ses fils, à toujours. 6 Lorsque le Lévite quittera l'une de tes portes, le lieu quelconque où il demeure en Israël, pour se rendre, selon la plénitude de son désir, au lieu que choisira l'Éternel, 7 et qu'il fera le service au nom de l'Éternel, ton Dieu, comme tous ses frères les Lévites qui se tiennent là devant l'Éternel, 8 il recevra pour sa nourriture une portion égale à la leur, et jouira, en outre, des revenus de la vente de son patrimoine. 9 Lorsque tu seras entré dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne, tu n'apprendras point à imiter les abominations de ces nations-là. 10 Qu'on ne trouve chez toi personne qui fasse passer son fils ou sa fille par le feu, personne qui exerce le métier de devin, d'astrologue, d'augure, de magicien, 11 d'enchanteur, personne qui consulte ceux qui évoquent les esprits ou disent la bonne aventure, personne qui interroge les morts. 12 Car quiconque fait ces choses est en abomination à l'Éternel; et c'est à cause de ces abominations que l'Éternel, ton Dieu, va chasser ces nations devant toi. 13 Tu seras entièrement à l'Éternel, ton Dieu. 14 Car ces nations que tu chasseras écoutent les astrologues et les devins; mais à toi, l'Éternel, ton Dieu, ne le permet pas. 15 L'Éternel, ton Dieu, te suscitera du milieu de toi, d'entre tes frères, un prophète comme moi: vous l'écouterez! 16 Il répondra ainsi à la demande que tu fis à l'Éternel, ton Dieu, à Horeb, le jour de l'assemblée, quand tu disais: Que je n'entende plus la voix de l'Éternel, mon Dieu, et que je ne voie plus ce grand feu, afin de ne pas mourir. 17 L'Éternel me dit: Ce qu'ils ont dit est bien. 18 Je leur susciterai du milieu de leurs frères un prophète comme toi, je mettrai mes paroles dans sa bouche, et il leur dira tout ce que je lui commanderai. 19 Et si quelqu'un n'écoute pas mes paroles qu'il dira en mon nom, c'est moi qui lui en demanderai compte. 20 Mais le prophète qui aura l'audace de dire en mon nom une parole que je ne lui aurai point commandé de dire, ou qui parlera au nom d'autres dieux, ce prophète-là sera puni de mort. 21 Peut-être diras-tu dans ton coeur: Comment connaîtrons-nous la parole que l'Éternel n'aura point dite? 22 Quand ce que dira le prophète n'aura pas lieu et n'arrivera pas, ce sera une parole que l'Éternel n'aura point dite. C'est par audace que le prophète l'aura dite: n'aie pas peur de lui. | |