| Chapitre 13 1 Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao. 2 [Ny amin'ny fampijaliana izay mivavaka amin'ny sampy na mitaona ny sasany hivavaka aminy] Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao 3 sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, 4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo. 5 Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo. 6 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. 7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), 8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra), 9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; 10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra. 11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao. 13 Raha mandre teny ianao ny amin'ny tanànanao anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe: 14 Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo). 15 dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany, 16 dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra. 17 Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony. 18 Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao, 19 raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.
| | Chapitre 13 13:1 If there arise in the midst of you a prophet, or a dreamer of dreams, and he give you a sign or a wonder, 13:2 and the sign or the wonder come to pass, of which he spoke to you, saying, “Let us go after other gods” (which you have not known) “and let us serve them”; 13:3 you shall not listen to the words of that prophet, or to that dreamer of dreams: for Yahweh your God proves you, to know whether you love Yahweh your God with all your heart and with all your soul. 13:4 You shall walk after Yahweh your God, and fear him, and keep his commandments, and obey his voice, and you shall serve him, and cling to him. 13:5 That prophet, or that dreamer of dreams, shall be put to death, because he has spoken rebellion against Yahweh your God, who brought you out of the land of Egypt, and redeemed you out of the house of bondage, to draw you aside out of the way which Yahweh your God commanded you to walk in. So you shall put away the evil from the midst of you. 13:6 If your brother, the son of your mother, or your son, or your daughter, or the wife of your bosom, or your friend, who is as your own soul, entice you secretly, saying, “Let us go and serve other gods,” which you have not known, you, nor your fathers; 13:7 of the gods of the peoples who are around you, near to you, or far off from you, from the one end of the earth even to the other end of the earth; 13:8 you shall not consent to him, nor listen to him; neither shall your eye pity him, neither shall you spare, neither shall you conceal him: 13:9 but you shall surely kill him; your hand shall be first on him to put him to death, and afterwards the hand of all the people. 13:10 You shall stone him to death with stones, because he has sought to draw you away from Yahweh your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of bondage. 13:11 All Israel shall hear, and fear, and shall not do any more such wickedness as this is in the midst of you. 13:12 If you shall hear tell concerning one of your cities, which Yahweh your God gives you to dwell there, saying, 13:13 Certain base fellows are gone out from the midst of you, and have drawn away the inhabitants of their city, saying, “Let us go and serve other gods,” which you have not known; 13:14 then you shall inquire, and make search, and ask diligently; and, behold, if it be truth, and the thing certain, that such abomination is done in the midst of you, 13:15 you shall surely strike the inhabitants of that city with the edge of the sword, destroying it utterly, and all that is therein and its livestock, with the edge of the sword. 13:16 You shall gather all its spoil into the midst of its street, and shall burn with fire the city, and all its spoil every whit, to Yahweh your God: and it shall be a heap forever; it shall not be built again. 13:17 Nothing of the devoted thing shall cling to your hand; that Yahweh may turn from the fierceness of his anger, and show you mercy, and have compassion on you, and multiply you, as he has sworn to your fathers; 13:18 when you shall listen to the voice of Yahweh your God, to keep all his commandments which I command you this day, to do that which is right in the eyes of Yahweh your God.
| | Chapitre 13 1 S'il s'élève au milieu de toi un prophète ou un songeur qui t'annonce un signe ou un prodige, 2 et qu'il y ait accomplissement du signe ou du prodige dont il t'a parlé en disant: Allons après d'autres dieux, -des dieux que tu ne connais point, -et servons-les! 3 tu n'écouteras pas les paroles de ce prophète ou de ce songeur, car c'est l'Éternel, votre Dieu, qui vous met à l'épreuve pour savoir si vous aimez l'Éternel, votre Dieu, de tout votre coeur et de toute votre âme. 4 Vous irez après l'Éternel, votre Dieu, et vous le craindrez; vous observerez ses commandements, vous obéirez à sa voix, vous le servirez, et vous vous attacherez à lui. 5 Ce prophète ou ce songeur sera puni de mort, car il a parlé de révolte contre l'Éternel, votre Dieu, qui vous a fait sortir du pays d'Égypte et vous a délivrés de la maison de servitude, et il a voulu te détourner de la voie dans laquelle l'Éternel, ton Dieu, t'a ordonné de marcher. Tu ôteras ainsi le mal du milieu de toi. 6 Si ton frère, fils de ta mère, ou ton fils, ou ta fille, ou la femme qui repose sur ton sein, ou ton ami que tu aimes comme toi-même, t'incite secrètement en disant: Allons, et servons d'autres dieux! -des dieux que ni toi ni tes pères n'avez connus, 7 d'entre les dieux des peuples qui vous entourent, près de toi ou loin de toi, d'une extrémité de la terre à l'autre- 8 tu n'y consentiras pas, et tu ne l'écouteras pas; tu ne jetteras pas sur lui un regard de pitié, tu ne l'épargneras pas, et tu ne le couvriras pas. 9 Mais tu le feras mourir; ta main se lèvera la première sur lui pour le mettre à mort, et la main de tout le peuple ensuite; 10 tu le lapideras, et il mourra, parce qu'il a cherché à te détourner de l'Éternel, ton Dieu, qui t'a fait sortir du pays d'Égypte, de la maison de servitude. 11 Il en sera ainsi, afin que tout Israël entende et craigne, et que l'on ne commette plus un acte aussi criminel au milieu de toi. 12 Si tu entends dire au sujet de l'une des villes que t'a données pour demeure l'Éternel, ton Dieu: 13 Des gens pervers sont sortis du milieu de toi, et ont séduit les habitants de leur ville en disant: Allons, et servons d'autres dieux! des dieux que tu ne connais point 14 tu feras des recherches, tu examineras, tu interrogeras avec soin. La chose est-elle vraie, le fait est-il établi, cette abomination a-t-elle été commise au milieu de toi, 15 alors tu frapperas du tranchant de l'épée les habitants de cette ville, tu la dévoueras par interdit avec tout ce qui s'y trouvera, et tu en passeras le bétail au fil de l'épée. 16 Tu amasseras tout le butin au milieu de la place, et tu brûleras entièrement au feu la ville avec tout son butin, devant l'Éternel, ton Dieu: elle sera pour toujours un monceau de ruines, elle ne sera jamais rebâtie. 17 Rien de ce qui sera dévoué par interdit ne s'attachera à ta main, afin que l'Éternel revienne de l'ardeur de sa colère, qu'il te fasse miséricorde et grâce, et qu'il te multiplie, comme il l'a juré à tes pères, 18 si tu obéis à la voix de l'Éternel, ton Dieu, en observant tous ses commandements que je te prescris aujourd'hui, et en faisant ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, ton Dieu. | |