| Chapitre 17 1 Aza vonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany. 2 Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny 3 ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin'ny masoandro, na amin'ny volana, na amin'ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy, 4 ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin'ny Isiraely izany fahavetavetana izany: 5 dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty. 6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy. 7 Ny tanan'ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. 8 Raha misy teny sarotra loatra amin'ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin'ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao. 9 ary mankanesa amin'ireo Levita mpisorona sy amin'ny anankiray izay mpitsara amin'izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana. 10 Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao. 11 Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin'ny teny izay hambarany aminao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. 12 Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy. 13 Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony. 14 Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, 15 dia izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin'ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin'ny rahalahinao ianao. 16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin'izany lalana izany intsony. 17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy. 18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin'ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin'ireo Levita mpisorona. 19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin'ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an'i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, 20 mba tsy hiavonavonan'ny fony amin'ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin'ny lalàna, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba ho maro andro amin'ny fanjakany eo amin'ny Isiraely; izy sy ny taranany. | | Chapitre 17 17:1 You shall not sacrifice to Yahweh your God an ox, or a sheep, in which is a blemish, or anything evil; for that is an abomination to Yahweh your God. 17:2 If there is found in the midst of you, within any of your gates which Yahweh your God gives you, man or woman, who does that which is evil in the sight of Yahweh your God, in transgressing his covenant, 17:3 and has gone and served other gods, and worshiped them, or the sun, or the moon, or any of the army of the sky, which I have not commanded; 17:4 and it be told you, and you have heard of it, then you shall inquire diligently; and behold, if it be true, and the thing certain, that such abomination is done in Israel, 17:5 then you shall bring forth that man or that woman, who has done this evil thing, to your gates, even the man or the woman; and you shall stone them to death with stones. 17:6 At the mouth of two witnesses, or three witnesses, shall he who is to die be put to death; at the mouth of one witness he shall not be put to death. 17:7 The hand of the witnesses shall be first on him to put him to death, and afterward the hand of all the people. So you shall put away the evil from the midst of you. 17:8 If there arises a matter too hard for you in judgment, between blood and blood, between plea and plea, and between stroke and stroke, being matters of controversy within your gates; then you shall arise, and go up to the place which Yahweh your God shall choose; 17:9 and you shall come to the priests the Levites, and to the judge who shall be in those days: and you shall inquire; and they shall show you the sentence of judgment. 17:10 You shall do according to the tenor of the sentence which they shall show you from that place which Yahweh shall choose; and you shall observe to do according to all that they shall teach you: 17:11 according to the tenor of the law which they shall teach you, and according to the judgment which they shall tell you, you shall do; you shall not turn aside from the sentence which they shall show you, to the right hand, nor to the left. 17:12 The man who does presumptuously, in not listening to the priest who stands to minister there before Yahweh your God, or to the judge, even that man shall die: and you shall put away the evil from Israel. 17:13 All the people shall hear, and fear, and do no more presumptuously. 17:14 When you have come to the land which Yahweh your God gives you, and shall possess it, and shall dwell therein, and shall say, “I will set a king over me, like all the nations that are around me”; 17:15 you shall surely set him king over yourselves, whom Yahweh your God shall choose: one from among your brothers you shall set king over you; you may not put a foreigner over you, who is not your brother. 17:16 Only he shall not multiply horses to himself, nor cause the people to return to Egypt, to the end that he may multiply horses; because Yahweh has said to you, “You shall not go back that way again.” 17:17 Neither shall he multiply wives to himself, that his heart not turn away: neither shall he greatly multiply to himself silver and gold. 17:18 It shall be, when he sits on the throne of his kingdom, that he shall write him a copy of this law in a book, out of that which is before the priests the Levites: 17:19 and it shall be with him, and he shall read therein all the days of his life; that he may learn to fear Yahweh his God, to keep all the words of this law and these statutes, to do them; 17:20 that his heart not be lifted up above his brothers, and that he not turn aside from the commandment, to the right hand, or to the left: to the end that he may prolong his days in his kingdom, he and his children, in the midst of Israel. | | Chapitre 17 1 Tu n'offriras en sacrifice à l'Éternel, ton Dieu, ni boeuf, ni agneau qui ait quelque défaut ou difformité; car ce serait en abomination à l'Éternel, ton Dieu. 2 Il se trouvera peut-être au milieu de toi dans l'une des villes que l'Éternel, ton Dieu, te donne, un homme ou une femme faisant ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, ton Dieu, et transgressant son alliance; 3 allant après d'autres dieux pour les servir et se prosterner devant eux, après le soleil, la lune, ou toute l'armée des cieux. Ce n'est point là ce que j'ai commandé. 4 Dès que tu en auras connaissance, dès que tu l'auras appris, tu feras avec soin des recherches. La chose est-elle vraie, le fait est-il établi, cette abomination a-t-elle été commise en Israël, 5 alors tu feras venir à tes portes l'homme ou la femme qui sera coupable de cette mauvaise action, et tu lapideras ou puniras de mort cet homme ou cette femme. 6 Celui qui mérite la mort sera exécuté sur la déposition de deux ou de trois témoins; il ne sera pas mis à mort sur la déposition d'un seul témoin. 7 La main des témoins se lèvera la première sur lui pour le faire mourir, et la main de tout le peuple ensuite. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi. 8 Si une cause relative à un meurtre, à un différend, à une blessure, te paraît trop difficile à juger et fournit matière à contestation dans tes portes, tu te lèveras et tu monteras au lieu que l'Éternel, ton Dieu, choisira. 9 Tu iras vers les sacrificateurs, les Lévites, et vers celui qui remplira alors les fonctions de juge; tu les consulteras, et ils te feront connaître la sentence. 10 Tu te conformeras à ce qu'ils te diront dans le lieu que choisira l'Éternel, et tu auras soin d'agir d'après tout ce qu'ils t'enseigneront. 11 Tu te conformeras à la loi qu'ils t'enseigneront et à la sentence qu'ils auront prononcée; tu ne te détourneras de ce qu'ils te diront ni à droite ni à gauche. 12 L'homme qui, par orgueil, n'écoutera pas le sacrificateur placé là pour servir l'Éternel, ton Dieu, ou qui n'écoutera pas le juge, cet homme sera puni de mort. Tu ôteras ainsi le mal du milieu d'Israël, 13 afin que tout le peuple entende et craigne, et qu'il ne se livre plus à l'orgueil. 14 Lorsque tu seras entré dans le pays que l'Éternel, ton Dieu, te donne, lorsque tu le posséderas, que tu y auras établi ta demeure, et que tu diras: Je veux mettre un roi sur moi, comme toutes les nations qui m'entourent, - 15 tu mettras sur toi un roi que choisira l'Éternel, ton Dieu, tu prendras un roi du milieu de tes frères, tu ne pourras pas te donner un étranger, qui ne soit pas ton frère. 16 Mais qu'il n'ait pas un grand nombre de chevaux; et qu'il ne ramène pas le peuple en Égypte pour avoir beaucoup de chevaux; car l'Éternel vous a dit: Vous ne retournerez plus par ce chemin-là. 17 Qu'il n'ait pas un grand nombre de femmes, afin que son coeur ne se détourne point; et qu'il ne fasse pas de grands amas d'argent et d'or. 18 Quand il s'assiéra sur le trône de son royaume, il écrira pour lui, dans un livre, une copie de cette loi, qu'il prendra auprès des sacrificateurs, les Lévites. 19 Il devra l'avoir avec lui et y lire tous les jours de sa vie, afin qu'il apprenne à craindre l'Éternel, son Dieu, à observer et à mettre en pratique toutes les paroles de cette loi et toutes ces ordonnances; 20 afin que son coeur ne s'élève point au-dessus de ses frères, et qu'il ne se détourne de ces commandements ni à droite ni à gauche; afin qu'il prolonge ses jours dans son royaume, lui et ses enfants, au milieu d'Israël. | |